voan'ny ody gasy
41. cutie
(
26/06/2007 20:18)
mitovy ihany zany na sitranina ara -pivavahana le oul na antsoina mpanao ody :lol:
42. LazaDaddy
(
27/06/2007 01:20)
ny ahy ny fandraisako azy dia izao fotsiny hoe natao hahasoa ny zavatra rehetra:...dia tsy ny ody gasy akory no hoe herin'ny maizina sy hoe ratsy raha ampiasaina ho fanadana (antidote) ilay izyMitandrema ry namana isany fa io ilay ataoko hoe:
LazaDaddy:
Tsy hiteny aminao mihitsy ny mpanao ody gasy hoe mifanohitra ny ody ataony sy ny herin'i Kristy. Mba hanesorany ilay fitafianao sy manda fiarovanao (i Kriisty) dia rebirebeny ianao hoe "mifameno" ireo, ka vao mino an'izay ianao dia efa mitanjaka sahady.
43. LazaDaddy
(
27/06/2007 01:26)
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao
=> ohatra iray mivaingana sy mazava tsara fa tsy natao hahasoa ny olona ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy
=> ohatra iray mivaingana sy mazava tsara fa tsy natao hahasoa ny olona ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy
44. ikaretsaka
(
27/06/2007 03:33)
ny zavatra rehetra eto an tany, na ny hery mbola tsy voafehy aza, dia nataon'Andriamanitra mba hahasoa sy hanampy ny olombelona, (hananatra, hampieritreritra, hahatonga saina azy, hivoatra, hitsabo, hifanasoa...)
Ny fanasoavana ny tena sy ny fanasoavana ny hafa no atoky ny fiainanana eto an-tany sy ny fiainan-ko avy! sy anisan' ny base voalohan'ny fampiasana ny finoana
Raha marary ianao ka mihinana fanafody (vazaha) mba hahasoa anao sy hahatonga anao ho salama sy ho soa,hanasoavana ny fiaraha-monina, maninona no tsy omena tsiny io fanafody io? fa rehefa gasy dia omena?
betsaka ny olona tsaboina @ fanafosy vazaha tsy mahafantatra ny resaka simika sy ny momba an'io zavatra io dia hoe mahasoa sy mahasitrana fotsiny dia hanina! fa hoe antidoten'ny aterina mahazo anao a ireny fanafody ireny e!
Raha mahasoa ny tena sy ny hafa dia ataovy, fa raha kosa handrava ny tena sy ny hafa dia aza atao, izay no fampanjakana fitiavana sy fanehoana ny maha fitiavana an'andriamanitra amiko fa tsy ny fanatisme.
mampatsiahy ahy tantarana tena misy an' olona narary efa voalazan'ny namana tato ity resaka ity:

"Nisy zanaka mpivavaka tao @ ity fiangonana evanjelika kely (io moa izao no iantsoana ny secte hono) narary mafy voan'ny aretina(cancer du sang, leukemie) ka mila fitsaboana maika dia maika. Amin'ny maha "mpivavaka sy fanatisme ireo olona ireo (miampy ny fanasana atidoha voalazan'i pasitera) dia tsy azo atao ny hoe mifamindra , ra, solona organes, sns, fa hoe ivavahana fotsiny io olona io dia sitrana fa tsy ilaina entina any @ toeram-pitsaboana izany.
Nihombo teny ny aretina, nahazo ny metaphase, ary indrisy fa nindaosin'ny fahafatesana ilay olona!
Mahay zavatra Andriamanitra, ary ny tody tsy misy, tsy ampy herintaona taty aoriana dia narary koa ny zanak'ilay pasitera, ary nitovy aretina t@ ilay zaza zanak'ilay mpiangona, saingy ny azy tsy nivavahana fotsiny fa nangalana dokotera, mpanao ody, sy izay ala nenina rehetra tsy maintsy natao! tsy fantatro na maty na velona ilay zanak'i pasitera, fa ny hitako dia lasa tsy nivavaka tao amin'io fiangonana io intsony ilay ramatoa , ary lasa mpakahala an'Andriamanitra aza, ilay pasitera lasa tsy vanombanona teny ary ilay fiangonana dia maty amin'izao tsika miteny izao!
dia raha ianao? ahoana ny ataonao raha sendra izany?
45. LazaDaddy
(
27/06/2007 04:53)
Tandremo fatratra ry namana fa misovoka mangingina ny mpanao ody gasy sy ny odiny. Tsy hanaratsy ny ody ataony mihitsy izy ireny fa fitahany aloha ianao hoe "tsy hita izay maharatsy azy"...fa amin'ny farany tonga @ fianteherana amin'ny fanahin-dranona sy ranona, fanandroana,...sns...
=> saro-piaro ilay Andriamanitra ivavahan'ny Kristianina ka mba mailo!!!
=> saro-piaro ilay Andriamanitra ivavahan'ny Kristianina ka mba mailo!!!
47. niryna
(
27/06/2007 08:11)
cutie:
misy fanontaniana
efa nisy nahasitrana ody ve raha hivavahana fotsiny sa tsy maintsy entina any @mpanao ody ihany vo sitrana :roll:
Cutie a Hoy ny tenin'Atra hoe ,misy zavatra tsy vitako ve?Hain'Atra ho sitranina daholo na inona na inona.Marobe izay aretina nahazo ny olona izay na aretina tonga ho azy,na nasian'olona,na ny herin'ny maizina ihany koa no ilazana azy,na ny kapoka araka ny tenenin'ika.Sitrana daholo,matoa ilay izy tsy sitrana dia mbola misy antony ao.Cancer aza sitrana.Izaho izao no nahita.Marobe ary mahaliana ahy ny mahita ireny olona mijoro milaza ny fiainany ireny,ny fanasitranana nataon'ny Tompo azy.Na an-telefonina fotsiny aza ilay olona no mangataka hivaavahana dia hain'Atra ny mamaly azy.
** Vao resakay omaly ity, Dominikana ilay olona marary ary nilaza ilay zanany fa nisy aretina tsy fantatra tonga amin'ny reniny.Niantso ny pasitera izy mba hivavaka azy ary dia nataony tokoa izany.Tonga tany amin'ny hopitaly izy mianaka,rehefa natao ny fikarakarana ny rehetra dia nody fotsiny izy ireo fa tsy tao amin'ilay ramatoa intsony ilay aretina.
48. sonwin
(
27/06/2007 10:16)
LazaDaddy:
[Efa nisy nandatsa-baratra indroa raha kely ny fianakaviako saingy tsy nanan-kery izany. Tsy ny fianakaviako akory no "superman" fa i Kristy no Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka. Izy dia Tsitoha.
Ahoana ny ahafantaranao fa ny fianakavianao no tena notetehan'ilay nandatsa-baratra??:-w
Dia ahoana koa no ahafantarana fa olona ilay mandatsa-baratra fa tsy varatra nohon'ny toetr'andro?:-w
50. ikaretsaka
(
27/06/2007 10:59)
fa tadidio koa fa Andriamanitra tsy manampy ny tsy manampy ny tenany.
ary tsy isan'andro akory ny misy ny hoe olona marary dia ivavahana fotsiny dia sitrana, Ny vavaka tsy arahin'asa dia naman'ny maty
(Jakoba 2,24-26)
ry ampiatsaravelatsihy, aza manatona dokotera intsony izany e!
mino ny miracle aho, fa possible koa ny hoe avy amin'ireny fanafody ireny no avaon'Andriamanitra miracle ho anao

51. Kota
(
27/06/2007 11:25)
[quote=ikaretsaka]
Raha marary ianao ka mihinana fanafody (vazaha) mba hahasoa anao sy hahatonga anao ho salama sy ho soa,hanasoavana ny fiaraha-monina, maninona no tsy omena tsiny io fanafody io? fa rehefa gasy dia omena?
Raha mahasoa ny tena sy ny hafa dia ataovy, fa raha kosa handrava ny tena sy ny hafa dia aza atao, izay no fampanjakana fitiavana sy fanehoana ny maha fitiavana an'andriamanitra amiko fa tsy ny fanatisme.
Mety nisy hafatra voadingako angamba fa izaho manokana aloha raha namaly ity dia tsy nieritreritra mihitsy hoe mitovy ny ody gasy sy ny fanafody vita malagasy. Ilay ody gasy resahiko dia ilay ody miaraka amina fombafomba fanompoan-tsampy : tsy entina hanasitrana na hanasoa araka ny lazainao fa tanjona hafa ! olona voan'ody izany tsy hoe olona nositranina e !

52. ikaretsaka
(
27/06/2007 11:59)
ilay ody gasy tiako lazaina eto dia ilay hoe mahay ody kakerin'ny maingoka sy ilay ody may ireny ohatra ka!
54. Kota
(
27/06/2007 15:19)
ikaretsaka:
ilay ody gasy tiako lazaina eto dia ilay hoe mahay ody kakerin'ny maingoka sy ilay ody may ireny ohatra ka!
hay ve ! fanafody hanasitranana izany ka tsy hitako indray ny idiran'ny hoe voan'ody amin'izany !!
57. Kota
(
27/06/2007 17:42)
Imahaka:
vavaka kosa aloha tsy mahasitrana ambalavelona e!
Tsy haiko aloha hoe ahoana tsara ny ambalavelona fa izaho mino fa raha mbola resaka possession démoniaque dia vitan'ny vavaka...fa mila ady amam-bavaka ny fahitàko azy ka tsy ny olona rehetra no mahavita izany !
58. marozevo
(
27/06/2007 18:17)
Ody gasy : Toa malalaka sy mifangaro tokoa ilay heviny. Indro misy teny atolotro sy azavaiko hanavahana ny ody gasy manasitrana sy ny manao ratsy. Samy teny malagasy tsara, ary samy resaka fanafody (na ody) gasy, nefa tonga dia miavaka sy mazava tsara.
VORIKA : Ratsy, satria mikendry hamparary, na hamono mihitsy aza.
RAOKANDRO : Tsara, satria mampiasa ny zava-boahary hitsaboana...
VORIKA : Ratsy, satria mikendry hamparary, na hamono mihitsy aza.
RAOKANDRO : Tsara, satria mampiasa ny zava-boahary hitsaboana...
59. namanao
(
28/06/2007 09:47)
Raha tena voadio amin'ny fahotana ianao ka mitafy an'i Kristy de tsy ho voan'ny ody (na gasy io na tsy gasy). Fa raha vao misy ota vitanao ka tsy voadio de raha misy manafika @ ody de iny ianao no tratra!!!!!
Ny herin'ny maizina rehefa hanafika anao izy, de jereny aloha raha misy faille ny protection-nao, raha au-point le protection de mitady fomba izy handravana an'iny. Ohatra hoe misy olona asainy mangarona ny posinao de raha vao manao fisainana na fitenenana na fihetsika mampanota ianao de miheny le dégré de fahamasinana de mihena koa le protection de avy amin'zay izy manafika.
Tiavo ny fahavalonao hoy Jesoa zay !! rehefa tia ny fahavalonao ianao na manao ratsy anao aza izy tsy hahavita zavatra miteraka ota mihitsy ianao ka tsy ho voatafiky ny herin'ny maizina.
Ho afaka daholo anie noho ny ran'i Kristy ny herin'ny maizina zay mety mangenja antsika !!

60. xxx
(
28/06/2007 10:08)
namanao: efa mba namaky ny tantaran'i Joba ve ianao?
Diniho tsara io tantara io dia ho tsapanao fa na dia tsy misy ota aza ianao, ary tena masim-piainana dia tsy misakana velively ny ratsy hahavoa anao izany (tsy misakana ny ody gasy hahavoa anao).
Hoy Jesoa raha nivavaka indray andro: Ray ò, tsy ny analanao azy amin'izao tontolo izao no angatahiko fa ny hiarovanao azy amin'ilay ratsy. Midika izany fa izay mahazo ny olona rehetra dia mety hahazo antsika kristiana avokoa, nefa amin'ny fotoana mahavoa antsika, ny mampiavaka antsika amin'ny hafa (izay tsy mino, na misalasala) dia ny fametrahantsika ny fitokisana amin'Andriamanitra, fa tsy amin'ny tenantsika ihany na amin'ny zavatra hafa. Ilay hoe fametrahana ny fitokisana amin'Andriamanitra koa dia tsy midika hoe: hivavaka fotsiny izany mba ho sitrana, fa miezaka ihany koa ny mba ho sitrana e (mihinana fanafody, sns...) Ilain'Andriamanitra izay ezaka ataontsika izay.
Tsy ny herinay ry Jesoa ò, na ny fahamarinanay no tianao hitokisanay fa ny herinao sy ny fitiavanao ihany, koa ampianaro sy tantano izahay tsy hitoky afatsy aminao ihany. Amen.