Divay t@ TT sy ny divay t@ TV mitovy ve ireo?

1. niryna ( 07/06/2007 15:01)
Misy resaka divay ao amin'ny TT sy ny TT vaovao,mitovy ve ny dikan'io divay io?

Testamenta Taloha

Nisy mpanjaka mamo ary dia niboridana ka ny zanany no nanarona azy,iza io mpanjaka io?

Iza ihany koa ireo olona mamon'ny divay?

Ny pretra dia tsy mahazo misotro divay eo am-perin'asa.Inona no antony?

Testamenta Vaovao

Raha miresaka divay kosa ny tao amin'ny TV moa ve mitovy ny tao amin'ny TT?

Nahita ve isika misy resaka hoe mamon'ny divay ny olona na ny mpianatry Jesosy?

Misaotra mialoha

(l)niryna
novalian'i marozevo ny 29/06/2007 07:25
2. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:06)
tsy haiko ry niryna:wink: fa andraso jerijereko eny ihany rehefa manam-potoana handehanana library aho

fa ny tonga tato an-tsaiko voalohany vao avy namaky an'io aho dia hoe ..Mitovy ve ny voaloboka tany Edena sy ny maniry aty an-tany @ izao isika miteny izao?
dia mitovy ve ny process fanaovana divay?
3. sonwin ( 07/06/2007 15:16)
Lolo sy ny tariny aza nahakobo hoe ny rano lasa pi!

Nefa:
Ny divay dia zava-pisotro misy alikaola ka 8% ka hatramin'ny 20% ny degré ny alikaola ao anatiny. Raha tsy nisy mamo izany tao amin'ny TV( television angamba io sa inona?) dia nisotro avec modération izany ry 'zareo.
Fika be aloha ilay hoe divay sans alcool sy ny bière sans alcool (resaka marketing fotsiny io!!)

fehiny:
divay=divay=12% alikaola amin'ny ankapobeny
(l)

Raha resa-baiboly indray:
Nisy rano lasa divay
Nisy divay lasa rà
Nisy rà lasa fisotro
Ka izay misotro azy dia.....
hananana ny fiainana mandrakizay. Aoe!!!
(l)
4. ikaretsaka ( 07/06/2007 15:28)
ary tena fisotro io ary mampa manana ny fiainana mandrakizay!
ka misotroa!
5. marozevo ( 07/06/2007 15:44)
Ny divay amin'ny maha divay azy dia mitovy satria divay. Tsarovy anefa fa ny divay tsirairay dia samy manana ny specificité-ny.

Ny maha hafa ny divay tamin'ny Alakamisy masina, talohan'ny nijalian'i Kristy, dia satria novàny ho ràny ilay izy, ka manjary Sakramenta.

Ka izay divay rehetra atolotra amin'ny Sorona Masina, nanomboka tamin'io, dia ràn'ny Kristy hatrany.
6. xxx ( 07/06/2007 16:35)
Raha izay voasoratra ao anatin'ny Evanjelin'i Joany ao amin'ny toko faharoa no jerena dia tena mitovy tsy misy valaka mihitsy ny divay rehetra. Ary mbola hamafisiko fa tena mahamamo ny divay nomen'i Kristy ny olona tamin'io fanasana io, satria tena divay ilay izy fa tsy sarisariny akory.

Mba vakio tsara anie izay nolazain'ilay mpandahatra ny fanasana rehefa nanandrana ilay rano voaova ho divay e: ny an'ny olona hoy izy, dia ny divay tsara no arosony mialoha, ary rehefa mamo (methusthòsin @ teny grika dia io no nolazainy ) ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra.
Ny dikan'izany dia izao: ilay divay tsara dia tena mahamamo tokoa.

Tsy nosoratana ao amin'ny Evanjely fa mamo ny mpianatr'i Jesoa. Marina izany satria inona no antony? Voalohany aloha dia izao: I Jesoa no ifantohan'ny resaka ao amin'ny Evanjely fa tsy ireo mpianany akory. Mbola manamafy izany ny fomba fanoratr'i Md Joany, izay manasongadina hatrany an'i Jesoa. Jereo fa miafara amin'ny monologue foana ny resaka ifanaovan'i Jesoa amin'ny olona.
Tsy ilaina koa ny milaza fa mamo ny mpianatra, eny fa na dia mamo aza izy ireo. Nefa azo eritreretina koa hoe tsy mamo ry zareo satria efa betsaka tamin'izy ireo no efa mpianatr'i Joany teo aloha, ka efa nahay namehy tena manoloana ny zava-pisotro mahamamo.

Ny fitiavanao ry Jesoa dia mahay manome mihoatra noho izay ilainay olombelona lalandava. Misaotra anao izahay noho izany.
Ho amintsika rehetra hatrany anie ny Fitiavan'i Kristy! Amen
7. xxx ( 07/06/2007 17:24)
Ity misy tantara anakiray milaza ilay dovay nefa entina hilazana zavatra hafa ihany koa. Alin'ny Paska dia nisotro dovay niaraka t@ ireo mpiananay Jesosy ary hoy izy: "ity no rako......" Io ra io (ilay ran'ilay zanak'ondry no nanadiovana sy nisoloana heloka an'i Adama sy Eva t@ voalohany ary io ra io koa no no mbola hanadiovana antsika hatra@ izao raha ny fahazohako ny filazan'ny soratra masina. Ary ity tantara ity izay milaza na dovay na ra samy manome tasy @ akanjo daholo.
indray andro nisy zatovolahy tena maditra be, ary ndray andro tena tafahoatra loatra ny fahaditrany fa nahafaty olona ary izy....... Nandositra izy ary tafiditra tany an-tranon'olona tsy fantany akory. Ny zavatra hitan'ireo mpanenjika azy dia ny akanjony feno ra fotsiny fa ny endriny tsy hitany akory. Ilay olona tao naheno azy nibabababa sy nigogogo sy nitalaho fa tsy hamerina intsony mihintsy ary tsy hitany akory fa nisy olona mahita sy mihaiono azy eo. Saingy ny mpisambotra nahita ny tany nidirany ary dia nandona teo am-baravarana. Alohan'ny hamohan'ilay tompon-trano ny trano dia nomen'ilay tompon-trano dovay ilay tovolahy mba tsy hibababa ary hitony ary hatory arya nesoriny ny akanjo teny aminy ary dia nanaovany,(nifanakalo akanjo ry zareo) ary dia hoy izy mandehana voahy io varavarana io dia atolory ireo mpisambotra ireo aho. Nentin'ny hamamoany koa ilay tovolahy dia hoy izy raha izay no tiianao. Dia nosokafany ny trano ary dia nanontany ilay mpisambotra, ary hoy izy ao jerevo ao..... Dia nosamborina ary ilay iray tsy diso.....ka afaka ny ilay diso. Saingy noho ny afaka ny hamamony dia tsaroany ny rehetra ary tadidiny fa nibaboka izy tsy hanao intsony ary dia nitrahatra teo ny ditrany.... Tsy hotohizako ny tantara fa samia maka izay lesona alainy ao @ tantara io....
8. marozevo ( 07/06/2007 18:50)
Raha izay voasoratra ao anatin'ny Evanjelin'i Joany ao amin'ny toko faharoa no jerena dia tena mitovy tsy misy valaka mihitsy ny divay rehetra.

Dia hoy indray ianao :
ny an'ny olona hoy izy, dia ny divay tsara no arosony mialoha, ary rehefa mamo (methusthòsin @ teny grika dia io no nolazainy ) ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra.


Izany ve tsy mifanohitra ? Tsy any anefa ny olana. Ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe ny divay tsirairay dia samy manana ny specificité-ny dia tsotra ihany. Andramo ary hoe raha mitovy ihany ny divay lazan'ny Betsileo sy ny divay hafa. Andramo raha mitovy ny divay fotsy sy gris sy rosé ary mena.

9. xxx ( 07/06/2007 18:59)

marozevo:
Ny fanontaniana eto izay novaliako dia hoe: mitovy ve ny divay tao amin'ny testameta taloha sy ny divay ao amin'ny tesatamenta vaovao? Tsy misy resaka karazany mihitsy.
Raha miresaka divay tsara tao amin'ny testameta taloha dia milaza an'ilay karazany tsara izay faritana amin'ny hoe: ela nihotrehana. Tsy miova fa izay ihany no lazaina fa divay tsara ao amin'ny testamenta vaovao.
Tsy misy resaka lazan'ny betsileo eto na kely aza, na karazany hafa.
Misaotra anao.
10. marozevo ( 07/06/2007 19:12)
Fantatro izany ka... Nanazava fotsiny an'ilay specificité aho, ka ohatra ireo.

11. linarako2 ( 08/06/2007 19:26)
xxx:



marozevo:
Ny fanontaniana eto izay novaliako dia hoe: mitovy ve ny divay tao amin'ny testameta taloha sy ny divay ao amin'ny tesatamenta vaovao? Tsy misy resaka karazany mihitsy.
Raha miresaka divay tsara tao amin'ny testameta taloha dia milaza an'ilay karazany tsara izay faritana amin'ny hoe: ela nihotrehana. Tsy miova fa izay ihany no lazaina fa divay tsara ao amin'ny testamenta vaovao.
Tsy misy resaka lazan'ny betsileo eto na kely aza, na karazany hafa.
Misaotra anao.

Tsy mitovy ny divay voasoratra ao anaty Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao
Ny divay aloha dia mety misy roa karazany ary misy tsy mahamamo ary misy ny mahamamo.Ny fanaovana azy indray aloha no tsy fantatro.Andriamanitra no nanome ny zanany ho antsika koa raha tsy zanak'ondry tsy misy kilema izy tsy misy ny sorona nataony ho antsika.
Ho an'io olona ambony milaza dia diso velively izany hoe divay mahamamo no naroson'i Jesosy izany tamin'ny nanaovany fahagagana voalohany:roll:
12. pissoa ( 08/06/2007 19:36)
inn no mampadiso azy ? :roll::roll::roll:
13. marozevo ( 08/06/2007 23:50)
Divay mahamamo ? !
Tsy misy filazana hoe divay mahamamo na divay tsy mahamamo, fa ny mazava dia hoe divay tsara.
Ny hoe divay tsara koa aza dia samy manana ny handikany azy. Raha any Faratsiho ianao no miteny hoe divay tsara dia ilay mamibe ireny no tsara aminy. Raha any Fianar dia ilay gris somary mahery no tsara...
Manana ny contexte ihany koa anefa io "canà" io, ka iza amintsika no sahy milaza fa mahafantatra ny contexte tamin'izany ?
14. niryna ( 09/06/2007 06:56)
Eny e ny fanontaniako dia hoe mitovy ve ny divay ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny ao amin'ny Testamenta vaovao?
Misy manazava moa ao hoe misy divay roa karazany dia ny iray divay mahamamo ,ny iray tsy mahamamo.
Ilay mahamamo izany dia voaloboka no nalaina ka iny no nasiana rano sy siramamy ary avela andro maromaro na volana maromaro.Ny fanaovana azy angamba raha misy mitady dia mba afaka manome ny namana io izany no atao hoe fermente na toxicated ,ny tsy mahamamo kosa dia mifanohitra amin'izay, dia ranomboaloboka fotsiny tsy misy siramamy na rano(grape juice na jus de raisin) tsy misy fangarony)
Moa ve io divay mahamamo io no nosotroin'i Jesosy niaraka tamin'ny mpianany?Moa ve io divay mahamamo io no fahagagana voalohany nataony ary nisy soratra ve tao amin'ny Baiboly nilaza fa mamo ny mpianany raha eny ny valiny?
Ao amin'ny TT dia nisy ny olona mamon'ny divay ,fantatrareo ve?Iza ilay mpanjaka mamo ka ny zanany no nanarona azy?Nisy iray ihany koa nomamon'ny zanany vavy izy satria te-hanana taranaka izy ireo:roll:ao anaty Baiboly io an.Taloha tsinona dia nifanambady ny olona noho ny taranaka mbola vitsy angaha.
Misaotra e
15. marozevo ( 09/06/2007 09:21)
Samy hafa kosa ny hoe "vin" sy ny hoe "jus de raisin" aloha e. Ity faharoa dia tsy mahamamo satria tsy divay.
Vin sa jus de raisin no namboarin'i Jesoa tao Canà ? Araka ny voalaza dia divay ilay izy fa tsy jus de raisin.
Tena ilaina ve ny mamantatra na mamo na tsia ny mpianatr'i Jesoa tamin'io tany Canà io? Amiko tsy dia ilaiko ny mamantatra izany.

Olona mamo ao amin'ny Testamenta Taloha :
Samson, avy eo nofitahin-dRaDALILA.
Lota, nomamoin'ny zanany vavy.
Asa na misy hafa koa...
16. xxx ( 09/06/2007 10:58)
linarako2: raha milaza ianao fa diso ny hevitry ny hafa dia asehoy izay mahadiso azy, ary omeo ny marina misy fanohanan-kevitra mitombina tsara, fa aza maika ny handiso ny hafa fotsiny.

niryna: Mba vakio tsara aloha izay nolazain'ilay mpandahatra ny fanasana dia hohitanao hoe: mahamamo ve io divay tsara nomen'i Jesoa io sa tsy mahamamo?
Marihako fa:

1- Olona mpisotro divay io mpandahatra ny fanasana io matoa mahalala fa divay tsara io nomen'i Jesoa io

2- Tsy sarintsarin-divay no nomen'i Jesoa fa tena divay. Ary divay tsara izay faritanireo jody hoe: divay ef ela nihotrehana.

Ary ambadika ary moa dia lazain'i niryna fa fotoana vitsy monja no nanaovana azy io noho izany tsy mahamamo io satria tsy fermanté.
Efa novaliako tany izay hevitra diso izay. Diso satria izao:

1 - Rano no novain'i Jesoa ho divay eto fa tsy hoe nanamboatra divay tamin'ny voaloboka izy. Raha hoe nanao divay vetivety teo jesoa, nampaka voaloboka sy nanisy siramamy (izay mbola tsy nisy tamin'izany fotoana izany) dia marina ny an'i niryna. Nefa tsy izay no zava-nisy sy voasoratra, noho izany diso izay voalazan'i niryna.

2 - Ny resaka fotoana dia izao: tsy voafehin'ny fotoana i Kristy amin'ny maha Andriamanitra azy, noho izany afaka mantateraka zavatra iray ataontsika olombelona ao anatin'ny fotoana maharitra, ao anatin'ny fotoana vitsy monja izy. Hita izany amin'ny nahariana ny misy rehetra ao amin'ny Bokin'ny jenezy, sns...


Ampio izahay ry Jesoa hahazo ny teninao! Amen.
17. marozevo ( 09/06/2007 12:45)
Ndao amin'izay ary valiana tsotra ny fanontanianao eh.
TSY MITOVY
18. xxx ( 09/06/2007 21:08)

Satria nahoana?
19. ikaretsaka ( 10/06/2007 04:08)
satria samihafa be ny atao hoe "divay" sy ny hoe "jus de raisin"
ary voalaza tsara ao (raha tsy dika vilana indray ny baiboly) hoe "divay" ilay izy fa tsy "ranom-boaloboka"

"divay tsara" no soratra ao fa tsy ..."ranom-boaloboka tsara"

ary tsy misy manaporofo koa hoe divay tsara=ranomboaloboka
20. naughtyboy ( 10/06/2007 12:27)
marina io lazainy ika io efa ela no nisy ny divay
-ranomboaloboka de rano azo avy atrany @ alalany fanapotsehana ny voaloboka miteraka rano antsoina oe "mosto" zay tsy misy alkola mihitsy: + 60% rano
+ 28%siramamy,ny ambiny fangaro mineraly,asidra isankarazany zay ilainy vatana
-ny atao oe divay de azo avy @ ny karazamboaloboka antsoina oe "vitis vinifera" zay maniry etsy sy aroa ,vokatry reaction chimique miseho mandritra ny fermentation =natural process(zay marihina fa tonga oazy refa vaky ny oditry ny voaloboka 1 @ alalany Oxygen sy ny levure ary ny abetsaky ny siramamy zay mivadika alkola sy gazy karbonika avy eo )efa ela no nahitany reo arkeology tavoangy na barika itahirizana divay ny tany toa ny Egypt na Persia zay fantatra atr@ zao niantombohany divay avy eo niampita tao greece, roman,ary nitety tany maro avy eo.
fehiny refa divay de mitovy ra zay no voalaza ao @ baiboly misy alkola na taloha na @ zao fotoana zao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3185