voan'ny ody gasy

21. marozevo ( 23/06/2007 17:18)
Tsy Jesosy ilay Pastera : Fa olona mitovy amin'ny olona rehetra, ka noho izany dia mety harary noho ny antony maro samihafa... ody gasy, aretina sns... Tsy midika izany hoe tsy manam-pinoana izy na sanatria tsy ampy finoana.

Fa aiza ry Damopra sy Masera ? : Ao amin'ny Fiangonana Katolika dia misy ny atao hoe excorcistes. Andraikitra manokana io, ary tena mahàlana be, ary tsy ny olona rehetra no manao azy.

Angamba samihafa ny hoe "ody gasy" sy ny hoe "raok'andro". Ny zava-boary tsirairay dia manana ny heriny voa-janahary, indrindra ny zava-maniry. Voalaza tao ilay somi-katsaka. Mbola eo koa ny ravi-na papaye, ny taim-boron-tsiloza (zava-maniry io an), kininina fotsy sns sns... Tsy misy resaka ody gasy ireo na kely aza, fa resaka fahalalana ilay zava-maniry.

Ny ody gasy tena misy, fa izaho manokana tsy manan-kolazaina mivantana momba io, satria mbola tsy nahita sady mbola tsy voa.... Enga anie mba tsy ho voa.

Inona no ody varatra Mopera, hoy ilay olona izay. Ny "AZAVOANY" anaka, hoy ilay Mopera.

Ny Demony dia mitsapatsapa eny foana na manam-pinoana na tsy manana, na masina na tsy masina, na iza na iza. I Kristy aza sahiny alaina fanahy koo izay olombelona ve hahagaga raha alainy fanahy ?
22. ikaretsaka ( 23/06/2007 17:20)
Nareo moa tia ity mijoro vavolombelona ity ka dia aleo aho mba hijoro
hiresaka io hery tsy hay manazava sy herin'ny maizina io.

Fony aho mbola niasa tany @ faritra atsimon'i Madagasikara iny, dia fanaoko ny maka sary, dia mba ampifalifaliako ny olona any dia alaiko sary koa izy ireny dia omeko azy ny sariny rehefa avy eo.

Za mo kamo hivimbina ity fil fil ity dia resaka ireny mandeha infra rouge sy bluetooth ireny no hamindrako ny sary midindra mankary sy mankatsy... mankany @ ordinatera eny na ny mandeha any @ zavatra fanaovana ny printy aza!

Indray andro Izay dia mba nalaiko sary ny zanak'ingahy evanjelistra tany @ ity toerana somary any @ tany very ity, iny antampon'i Horombe @ lalana mankany ejeda ampanihy sy fort dauphin iny
hitany aby ny fomba nanaovako azy sy ny famindrako ilay zavatra mankatsy sy mankaroa! fakantsary mandeha ordi @ alalan'ilay carte memoire iny, ordi mankany @ printer, sns

nony vita ilay sary ka saika homeko azy dia natahotra sy niteny mafy ahy ingahy evanjelistra, sady nanao ireny fomba fandroahana devoly ireny teo amiko sy ny fitaovako.... satria lazainy mitana "odim-bazaha" hono aho!
ary na nazavaina aza dia tsy nety mihitsy izy!

Herin'ny maizina hono izany! satria tsy hainy ny nahazo azy!
23. marozevo ( 23/06/2007 21:20)
Mitovitovy amin'io, par analogie, no nandraisan'ny olona ny finoana kristianina sy ny fombany (Foi et rites) tany am-boalohany. Mbola misy tarazony aza izany ankehitriny.
24. diamondra27 ( 23/06/2007 23:16)
ika::-D:-D:-D
eeee! atao ahoana fa de mbola lavitra ezaka ny any @ tanàna e!
25. ikaretsaka ( 24/06/2007 04:22)
Ny anatra azoko notsoahina t@ io zavatra nitranga tamiko voalaza teo ambony io dia hoe:
Ilay izy ihomehezantsika satria fantatsika, fa izy kosa tsy mahazo azy dia lasa nitsaratsara foana izy. nefa tokony ho nivelatra ny sainy sy tokony nety nazavaina hoe ohatran'ny fandehan'ny onjampeo @ radio ny fandehan'io na tsy fomba tsotsotra mety haazoany azy teo!

dia tsy mety koa ilay hoe zavatra na hery tsy hay ny manazava azy=tsaraina ho herin'ny maizina! hery tsy hainao akory ilay izay ka mila fantarina aloha. rehefa tsy mamono sy mandripaka sy mampijaly dia mahavelona

26. marozevo ( 24/06/2007 16:46)
Ity koa tantara niseho tany Centrafrique, ilay niaina azy no nitantara, ka inoako fa marina ny filazany, sady milaza ny marina rahateo izy. Indray andro, hoy io olona io, dia tafahaona ny mpanao ody mahery teo amin'ity tanàna any ambanivohitra. Samy nampiseho ny fahaizany milalao ody teo zareo, Dia mba nanao koa aho. Ny nataoko dia nesoriko ny nifiko (izay solonify) dia napetako indray. Varahontsana ry zareo, hoy ihany ilay mpitantara, ka nanomboka teo dia nanaiky ny toro-hevitra nomeko azy ireo, ary niala tsikelikely tamin'ny odiny.
Tsy hitako io fa notantarain'ilay oolona tamiko. Mbola any io olona io amin'izao fotoana izao.
27. diamondra27 ( 24/06/2007 17:16)
ika: le tantara lazain'i marozevo etsy ambany kosa : mampimé e!:-D:-D

kou na de mpino zao aza ange de mbola misy voasinton'ilay asa ratsy refa tsy tena mari-pototra ny finoana e!
28. andry44 ( 24/06/2007 20:43)
ka io lazaianao io mihitsy ry Diamondra27 no mampalahelo @azy ty a!
Ny fandinihiko azy aloha de raha tena mivavaka marina@Atra sy Jesosy Kristy ny kristina iray de tsy ho tratran'izany ody gasy zany izy!
fa matoa izy zay tratrany de mitana koa izy e!:lol:
29. marozevo ( 25/06/2007 19:21)
Ny fandinihiko azy aloha de raha tena mivavaka marina@Atra sy Jesosy Kristy ny kristina iray de tsy ho tratran'izany ody gasy zany izy!
fa matoa izy zay tratrany de mitana koa izy e!

Aza dia mitoky tena hoe "izaho mpivavaka marina ka tsy ho voan'ody... mitandrema ihany, fa ny mitandrina mbola tsy nanenenana.

Za kosa tsy manaiky hoe "matoa tratra" dia mitana ody koa... Tsy manaiky an'io hevitra io aho, fa tsy haiko loatra ny manazava azy.
30. Kota ( 25/06/2007 21:27)
marozevo:

Ny fandinihiko azy aloha de raha tena mivavaka marina@Atra sy Jesosy Kristy ny kristina iray de tsy ho tratran'izany ody gasy zany izy!
fa matoa izy zay tratrany de mitana koa izy e!

Aza dia mitoky tena hoe "izaho mpivavaka marina ka tsy ho voan'ody... mitandrema ihany, fa ny mitandrina mbola tsy nanenenana.

Za kosa tsy manaiky hoe "matoa tratra" dia mitana ody koa... Tsy manaiky an'io hevitra io aho, fa tsy haiko loatra ny manazava azy.


Ohatran'ny tsy dia mifanohatra loatra ireo hevitrareo : tsy hoe ianao mpivavaka tsy ho voan'ody fa ilay maha mpivavaka anao no tokony manampy anao hitandrina sy hiambina.
Ny hoe matoa tratra dia mitana ody koa : mety ho marina ihany koa izany satria ady ifanaovan'ny mpitàna azy io. Fa tsy voatery ho izay foana koa nefa fa mety hoe olona tsy miambina fotsiny izao. Ohatran'ny asan'ny devoly rehetra ihany nefa io ka matetika ny mpivavaka na ny manakaikikaiky ny mpivavaka ihany no tena arapany fa tsy ny efa devoly !


31. naughtyboy ( 26/06/2007 11:53)
asa nareo na efa nisy nahita ilay tantara "fallen" Denzel.Washington no milalao azy orera ho an'zay mpankafy ,izy io de tantara asandevoly zay mifindra @ oul isankarazany milaza momba reo anjely nilatsaka avy andanitra fa mpanohitra.tsy manampinoana lalina reo oul possedes tao ka mora2 @ devoly no mitsofoka aminy.iverenako ny resaka misy ny heriny ratsy nefa eo ko ny heriny tsara mpiahy @ ratsy,fifandonana hery tsy hita maso lehibe 2 no resahina ka amiko ra manana safidy de aleo maka le tsara sy mahery fa tsy mbola nisy nadresy an'io na ny fahafatesana aza
32. marozevo ( 26/06/2007 15:57)
Raha hisafidy tokoa ve dia hisafidy ny ratsy... fa ny zava-misy, araka ny fazahoako ny resaka eto, dia misy voan'ody tsy fidiny.
33. cutie ( 26/06/2007 16:00)
misy fanontaniana
efa nisy nahasitrana ody ve raha hivavahana fotsiny sa tsy maintsy entina any @mpanao ody ihany vo sitrana :roll:
34. marozevo ( 26/06/2007 16:03)
Tsy haiko aloha e... fa amin'ny maha aretina azy dia tokony hotsaboina ilay izy vao sitrana. Dokotera sa mpitsabo mpanao ody ? Tsy haiko indray.
35. cutie ( 26/06/2007 16:05)
ka we raha oul mpivavaka de tsy voan'ny ody koa
hoy ny voalaza any ambonimbony any , de ny fivavahana ve zany no hahasitrana raha tokoa ka vo tampoka :roll:
36. xxx ( 26/06/2007 17:09)
mbola tsy sendra azy 'ry 'zareo ao ambonimbony aho ka miseho azy ho mahery.
37. cutie ( 26/06/2007 17:10)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 26-06-2007 19:09:58
Lohateny : Re : voan'ny ody gasy
mbola tsy sendra azy 'ry 'zareo ao ambonimbony aho ka miseho azy ho mahery.

:-D:-D:-D:-D
38. marozevo ( 26/06/2007 19:15)
Fa ilay voalaza ao ambonimbony ao ange an zareo ihany fa tsy voatery ho marina foana e... Mbola à discuter fa tsy hoe efa mipetraka.
39. naughtyboy ( 26/06/2007 19:37)
za alo defa nahita oul akaiky tratrany ody gasy mianadahy zay nampalahelo tokoa ary samihafa fa misy itovizany ny fietsiky le ody refa miasa @ zareo( ny iray de reny possede devoly milaza ny zv ho avy ..mivadibadika be le personalite-ny,ny iray de sahala tratrany fanintona fa henjana koko)mpivavaka le fianakavina fa ny mpanampy tao antrano ihany no nanao le ody gasy,nojereny zareo dadarabe ary izy io de notsaboiny tany ka sitrana ihany avy eo taty aorina fa nitsipozipozy nisy takaitrany.Ny fieverako
azy io de mbola misy tavela le devoly fa tsy voadio tsara satria dadarabe hafa no nanala le ody gasy zany
oe nifindra tanana fotsiny fa tsy nadio
fantatro ny fisiany heriny ratsy ary tsy matahotra an'io aho (tsy midika oe andao andramana:))fa mino ny fisiany hery tsara mpiahy miaro @ ratsy
40. ikaretsaka ( 26/06/2007 19:51)
ny ahy ny fandraisako azy dia izao fotsiny hoe natao hahasoa ny zavatra rehetra:
-tsy ny basy no mahafaty fa ny olona mampiasa sy manisy bala azy ary mitifitra olona
-tsy ny toaka no mahamamo fa ny olona tsy mahalala onony sy antonony
ect...

dia tsy ny ody gasy akory no hoe herin'ny maizina sy hoe ratsy raha ampiasaina ho fanadana (antidote) ilay izy, raha iny no inoana sy deraina dia izay no tsy mety amiko, fa raha ampiasaina kosa hanasoavana sy hahasitrana olona , amiko tsy misy olana
ohatra vitsivitsy: ny olona mahazo ilay fanomezam-pahasoavana ka mahay ody may, ody maingoka, ody mosavin'olona , sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1682