Savoir arrêter de prier.

21. Fiffi ( 19/06/2007 20:11)
ity notena hitako mazana hiany: de le fivavahana atao foana ve mety atao hoe "lourd fardeau" ?
Cela vous dégagera d’un fardeau auquel vous n’aurez plus jamais besoin de toucher ; cela vous permettra de vivre une véritable expérience de foi
de ity koh:
Et puis cela vous permettra de prier utilement pour d’autres cas, d’autres sujets que Jésus mettra sur votre cœur par le Saint-Esprit.
anjekaky oooo:{:{:{ "de prier inutilement" ? sady mbola miampy an'ity hoe :
Pardon et aide moi à être sensible à la voix de ton Esprit, pour comprendre quand je dois prier et quand je dois cesser de prier. Amen.
nefa na de io fangatahana pardon io aza de efa fivavahana.....tena tsy azoko intsony le izy an !

heu...tena lasa mapiheritreritra be anaha le top chrétien injindra ny voalaza androany.....
22. marozevo ( 19/06/2007 20:15)
Za koa mitovy aminao...
23. xxx ( 19/06/2007 20:36)
rehefa mivavaka anie ka tsy mangataka foana fa misy koa ny vavaka fiderana fotsiny, ao koa ny vavaka misaotra fotsiny sns...
Rehefa nangataka dia efa henony izay nolazaina fa tsy haverimberina toa ny refrain eo dia lasa hoe sao dia tsy henony aza nefa tsy marenina ny hivavahana no sady mahay ny zavatra rehetra . Mety ho mbola manomana izy na manao asa hafa prioritaire koa.
24. marozevo ( 19/06/2007 20:41)
Ekeko ilay tapany voalohany voalazanao, sady raha tsy diso aho dia efa voalaza tany ho any mihitsy io.

Fa ilay tapany faharoa kosa tsy ekeko satria sao dia materialise-nao loatra ilay fivavahana sy ny "Andriamanitra mamaly vavaka".
25. gasynamana ( 19/06/2007 21:05)
ny manery an'Andriamanitra hanome izay tadiavinao fotsiny no tsy mety.
Mangataha ary aza mitsahatra hoy izy, nefa ambarany koa hoe: efa fantatry ny Ray izay ilainareo na de mbola tsy mangataka akory aza ianareo
26. marozevo ( 19/06/2007 21:35)
ie... tena tsy mety kosa aloha ny manery an'Andriamanitra e. Izy rahateo koa moa ve ho "voaterin'iza n'iza".
Isika rahateo zanaka, mangataka izay tiantsika angatahina, fa ny ray no mahalala izay tena mahasoa.

Ho toy ny emboka eo imasonao anie ny fivavahako.
Moa ny tanako misandratra, ho fanati-takariva.
Raha asandratro ny feoko mba henoy re.
Zany antso sy talahoko reneso.
27. ikaretsaka ( 19/06/2007 21:51)
mitovy fijery amin'i gasynamana
28. pissoa ( 19/06/2007 21:59)
xxx:
rehefa mivavaka anie ka tsy mangataka foana fa misy koa ny vavaka fiderana fotsiny, ao koa ny vavaka misaotra fotsiny sns...
Rehefa nangataka dia efa henony izay nolazaina fa tsy haverimberina toa ny refrain eo dia lasa hoe sao dia tsy henony aza nefa tsy marenina ny hivavahana no sady mahay ny zavatra rehetra . Mety ho mbola manomana izy na manao asa hafa prioritaire koa.

Ie, tsy mangataka fotsiny ny atao hoe mivavaka !

Ny resaka miverimberina dia nahoana moa ny mangataka ihany no ahitanao tsiny raha averimberina ... Ny fisaorana sy ny fiderana angaha tsy efa henony koa ? Sao tsy mety koa ny midera sy misaotra Azy miverimberina raha io mba arguments-nao io hoe izy tsy marenina fa efa henony !

Ny mivavaka no anjarantsika hoa, na fisaorana io, na fangatahana na fiderana sns. Ny ambiny an'Andriamanitra ... Aza miezaka mandamina na maminavina ny programan'Andriamanitra hoe mety mbola manao an'izao Izy na manao an'izao ... Fa ianao no iza ? Ataovy ampy ny mivavaka mangataka ny sitrapony !
29. wooda ( 19/06/2007 23:54)
Mety HS za manoratra eto fa tena tsy haiko izay nampifoha ahy hiconnecte kely nijery vaovao tato @ serasera!

Nena indray ny faniriako de mba "Savoir envie de prier" fa tena misy ilako azy!

Tsy fangatahana fa fitadiavana herim-po!

"Aide toi et le ciel t'aideras"

:-* atsika jiaby.
30. marozevo ( 19/06/2007 23:56)
Ataovy amin'ny hafa izay tianao hatao amin'ny tenanao.

Mifampivavaka izany isika eh...
31. majesty ( 20/06/2007 06:24)
Fiffi:Raha mangataka zavatra amin'i Papa niteraka an'njy i fiffi dia ahoana,ny nagatahana omaly ve tsy angatahina intsony rahampitso.

Fa ny maha samihafa ny Ray niteraka sy Atra dia Atra manana ny hevitra iheverany ny tsirairay avy,dia izy no mahafantatra na mahasoa anao ilay zavatra angatahinao na tsia,:D
32. ari.malala ( 20/06/2007 06:58)
Jer 29;11 "Izaho mahalala ny hevitra hiheverako anareo hoy Jehova dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza, hanome anareo ny fanantenana ny amin'ny farany"

Jesoa aza nanao hoe mivavaha ka aza mitsahatra fa miambena lalandava koa nahoana no hoe savoir arrêter de prier? izany koa no fampanarana azoko t@ fivoriana nitondran'olona ahy izay, hoe refa ind1 niteny hono dia ampy izay fa tsy ilaina averina fa manjary mankaleo an'Andriamanitra, fa maninona Andriamanitra no ho leo? za anie zanany no mangataka e! dia tsy homeny ve raha fantany fa mahasoa?!!
33. Rafotsy ( 20/06/2007 07:33)
Salut daholo !
Mahazo io pensée du jour io koa aho , ary nanitikitika ny saiko koa ! Ary ny zavatra noraisiko ho ahy manokana dia hoe " etre sensible à la voix de l'Esprit " , satria io no hahafantarako na eny , na tsia , na handraso kely aloha ilay fahangatako ! Ary rehefa haiko ny mandré io feo io , dia izay aho vao mijanona mivavaka @ sujet de prière iray nangatahako !:-*:-*
34. marozevo ( 20/06/2007 07:41)
Mankaleo an'Andriamanitra....
Mety mbola manomana izy na manao asa prioritaire kokoa....

Tena heverintsika fa olombelona mihitsy angamba ity Andriamanitra ity oh ?
35. ari.malala ( 20/06/2007 07:53)
marozevo, tsy za no niteny hoe mankaleo an'Atra ka! fa ilay **mpampianatra** fa farany moa za tsy nanatrika ilay fampianarnaa satria tsy mifanaraka @ foto-pinoana katolika ilay izy...
36. xxx ( 20/06/2007 10:38)
marozevo:

Mankaleo an'Andriamanitra....
Mety mbola manomana izy na manao asa prioritaire kokoa....

Tena heverintsika fa olombelona mihitsy angamba ity Andriamanitra ity oh ?



Tsy mihevitra fa olombelona Andriamanitra fa hitanao eny @ manodidina anao eny Izy "handeha isika hamorona olona tahaka ny endrintsika" .
Misy tokoa ny prioritaire, satria be ny mangataka zavatra tsy mbola ilaina izao dia izao.
37. rush ( 20/06/2007 17:32)
nandalina an'io top chrétien io aho ary tena tsy nahatonga saina ahy ny zavatra voalaza ato!
38. marozevo ( 20/06/2007 17:39)
Priorité !
Raha olombelona dia tsy maintsy hoe manao an'itsy aho aloha izao, rehefa avy eo manao an'itsy indray. Na hoe miresaka an-telephone aho izao, avy eo miresaka amin-dRanona.... Raisonnementn'olombelona io. Fa amin'Andriamanitra tsy mi-colle izany....

Raha izay ary no izy, moa tsy tokony hilahatra ve ny olona 6milliards (na ny an-tsak'ireo ihany aza), mifandimby miteny satria tsy afaka mihaino olona be dia be indray mitoraka Andriamanitra.

Raha izany no fomba fiasany dia mitovy amin'ny olona ihany izy.

39. LazaDaddy ( 21/06/2007 00:04)
Tandremo diso fandray fa:

1) Samihafa ny "persistence" sy ny "repetition".

2) Ny "persistence" koa aza adino fa mariky ny finoana sy fanantenana.

3) Ny "repetition" indray dia tsy vokatry ny finoana loatra fa "fahazarana" ka toy ny manenjika "isa" sisa rehefa mivavaka.
40. ari.malala ( 21/06/2007 07:02)
Izy Jesoa anie no efa niteny hoe mankanesa aty amiko ianareo mavesatr'entana sy miasa fatratra e! dia refa misy olana izany dia mila mitodika Aminy mandrakariva. Talohan'ny hijaliany koa Izy niteny t@ mpianany hoe mivavaha ka aza mitsahatra, koa nahoana no ankehitriny misy olombelona miteny hoe savoir arrêter de prier? Izaho izao talohan'ny hanalako bac isanandro mihiratra mamonjy lamesa iany ary nangataka ny Fanahy masina mba hanilo ahy sy hitarika ahy t@ fanadinako ko! dia diso ve za? isaky ny misy olana aho isanandro mihiratra mangataka iany hoe hazavao ny saiko ry Fanahy Masina, isaky ny mahazo zavatsoa isanandro mihiratra misaotra iany hoe misaotra indrindra Tompo fa Ray mahalala izay mahasoa ahy ianao, ka nomenao ny tombonandroko aho ary nofenoinao fifaliana aho fa novalianao ny fivavahako, dia diso ve za amzany sa am fotoana inona no tokony hijanonako?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1154