Raha fivavahana dia alefaso,raha toa tsy izy aoka ihato

21. Fiffi ( 09/06/2007 06:01)
marozevo:

Aiza ve Rangahy dia vao misokatra fotsiny le sujet dia efa jugement be manadala no ao... ianareo toy izao sy toy izao e.... fa izahay toy izatsy sy toy izatsy....

Vao misokatra le sujet dia efa sorena hono izy, nefa izy no manokatra... ko na izaho adala aza ve ....
jugement be manadala.....

-zah aloha de mahazo foana isakin'mamaly eto eh ! sa tsy zany ry linarako2 ?

-(io ramartoa io de tsy miditra ato raha tsy hitsikera sy hitsara)
-le vehivavy be isa indrindra ato...sns.....de ataovy zay tianareo hatao fa ny marina marina hiany !



22. niryna ( 09/06/2007 06:23)
tslem:

mba ohatra hoe:
Ry Tompo rainay be fitia ô! ampio izahay rehetra mpiserasera eto mba tsy hivaona amin'ny adihevitra sy ny dinika rehtra miseho,mba tsy hifampitsikera sns... e !..... Amen.



=D^:^^:^
[i]Fa hianao kosa dia mahareta amin'izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao,satria fantatrao izay nampianatra anao izany;fa hatry hy fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina,izay mampahendry anao amin'ny famonjena,amin'ny finoana izay ao amin'ny kristy JesosyIzay soratra soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Atra dia mahasoa koa ho fampianarana,ho fandresen-dahatra,ho fanitsiana izay diso,ho fitaizana amin'ny fahamarinanamba ho tanteraka ny olon'Atra h ovonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.[i]2 Tim 3:16-17
23. niryna ( 09/06/2007 06:42)
linarako2:

Angamba tsy misy vola aloha ny mandefa sy mizara izay fahaizana noratovony amin'ny fivavahana.Tato ato dia tena tsy lasa mihitsy.Efa nisy nitaraina ihany hoe toa mivoana izy izany kanefa dia ny eo ihany no eo.

Iangaviana an-tanandroa isika rehetra.

Aoka izay ny fifampitsikerena
izay tsy ahitana famonjena.

Raha fivavahana dia alefaso.
Raha toa tsy izy aoka ihato.


Toa lasa nahavita poezy ianao:D
Ny teny manambara fa Eo anatrehan'Atra sy Kristy Jesosy ,Izay hitsara ny velona sy ny maty,ary noho ny amin'ny fisehoany sy fanjakany,no anarako anao mafy mitory ny teny,mazotoa,na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana,mandrese lahatra,mamporisiha,mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.Fa ho avy ny andro izay tsy ahazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema,fa hangidihidy sofina izy ,dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany,ary hampiala ny sofina amin'n teny marina tokoa izy ka hivily ho amin'ny anganoangano.
Fa hianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra,miareta fahoriana,ataovy ny asan'ny evanjelista,tanteraho ny fanompoanao. 2Tim 4:1-5

Io no anatra mba omeko anao.Vakio izay zavatra fantatrao fa tsara,izay tsy izy anjaranao ny mandray na tsia.:*

24. marozevo ( 09/06/2007 09:10)
Tsa misy raha azoko intsony eto, mba marina moa !
25. rush ( 09/06/2007 09:38)
marozevo:

Tsa misy raha azoko intsony eto, mba marina moa !
ka ianao vaovao dia tsy mahazo e!fa zavatra tsy mahagaga io!misy manko ny olona may ery hitsara sy hitsikera fa tsy mahay mijery tena aloha!avereno vakiana daholo ny zavatra nolazain'i linarako2 sy niryna dia ho azonao ny resaka!izay tsy mahazaka ny fahamarinana ka nahatonga foana ny olona hilaza hoe mandiniha tena!


26. pissoa ( 09/06/2007 10:03)
xxx:

Tena mbola tsy nahalala koa aho hoe mpihavana daholo ny ankabeazan'ireo mamely ny olona ireo:Ianareo ve mba mahalala izany?:roll:i...cousin an'....ary rahavavin'i....sy i.... no mamely fa tsy izy....:roll:dia toy izay hatrany.Lasa tsy fivavahana intsony.Mampalahelo tanteraka.Raha tsy voakitika ianao dia misaora an'Andriamanitra.Izaho aloha lasa nanaraka ilay zava-mitranga tokoa e,ary tena misy ilay izy:cry::cry::cry::cry:
Miambena ny tenanantsika fa aza manaiky ampiasan'ny ratsy.:roll:(l)(l)(l)(l)


:-D:-D:-D
tena vaovao be marina izany hoe mpirahavavy izany ! ny haiko njay aloha dia misy olona sady manana ps 2 no manao xxx ! :-D:-D:-D
27. Fiffi ( 09/06/2007 10:23)
pissoa:
ny haiko njay aloha dia misy olona sady manana ps 2 no manao xxx ! :-D:-D:-D
pissoa: hummm....io koh aloha de aiko an !

fa tsy aiko hoe naninona no natao tato am fivavahana sy finoana ity dinika ity ?


28. xxx ( 09/06/2007 11:01)
pissoa:

ny haiko njay aloha dia misy olona sady manana ps 2 no manao xxx ! :-D:-D:-D
linarako2=niryna!niara-nanjavona t@ niryna tany dago dia niara-niverina e!


29. xxx ( 09/06/2007 11:17)
linarako2: ny tsy azonao angamba dia hoe: forum no eto fa tsy torin-teny na fampianarana. Ny dikan'izany dia dinika. Tsy hampianatra ny hafa no atao fa resaka. Ao anatin'ny resaka dia misy ny fifanakalozana, misy ny fizarana. Tsy ferana koa anefa ny hisian'ny hadisoan-kevitra ka mila hahitsy. Isany ohatra iray lehibe ho an'ny Kristiana rehetra teto i prime (sa iza fa tsy tena tsaroko tsara) ny amin'ny fiekena ny hadisoana nataony.

Ny mampalahelo anefa dia izao: misy ny olona tsy mitsahatra mandiso ny hafa eto, nefa tsy manana hevitra tena mitombina hanamarihany izay lazainy. Rehefa aseho azy ny hadisoany dia valy boraingina amin'ny teny tsy hay vakina na amin'ny teny tsy voahevitra no ataony.

Mitovy amin'ireo namana rehetra eto amin'ny serasera ny tenako, mitrotro azy am-bavaka satria tsy maintsy mbola ho fantany ihany ny marina raha vonona ny handray izany tokoa izy.

Hanjaka ao am-potsika anie i Kristy! Amen



30. xxx ( 09/06/2007 11:38)
Hoy i pissoa:

ny haiko njay aloha dia misy olona sady manana ps 2 no manao xxx !
linarako2=niryna!niara-nanjavona t@ niryna tany dago dia niara-niverina e!

Mba jereo koa fa mitovy ny mombamomba azy ireo, saingy ny iray mody natao serieux, ny iray natao kivazivazy.
:-D:-D:-D
31. rush ( 09/06/2007 12:08)
xxx:

Ka raha manaraka tsara ianao dia ilay mpametrak sujet indrindra no tena manao an'io.
io kosa aloha dia tena marina a!mora dia mora ny fitsarana ny sasany fa tsy ny tena aloha no mba jerena sy dinihina!mandiniha tena hiany hoy aho e!


32. rakaroka ( 09/06/2007 14:22)
linarako: Ny resaka noresahina teto anie , saiky fivavahana avokoa fa ny fiheverana sy fandraisana izany no tsy mitovy, ...ary 'ngaha moa na i Jesoa natao ohatra iny dia nihanina sy niondrika fotsiny tao amin'ny misy azy tahaka ny mpivavaka maro hita ankehitriny?...ataoko nifanerasera sy niresaka ary ninamana tamin'ny olona "Hafa" mihitsy izy, ka ahoana aza ty hevitra manakipily Be ihany ity:roll::roll::roll::roll::roll::roll::?::wink:
33. cutie ( 09/06/2007 15:41)

tena vaovao be marina izany hoe mpirahavavy izany ! ny haiko njay aloha dia misy olona sady manana ps 2 no manao xxx !

de in nefa ny pble @ zany na manana ps firy le oul na manao xxx, nga moa tsy ny hevitra no tiana ampitaina eto :roll:
34. cutie ( 09/06/2007 15:42)
rakaroka:-*:-*:-*:-*
35. diamondra27 ( 09/06/2007 16:14)
le ato zany de lany andro mijery we iza ranona sy ranona

mbola mitohy foana le izy

ni fitarainana de we: aza mba asiana tsikera fa tsy manana unité sa tsy de manampotoana hijanonana elabe devant ny ordi ny rehetra satria tsy adsl illimité
de lasa resaka lavabe ndray.....

matoa misy ny fanovan-dresaka dia misy dikany ao

de tohizo zany ze mahafaly ny fony rehetra refa zay no mba fantatra fa mahafinaritra e!

lasa le personne kely no mitondra fa tsy ny fanahy...
36. xxx ( 09/06/2007 16:26)
diamondra27:

ni fitarainana de we: aza mba asiana tsikera
fa inona no atao hoe tsikera @ nareo e?dia raha tsy hasiana an'io izany dia na dia hita mazava be izao fa diso ny zavatra lazainy dia hangiana fotsiny ny olona?ianareo no zatra mandray ny tsikera ho ratsy satria tsy tantinareo ny fahamarinana e!


37. diamondra27 ( 09/06/2007 16:50)
xxx: mazaiko anao sy tiako ho fantatrao fa ny tsikera amiko dia iaiko de ilaiko tokoa

satria nahoana,

ny fandraisako azy dia nataoko mba hampandroso eo @ fiainako ny tsikera

matoa misy ny tsikera dia misy tsy mety ao izany saingy mety eo no ho eo no tsy mi-accepter ilay izy fa rehefa tony sy mandinika tsara ilay voalazan'olona nitsikera dia misy fahamarinany ny voalazany

misy koa anefa tsikera fanaratsiana be fotsiny ; @izay fotoan izay dia raisiko ilay tsikera fa tsy asiako effet @ fomba fisainako satria afaka mamantatra ny atao hoe: ity tsikera mampandroso sy ny tsikera fanaratsiana

ataoko fa mazava aminao angamba izao ny fomba atao tokony manoloana ny tsikera


tsy voatery tsikeraina ny olona raha misy hevitra tsy mety lazainy fa tokony lazaina hoe: mety tsy marina izany voalazanao izany satria izao sy izao ny zavatra hitako etc...

Izay ilay lazaiko foana hoe: ahitsio ilay olona raha fantanao fa diso e! fa tsy tsikeraina
atoroy azy le lalana marina
:-*
38. pissoa ( 09/06/2007 17:28)
de in nefa ny pble @ zany na manana ps firy le oul na manao xxx, nga moa tsy ny hevitra no tiana ampitaina eto :roll:

Ooops, nisy niteny nga hoe misy pble ry cutie ? :-D:-D:-D
39. ikaretsaka ( 10/06/2007 03:46)
Ny ahy ny principe ko dia voalohany hoe samihafa daholo isika rehetra! raha mitovy isika dia tsy nila forum sy tsy nila atidoha hisainana!

faharoa, rehefa resaka fivavahana no atao forum toy itony dia ny mifampizara, mifankafantatra sy mifanoro no tokony hatao! arak\'io tenin\'i diam\'s io. Tsy voatery hitovy firehana sy hino izay nasesika tao an-dohanao aby ny olona, ary raha tsy manana toe-tsaina handray sy handinika ny hafa koa anefa ianao fa ny anao foana dia tsy hitako izay antony handehananao ato

Ny tsapako fa tena ilaina mba hahatanterahan\'izany dia ny fivelaran-tsaina sy ny fandalinana @ fomba tsy maka parti izay hevitry ny tsirairay avy!

fahatelo, Betsaka sy tsapa eto, ary iaraha manaiky, fa tsy lavorary aby isika, fa Andriamanitra irery no lavorary.saingy indrisy, betsaka ny mihevitra ny tenany ho lavorary.

Fahaefatra, Raha mifanitsy sy mifampianatra isika, ka manao ilay resaka hoe \"tsy izany fa zao\", na \"izao ange no antony nahatonga izany\" na \"le eo amin\'ny lafiny ohatran\'izao dia diso ny fandraisanao azy\" na hoe \"fanamarihana kely manampy na manitsy kely, alohan\'ny hitenitenenanao zavatra momba an\'i theme iray\"
dia tokony ho raisina iny raha mipetraka tsara ny arguments ka tsy hita izay tsy eken\'ny saina amam-panahinao azy . Fa betsaka koa ny tsy honnette mihitsy, hoe efa fantatra izao fa tsy any @ izy ilay heviny, ary na izy tompon-kevitra aza mahita hoe diso ilay izy, fa tsy te hanaiky mihitsy hoe diso! dia mamalivaly voraingina, na mandika vilana, na mitsipona izay mahaliana azy ihany!

Farany , Raha mahatsapa tena ianao fa tsikeraina, dia ny ataovy an-tsaina voalohany dia hoe fa maninona aho no tsikeraina, sao dia avy aty amiko ihany izany itsikeran\'ny olona ahy izany, matetika manko dia ny \"sasany\" foana no lazaina ho diso (io ilay FANDINIHAN-TENA)

Sendra nanatrika fanamasinana Pretra Zezoita aho (arahabaina fa naazo namana 3 vaovao indray :wink:) dia misy ilay fiteny averin\'ny Eveka manao hoe \"Fantaro ny Ataonao, Alao Tahaka Ilay Ankalazainao, ary ataovy mifanojo lalandava amin\'ny Misiterin\'ny Lakroa ny toe-panahinao sy ny toe-piainanao\"

--> ity atao ( jereo2Kor 4,2)
40. xxx ( 10/06/2007 04:47)
xxx:

Tena mbola tsy nahalala koa aho hoe mpihavana daholo ny ankabeazan'ireo mamely ny olona ireo:Ianareo ve mba mahalala izany?:roll:i...cousin an'....ary rahavavin'i....sy i.... no mamely fa tsy izy....:roll:dia toy izay hatrany.Lasa tsy fivavahana intsony.Mampalahelo tanteraka.Raha tsy voakitika ianao dia misaora an'Andriamanitra.Izaho aloha lasa nanaraka ilay zava-mitranga tokoa e,ary tena misy ilay izy:cry::cry::cry::cry:
Miambena ny tenanantsika fa aza manaiky ampiasan'ny ratsy.:roll:(l)(l)(l)(l)

:roll:na ry zareo izany voavonjy daholo na miara-mirona any amin'ny lalan-kafa raha marina izany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2395