fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana

101. tywa68 ( 24/07/2007 17:36)
boraingy : faly zany zao ianao fa tsy nanao valy boraingina ? omeo conclusion @izay ary fa tsy azoko ny valin'ilay size avy aminao : ny fitiavana sa ny fivavahana no lohalaharana ? :-D:-D

Ika : tokony mba zinga fa tsy vera @izay tsy vaky ê !:lol:
102. boraingy ( 25/07/2007 07:40)
tywa68> Sarotra tokoa ireo valinteny nomena momba ity fanontaniana ilanao conclusion ity. Amiko raha toa ka fitiavana marina no nanosika ny olon-droa hiaraka ary raha nihevitra izy fa samihafa ny Andriamanitra Tompoiny araka ny fomba fivavahana dia sahirana izy izay satria resaka Fototra mihitsy no tsy iraisana ka tsy hisy fitiavana ao izany.

Ny tena valinteny marina dia ny fikatsahana ilay Fitiavana lehibe iraisan'ny rehetra ka tsy hipetraka intsony ny fanontaniana hoe fitiavana sa fivavahana satria fitondran-tena ara-Kristiana ny manana Fitiavana ary fiombonam-panahy ny Fitiavana na eo amin'olon-droa io na eo amin'ny mpiara-monina.

Lasa fandrika ny resaka raha vao tsy lalim-paka ny fampiharana ny Fitiavana.

Ny tena marina dia tsy tokony hipetraka loatra ny fanontaniana raha samy matotra ny tsirairay ary efa manana fahatombenana amin'ny Fahalalana an'Andriamanitra ka mandroso amin'ny fananmbadiana izay apetraka eo anatrehan'Andriamanitra.

Mitombona kosa ny fanontaniana raha tsy miroso any amin'ny fitoviam-pijery momba ny finoany ny tsirairay ka eto dia menaka sy rano samy mitana ny maha-izy azy ka lasa mandringa fa tsy misy firaisam-po.

Ka hoy aho mamarana hoe Katsaho aloha ny fahendrena vao miroso amin'ny fanambadiana.
103. tywa68 ( 25/07/2007 09:14)
boraingy : eny ary e ! d hisy hanontany zao hoe inona zany fahendrena ? =))
104. boraingy ( 25/07/2007 09:22)
Ny fahendrena dia fahamatoran-tsaina sy fahamatoram-panahy.
105. ikaretsaka ( 25/07/2007 13:32)
dia ahoana ny fomba hahatongavana amin'izany sy ny hifandraisany @ resaka mariazy sy Fivavahana samihafa (kristianina sy tsy izy)

Matotra ny saina sy fanahiny anie ao @ le fivavahana misy azy e (Temoins ohatra)
dia Matotra ny saina sy fanahiny ao @ le fivavahana misy ilay vadiny (Loteranina ohatra)

dia ahoana amin'izay?
106. xxx ( 25/07/2007 14:07)

Niezaka namaky ihany aho fa efa lava be ny dinika ka tsy vitako hatramin'ny farany. Fa ity mba misy hevitra, asa raha efa nisy nilaza na tsia.

1 - Azo atao tsara ny manao ny mariage mixte (raha samy ao amin'ny FFKM ny mpivady). Izany hoe samy mitana ny finoany ny mpivady. Misy ny fihofanana arahina manokana ho azy ireo, toy ny nataon'ny zokiko vavy sy ny vady (FJKM).

2 - Amin'ny mariage mixte dia tsy tokony hijery ny tenany fotsiny ny mpivady fa tsy mantsy mijery ny zanany koa. Tsy mantsy faritana mialoha hoe: aiza ary ny ankizy no handeha? Hanaraka ny lahy sa hanaraka ny vavy? Raha ny an'ny zokiko dia hoe: hanaraka ny lahy ny zanany. Tsy nisy ny olana. Tamin'ny mbola kely anefa ny zanak'izy roa dia voatery entin'i zokinay any amin'ny katolika foana mivavaka satria tsy afa-misaraka aminy. Tato afara rehefa afa-mandeha tsara izy sy nahay miteny sy mahatokana dia niaraka tamin'ny rainy isaky ny alahady. Teo no nisy ny olana satria tsy te hanaraka ny rainy ny zaza satria betsaka ny fanontaniana napetrany tsy voavalin-drainy (tsy lazaiko eto moa sao misy milaza fa manaratsy eo aho nefa tsy izay no tiana hatongavana).
Amin'izao fotoana izao dia any amin'ny Katolika no mivavaka izy telo mianaka kely. Tsy misy ny olana.

3 - Mahalasa saina ihany ny mijery ny mpivady tsy miray latabatra. Ny fiaraha-misakafo anefa dia midika ho firaisana lalina, indrindra raha fanasan'ny Tompo no aleha. Asa aloha e! Raha ny tsara dia ny hampiray ny mpivady. Hihaina marina ilay lazain'i Paoly hoe: ny tia mandefitra ny zavatra rehetra.

Ho amintsika hatrany anie ny fahasoavan'Andriamanitra . Amen!
107. boraingy ( 25/07/2007 14:11)
Eo amin'izay lafiny izay indray dia ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin'ny fanamasinana ny Mariazy no jerena. Ny toriteny sy ny fanomezana tso-drano ny tokantrano izay amporisihan'ny Pretra na ny Mpitandrina ireo mpivady amin'ny fahazotoana miara-mivavaka sy mamaky ny Tenin'Andriamanitra ao an-tokantrano no manatevina ny fahamatorana sy ny fitomboana ara-panahy ary manamafy ny fifandraisana am-po.
Izany no lazaina hoe tena Fitiavana tokoa no katsahina fa tsy fifanintonan'ny lahy sy vavy e!
108. xxx ( 31/07/2007 11:02)
bosista:

manaona daoly!
afaka mivady ve ny olona anakiroa samy hafa finoana ary samy mafana fo? ny ray katolika ny iray jesosy mamonjy oh, ary raha mifankatia be nefa samy mitazona ny azy, azo atao ve ny manamasina ny mariazy amin'ny fiangonana roa tonta sa ny fiangonana iray iany de fa ampy? nefa ho possible ve izany amin'izy roa tonta fa tsy ho entina koa @ fiangonan'ilay anakiray? nefa samy olona manana ny maha-izy azy @ fiangonany izy roa? ahoana ny tokony ho famahana ny olana am-pilaminana sy am-pahendrena?



Solution roa zao no hitako:
1-tsy manao mariazy ampiangonana fa misoratra ara-panjakana fotsiny
2-mila mivadika manaraka ny finoan'ny ankilany ny iray
109. xxx ( 31/07/2007 12:38)
ohatrohatra hoe ... sao dia ilay ohatra hoe "Jesosy Mamonjy" no sarotra : raha katolika sy protestant dia tsy mbola naheno aho hoe te hatao mariazy in-2 fa matetika dia présence pasitera sy mopera no reko , fa ny Jesosy Mamonjy sy ny Témoin no mametraka olana indraindray : tsy mety mandeha any am-piangonana hafa
110. Rasiligaoma ( 01/08/2007 05:29)
raha ny resakareo izany dia fitiavan-tena daholo no mibafana ko!
tiako ny fiangonako
tsia ny fiangonako.

lasa izaho izaho izaho faona fa tsy misy Isika na "izahay" mihitsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.072