Divay t@ TT sy ny divay t@ TV mitovy ve ireo?

41. xxx ( 12/06/2007 16:12)

Marina ny nambaranao ry prime.


niryna: izaho mbola manome soso-kevitra ho anao ihany: mandehana alalino izay voasoratra marina ao amin'ny Baiboly fa aza mandika vilana, na mandray be fahatany izay lazain'i Pastera.

Matsiaro am-bavaka anao.
42. marozevo ( 12/06/2007 19:19)
Dia averina ilay ohatra, satria ny fanontaniana manao hoe "mitovy ve ny divay ao amin'ny TT sy ny TV?"

Eny mitovy : satria samy divay. (fa tsy jus de raisin)
Tsia tsy mitovy : Satria samihafa ny karazam-boaloboka nanaovana azy, samihafa ny fotoana nanaovana azy, samihafa ny condition technique nanaovana azy.
43. xxx ( 12/06/2007 20:25)
Ilay izy avahana hoe : divay t@ TT sy TV no tsy azoko loatra. Tsy ny Jody ihany ve no nanao an'izy ireo é. Sa nivoatra ny teknika fanamboarana azy dia lasa tsara kokoa ny divay t@ TV.

Raha hiresaka momba ny divay tao Kana indray dia fahagagana nataon'i Jesoa iny fa tsy namboarina t@ voaloboka nefa tena divay tokoa fa tsy jus de raisin. Ary tsara kokoa hono araky ny voalazan'ilay tompon'ny fanasana.
Ataoko fa havanana sy za-draharaha @ izany io olona io matoa afaka nanao fampitahana. Raha jus de raisin dia mety efa naloany. Ka tena divay io ary mahamamo raha be loatra.
Fa tsy haiko aloha izay nampianarin'ny pasitera-nareo tany.
44. naughtyboy ( 12/06/2007 21:44)
eny dia eny ny divay de 1 ihany marozevo fa aza averina ntsony otrany diska goka..
ny raikipohy ilazana io 1 fotsiny
C6 H12 O6 :arrow: 2 CH3 CH2 OH + 2CO2
molekila siramamy 1 manome molekila alkola etilika 2 sy dioksida karbona
ilay zv pisotro no tiany oul fantatra @ teny 1 tsotra divay= mahamamo
45. marozevo ( 13/06/2007 09:29)
Ka odianareo tsy hita dia averina kooo...
Amin'io composition ve izany misy singa maha-mamo raha be loatra ?
Dia mitovy indray izany eh...
46. naughtyboy ( 13/06/2007 09:45)
An3 tsy oe nodiana tsy hita fa za no tsy nanana faharetana nanazava ngamba ka elantsiny .. aleo tohizana ny resaka fa tsy fomba ony no manapaka resak'oul..:)
de ahoana ndray no hevitrareo @io mpanjaka mamo sy niboridana io ao @ TT?
47. marozevo ( 13/06/2007 09:54)
Mpanjaka moa ve sa i Lota ?

Marihiko io satria raha Lota dia talohan'i Moizy izany, fa raha mpanjaka dia taoriana. Misy fiatraikany be io maha-taloha na maha-taoriana azy io.
Dia io hita io ny porofon'ny tsy fahaizana mahalala onony.

48. prime ( 13/06/2007 10:27)
niryna> Ny tena votoatin'ny fanontanian'i niryna aloha dia toa efa voavalinao ihany fa ny zavatra mahasarika amin'ity lohahevitra natolotrao ity dia ny "fahendrena"...

Izaho aloha dia tsy mankasitraka ny fisotroana sy ny fimamoana nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mandrara velively fa mampitandrina...

Hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :

"Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany." Lioka 21:34

"Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;" I Petera 4:3

"Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana." Romana 13:13

"fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra." Galatiana 5:21
49. mbelotavao ( 14/06/2007 03:29)
NY divay ao @ Baiboly
Mitovy ihany ny divay voalaza ao @ TT sy TV fa misy
2 karazana ny divay ambaran’ny Baiboly (TT sy TV) : voalohany dia ny divay tsara sady mahasoa ; tsy misy alkaola, ary ny faharoa kosa dia ny fisotro mampidi-doza satria misy alkaola, ka andraran’ny Tenin’ Atra mafy dia mafy . Ao @ Baiboly dia misy fiavahany mazava.
Ny divay tsara :
ao @ Sal104:15 manao hoe: “ Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy sy anana hahasoa ny olona , ary mamoaka hanina avy @ tany, ary divay izay mampifaly ny olona”
“Mandehana, hano @ fifaliana ny haninao ; ary sotroy @ fo falifaly ny divainao , fa efa nankasitrahan’Atra ela ny asanao ( Mpit 9:7)”
“Ary hampodiko ny Isiraely avy @ fahababoana,dia hanangana ny tànana efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy ; hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra( Amôs 9:14)”
“Ny boriky dia ho an’ny ankohonanan’ny mpanjaka hitaigenany ary mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ny zatovo ; ary ny divay hosotroin’izay rehetra any an’efitra( 2 Sam16:2)”
“Misotroa divay kely nohony vavafonao sy ny fahosahosanao matetika (1Tim 5 23)” .
“ Ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina( Lev23 13b)”
Izao no azontsika marihina momba ny divay voalaza @ ireo andininy ireo : hatrany hatrany dia tsy mba misy milaza ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana azy ao @ Baiboly . Manaporofo izany fa divay tsara ireo fa tsy manimba na mampidi-doza. Divay toy izany no nataon’iKristy Zanak’Atra t@ ilay fampakaram-bady tany Kana any Galilia .

Jaona 2:8-10
Ny divay tsara tsy misy alkola fa ny farany misy alkola ka manimba ny fety .
@ manaraka ho jerentsika ny divay ratsy sy manimba fa lava loatra .

50. ikaretsaka ( 14/06/2007 03:33)
fa tsy misy mihitsy ao hoe divay tsisy alikaola izany kosa fa aza mamorona e
ireo andalana nomenao ireo ange tsy misy manamporofo na 1 aza hoe tsy misy alikaola no atao hoe divay tsara e
51. ikaretsaka ( 14/06/2007 03:34)
raha niteny izy izy hoe divay "tsisy alikaola" dia manaiky aho
52. pissoa ( 14/06/2007 03:48)
:-D:-D:-D
53. niryna ( 14/06/2007 05:00)
prime:

niryna> Ny divay dia divay ka na ao @ TT na ao @ TV dia divay no resahina... ny fikambanana vokovoko manga no mivoy an\'io hoe divay tsy misy alikaola io fa ny jiosy mandrak\'ity ny androany dia mpisotro divay... Kristy nisotro divay... ny fanasàna tao Kana nanaovana fahagagàna voalohany ary divay \"tsara\" mihitsy no natao... divay t@ sakafo harivan\'ny paska no nomen\'i Kristy ny mpianany ka nanaovany izany ho sakramenta...

Na eken\'ny mpino na tsia dia divay mihitsy no resahina ao anatin\'ny soratra masina... anjaran\'ny tsirairay no mitandrin-tena isantsokajiny avy araka ny toe-pahasalamany fa na ny soratra masina aza tsy mandrara ny fisotroana fa ny fahamamoana no tsy tian\'Andriamanitra...




Misaotra anao aho nanazava
54. niryna ( 14/06/2007 05:04)
marozevo:

Dia averina ilay ohatra, satria ny fanontaniana manao hoe "mitovy ve ny divay ao amin'ny TT sy ny TV?"

Eny mitovy : satria samy divay. (fa tsy jus de raisin)
Tsia tsy mitovy : Satria samihafa ny karazam-boaloboka nanaovana azy, samihafa ny fotoana nanaovana azy, samihafa ny condition technique nanaovana azy.


Misaotra ny rehetra nandray anjara,mitovy izany ny divay araka ny filazan'ireo namana.Izay izany no valinteny farany mikasika ilay divay TT sy TV
(l)niryna
55. marozevo ( 14/06/2007 22:48)
Sao dia conclusion hâtive kosa é!
56. mbelotavao ( 15/06/2007 02:35)
Indreto kosa misy teny maromaro avy ao @ Soratra Masina , mampiseho amintsika ny atao hoe: divay manimba ,na misy alikaola .
“Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim- boaloboka . Ary nisotro t@ divay izy ka mamo”(Gen9: 20,21)
“Mpaniratsira ny divay ,ary mpitabataba ny toaka ,koa izay miraikiraiky zon’izany dia tsy hendry”(Ohab 20 :1)
“An’iza ny indrisy? An’iza ny hendry ? An’iza ny fifandirana ?An’iza ny fitolokoana? An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’iza ny maso mivoara-men? An’izay mikikitra @ divay ,eny an’izay mandeha manandrana divay voaharoharo zavatra . Aza mijery ny divay no ho ny hamenany sy ny fanganohanony eoanaty gilasy ,ary ny fikorinany mahafinaritra ; fa @ farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy ary hanindrona toy ny menarana” ( Ohab 23: 29-30)
“Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandram-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay ! ary ny lokanga sy ny valiha ,ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; fa ny asan’I Jehovah tsy mba jereny akory , ary ataon’ny tanany tsy mba hitany” ( Isa 5: 11, 12).
“Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny sady vonton-divay mahery fibobony,dia ho levona tokoa toy ny vodi-vary maina izy” ( Nah1: 10)
“Fa mihinana ny mofon’ny faharatsiana izy ,misotro ny divain’ny fahalovana” ( Ohab 4:17);
“Ary koa mamitaka ny divay” ( Hab 2:5)

“Ny divainy efa nisotroan’ny firenena, koa izany no naha very saina ireny” ( Jer 51:7)
“Ny vehivavy antim-panahy koa anaro hitondra tenatoy izay miendrika ny olona masina ,tsy ho mpanendrikedrika , tsy ho andevozin’ny divay be” ( Tit 2:3)
“Ary aza ho mmon-divay hianareo , fa @ izany dia misy fanaranam-po @ ratsy”( Efes 5:18).

“Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ny divay ary mivembena azon'ny toaka; ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ny toaka;resin’ny divay ireo ;mivembena azon’ny toaka izy; miraingiraingy @ fahitana izy ary midoladola eo @ fitsarana. Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra , ka efa tsy misy madio hitoerany” ( Isa 28: 7,8)
“Tsy mety @ mpanjaka , ry Lemoela ,eny tsy mety @ mpanjaka ny misotro divay ,na @ mpanampaka ny ho fatra-paniry toaka; fandrao raha misotro izy , dia manadino ny lalàna ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana”(ohab 31:4,5)sns,,,,,,
57. pissoa ( 15/06/2007 02:41)
Efa hoe mbelovato ve hoa mifady vinaigitra ?
58. pissoa ( 15/06/2007 02:42)
Ooops !

Efa hoe mbelotavao ve hoa mifady vinaigitra ? :-D:-D:-D
59. prime ( 15/06/2007 13:05)
mbelotavao> O r'ise a, rehefa divay dia divay... ny fampianarana vokovoko manga sy advantista dia tsara satria mitaiza ny taranaka ho amin'ny fahatsaràna kokoa raha mampifady saingy tsy manova ny voasoratra velively izany...

Ny divay tsara ihany no nahamamo an'i Noah... ny divay tsara tany an'efitra ihany no nahamamo ny zanak'israely rehefa niakatra tany Sinay Mosesy...

Divay avokoa no naroso na tao kana io na taiza... ny maharatsy sy mahatsara ny divay dia tsy resaka "alcool" na "taux de fermentation" na "intoxication" mihitsy aza hoy ny vokovoko manga sy ny advantista... fa resaka tsiro mihitsy... ho antsika tsy mpisotro dia tsy hahay hanavaka izany velively fa ho an'ny mpisotro divay dia mahalala tsara mihitsy ny atao hoe divay tsara sy ratsy...

Na ny fanovàna ny divay fandraisana ho ranom-boaloboka io aza dia efa adihevitra lehibe eo anivon'ny fiangonana saingy tsy mampiova ny soratra masina izany na dia kely aza hoe, ny jiosy dia efa mpisotro sy mpisakafo miaraka amin'ny divay ary tena divay fa tsy ranom-boaloboka na zavatra hafa mety hitovitovy amin'izany...
60. marozevo ( 15/06/2007 17:35)
Izany mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6629