fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana

1. bosista ( 15/07/2007 17:30)
manaona daoly!
afaka mivady ve ny olona anakiroa samy hafa finoana ary samy mafana fo? ny ray katolika ny iray jesosy mamonjy oh, ary raha mifankatia be nefa samy mitazona ny azy, azo atao ve ny manamasina ny mariazy amin'ny fiangonana roa tonta sa ny fiangonana iray iany de fa ampy? nefa ho possible ve izany amin'izy roa tonta fa tsy ho entina koa @ fiangonan'ilay anakiray? nefa samy olona manana ny maha-izy azy @ fiangonany izy roa? ahoana ny tokony ho famahana ny olana am-pilaminana sy am-pahendrena?
répondu par Rasiligaoma le 01/08/2007 05:29
2. nolalaina ( 15/07/2007 18:07)
Raha ny @ko manokana dé tsy tokony hisy ny olana satria Andriamanitra dé 1 ihany !! ao @ katô izy, ao @ protestanta izy, sns......
3. ikaretsaka ( 15/07/2007 18:21)
ny lehilahy manaraka ny vadiny honno fa ny lahy no lohan'i vavy.. arakan' i Paoly io an an!
4. pissoa ( 15/07/2007 19:52)
Amiko angamba dia izao no fanontaniana apetrako amiko raha io resaka io : tena ilay mariazy tadiaviny/finoany na fiangonany ve no mariazy sy tokatrano tiako iainana sy araka ny finoako sy ny fiangonako ?

Ny tokony atao voalohany indrindra angamba dia ny mamantatra hoe inona izany "manambady" na "manao mariazy" araka ny tsirairay sy ireo finoana roa samihafa. Matetika mantsy dia tsy mitovy io, na tsy hidiran'ny finoana aza fa amin'ny mahasamy olona fotsiny. Raha Katolika dia manatona ny pretra ao amin'ny paroasy dia anotanio azy ny mikasika ny atao hoe Mariazy amin'ny olona Katolika ! Rehefa mazava ireo dia izy roa ihany angamba dia hahavaly ny fanotaniana.

Ilay lazaina lava hoe "Andriamanitra iray ihany" amiko dia lomorina laotra (miala tsiny). Andriamanitra iray ihany no tena fototra hijoroan'ireo ka inona no mampisaraka lava eo e ? Amiko matoa misy fisaratsarahana dia misy tsy fitoviana ao ... donc, mila fandinihana fa tsy takotakonana amin'ny mampairay an'Andriamanitra.
5. cutie ( 15/07/2007 19:56)
Mpandefa : bosista [ Valio ] 15-07-2007 19:30:47
Lohateny : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
manaona daoly!
afaka mivady ve ny olona anakiroa samy hafa finoana ary samy mafana fo? ny ray katolika ny iray jesosy mamonjy oh, ary raha mifankatia be nefa samy mitazona ny azy, azo atao ve ny manamasina ny mariazy amin'ny fiangonana roa tonta sa ny fiangonana iray iany de fa ampy? nefa ho possible ve izany amin'izy roa tonta fa tsy ho entina koa @ fiangonan'ilay anakiray? nefa samy olona manana ny maha-izy azy @ fiangonany izy roa? ahoana ny tokony ho famahana ny olana am-pilaminana sy am-pahendrena?

Raha samy manana ny maha izy azy ao @ le fiangonana izy roa tonta de ataovy double le mariazy e
Ny iray any @ katolika moa ny faharoa any @jesosy mamonjy.
oups, raha manaiky alou i mompera :-D
6. ikaretsaka ( 15/07/2007 19:58)
pisoa.. hmmm iny indray no tsy hitako, hmmm tsy manana alahatra aho ka miaiky ny hevitrao
7. niryna ( 15/07/2007 20:05)
nolalaina:

Raha ny @ko manokana dé tsy tokony hisy ny olana satria Andriamanitra dé 1 ihany !! ao @ katô izy, ao @ protestanta izy, sns......



=D=D
Tsy tokony hisy ny olana,indrindra raha ohatra ka samy mino an'Atra sy mino an'i Kristy ho zanak'Atra izy roa.Mety mafana fo daholo amin'ny voalohany fa samy te-hiditra kanefa raha tsy mifanaraka hatrany amboalohany dia mety hisy ny olana.
Raha tsy mino ny vadinao ohatra dia tsy ho sarahinao akory izy ,ny mivavaka azy no tokony atao fa hain'Atra foana no manova ny zavatra rehetra.
Tsy ho voavonjy anefa isika raha tsy mino sy tsy manantona an'i Kristy satria Izy no lalana mankany amin'ny Rainy.Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay.Koa raha tsy mino fa Kristy no zanak'Atra dia tsy ho voavonjy izany ilay iray raha tsy misy ezaka ataon'ny vadiny ao ,hitalaho sy angataka amin'Atra mba ho voavonjy ilay iray.
Ny anaran'ny fiangonana tsy midika inona,hevitra tsy mitovy fotsiny fa raha Kristiana dia manara-dia an'i Kristy izay no mikaonty.Asa anefa aloha fa hevitro io.
Na izany aza,raha resaka fitiavana,rehefa misy iray mino dia hotonga ao an-tranon'izy mivady ny fahasoavana nomen'Atra satria zanak'Atra ny iray ao aminy.Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena ianao sy ny ankohonanao.Io no hafatra ao amin'ny tenin'ATra.:D
8. cutie ( 15/07/2007 20:10)
Tsy tokony hisy ny olana,indrindra raha ohatra ka samy mino an'Atra sy mino an'i Kristy ho zanak'Atra izy roa.Mety mafana fo daholo amin'ny voalohany fa samy te-hiditra kanefa raha tsy mifanaraka hatrany amboalohany dia mety hisy ny olana.

miombon-kevitra
9. ikaretsaka ( 15/07/2007 20:15)
lazaina lava hoe "Andriamanitra iray ihany" amiko dia lomorina laotra (miala tsiny). Andriamanitra iray ihany no tena fototra hijoroan'ireo ka inona no mampisaraka lava eo e ? Amiko matoa misy fisaratsarahana dia misy tsy fitoviana ao ... donc, mila fandinihana fa tsy takotakonana amin'ny mampairay an'Andriamanitra.

miombon-kevitra amin'io
10. cutie ( 15/07/2007 20:31)
Fisarasarahana aram-pivavahana ve no laizana @io sa fisarahanm-panambadiana :roll:
11. cutie ( 15/07/2007 20:34)
hay moa le faharoa :-D:oops:
12. ikaretsaka ( 15/07/2007 20:37)
cutie.. izy 2 mitambatra ka
13. cutie ( 15/07/2007 20:40)
fa nga moa voatery we io foana ny olana mampisaraka:roll:
14. pissoa ( 15/07/2007 20:41)
tsy io foana fa io no size eto
15. cutie ( 15/07/2007 20:42)
we mampisaraka ve ny fivavahana :roll:
16. pissoa ( 15/07/2007 20:45)
sao tsy azon'i cutie ilay hevitro fa aleo averiko hazavaina ! :lol:
17. cutie ( 15/07/2007 20:47)
hazavao aza koa :lol:
18. pissoa ( 15/07/2007 20:58)
Matoa misy ny fisaratsarahana ara-pivavahana dia misy tsy itovizana ao ... Noho izany, rehefa hiroso amin'ny fanambadiana ny olona roa tsy mitovy finoana dia tsy azo fehezina amin'ny "Andriamanitra iray ihany" ny olana. Mila dinihina lalina kokoa. Ahoana ny hevitr'izy roa amin'ireo tsy hitovizan'ny finoany ireo. Ilaina dinihina manokana ny mikasika ny "mariazy". Na ny dikany, na ny lalànan'ny mariazy dia tsy voatery hitovy amin'ny fiangonana roa samihafa. Izy roa nefa voalaza fa samy "mafana fo" @ finoany :-D:-D:-D

Izaho tsy miteny hoe tsy maitsy misy olana an ! Hoy fotsiny aho hoe diniho lalina fa possible ny hisian'ny olana na aloha, na mandritra na aorian'ny fanaovana ny mariazy. Rehefa avy mandinika tsara dia izy roa ihany no mahavaly ny fanontaniana avy eo satria miankina aminy izany fa mety tsisy valiny ankapobeny !

Ny fanaovana tsinontsinona ireny tsy fisarahana ara-pivavahana ireny no mety mitarika fisaraham-panambadiana any aroiana.
19. cutie ( 15/07/2007 21:06)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 15-07-2007 22:58:52
Lohateny : Re : fitiavana ve no lohalaharana sa ny fivavahana
Matoa misy ny fisaratsarahana ara-pivavahana dia misy tsy itovizana ao

miombon-kevitra alou @ iny
Noho izany, rehefa hiroso amin'ny fanambadiana ny olona roa tsy mitovy finoana dia tsy azo fehezina amin'ny "Andriamanitra iray ihany" ny olana. Mila dinihina lalina kokoa. Ahoana ny hevitr'izy roa amin'ireo tsy hitovizan'ny finoany ireo. Ilaina dinihina manokana ny mikasika ny "mariazy". Na ny dikany, na ny lalànan'ny mariazy dia tsy voatery hitovy amin'ny fiangonana roa samihafa.
miobon-kevitra koa

[quote]Ny fanaovana tsinontsinona ireny tsy fisarahana ara-pivavahana ireny no mety mitarika fisaraham-panambadiana any aroiana.

io ndray ny tsy azoko
Azafady alou ry pissoa fa za sarotra mahazo zavatra a :-D
ndrindra refa reraka zay :-D
20. pissoa ( 15/07/2007 21:43)
Mety tsy mazava mihitsy satria za kamo hanoratra lava be :oops::-D
Ny fanaovana tsinontsinona ireny tsy fisarahana ara-pivavahana ireny no mety mitarika fisaraham-panambadiana any aroiana.

Rehefa tsy mitovy izany amiko dia tokony ekena hoe tsy mitovy e. Dia izay lalany any lalany, raha mahazaka an'io, ary vonona hanaja ny mahaIzy azy ilay hovadiana dia afaka mivady ! Raha tsy mahazaka dia aleo tsy mivady.

Raha mody takotakonana mantsy aty am-boalohany hoe "Andriamanitra iray" ihany dia any aoriana any mety misy olana. Ohatra fotsiny, hita-njy, eto amin'ny forum izao betsaka ny mpanebaka anay Katolika hoe Mpanompo sampy ! Ka raha amin'ny voalohany mody atao hoe Andriamanitra iray ihany, dia rehefa tena mivady nefa tsy tian'ilay iray mihitsy ny mijery an'ilay vadiny manaraka ny fivavahana Katolika fa lazainy fa manompo sampy dia miteraka olana izany ! :oops::-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1333