Divay t@ TT sy ny divay t@ TV mitovy ve ireo?

61. mbelotavao ( 16/06/2007 04:09)
Marina tokoa izany fa divay daholo no voasoratra maro ao @ Baiboly nefa ny sasany dia mitondra ozona ny sasany mitondra fitahiana .
Tsy mba mahalasa saina ihany ve izany ?
Izaho anefa dia mbola miantso ny olona rehatra ihany fa tsy manery velively ny hifady zava-pisotro misy Alikaola ihany .
Ny mpisotro kely ihany anie no lasa mpisotro be e!
Prîme>>Mahafinaritra izany ise mifady zava-pisotro misy alikaola izany..Andao isika hitarika ny olona mba hanao tahaka izany koa...
Izaho efa roapolo taona nisotroana taoka vao nijanona .J.K anefa no nanafaka ahy t@ izany ,ary izy no mahatonga ahy hananatra mafy tsy misorona tahaka izao .
62. xxx ( 16/06/2007 04:38)
Ataoko fa arakaraky ny fahalalanao onony ihany io. Raha be loatra dia mazava ho azy fa mahamamo, ary raha mamo dia tsy mahafehy tena intsony.
Ka nomena saina sy fanahy afaka mandanjalanja isika ka anjaran'ny tsirairay ny mahafantatra izay sahaza azy. Fa ny divay @ maha-divay azy dia tsy ratsy.
63. marozevo ( 16/06/2007 09:59)
Laviko kosa ny filazana hoe "ny mpisotro kely ihany no lasa mpisotro be". Izaho efa hatramin'ny années 1970 no mpisotro kely, ary hatramin'izao dia mbola mpisotro kely ihany...
Miankina amin'ny fandanjalanjana io fa tsy voatery ho progressif foana akory.
64. prime ( 18/06/2007 14:23)
mbelotavao> Tsara tokoa ny mifady toaka ary hamafisiko fa tena tsara... maro ny zava-doza aterak'io na dia ny tsy firindran'ny fiainam-pianakaviana fotsiny ihany aza...
65. marozevo ( 20/06/2007 21:16)
raha tsy voalanjalanja... amin'ny lafiny rehetra....
66. prime ( 21/06/2007 12:21)
marozevo> tsy manaiky mihitsy an...:lol::-D:-D
67. naughtyboy ( 21/06/2007 17:35)
:-Pmbola sahirana mandanja izy kalo fa aza kotabaisina:-D
68. marozevo ( 22/06/2007 09:00)
Tsy manaiky mihitsy ahoana ndray eh...:lol:
Tsy manaiky ny tsy hisotro ve ? Sa tsy manaiky raha tsy voalanjalanja ?

Tena franchement kosa eh... Amiko ny toaka dia azo sotroina tsara. Toaka en général izany eh... Rhum, whisky, divay, labiera .... Fa ny fahaizana mandanjalanja amin'ny lafiny rehetra no tandremana.

Ny tiako holazaina amin'ilay "amin'ny lafiny rehetra":
1- Quantitén'izay sotroina...
2- Conséquencen'ny fisotroana : Vola lany, filana ady, fitondran-tena, fahasalamana.

Resaka hafa, fa mety hisy ifandraisany amin'ity koa aza anie ny hoe : Asa (travail), impôts sur la revenue, régis .... Nefa ho'aho resaka hafa iny an...
69. prime ( 22/06/2007 13:09)
Tena ratsy kosa io r'ise a... mba marina e... izaho eto mbola tsy miditra resaka finoana sy fivavahana fa tena zava-doza ny toaka... raha voalanjalanja hoy ise, toa sarotra ihany ny hanankina azy amin'izay satria ise no mahalanjalanja fa efa maro ihany izay matin'ny toaka izay... mba marina e...
70. marozevo ( 22/06/2007 18:44)
Marina mihitsy anie izany e ! fa resaka mety ho hafa koa ity.... mety mampalahelo nefa atao ahoana fa izany no izy. Henoy ange eh...

Izaho mipetraka aty France amin'izao fotoana izao. Nisy namako gasy tonga namangy ahy taty, ary tena tsy mitendry na goûte iray aza. Izaho moa asain'olona matetika, ka tamin'ny fotoana naha taty azy, dia entiko miaraka amiko izy rehefa misy manasa. Aty moa, sy any Mcar koa, dia misy ny apéritif kely... tsy nitendry ranamana... divay à table, tsy nitendry ranamana.... Digestif, tsy nitendry ranamana. Farany sosotra ilay nanasa....

Tsy manamarina ilay nanasa anay aho akory, fa azoko ny fihetsiny.
71. naughtyboy ( 23/06/2007 10:20)
io le contrast @ zv rehetra (lafiratsiny refa mihotra)misy ko nefa ny vokany tsara entiny ary safidy io mampiova sy mametra ny ratsy.Tsy famporisihana ty fa fanazavana kely fotsiny ao anaty divay Oh.kely fotsiny ankoatry ny mineraly isankarazany fangaro hafa dia misy ny antsoina oe polyphenol inn mo zany singa simika mitahiry ny sela tsy ho antitra(antioxidant),ka ra vera 1 fotsiny isankariva de tsara na ny dokotera aza manamarina an'io ra tsy misotro alkola mo de dite atao fa misy io ko ny dite avy @ alalany photosynthese ,tsy famporisihana akory zany fa fanazavana fotsiny ihany ny safidy de any ts1-1
72. ikaretsaka ( 23/06/2007 17:34)
fa misy koa anefa miteny fa misy fotoana mahasitrana ny alikaola an...fa amin'ny atonony kosa
i paoly aza nanafatra mihitsy
73. marozevo ( 23/06/2007 22:16)
hoy i Paoly hoe "Misotroa divay kely ho an'ny fahasalamanao".

Zany hoe, ilay olona niantefan'io tenin'i Paoly io, raha azoko tsara, dia saiky tsy hanaiky hisotro divay mihitsy.... eritreritro irery iny anh.
74. prime ( 27/06/2007 10:36)
marozevo> Dia diso ve ilay namanao no fahitànao azy satria nahatezitra ilay nanasa? nefa izy koa mba nanaja ny fomba nataonareo aza tsy tezitra?...:wink:

Tsy zaranao aza ve izy ry marozevo nitsotra nandà toy izay nihatsaravelatsihy teo fa raha naninonaninona teo tsy ho fantatrao izay zavatra nety nitranga... torana, mamo tapina sy mandoa, mirediredy miteny ratsy, tsy manaja, marary mafy...?
75. marozevo ( 27/06/2007 18:54)
An an.... Izaho tsy nilaza hoe diso izy ka... Ny navoitrako fotsiny dia ny "fahasosoran'ilay nanasa", fa izaho tsy sosotra amin'izany mihitsy. Zarako aza izy tsy nisotro mba hitondra ny fiara mody.

Ny fanamarihana fotsiny, momba io indrindra (fomba fanao = culture). Rehefa ao amin'ny tranonao ianao dia izay mivahiny no manaja ny fombanao, fa tsy ianao no manaja ny fombany. Valable koa io raha firenena no resahina.
76. niryna ( 28/06/2007 03:36)
marozevo:

An an.... Izaho tsy nilaza hoe diso izy ka... Ny navoitrako fotsiny dia ny "fahasosoran'ilay nanasa", fa izaho tsy sosotra amin'izany mihitsy. Zarako aza izy tsy nisotro mba hitondra ny fiara mody.

Ny fanamarihana fotsiny, momba io indrindra (fomba fanao = culture). Rehefa ao amin'ny tranonao ianao dia izay mivahiny no manaja ny fombanao, fa tsy ianao no manaja ny fombany. Valable koa io raha firenena no resahina.


Ahoana izany fa tsy azoko?
Ao anaty Baiboly koa aloha misy fitenenana ireny olona mamolava ireny,tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra.:roll:mitovy ireny mamoa fady ireny.(immoral sexuality)!Raha ohatra angamba tsy mibebaka na alohan'ny hafatesany ka tsy manantona an'ATra izy.
Sa ahoana hoy ianao?
77. marozevo ( 28/06/2007 09:42)
Ho an'i prime aloha (na tsy mbola ao aza izy. Tsy tezitra ilay nanasa anay fa sosotra.... samihafa ireo.

Tsy azoko io lazain'i Nyrina eo ambony io, satria toa tsy mifandray amin'ny dinika atao eto. Jereo sy vakio tsara io fifanakalozan-kevitray sy Prime io dia ho azonao no tiako lazaina.
78. Bita ( 28/06/2007 17:29)
Nisy tovovavy 2 nampiboboka ny rainy t@ ny dovay sattria tsy nisy olona afa tsy izy 3 mianaka intsony ka nanao zava mamoafady tamin'ny rainy izy 2 vavy ary nahazo taranaka taminy. Iza ary ireo olona 3 ireo ary inona no dovay no nalainy izy 2??????
79. marozevo ( 28/06/2007 19:49)
Efa voaresaka ao ambony ao io r'ise ah !
80. niryna ( 29/06/2007 05:14)
marozevo:

. Ny navoitrako

Inona no dikan'izany hoe navoitrako?

Ny fanamarihana fotsiny, momba io indrindra (fomba fanao = culture). Rehefa ao amin'ny tranonao ianao dia izay mivahiny no manaja ny fombanao, fa tsy ianao no manaja ny fombany. Valable koa io raha firenena no resahina.


Ahoana izany fa tsy azoko?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0983