Mandroaka demony

1. gasynamana ( 03/07/2007 21:28)
Miarahaba antsika indray e!
Somary sahirana kely aho hiditra amin'ny resaka efa nisy teto hatramin'izay fotoana tsy naha teto ahy izay, ka ity mba misy zavatra tsy azoko ka ilaiko fanazavana kely.
Marihako fa tsy misy ifandraisany amin'ny dinika hafa any izy ity, fa fanontaniana manitikitika fotsiny.

Ny fandrohahana demony dia asam-pamonjena nataon'i Jesoa sy ny apostoly ary ireo mpianany. Mbola manohy azy isika hatramin'izao. Izao anefa:

1 - Maninona no mitabataba be foana ny mpandroaka demony?

2 - Ahoana no hahafantarana hoe: izao no isan'ny demonin'ny olona iray?

3 - Efa nandalo tany ankaramalaza aho indray taona, ka tafaresaka tamin'ny mpiandry iray izay, ary nolazainy fa tsy azo roahina daholo hoe ny demonin'ny olona fa asina mpiandry trano (tsy mamorina aho fa nolazainy io). Dia ahoana ny amin'izay?

Manasa izay afaka manome fanazavana. Ny tsikera hanatsara zavatra hahitana ny marina no raisina an-tanan-droa fa ny fanaratsina be fahatany kosa mba aoka e.
novalian'i rrgmt ny 20/07/2007 12:26
2. diamondra27 ( 03/07/2007 22:33)
salama...

Ny fanatrehana famoahan-demony hitako dia toy izao:

tranga 1:
niaraka t@ mpiandry.Tsy nitabataba be ry zareo,
faharoa somary mi-insiste ry zareo de miakatra kely ny ton ary miteny hoe: @ anaran'i Jesosy mivoaha tsy hanankery @ty olona ty intsony ianao; miala ny asan'ny maizina etc etc
fahatelo: raha demony be de be no ao @le olona de elaela ny mandroaka azy; @zay fotoana zay de afaka manontany tsara le olona manala demony hoe: iza ianao, aiza no misy anao, maninona ianao no tsy mety miala, fa hamaly anao tsara izy. Tsy moramora tahaka za miteny io izany fa tena tolona be an, raha demony tsy mety mandeha zany de tena efa gaigy be , mazana be ary arakaraka le izy.
le hitako eo ampanalàna ilay demony aloha de mpanao karaté, de manaikitra, de mamely totohondry...
Fa rehefa afaka le demony de tena malemy ilay olona nipetrahany avy eo ; miolakolana be eo izy sy mitsipatsipaka alohan'ny ialàn'ilay demony ao anatiny
Ny amantarana hoe: firy ny isany : de raha miala ny iray dia ho hitanao fa mbola manohy ny asa ratsiny ilay olonade alàna tsirairay ilay demony mandrapialany...

____________________

tranga 2:
tany @ eglise mitabataba ireny, misy fotoana natokana hanalàna demony de tena io mitabataba io no ataondry zareo, fa zay indray aloha de resaka fanasitranana no hitako

valiny zany amiko de arakaraka ilay fiangonana io zay no mampitabataba azy na tsia

_________________________________

ny fanontaniana manitikitika ahy indray dia hoe: inona daholo ny karazana demony tokony halàna mila hanatonana mpiandry?

Misy afaka mamaly io ve?
3. ikaretsaka ( 03/07/2007 23:32)
somary HS za...
ahoana indray ilay olona misy demony nentina tany Lourdes ireny?
dia nony tonga teo Lourdes teo alohan\'ny grottes, tsisy ankitabataba, tsisy ankiteny fa ny toko sapile an\'ny olonano heno mingonongonona eo fotsiny
dia nitsipatsipaka ilay olona dia afaka taminy ny demony
masoko no nahita
4. rush ( 04/07/2007 06:53)
ka samy manana ny fombany izany ny hoe mpanala devoly izany e!ny zavatra mahagaga ahy aloha dia io fomban'ny protestanta hoe ny mpiandry izany no mpanala devoly e!tsy hiadiko hevitra io fa samy manana ny azy marina!
5. tslem ( 04/07/2007 07:50)
:-w mahaliana, iza àry no mba afaka hilazalaza tokoa ny momba izany rehetra izany?
6. xxx ( 04/07/2007 12:18)


Ny azoko ambara dia izao: Tsy ny herin'ny olona no maharoaka ny demony, fa ny herin'Andriamanitra miara-miasa aminy.

Mahavarina ahy tokoa aloha ilay mpandroaka demony mitabataba be ireny e. Nisy tantara iray notantaraiko ary ambadika ary mikasika ilay vehivavy nanana don hahita zavatra, izay noheverin'ny vadiny sy ny mpiara-mivavaka aminy fa nisy demony. Iny tranga iray iny dia tena nampalahelo satria tratry ny fikorontanana ara-tsaina ilay vehivavy noho ny tabataba be sy ny resa-be natao azy. In-telo miantoana izy no nisedra ny vazavazan'ireo mpandroaka demony, niampy ny teniteny nahazo azy. Avy eo anefa dia mbola nolazaina indry fa tsy afaka ny demoniny satria tsy sitrany ny ialany. Sns... Tsy fanaratsina io fa zava-nisy.

Ilay vavaka fanasitrana indray no efa nahita aho, tsy misy teny fa am-pahanginana tanteraka, tao amin'ny Maison Saint Ignace Analamahitsy. Indray andro raha nanao fihatahana masina tao izahay dia mba nandeha nivavaka tary amin'ny la grotte tary aho. Tazako avy aty lavitra, olona maromaro manao faribolana, ary misy olona iray eo am-povoany. Samy mangina ry zareo ary samy mametraka ny tanany amin'ilay olona eo am-povoany. Tsy nanatona aho fa nijanona lavidavitra ary nanaraka tsara ny fihetsik'izy ireo. Teo ry zareo ary tsy nisy nikofoka nandritry ny ora iray nijanonako teo. Izaho moa tsy mantsy nandeha hanatrika ny fampianarana manaraka avy eo, ka tsy fantatro izay nihafarany. Fa fony aho nandeha dia mbola nivavaka teo ihany ry zareo. Nanontany olona iray aho avy eo ka nolazainy fa groupe karismatika ireo, ary mivavaka ho an'io olona io izy. Efa fanaon-dry zareo ny zavatra toy izao hoy ilay namana nanontaniako, ary efa betsaka ny olona sitrana tonga miveria eto manao vavaka fisaorana, na manatitra labozy, sns...

Samy hafa ny fomba anefa ny Tompo iray ihany, koa enganie ny fahasamihafana tsy ampisaraka antsika fa hampiray sy hampifameno antsika rehetra. Amen!
7. ikaretsaka ( 04/07/2007 12:51)
ny fanontaniana manitikitika ahy indray dia hoe: inona daholo ny karazana demony tokony halàna mila hanatonana mpiandry?
Misy afaka mamaly io ve?


mila anatonana mpiandry tokoa ve? arakaraky ny finoana io, ary amiko tsy misy mahalala ny karazana demony afa tsy Izy Tompo ihany
8. diamondra27 ( 04/07/2007 13:31)
ny famoahana demony de mila fantarina tsara aloha fa sao de aretina aza le izy toy ny hoe schizo midelire...
Za zao vao nijery video anikeo maraina tao @ youtube fa hay ny silamo koa mamoaka demony an; manao exorciste
taper-o ange @ google e : exorciste

tandremo tsy azo jeren'ny ankizy an!
sady na de antsary tahaka izao aza de tsy azo ihomehezana le scène ...



9. ondinion ( 04/07/2007 13:41)
Ny fomba famoahana demonia dia miseho aamin'ny endrika maro. Misy ny mitabataba be sns...
--RAHA NY BAIBOLY NO JERENA DIA TSY VOATERY MITABATABA FA IZAO:
--Raha toa ka mbola mahatsiaro tena ilay demoniaka, i.e azo iresahana satria tsy voatery mihinjitrinjitra foana ilay olona; dia izao no mila atao : hazavaina azy ny famonjena, asaina hampidiriny ao am-pony an'i Jeso Kristry. Raha vao mino sy manaiky hampiditra an'i Jeso izy. Avy hatrany dia madositra tsy tana daholo ny demony na firy na firy, na toy inona endriny. Tsy afaka sady misy Jesosy ny olona iray no tempolin'ny demony (Jao 8 : 36). Manafaka tanteraka Izy
--Raha toa ka tsy mahatsiaro tena izy dia ity no voasoratra: Vakio (LIOKA 10 : 19) Fahefana nomena ny mpino izany. Tahaka ny Jeneraly tsy voatery mitabataba vao afaka mairaka 2éme classe. Mila mino aloha fa manana io fahefana io ary ampiasaina fotsiny.
--TSY MAHERY AKORY NY DEVOLY SY NY TARINY FA EFA NATAO HO RESIN'NY MPINO RY ZAREO


10. diamondra27 ( 04/07/2007 13:42)
http://www.lemaroc.org/videos/video-oSKLOhcDZb4.html

ilay izy ange ry ika de zao e! le fianakaviana zany no mieritreritra we possedé le havany de zay no mahatonga azy haka pretra na mpiandry na io imam io
11. ikaretsaka ( 04/07/2007 14:05)
ka izay ilay izy... tsy tokony donga dia mi conclure be fahatany ohatran'izany
12. marozevo ( 04/07/2007 16:54)
Tsy afaka hiara-mitoetra amin'i Jesoa ny demony. Raha vao mandray an'i Jesoa fotsiny dia efa lasa ny demony. Fa mety ho tolona be ny tena hoe mandray an'i Jesoa. Tsaroako ilay boky nosoratan'i Gabriele NAVONE (Toa zezoita italiana hono izy io, ary miasa any Mcar). Izao no lohatenin'ilay boky : Ny vavaka tsy sentosento fa tolona.
13. ikaretsaka ( 04/07/2007 17:07)
mitovy fijery @ marozevo
14. ikaretsaka ( 04/07/2007 19:07)
dia ahoana ilay manala demony @ izao ry diams?
ohatran'ilay any Lourdes lazaiko io: tsy misy olona nitabataba t@ ilay Rangahy, fa samy revo t@ vavaka sy ny raozery sy ny contemplation teo amin'ny grotte avokoa ny olona, ny sasany misasa eo @ ilay rano, ny sasany maka sary ... izy tsy haiko izay fomba nahatongavany teo fa izy ohatran'ny nitabatana sy nikikiaka ary nihinjika izay i lery dia afaka ny demoniny. Izay vao gaga ny olona nahita azy nitsikasina t@ tany

Tsy haiko na ny vavak'i Masina Maria na ny fahitana ny grotte na ahoana no nahafaka azy tao, fa ny fantatro dia tsy nanaraka rite na fomba (ohatran'ny fataon'ny mpiandry) mihitsy ilay izy!

dia ahoana io?
15. diamondra27 ( 05/07/2007 06:55)
ika: raha io video io no jereko de toa asainy mamerina teny izy ao ampovony ao... de asiany iny rano voasina iny... de un moment zany de toa tony le demony koa

le lazainao tany lourdes io ndray aloha de tsy haiko e!

ary tsy hitanao koa angaha le vavikely philippines iny hoe: nisy zavatra tsy ampy tao @ cerveau-ny de we tsy avotra tsony kalakely , nefa avy teo nentin'ny masera nijery an'i pape benoît 16 de nahazo tso-drano sa nametrahana tanana de afaka le aretiny, tsy hita t@ radio tsony , tsy natao opération, miracles ozy ry zareo, tena tsy misy mahay manome explication

fa ny fahavoazana sisa tavela @ aretin'ilay kalakemly io de izy tsy mandeha norma tsara fa toa ohatran'ny mikotringa kely.

Miala tsiny fa tsy mahavaly ny fanontanianao za
16. cristal ( 05/07/2007 08:51)
(l)(l)(l)Manahoana daholo!
Ny hany azoko lazaina anareo eto dia ilazako aloha ianareo fa tsy mora ny manala demony!
Faharoa ny mahatonga ny hoe mitabataba sy tsy dia fantaro fa ny demony koa dia mananihany ka raha ny feon'ilay olona manala demony no iva dia iva dia misy mihintsy ny demony mihomehy ary milaza fa tsy hiala ato izahay!Ny fitabatabana anie ka ny fanononana ny hoe;AMIN'NY ANARAN'I JESOSY AVY ANY NAZARETA DIDIANA TSY HANANKERY SY HIALA ATO AMIN'ITY OLONA ITY NY FANAHY RATSY REHETRA KA ARIANA SY ALEFA HO DORANA ANY @ FARIHY MIREHITR'AFO sns...
Ny tena tsy tokony hatao dia ny mikasitanana ila possede satria tsy izy no manohitra fa ilay fanahy ratsy ao aminy,ny hany ahafantarana fa misy maromaro izy no ao dia refa afaka ny iray dia tena milaza mihitsy ilay feon'ny ratsy manao hoe za ary mbola ato ko,fa eo anelanelan'io fotoana io raha mahatsiaro tena ilay olona possede dia asiana miantso ny anaran'I JESOSY AVY ANY NAZARETA KA manaho hoe VONJEO SY SITRANO AHO JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA TOMPOKO SY MPAMONJY AHY!
Tandremo fa izay olona na mpiandry tsy mifototra manodidina eo @ iny fotoana iny dia any indray ilay fanahy ratsy no miditra fa mila mivavaka izany hoe miambina daholo ny rehetra!
Fa izao kosa aloha e,ilay hoe tsy maintsy asiana mijanona ao amin'ilay olona hiamby trano dia tena lazaiko etona fa tena diso izy milaza izany
Moa misy ny hiraisan'ny mino sy ny tsy mino,ny ratsy sy ny tsara,refa eny dia eny refa tsia dia tsia,tsy misy marimaritra iraisana @ demony fa refa hovonjena dia manaiky fa ny Fanahy Masina no ao am-po,ary izy no hitari-dalana!Za moa mpino ao @ ilay fianankaviam-bean'i Ankaramalaza ka tena disoako ilay mpiandry nilaza io teny io nefa sao dia tao anatin'ny tsy fahalalana izy,tsy fantatro!Fa ny azoko lazaina dia ny hoe mivavaha isika fa ho avy ny fanjakan'ny lanitra,jerosalema vaovao!Veloma daholo ary raha misy tsy voalazako dia miala tsiny amintsika aho!
17. rush ( 05/07/2007 09:39)
mahagaga ahy izany a!eny e!izaho aloha tsy protestanta ka tsy miditra loatra @ io e!fa ny zavatra mahatalanjona ahy fotsiny dia hoe ahoana no ahafantaranareo hoe misy izany demony izany ilay olona?raha fantatrareo ary izy hoe misy,moa ve tsy ny fivavahana sy fangatahana @ Andriamanitra dia ampy fa tsy maintsy hiantsohina izany mpiandry sns izany?
18. diamondra27 ( 05/07/2007 11:59)
cristal: salama, faly mahita anao indray

tena ireo voalazanao ireo mihintsy ny ankamaroany e! ny anampiako azy izany dia : mifanome fotoana ireto mpivavaka: mpiandry sy ilay mametra-tanana ary ilay alàna devoly. Tsy mahazo mihomehy tokoa wa rehefa manala demony ary efa tenenina dieny mialoha izany ho an'izay manatrika eo, ho an'izay vaovao izany e! de nolazaina anay ihany koa hoe: aza mipetraka eo @ varavarana

ilay mitabataba ihany koa dia ilaina satria toy ny manome ordre ianao @io. demony no adversaire ary tsy moramora izany fa tena ady , ka raha mandangolango azy ianao dia tsy hiala eo izy.

Tandremo fa izay olona na mpiandry tsy mifototra manodidina eo @ iny fotoana iny dia any indray ilay fanahy ratsy no miditra fa mila mivavaka izany hoe miambina daholo ny rehetra!
izany hoe: izay tsy mametra-tanana dia miondrika mivavaka mafy manamafy ilay fivavahana sy izay acte ataon'ny mametra-tanana
efa ampilazaina mialoha ihany koa io hoe: aoka isika hivavaka mandritra ilay fotoana analàna ilay demony @ity olona ity.
(asa na efa namonjy gala évangelique ianareo fa ireny olona ireny de tsy mihira fahatany fotsiny fa izay tsy mihira de mivavaka mafy mba hisy effet-ny @izay manatrika eo izay zavatra ataondry zareo eo, mba hisy olona voavonjy hanolo-tena eny fa na dia 1 monja aza, any @loge izany)
19. diamondra27 ( 05/07/2007 12:09)
rush:

mahagaga ahy izany a!eny e!izaho aloha tsy protestanta ka tsy miditra loatra @ io e!fa ny zavatra mahatalanjona ahy fotsiny dia hoe ahoana no ahafantaranareo hoe misy izany demony izany ilay olona?raha fantatrareo ary izy hoe misy,moa ve tsy ny fivavahana sy fangatahana @ Andriamanitra dia ampy fa tsy maintsy hiantsohina izany mpiandry sns izany?

_______________________________


rush: ianao ve aloha mahalala hoe: inona daholo ny asan'ny demony ato anatintsika sa tsia?
Mila mamaky baiboly
santionany: ady, fialonana,fiavonavonana, ...

misy isan-karazany ny demony ry rush a!
misy vavaka tsotra dia ampy hampiala io demony io,
misy kosa tsy maintsy entina @ mpiandry na olona nahazo fanomezam-pahasoavana momba izany mba hanalàna ilay demony , voalaza ny soratra masina izany.(le we: don manasitrana)
rehefa tsy vitan'ny vavaka ataonao (le fianakaviana) izany fa mbola mitoetra ilay asan'ny maizina na fanahy ratsy dia ho hitan'ny fianakaviany hoe: tsy aretina intsony izao fa zavatra hafa = demony
de zay no mahatonga ilay olona ireny manantona pretra na mpiandry

mety tsy mahay mi-exprimer tsara aho reo no fanazavana azoko omena anao ry rush

20. ikaretsaka ( 05/07/2007 12:44)
fa misy teny izay ao amin'ny soratra masina manao hoe (azafady fa tsy manana aho izoa fa tadidiko fotsiny)
"izahay nitsabo marary t@ anaranao , nanala demony t@ anaranao,
dia misy miteny ary hoe , lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0496