voan'ny ody gasy

61. ikaretsaka ( 28/06/2007 11:38)
Kota:

hoy=ikaretsaka
ilay ody gasy tiako lazaina eto dia ilay hoe mahay ody kakerin'ny maingoka sy ilay ody may ireny ohatra ka!


hay ve ! fanafody hanasitranana izany ka tsy hitako indray ny idiran'ny hoe voan'ody amin'izany !!


tsy ilay hoe voatery ho raokandro ka: misy ilay olona manana don mahay manasitrana ireny may sy kakerin'ny maingoka ireny,
izany hoe fahotana izany ny manatona ireny raha sanatria ka sendra may na kakerin'ny maingoka any an-kodahoda any?

Misy koa ilay amosavian'ny olona dia misy ilay olona mahay ilay ody mosavy fa afaka mahalala hoe nasian'ny olona rao-dia ianao, na misy mandevina ody ao an-tranonareo sy ny sisa!


62. naughtyboy ( 28/06/2007 14:11)
hay ody gasy fa tsy fanafody gasy,mihoatra ny saina sy fahalalana reny .le tantarany izy mianadahy kely tao aloha mintsy no nolazaiko,afaka toko reo mosavy nefa nisy takaitrany indrisy:oops:nefa ny hery madio
manala io tanteraka de A.tra @ maha-mpino ahy.
nisy ko tantara hafa ao @ baiboly ra tsy diso aho t@ Mosesy nanafaka ny zanak'israely nifanatrika t@ mpanjaka ka nanao fampisehoana ny heriny majika maizina ireo mpanoro hevitra azy ,tehina nivadika bibilava nefa tsy nahasakana ny hery ny tsara de samy mahalala ny tohiny fa afaka soamantsara reo vahoaka teo ambany zioga
63. namanao ( 28/06/2007 15:47)
xxx:



namanao: efa mba namaky ny tantaran'i Joba ve ianao?

Diniho tsara io tantara io dia ho tsapanao fa na dia tsy misy ota aza ianao, ary tena masim-piainana dia tsy misakana velively ny ratsy hahavoa anao izany (tsy misakana ny ody gasy hahavoa anao).

Hoy Jesoa raha nivavaka indray andro: Ray ò, tsy ny analanao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko fa ny hiarovanao azy amin'ilay ratsy. Midika izany fa izay mahazo ny olona rehetra dia mety hahazo antsika kristiana avokoa, nefa amin'ny fotoana mahavoa antsika, ny mampiavaka antsika amin'ny hafa (izay tsy mino, na misalasala) dia ny fametrahantsika ny fitokisana amin'Andriamanitra, fa tsy amin'ny tenantsika ihany na amin'ny zavatra hafa. Ilay hoe fametrahana ny fitokisana amin'Andriamanitra koa dia tsy midika hoe: hivavaka fotsiny izany mba ho sitrana, fa miezaka ihany koa ny mba ho sitrana e (mihinana fanafody, sns...) Ilain'Andriamanitra izay ezaka ataontsika izay.

Tsy ny herinay ry Jesoa ò, na ny fahamarinanay no tianao hitokisanay fa ny herinao sy ny fitiavanao ihany, koa ampianaro sy tantano izahay tsy hitoky afatsy aminao ihany. Amen.


Ie marina dia marina tokoa fa na dia masina aza ianao de mety ho voa ihany raha toa ka avelan'Andriamanitra hahavoa anao ny ratsy.
Le momba le hoe miezaka ihany koa ny mba ho sitrana fa tsy mivavaka ihany dia marina amin'ny lafiny sasany, fantatsika tsara fa raha hery tsy hita maso no mahatonga anao ho tsizarizary (fahasalamana, fomba fiainana, sns) de tsy vitan'ny hery hitamaso (mihinam-panafody, misakafo tsara, mianatra fahaiza-miaina, sns) ny manala azy fa tsy maintsy hery tsy hita maso ihany koa. Mety mivavaka ihany zany de efa ampy fa tsy mety koa mila ezaka avy any aminao fanampiny ohatra amin'zany ny fisitrihana anaty renirano nasaina nataon'lay miaramila boka iny tsy tadidiko le anarany fa ao amin'ny testamenta taloha ao le izy.
Ny azo antoka fa ezaka tokony hatao zany de ny tsy miaritra fotsiny ny zavatra manjo fa mitady famonjena; de isan'ny fitadiavana famonjena azo itokisana indrindra ny manatona an'Andriamanitra (mivavaka) de manaraka ny ambiny izay tsy mifanohitra amin'ny sitrak'Andriamanitra.
64. marozevo ( 28/06/2007 15:49)
Marina tokoa.... ankoatra ny RAOKANDRO (izaho no niteny an'io fa tsy i Kota), dia misy ny mahay manasitrana amin'ny fomba tsy takatry ny saina. Tsy mamosavy izany fa mitsabo ny mosavy (na aretina hafa tsy mosavy koa aza). Mipetraka ny fanontaniana hoe "fahotana ve raha manatona azy ireny ny Kristianina.
Sarotra valiana izany, fa amiko kosa dia ny intention'ilay kristianina no jereko. Ny antony hanatonany ireny olona ireny dia satria MIAHY NY AINY izy (ilay Kristianina izany). Ka raha izay dia tsy hitako izay maha fahotana izany.

Ankoatra izay, ilay olona mpitsabo io, tsy foncièrement mauvais koa, ka inona moa no olana amin'izany.
65. ANARIM ( 29/06/2007 08:13)
marozevo:

Ity koa tantara niseho tany Centrafrique, ilay niaina azy no nitantara, ka inoako fa marina ny filazany, sady milaza ny marina rahateo izy. Indray andro, hoy io olona io, dia tafahaona ny mpanao ody mahery teo amin'ity tanàna any ambanivohitra. Samy nampiseho ny fahaizany milalao ody teo zareo, Dia mba nanao koa aho. Ny nataoko dia nesoriko ny nifiko (izay solonify) dia napetako indray. Varahontsana ry zareo, hoy ihany ilay mpitantara, ka nanomboka teo dia nanaiky ny toro-hevitra nomeko azy ireo, ary niala tsikelikely tamin'ny odiny.
Tsy hitako io fa notantarain'ilay oolona tamiko. Mbola any io olona io amin'izao fotoana izao.


mdrrrrrrrrrrrrrrr
66. marozevo ( 29/06/2007 09:12)
Fa mampatahotra ve izany ry Mirana ? Oay azafady fa kay soratana avy any aoriana ny anaranao ?

Marihiko fa misionera io nitantara io. Raha fintinina izany dia tamin'ny alalan'ny filalaovana ody ihany no nitarihany tsikelikely ireo olona ireo hiala amin'ny filalaovana ody. Ilay nify esorina sy apetraka dia zavatra normal fa tsy filalaovana ody akory, saingy tsy fantatry ry zareo centrafrikana (ambanivohitra be hono le izy an), ary dia niaky ry zareo fa mahery kokoa ny vazaha raha ody.
67. xxx ( 29/06/2007 16:43)

Misy tantara iray tena marina ity, tantara somary mampalahelo ihany. Angamba tsy tokony ho eto no asiako azy nefa toa misy ifandraisany amin'ny lohahevitra ihany.

Nisy Vehivavy izay, nanana don manokana hahita ny ho avy. Ary saika ny 90 isn-jaton'ny zavatra lazainy dia marina daholo. Izay nahazoany an'io fanomezana io anefa dia tsy fantatra hoe taiza. Izy dia tsy mila manoko katsaka, na tsaramaso, na mijery karatra, na mijery fitaratra rehefa anontaniana izay mba tianao ho fantatra fa maka concentration kely fotsiny dia izay. nampiasainy io fanomezana io nanampiany ireo olona nanodidina azy, fa tsy mba nitadiavany vola. Ny fianakaviany rahateo manan-karena. Nisy ny very omby dia nanatona azy ary notondroiny hoe ary ny ombinareo izao, nisy ny narary efa very fanantenana natoriny zava-maniry mahasitrana azy. Izy tsy manome fanafody fa manondro kosa zava-maniry amin'ny toerana iray mahasitrana ilay marary entina ao aminy, sns...
Izy io dia tsy mba nisehoseho hoe manana izay fanomezana manokana izay. Saika ireo fianakaviany no nahalala ary ireo no nilaza tamin'ny olona izay nanana olana.

Tato aorina dia nanana olon-tiana izy. Tsy nisy ny olana satria nifankatia izy roa. Tao aorinan'ny soratra dia niara-nitoetra izy roa. Tsy mbola natao ny mariazy satria mbola nianatra ilay vadiny. Teo am-pamaranana ny fianarany anefa ilay vadiny dia matetika no miari-tory, ka nahalahelo azy izy. Nolazaina an'ilay vady aby ny zavatra rehetra hitranga amin'ny fanadinana (mihofana ho mpitsabo io rangahy io). Ny andro voalohany dia tena nadeha araka izay, toy izany koa ny andro faharoa, tamin'ny andro fahatelo dia tonga saina rangahy ka nilaza taminy hoe: izaho no ho mpitsabo fa tsy ianao ka raha mbola mitohy izao zavatra hataonao amiko izao dia hamono olona aho any aorina any. Izay zavatra nolazainy izay aloha dia tena marina. Ny nampalahelo anefa dia izao, nanomboka teo dia niova ny fifandraisan'izy roa. Lasa natahotra an'ilay ramatoa ilay rangahy. Miahiahy azy sns... Noresahan'ilay rangahy tamin'ireo kristiana namana io olona io ka nolazain'ireo fa misy demony ny vadiny. Nolazain'ilay rangahy azy àry fa misy demony izy, ka tsy maintsy alana ny demony raha te hiaraka amin'ilay rangahy izy. Nanaiky izy ary natao ny fanalana demony. Ny zava-nisy tao aorian'ny fanalana demony izay natao in-telo fa tsy vita indray mandeha dia izao: nandraiky narary ilay ramatoa. Ny namparary azy dia tsy noho ny herin'ny maizina akory fa noho ny adin-tsaina sy ny tabataba be natao azy.
Ary ny tena nampalahelo dia nisaraka izy roa satria nolazain'ilay rangahy fa tsy sitrak'ilay ramatoa hoe ny analana ny demony, ka tsy afaka hiaraka hiaina amin'ny olona toy izany izy. Dia rava teo ny fanambadina. Indrisy!

Ny fanomezana sy ny fahasoavana rehetra dia avy amin'Andriamanitra, koa mangataha aminy mba ho haintsika ny handray sy hampiasa ireny.

Homba antsika hatrany anie Andriamanitra. Amen!
68. marozevo ( 29/06/2007 18:59)
Mampalahelo ilay tantara... Ilay tantara momba an'i Centrafrique teo koa tena nisy an.

Fa izao koa, izaho mihitsy no nahita an'ireto. Tao Antsirabe koa nisy Mopera vitsivitsy sy Frera iray tena nanana io don io. Misy ny zavatra very ? Hitan zareo... Misy marary ? Tsaboin zareo. Tsy ho tsiniko angamba ny hilaza ny anaran zareo eto, ary mitahia izy ireo fa efa lasan-ko Razana : Frère Marcel, Père Réné, Père Tanguy. Efa samy nodimandry daholo izy ireo, ary tsy nisy tsy nahalala azy ireo raha mbola eraky ny faritanin'Antananarivo tamin'izany fotoana izany.

Ny nahafinaritra ahy tamin'izany dia tsy mitaky vola mihitsy zareo rehefa iangaviana hitady zavatra very na hitsabo. Indraindray aza dia izy indray no manome vola hataon'ilay olona frais miverina.
69. naughtyboy ( 29/06/2007 19:41)
tena misy oul mahay zv otrizany mintsy ,nisy fotoana nalaza b ao angletera nitadiavana zazavavy kely 2
(Holy+Jessica)zay maty sendra lay le bandy
tsy matahotody(ian huntley)zay voafonja mandrapahafatiny @ zao fotoana navoakany BBC ny nahatratrarana azy de vhv avy any amerika no nantsoina ny polisy mahalala ny tsy hita maso hamantatra ny meloka ary azony io vhv io antsaina sy navoaka t@ sary mazava tsara ilay meloka de nosamborina otrany akoho fotsiny lery
nazavainy le vhv t@ polisy @ alalany fahitana atr@nahafatesan'izy rovavy kely
70. marozevo ( 29/06/2007 19:51)
Ka raha ireo volaza roa farany ireo no jerena dia tsy manohitra ny finoana sy ny fivavahana mihitsy.

Marihiko etoana fa ilay Mopera Tanguy voalazako eo ambony io dia vazaha avy any Roscoff France. Nisy fotoana nandehanako tany dia hitako tao ny fianakaviany, ary mbola miresaka momba io don nananany io ry zareo, ary tena ireharehany (fier) izany.
71. Kota ( 29/06/2007 22:37)
Raha tena don avy amin'Andriamanitra dia tsy tokony hatahorana. Ny fahagagana mantsy dia hain'ny devoly koa ka mety hamitaka. Ivelany mety hoe mahasitrana sy izao sy izao...! fa rehefa tsy omena an'Andriamanitra koa ny voninahitra amin'ilay don dia mahasimba na ilay manana azy aza!
72. marozevo ( 30/06/2007 18:34)
Tsarao amin'ny voany ny hazo !
73. gasynamana ( 03/07/2007 22:12)
Mpandefa : Kota [ Valio ] 30-06-2007 00:37:38
Lohateny : Re : voan'ny ody gasy
Raha tena don avy amin'Andriamanitra dia tsy tokony hatahorana. Ny fahagagana mantsy dia hain'ny devoly koa ka mety hamitaka. Ivelany mety hoe mahasitrana sy izao sy izao...! fa rehefa tsy omena an'Andriamanitra koa ny voninahitra amin'ilay don dia mahasimba na ilay manana azy aza!

Tena marina io voalaza io. Ny anampiako azy fotsiny dia hoe: avy amin'Andriamanitra ny don rehetra
74. ikaretsaka ( 03/07/2007 22:29)
io no hitoviako amin'i marozevo hoe tsarao @ voany ny hazo.
raha fahasamalana ve ohatra ka niseho t@ fahagagana dia atao keo hoe avy amin'ny demony ny nahasitrana?
75. gasynamana ( 03/07/2007 22:49)
ikaretsaka: misy amin'ireny mpanasitrana ireny (tsy izy rehetra) no miteny toy izao matetika: i ranona no namely anao, taminao nanao an'izao no namelezany anao. Indraindray aza dia ampafantariny an'ilay olona mihitsy fa hoe: hangataka sira ao aminareo ny olona namely anao ampitso maraina sns...
Io fihetsika io dia miteraka fankahalana matetika ka eo amin'izay vao tena miseho ny zavatra tsy dia tena tsara loatra. Hositraniny tokoa ilay olona fa holazain'ilay mpanasitrana hoe: averitsika any aminy ny azy. Ny dikan'izay dia hoe: io aretina mahazo ilay olona sitraniny io dia amelezana an'ilay voalaza fa namely azy indray, ary vao maika mafimafy kokoa.
76. ikaretsaka ( 03/07/2007 23:51)
ary raha tena izay tokoa no nitranga?

za aloha dia efa tratran'io hoe i anona no nanao anao io. izao aby ny nataony, jereo ary fa misy zavatra naleviny, sns... dia tena izay tokoa.
fa tsy naheno ilay naverina any aminy fa dia nony hitako dia nasaiko nodorana nony sitrana aho.. dia izay!
77. marozevo ( 04/07/2007 17:19)
Toy io lazain'i gasynamana io, ny ahy indray tsy cas aretina fa zavatra very. Nanatona mpanao pendule (Radiesthésiste) izahay fa very ny lakilen'ny kofra. Dia hoy ilay mpizaha : "Rahampitso amin'ny fito latsaka fahefany hariva dia ho tonga ao aminareo io olona io hividy limonady sy mofodipaina". (Mpivarotra izahay tamin'izany, teo Ambondrona). Dia notohizany hoe : "Raha vao tonga eo izy dia ho miramirana be tsy toy ny fanaony isan'andro, izay no hahafantaranareo azy". Tonga ny ampitso, nitranga araka izay nolazain'ilay olona tokoa, ary tsy iza fa olona mpifanolo-bodirindrina taminay mihitsy le izy. Fa tsy nisy sahy ni-ataky na nanao ankety izahay, fa ny serurren'ny kofra no novànay dia samy vita.
78. bosista ( 06/07/2007 16:47)
manaona daoly,
ny ahy indray de zao : manana finoana ,ary manankina tena amin'A/tra fa tsy manary izay manankin-tena Aminy Izy!
de tahaka ny fombako iany de mametraka fanontaniana aho manao we: fa maninona moa izy io no atao we ody GASY??
TAIZA NO NAZAHOANY NATIONALITE!!!
FA maninona isika gasy no otran'io??? gasigasina daoly ny zavatra rehetra? oh:
lasopy gasy, akoho gasy,vary gasy,siramamy gasy......?
tsy azoko ny niandohany!!
79. marozevo ( 06/07/2007 18:53)
Ny mahatonga izany dia satria Malagasy no namorona azy eh... na koa any Madagasikara le zavatra no vita. labiera gasy... tena tsara rehefa any France...

Fa tsy misy endrika "dépréciation" mihitsy na kely aza.
80. cocombre ( 21/12/2012 06:16)
Salama ,
Tena mandaitra ny ody gasy na mpivavaka ary satria otran'ny tanana didina amin'ny antsy, tsy maintsy maratra fa avy eo mila sitranina. Ny fitandremana no tokony hatao misimisy. Marina fa ny vavaka tsy tokony ajanona satria ny zavatra ratsy == devoly fa mila mailo isika satria ny gasy ny tena olany dia ny fialonana sy ny valifaty na lolopo (rancune).
Ny tenanay zao dia niharan'izany, t@ chocolat no nanaovany azy dia nihinana dia tratra. Misy karazany ilay izy misy fanakorontanana tokantrano (noho ny fialonana), misy mosavy tsotra izao (mety vonoiny mihintsy). Vao avy nihinana an 'ilay chocolat dia miady fotsiny izao tsy misy oe inona ny antony fa dia romotra. Nivavaka foana dia misaotra an'i Jesoa fa tafarina taty aoriana (efa taona maromaro tsy niray trano vokatr'ilay zavatra). Vao hitany hoe toa tsy nandaitra ny ody gasiny dia mbola miezaka izy hatram'izao hanao zavatra hafa. Za sur fa tsy ijanona mihitsy izy satria efa tena ilay fo ratsy mihitsy ny ao aminy.
Isika gasy mihitsy no tena hitako hoe adala, raha tsy isika ve hahita hoe "raha maty aho matesa rahavako". Rehefa misy vazaha sy vahiny lelafina otran ... ery fa rehefa gasy dia ialonana sy anaovana "ody gasy". Amboary ilay toe-tsaina!!!!!
Raha misy vazaha zao tompona hotely be dia jereo fa tsy misy gasy taitra fa ohatrin 'ny hoe mahazatra fa raha vao gasy dia ny fialonanan no ao antsaina voalohany.
Ny mpivavaka amin' andriamanitra aloha dia tsorina fa andairan 'ny ody gasy raha tsy tena mafy be ny finoana, satria ny mpanao ody gasy dia tena mino mafy ny herin'ny odiny nefa ianao izay hitsabo ny tenanao dia mila mino tokoa fa jesoa ihany no lalana sy fanavotana. Mila faharetana ny fiarahana amin'atra fa tsy otran'ny ratsy hoe te hemely dia eo no eo ihany dia voa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1595