Mandroaka demony

61. fahamarinana ( 16/07/2007 05:00)
Fanontaniana apetrako kely monja,nanatrika ny lasy nationaly aho dia reko sy hitako fa efa betsaka no notokanana Mpiandry ao amin'ny fiangonana fpma nefa katolika,evangelista,anglikana ary ireo olona ireo dia manao ny déplacement manao ny asa sy Fampaherezana miaraka amin'ny protestant zay nanokana azy.
:arrow:Rehefa mby any amin'ny eglise-ny tsirairay indray dia manao ahoana , Raha sendra misy olona concérné par ma question,mba azonao azavaina ve fohifohy ,indrindra amin'ny catho izay misy mahasamy hafa azy ihany( resaka Masina Maria ohatra )
Merci de répondre
62. ikaretsaka ( 16/07/2007 14:44)
netsaka ny catho atokana ho mpiandry, fa izany akory tsy mahasakana ny maha catho azy. ny antony dia raha manao cours na exorcisme dia ilaina ny mahalala ilay don hoe afaka manao tokao ve ianao na tsy afaka... ao @ ny mpiandry no fandinihan'ny kato azy io raha tsy afaka mande any ivelany izy mandalina bebe kokoa nyh momba izay

fa rehefa any @ catho izy no manao exorcisme dia fomban'ny catho no ampiasainy matetika, fa tsy mitabataba sy mikapoka ilay olona @ baiboly izy!
63. vavolombel ( 17/07/2007 18:14)
tian'ikaretsaka ambara ve ry zareo kato de tsy afaka manofana ny kato namany ho mpandroaka demoniaka za-draharaha?:?:
64. ikaretsaka ( 17/07/2007 19:13)
@ kato dia mino hoe samy nomena ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay. fa izany tsy midika hoe ny don azoko dia hitovy amin'ny don azonao!

Hazavaiko:
Raha atao hoe mahay mandroaka demony i mompera Rabe dia tsy midika hoe mahay mandroaka demony koa i mompera Randria, tsy izany ny anay fa jerena aloha hoe manana ny fanomezana fahasoavana hanao tahaka an'io ataon'i mompera Rabe io koa ve Mompera Randria, izay vao miofana.

Afaka mianatra an'io any ivelany ny katolika, fa tiany koa hoe mivelatra koa ny fiangonana katolika, ary miaina manaraka ny volon-tany, raha "sery vitan'anamalaho ve amonoana vantotr'akoho?" raha any @ fifohazana no ahitany sy hamelarany ilay don... aleo hianatra sy hamelatra sy hi maitriser ilay don any izy!nohon'ny handeha lavitra
Ny fanasoavana olona no tanjona!
65. niryna ( 19/07/2007 04:29)
ikaretsaka:

@ kato dia mino hoe samy nomena ny fanomezam-pahasoavana ny tsirairay. fa izany tsy midika hoe ny don azoko dia hitovy amin'ny don azonao!

Hazavaiko:
Raha atao hoe mahay mandroaka demony i mompera Rabe dia tsy midika hoe mahay mandroaka demony koa i mompera Randria, tsy izany ny anay fa jerena aloha hoe manana ny fanomezana fahasoavana hanao tahaka an'io ataon'i mompera Rabe io koa ve Mompera Randria, izay vao miofana.

Afaka mianatra an'io any ivelany ny katolika, fa tiany koa hoe mivelatra koa ny fiangonana katolika, ary miaina manaraka ny volon-tany, raha "sery vitan'anamalaho ve amonoana vantotr'akoho?" raha any @ fifohazana no ahitany sy hamelarany ilay don... aleo hianatra sy hamelatra sy hi maitriser ilay don any izy!nohon'ny handeha lavitra
Ny fanasoavana olona no tanjona!




Marina izany ,samy manana izay nomen'ATra avy ny tsirairay.Ny tsy azoko fotsiny dia mila hianarana ilay izy rehefa mahazo ilay don isika?Izay ilay izy?
Fa io don io dia tonga ho azy aloha izay vao hianarana.Azavaiko,raha voaantso ho mpiandry ianao dia mila mihofana mandritra ny roa taona ,rehefa tonga ilay fotoana farany handraisana anao dia mivavaka aminao eo daholo hono ny pasitera maromaro(4-7) arakarany ary mangataka ny Fanahy Masina mba hiditra ao aminao ka omeny hery hafa ianao.Izay no fanazavana nomen'ny pasitera iray,ny anareo koa ve ohatra izany?
Ny fahaizany miteny amin'ny fiteny tsy fantatra sy ny mpaminany dia tsy mba hianarana any an-tsekoly ireo satria ny Fanahy Masina irery ihany no manome an'io.
66. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:43)
k any maha samihafa azy ry niryna.. ny an'ny kato ny fanahy masina tsy mbola ampidirina fa efa niditra tao aminy t@ ilay hoe izy manana don..
fa mila fantarina fotsiny!

niryna> ts'isy teny tsy fantatra izany hoa, ny devoly no miteny tsy fantatra
67. bosista ( 19/07/2007 17:01)
mba azavao kely azafady fa tsy mazava, le we mila mianatra rehefa mahazo ilay don!!! ngha tsy ampy ilay don sa don- na zavatra hafa ilay izy?
ary fanontaniana manitikitika ny saiko de ity: rehefa mivoaka amin'ilay olona ve ilay devoly de tsy miverina intsony ve? ary raha ohatra ka izany moa ve raha alaina devoly ny olona rehetra ho foana ve ny devoly sa hafa indray no miditra? nefa tsy lasa asa-talata ve ilay izy? de misaotra antsika mialoha mamaly!
68. ikaretsaka ( 19/07/2007 17:21)
mba azavao kely azafady fa tsy mazava, le we mila mianatra rehefa mahazo ilay don!!! ngha tsy ampy ilay don sa don- na zavatra hafa ilay izy

mba hahafahana mamantatra sy mi maitriser an'ilay don dia mila maka formation ka..
anananao ilay don, ohatra hoe manoratra ,ary tena mety nigagana mihitsy ianoa t@ zany, fa nila nianatra ianao talohan'izay!

i Einstein zao ohatra nanana don be t@ Physique, Beethoven koa t@ Mozika, fa nianatra daholo aloha ireny ni developper ilay don tao aminy!
69. ikaretsaka ( 19/07/2007 23:57)
fa ny tsy azoko koa.. maninona kay no kapohina @ baiboly? tsy mety handratra azy ve ilay izy matin-kapoka iny?

dia ahoana indray izany hoe nisy mpiandry nandroaka devoly izany koa dia avy eo ilay olona soi disant hoe nisy devoly niteny hoe "aza zao mihitsy no tabatabaina fa ianao aza alina dia tsy ny vadinao no niarahanao natory, mpiatsaravelatsihy" fa oainina be ilay mpiandry!
70. Mandefitra ( 20/07/2007 08:48)
Za aloha mbola tsy nahita mpiandry mikapoka @ Baiboly zany, fanahy no hiadiavana ve de le olona no kapohina Baiboly? Au contraire aza, refa tony ilay marary, de asaina mamaky Tenin'Andriamanitra, ka izy hamaky an'iny raha zavatra nidaroahana azy? Mpiandry hafahafa ngamba zany.
Ny hoe nontsanin'le devoly ndray le mpiandry, tsara ho azy zany raha nisy tokoa.Mila fahamasinana raha hiady @ fanahy maloto.Na ny tenin'Andriamanitra ampiasaina, na ilay akanjo fotsy isalorana, mitaky fahadiovampo sy fahamasinan-toetra avokoa.
71. ikaretsaka ( 20/07/2007 11:26)
ah.. ok .. voaray fa misaotra!
ny mahazatra ahy sy ny hitako matetika manko dia ilay fafazana rano voahasina.. mba rano ahay ...
le style film exorcism ireny
72. rrgmt ( 20/07/2007 12:26)
Mahafinaritra be ilay dinika eto satria hahitana karazan-traikefa isan-karazany. Hita tokoa fa tsy voatery ho fomba iray izay nahazatra no tena marina, fa afaka miasa amin'ny fomba maro Andriamanitra. Ny hahatongavan'i Jesoa Kristy dia handravany asan'ny devoly.
Tsy voatery mitabataba foana vao mivoaka ny devoly. Misy milaza hoe fanehoana fa tezitra aminy ny fitenenana an-tabataba. Mety hevitra iray izany.
Ny teny amin'ny fahefana no mamoaka az ka tsy voatery @ tabataba.
Ny fandroahana devoly dia fahefana ananan'ny mino an'i Jesoa Kristy rehetra. Famantarana ho an'ny mino hoy ny baiboly.
Afaka mano izany ny mino rehetra raha tsy matahotra ny devoly ianao satria manana an'i Jesoa ao anatinao. Mila fahendrena ihany anefa satria fetsy ny devoly ary afaka miditra amin'ny hafa raha tsy miaina amin'ny vavaka (miambina ara-panahy) sy mahalala tsara ny Soratra Masina.
Mila mandalina foana ny baiboly izany ny kristiana mba tsy voafitaky ny devoly.
Ny hoe asiana devoly mijanona aloha diahafahafa amiko satria matetika rehefa mbola misy ao amin'ny olona iray dia manana fahefana amin'ny fiainany ny devoly. Na dia loha-paingotra aza tsy tokony misy ajanona. Izany ny antony handoroana ny ody sy ny sampy ary izay fanafody ahiahiana rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy.
Hatanjaho ny finoana Azy !:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077