Mandroaka demony

41. marozevo ( 06/07/2007 22:14)
O ry diamondra ah ! Fa iza no olona tsy manana fahotana ? Ary aiza ny tany tsy misy fahotana ?

Amiko zany alohan'ny maha mpanala demonia azy, de efa manana an'i Jesosy ilay olona, raha tsy izany de mifototra any aminy io demonia io sady tsy hahafaka izay demony eo izy satria le demonia ange mahalala tsara ny momba anao e!

Na dia misy zavatra afeninao @olombelona aza , tsarovy fa ilay devoly mety afaka mi-dénonce anao hoe: za tsy hiala satria ianao aza manao an'izao sy izao ( nijangajanga ohatra)


Mety loatra io raisonnement-nao io. Trop logique (humaine) pour être vrai !
42. diamondra27 ( 07/07/2007 05:15)
marozevo : ka zay ndrindra
refa mitoetra mitady tsy hiala aminao le ota fa averimberinao de andevoziny ianao izany de ny iafaran'izany amiko de misy fanahy ratsy ao @ le olona de mila afahana tanteraka izany.
Dia izay no mahatonga ilay olona hanna eritreritra hoe: andeha hnantona pretra na mpiandry. Asa na mazava

le we trop lojika humaine de:
efa nisy io t@ le fotoana natrehako, ni-refuse le demonia, namaly ilay mpiandry nametra-tanana dia ireo mihitsy no nolazainy.
Za tsy hiala satria za mbola tianao sy tompoinao.
Nangatahina tamin'ilay olona izany hoe: ianao ve madama mitahiry ireny fanafody gasy ireny... miangavy anao mba hanary tsy hitazona azy intsony na kely aza raha tianao ny afaka @io demonia io, dia rehefa vita izany dia miverena aty .
Dia nilaza ilay olona fa efa nariany daholo hono le izy. De nalàna tao le demonia fa tsy nety nandeha ary farany nanontaniana izy we: aiza no mipetraka aiza no misy anareo, de namaly ilay demonia hoe: ato anaty peratra no misy ahy. Ilay farany mahery io saika tsy hiala io. Simplifier-na le izy fa ny fanatrehana izany henjana be. De t@izay vao niaiky ilay olona fa marina tokoa izany ary raha iny vao nalàna iny ilay peratra dia lasa , tsy teo tsony le fanahy ratsy.

43. xxx ( 07/07/2007 09:42)
ary fa maninona no any amin/ny protestanta sy apokalipsy.. no betsaka ny devoly? ny tiako ambara dia ny any amin'ny katolika dia vitsy no ahitana devoly miseho , ary ny pretra tsy dia malaza we mpandroaka devoly fa ny pasitera na ny mpiandry foana, fa naninona?? ireny no matetika voany?
satria be siasia ny protestanta?sa izany no maha-protestanta azy?mi-proteste @ izao rehetra izao?efa firy taona niangonako tao @ katolika izao nefa mbola tsy naheno na nahita na dia olona 1 aza hoe nalana devoly izany e!ny protestanta izany no be devoly satria nanokana mpiandry mihintsy ry zareo natao mpanala izany devoly izany?
44. gasynamana ( 07/07/2007 10:03)
xxx: tsy hoe rehefa tsy naheno ianao dia tsy misy. Tena misy tokoa ny fandroahana demony ao amin'ny Fiangonana katolika (ECAR), ary izy aza no nanomboka azy voalohany. Fanirahana nampanaovin'i Kristy io.

Raha nanokana olona handroaka demony koa ny protestanta dia tsy midika fa izy no be demony. Fa matoa nataony izany dia tsapany fa maro ny olona voagejan'i satana, ka mila hafahana.
45. ikaretsaka ( 07/07/2007 14:27)
fa ny an'ny katolika toa tsy misy ilay tabataba be sy ankikappoka @ vaiboly sy samy mimenomenona eo aby ko!

nefa toa izay no nampiasaina nandritra ny 1400 taona vao nisy protesta... nety foana anefa ilay izy efa 2000 taona mahery aty afara!
46. marozevo ( 08/07/2007 20:17)
Diamondra > Noheveriko hoe ilay mpanala demony anie no valian'ilay demony sy ataony "fa ianao aza toy izao sy toy izao e. Kay ve ilay marary no lazinao... resaka samihafa...

Tokony tsy hisy olana ho'aho, araka ny hevitro, ilay hoe mitabataba na mangina na manao izatsy sy izatsy. Rite iny, fa ny "fond" no tokony hojerena. Izay ataon'ny Protestant dia mety aminy, izay fomban'ny katolika dia mety aminy. Ary marina tokoa fa misy daholo ny fanalana demony na Kat na Protestant.

Sarotra be ilay hoe Katolika no nisy voalohany zay vao Protestant : Ny teny hoa Katolika tsy par opposition amin'ny hoe Protestant.

Raha mitovy ihany ny rite na ao amin'ny Katolika na ao amin'ny Protestant, inona indray no maha izy ny tsirairay ?
47. gasynamana ( 09/07/2007 19:36)
Ikaretsaka:
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 07-07-2007 16:27:25
Lohateny : Re : Mandroaka demony
fa ny an'ny katolika toa tsy misy ilay tabataba be sy ankikappoka @ vaiboly sy samy mimenomenona eo aby ko!

nefa toa izay no nampiasaina nandritra ny 1400 taona vao nisy protesta... nety foana anefa ilay izy efa 2000 taona mahery aty afara!

ka izay no nahatonga ahy nametraka ireo fanontaniana ireo. Tsy azoko ilay izy. Aleo manontany aloha toy izay miteniteny foana, na hitsaratsara be fahatany. Izao mba misy fahalalana kely.
48. ikaretsaka ( 10/07/2007 16:41)
miombon-kevitra @ gasynamana
tsy azo ilay eo @ ilay rite, ny antony, satria nahoana, nahoana no novaina (nahitsy) ?
49. diamondra27 ( 13/07/2007 10:05)
marozevo:tsy le mpamoaka demonia no nilazàna io fa ilay olona nitoerany ka
50. ikaretsaka ( 13/07/2007 11:48)
dia ahoana kay ho an'izay manan-kevitar ilay fanontanianay sy i gasynamana
51. Mandefitra ( 13/07/2007 13:12)
Handray anjara kely: le mitabataba aloha, ady io.Ary ny anaran'i Jesosy Kristy no antsoiny mafy @ ireny, ary le devoly no teneniny mafy hiala eo @ ilay marary.
Raha fotompifohazana tsotra (FLM), de mivavaka aloha, mamaky ny tenin'Andriamanitra, zay vo mandroaka ny devoly (5 mn ngamba le mitabataba iny), avy eo mametra-tanana ho an zay maniry ny hanaovana izany.
Ka samy manana ny fomba fiadiny io, fa zay aloha ny an'ny mpiandry FLM natrehiko, ny hafa tsy haiko.
52. marozevo ( 13/07/2007 17:57)
Diamondra > Efa azoko ka !

Rite : Fihetsika sy fiteny (matière et forme) anehoana izay inoana.

Ankoatra izay voalaza ao amin'ny Levitika (Levitikosy), dia tsy misy milaza mombamomba ny antsipirihin'ny rite ao amin'ny Baiboly. Raha nilaza ohatra i Kristy hoe "Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy", dia tsy nilaza izy hoe mamakia aloha Tenin'Andriamanitra, dia mihirà aleloia, dia manaova fanolorana sns... tsy nilaza izany izy, fa ny Fiangonana nandalina no nametraka ny rite fanaovana Lamesa, anehoany ny Finoany.
53. ikaretsaka ( 13/07/2007 21:00)
ekeko ny an'i marozevo fa ampiako kely fotsiny:
misy koa anefa ny rite tsy azo novaina.. ilay voalazan'i Jesoa sy ny nataony talohan'izy niteny io hoe "ataovy izao ho fahatsiarovana ahy" io
54. marozevo ( 13/07/2007 22:20)
Io teny io dia tsy rite. Ny fihetsika miaraka aminy no maha rite azy. Sady izao koa, ny ensemble no rite fa tsy ny an-tsipirihiny. Azavaiko : Manomboka eo amin'ny Signe de Croix anombohana, ka hatramin'ny signe de croix famaranana no rite (iray) fanolorana ny Sorona Masina, fa tsy hoe rites be dia be atambatambatra ny Sorona Masina.
55. ikaretsaka ( 14/07/2007 02:02)
ok. marina iznay.. ary azoko amin'izay noheveriko hoe ilay lazain'i marozevo hoe rite dia ilay fizarana samihafa ao aminy ..
samihafa ny dikan'ilay rite izany @ teny angalisy sy frantsay
56. marozevo ( 14/07/2007 08:13)
Ary samihafa koa ny dikan'ny hoe rite amin'ny vocabulaire profane sy amin'ny vocabulaire liturgique.
57. ikaretsaka ( 14/07/2007 16:08)
ekena
58. marozevo ( 14/07/2007 16:29)
59. ikaretsaka ( 14/07/2007 17:16)
fa ny tsy azoko: maninona no novana ilay rite dia avy eo nefa samy manao hoe ny "rite' ny no marina?
(amin'ilay fandroahana demony io an)
60. marozevo ( 14/07/2007 21:16)
Io indray dia tsy haiko r'ise ah... ilay nanova azy no mety hahavaly an'io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115