Je suis chrétien mais je ne pratique pas....

41. bozyboleta ( 31/05/2007 13:38)
Ny athee defa tsy mino zany.
Ny chrétien "non pratiquant" araka ny filazanareo de le nolazaiko tary aloha tary hoe milaza azy ho kristiana satria ny RAD sy ny fianakams efa zay, ny manodidina efa zay, manana anaram-piangonana ary sy atsy, ...

Za tsy tia an'io filaza hoe non pratiquant io satria ho ana refa kristiana de kristiana. Tsy lovaina @ RAD io, tsy baikon'ny fiaraha-monina io, fa aferanao sy Andriamanitra ihany, safidinao manokana ka na ianao hanaiky hanaraka Azy tanteraka na ianao tsy hanaiky, fa tsisy zany hoe chrétien selon les circonstances zany ka refa metimety amiko de kristiana za fa refa tsy mifanaraka @ eritreritro de avelako mangingina kely any aloha ny maha-kristiana ahy.

Matoa kristiana, de manaiky an'i Kristy zay, mandray Azy tanteraka hanjaka @ fiainanao, manaiky hanao ny sitrapony, vonona hiresaka aminy foana @ alalan'ny vavaka. Tsy voatery hoe any am-piangonana ihany fa n'aiza n'aiza, na @ inona na @ inona, na rahoviana na rahoviana.
Rehefa tena mandray an'i Kristy de mandeha ho azy daholo ireo satria otran'ny olona mitady vary sy laoka isan'andro ihany. De noana sy mangetaheta refa tsy ampy.
42. ari.malala ( 31/05/2007 13:39)
Amiko manokana tsy ny fideraderana hoe za kristianina no maha kristianina ny olona iray. Ny atao hoe miaina ny fiainana kristianina dia miaina izay nambaran\'i Kristy satria Izy ilay arahina. Ny fianana ny Fitiavana no natorony voalohany, koa na hoany ampiangonana isanandro aza ianao nefa tsy miaina ny fitiavana, na tapitra homenao ny mahantra daolo aza ny fanananao manontolo, na dia handoalika eo mandritra ny andro sy alina iray manontolo aza ianao nefa tsy miaina ny fitiavana dia zavapoana ary izay ilay miatsaravelatsihy. (fiheverako manokana io tsy voatery ho marina)

Hovaliako ilay fanontanian\'i mamzelkely hoe
inona alou aminareo roa ny atao hoe chrétien pratiquant, ny chrétien non pratiquant ary ny athé?\"
atomboko any @ le hoe athé le izy, hevitro manokana iany no teneniko eto tsy voatery marina an! ny athé amiko dia olona tsy mino na tsy manaiky ny fisian\'Andriamanitra. Ny non pratiquant, dia ireo olona mino ary nandray sakramenta saingy hatreo iany fa tsy de mandeha any ampiangonana na tsy mandeha mintsy. Ampy azy ny fandraisany sakramenta... ny pratiquant indray dia ireo actifs tsara ao @ Fiangonana misy azy, izany hoe hita any ampiangonana foana ary mandray andraikitra @ izay mitranga ao ampiangonana, any @ fikambanana masina sy sehapikatrohana isankarazany. Izay no fahitako azy.. tsy voatery ho marina nefa ireo, mety misy diso koa aza!
43. mamzelkely ( 31/05/2007 14:19)
bozyboleta:

Ny athee defa tsy mino zany.


Eto alou tsika mitovy hevitra

bozyboleta:

Ny chrétien "non pratiquant" araka ny filazanareo de le nolazaiko tary aloha tary hoe milaza azy ho kristiana satria ny RAD sy ny fianakams efa zay, ny manodidina efa zay, manana anaram-piangonana ary sy atsy, ...


eto tsika somary ts mitovy hevitra satri amiko ts zany n non pratiquant, amiko ny olona non pratiquant de olona kristianina fa zany hoe ts hita soritra be aty ivelany ny zavatra ataony toy ny fakanesana any ampiangonana fanaovana ny asan'Andriamanitra nony antony maro samihafa (mbola averiko fôna io satri ny olona rht ts ari manan fiainana mitovy)


bozyboleta:

Za tsy tia an'io filaza hoe non pratiquant io satria ho ana refa kristiana de kristiana. Tsy lovaina @ RAD io, tsy baikon'ny fiaraha-monina io, fa aferanao sy Andriamanitra ihany, safidinao manokana ka na ianao hanaiky hanaraka Azy tanteraka na ianao tsy hanaiky, fa tsisy zany hoe chrétien selon les circonstances zany ka refa metimety amiko de kristiana za fa refa tsy mifanaraka @ eritreritro de avelako mangingina kely any aloha ny maha-kristiana ahy.


ka hitanao zany fa samy manana ny heviny zao tsika am le resaka we non pratiquant... ohatra raisiko ftsn zao ny hevitr tsika sy bozyboleta, amiko ts lazaiko hoe olona "non pratiquant" reny karazan'olona lazainao fa olona mihevitra ny tenany ho kristianina nefa ts convaincu akory ny fisian'Andriamanitra, nefa amiko ny "non pratiquant" de convaincu tanteraka am fisian'Andriamanitra fa lazaina ohatra hoe mety nony asa amn-draharaha ataony de mety ts afaka makany ampiangonana izy, nony enti-manana de ts afaka hanao adidy firy envers ny fiangonana izy, nefa kosa ts midika nefa zany hoe ts mino izy...

bozyboleta:

Matoa kristiana, de manaiky an'i Kristy zay, mandray Azy tanteraka hanjaka @ fiainanao, manaiky hanao ny sitrapony, vonona hiresaka aminy foana @ alalan'ny vavaka. Tsy voatery hoe any am-piangonana ihany fa n'aiza n'aiza, na @ inona na @ inona, na rahoviana na rahoviana.
Rehefa tena mandray an'i Kristy de mandeha ho azy daholo ireo satria otran'ny olona mitady vary sy laoka isan'andro ihany. De noana sy mangetaheta refa tsy ampy.


ekeko tanteraka ny hevitrao eto ary enao ihany d'efa manaiky ihany ny lazainay ato hoe na am fomba aôna na am fomba aôna ts vôtery any ampiangonana, fa mahay mivavaka fôna n'aiza n'aiza no anehoana ny maha-krisitianina anao, donc refa convaincu enao fa misy Andriamanitra sy Jesoa kristy (ra ny fahazahoako azy alou) dia azo lazaina enao fa Kristianina nefa kosa ny fomba fanehoanao azy no samy hafa ka eo ilay différence entre pratiquant sy non pratiquant (hevitro manokana fôna io aaa mety ho marina io mety ho diso am sasany)

amiko zany ho fehiny:
ny "pratiquant" dia olona assidu any ampiangonana sy manao ny asa ampanaovin 'ny Andriamanitra azy sy ny fiangonana.

ny "non pratiquant" dia olona ts makany ampiangonana matetika nefa kosa mivavaka rery ao atranony na manao asa soa am manodidina azy na zvt toy izany, ts midika anefa zany hoe ts miaina ny fiainana maha-kritianina azy izy
44. xxx ( 31/05/2007 14:46)
tsy mandresy lahatra ahy ny lazain'i mamzelkely , en particulier, tena anisan'ny tsy tiako ilay hoe "tsy voatery ho any am-piangonana" ... Je me méfie toujours des gens qui disent cette phrase .

ny tsy chretien koa anie ka manao asa soa manodidina azy e, même plus que les chrétiens aza .

Inona izany ohatra no antony tsy handehanana any am-piangonana nefa mino ?
45. johnnyandri ( 31/05/2007 15:36)
F'angaha ry zareo afaka mamaritra isika olombelona na mitsara hoe ranona kristianina ary ranona tsy kristianina???? Tsy samy mba te ho kristianina daholo ve isika mpino an'i Kristy e? Kanefa ny fomba fiainantsika amin'ny mahakristianina amtsika no samihafa. Ny sasany mahavita izay rehetra takian'ny fiangonana mba ho kristianina vanona amin'ny andro hiainany, ny sasany kosa mety tsy nanao mihitsy fa rehefa iray segondra alohan'ny nahafatesany dia nahatsapa fa tena mpanota. Tsy samy miditra any am-paradisa ve izy raha tsy nanararaotra ny famindram-pon'Andriamanitra ilay farany io?
46. linarako2 ( 31/05/2007 16:07)
Tsy dia mora amiko ny miteny hoe kristiana aho,na ny tena marina dia ny maha kristiana ahy dia ampiariko amin'ny fiainako(pratique).Mila mamokatra aho,mamafy ary maniry ny hisy tsimoka sy hamokatra be.Ny fiteniko,ny fihetsika,ny fanoratako ato amin'ny serasera ohatra,ny fitiavana asehoko ireo fahavaloko(mivavaka ho an'izay tsy tia ahy),ny tsy famaliako ny ratsy,toy ireo milaza fa mpivavaka betsaka ato ireo kanefa manao farimbona olona iray mba mihezaka mampianatra anay ny teny masina.Maro,ary mila mitandrina tsara fa na ny fitafiko koa aza dia hitsaraina ahy.Mora voafingana sy be mpanenjika mantsy ny kristiana.Raha tsy mianatra ny mamela,manova ny fihetsiny dia tsy izy izay amiko.
47. Fiffi ( 31/05/2007 16:32)
"linarako2":
Ny fiteniko,ny fihetsika,ny fanoratako ato amin'ny serasera ohatra,ny fitiavana asehoko ireo fahavaloko(mivavaka ho an'izay tsy tia ahy),ny tsy famaliako ny ratsy,
"linarako2":
toy ireo milaza fa mpivavaka betsaka ato ireo kanefa manao farimbona olona iray mba mihezaka mampianatra anay ny teny masina
48. Fiffi ( 31/05/2007 16:35)
averiko eto fa ny sujet de "Je suis chrétien mais je ne pratique pas...."
49. tsiafoi1 ( 31/05/2007 17:42)
Kelly13 : misy tiako hazavaina misimisy kokoa : Rehefa hardos enao de hita taratra ety ivelany izany na tsy miteny aza enao satria fisainana sy fiainana ary firehana le izy.Toy izany koa raha firehana Rasta no arahinao, Manaraka an\'iny koa le tendance nao eo amin\'ny fiainana, ny fitafy, ny fihetsika. Zay no mahatonga an\'i Jesoa niteny hoe \"ataovy mahitsy ny ao am-ponao de hazava koa ny masonao\".

Toy izay koa ny maha-kristianina, Firehana, fisainana, fiainana ao anaty le izy, satria Fanahy Masina no monina ao anatinao, ka tsy possible hisy fifanoherana amin\'izay hita ety ivelany. Ianareo no epistily velona hoy Kristy
50. kelly13 ( 31/05/2007 18:32)
tsy mandresy lahatra ahy ny lazain'i mamzelkely , en particulier, tena anisan'ny tsy tiako ilay hoe "tsy voatery ho any am-piangonana" ... Je me méfie toujours des gens qui disent cette phrase .


tsy resaka fandresendahatra akory ka, fa resaka conviction

bozyboleta>hay v azonao iany ny tiko lazaina zany e, :)

tsiafoi1>d inn indray ary le fisainana kristianina e? hoy ianao hoe "Zay no mahatonga an'i Jesoa niteny hoe "ataovy mahitsy ny ao am-ponao de hazava koa ny masonao": ny fandraisako, izaho kelly13, ny tenin'i Jesoa io d hoe na hardos b aho na ratsa b aho, refa mahitsy ny foko ary tia Azy aho d ampy ho ahy izay!(averiko indray oe teboky ny fahitako dol ny lazaiko) sa ho avy indray hoe ny hardos etc... tsy mifandraika @ Andriamanitra? eo d tonga d teneniko oe "aza mitsara tompoko oooo fa isika olombelona tsisy mahita ny any am-pon'ny hafa!"
izay ange le tsy azoko mihintsiny e, rehefa niteny izao i Jesoa d izao zany no dikany (araka ny hevitra ze tina), d refa manipaka ilay hevitra (fa tsy ny tenin'i Jesoa, aoka hazava ny resaka) d ratsy.


amiko wa ny kristianina tsy pratiquant (izany oe tsy mamaky baiboly lava, tsy makany ampegonana mivavaka etc...) dia mino an'Andriamanitra sy manoa Azy, manaiky tokou fa namonjy, mamonjy ary hamonjy antsika i Jesoa, tsy mitsara ety ivelany (na hardos iny na rasta iny, anazy zany) ireo voalazako ery ambony sy nolazain'ny ankizy sasany ireo e!

ataoko fa ampy angamba izay fanazavako izay fa manjary mi- radoter aho. samy manana ny convinction-ny, samy manana ny fitiavany an'Andriamanitra, fa aoka fotsiny tsy hifampitsara! zay no mba angatahako amintsika rehetra! raha mety ny teniko d raiso, raha tsy mety d aleo hiverina amiko.
51. kelly13 ( 31/05/2007 18:36)
tena anisan'ny tsy tiako ilay hoe "tsy voatery ho any am-piangonana" ... Je me méfie toujours des gens qui disent cette phrase .


iverenako kely io teninao io hoe maninn no mi se mefier ny oul mpiteny izany ianao? sa ny olona mpakany ampengonana d blanc comme neige? sa hoe inona fa tena tsy azoko oe aiza ilay mefiance-nao.

zay vao tena farany fa :-* dol na ny kristianina pratiquant sy tsy pratiquant, na ny athees, na izay misy e
52. tywa68 ( 31/05/2007 18:38)
kelly13 : mety zany fa aza ampiana teboka e :-D:-D
53. mamzelkely ( 01/06/2007 06:10)
xxx:

tsy mandresy lahatra ahy ny lazain'i mamzelkely , en particulier, tena anisan'ny tsy tiako ilay hoe "tsy voatery ho any am-piangonana"

ts de ny handresy lahatra lôtra no ataoko eto alou ee ts de fombako lôtra le mandresy lahatra fa mandroso ny fiheverako an zany atao hoe "pratiquant" sy "non pratiquant" za satri mba nafianaritra anah ity dinika ity :) isika mlanko samy manana ny fisainany ny heviny :)

xxx:

... Je me méfie toujours des gens qui disent cette phrase .


afaka mi se méfier ianao ka, ts manin fa amiko manokana dia ny fivavahana dia afaka atao n'aiza n'aiza na ao atrano na any apiasana n'aiza n'aiza na ao ampiangonana fa ny essentiel amiko die refa ataonao am fo le izy. betsaka ange ny olona makany anpiangonana nefa tonga any de mitakoritsika, mampiseho lamôdy (azfd alou fa fomba fijeriko io aa) de inona ny dikany akanesana any ampiangonana ra izany no atao??:roll:

xxx:

ny tsy chretien koa anie ka manao asa soa manodidina azy e, même plus que les chrétiens aza .


fatako mits io lazainao nefa kosa misy ny olona miseho azy ho chrétien be ary mpakany ampengonana isak'alahady nefa mbola manao ratsy ihany (ts ferana io ratsy io akory) ary bdb ny olona manodidina ahy no manao izany matoa za mahasahy miteny an'io

xxx:

Inona izany ohatra no antony tsy handehanana any am-piangonana nefa mino ?


bdb ny ohatra azo lazaina, mety nony asa amandraharaha, mety toe-pahasalamana, mety choix manokana an le olona ... isika ange olombelona mety misy situation ts ahafahanao makany ampiangonana ra ts andro fety ohatra na ko hoe in-1 mande isa m-bolana ohatra, ts haiko ee samy manana ny fiainany n olona rht:)


54. Fiffi ( 01/06/2007 06:16)
xxx:

Inona izany ohatra no antony tsy handehanana any am-piangonana nefa mino ?
misy critère bdb ny antony tsy handehanana any am-piangonana....

Imaginéo fotsiny ohatra ireny marary dans les chaises roulante ireny.....na eny am hopital....na hafa....nefa kristiana ry zareo....


55. ari.malala ( 01/06/2007 06:42)
misy koa noho ny nataon'olona iray nanafintohina azy ka tsy nandehanany tany ampiangonana tsony, zavatra mitranga izany!
56. Fiffi ( 01/06/2007 07:07)
fa tsy nanakana azy ho chrétien......
57. mamzelkely ( 01/06/2007 07:58)
ka zay no ilazako we samy manana ny fiainany ny olona rht fa fomba entiny hanehoana an le izy no samy hafa :)
58. xxx ( 01/06/2007 08:04)
Fiffi:

misy critère bdb ny antony tsy handehanana any am-piangonana....

Imaginéo fotsiny ohatra ireny marary dans les chaises roulante ireny.....na eny am hopital....na hafa....nefa kristiana ry zareo....






Dia filàna vaniny kosa angamba raha hiteny hoe dia tsy maintsy mankany am-piangonana koa ny tsy afaka mandeha noho ny antony ara-pahasalamana na asa e

Misy milaza koa teo hoe : mitakoritsika no alehan'ny sasany any am-piangonana : fa isika angaha ankizy kely ? efa fantatra fa tsy tokony hitakoritsika ny haleha any dia hitakoritsika ihany koa?

Eto aho izao dia mahita hoe entina atao excuse daholo izay tiana atao excuse rehefa tsy ho any




59. mamzelkely ( 01/06/2007 08:25)
xxx ts resaka an zany hoe zazakely na ts zazakely io fa za isak miditra ampiangonana dia maro ireo olona zay tonga ao de mitakoritsika nefa olon-debe zao, de aveo hira ftsn no arahiny de aveo njay refa mitory teny mopera de eo bla bla bla mi-déconcentrer ny sasany...ary izaho ts mi-englober ny olona rht akory fa misy hoa olona sasany
misy ange tena mifantoka am fivavahana ee ary matetika za refa miditra fengionana de sendra olona be takoritsika fôna na ny eo alohako na ny ao arinako de mi-deconcentré ry zareo ary za kosa ts hande hiteny azy hoe mangina fa olon-debe izy ny tena no miezaka ts hanao ny ataony

ary ts filambaniny velively ny hiteny anzany hoe nony antony asa na fahasalamana no ts andehanana any ampiangonana fa zava-misy zany satri a nisy nanotany teo alou we inn aza ny antony ts andehanana any ampiangonana ra tena mpino marina, de nanome ohatra zay reo matoa ireo ohatra ireo no lazainay de satri misy ny miteny fa "ra ts makany ampiangonana de ts chrétien" zany rah ny fahazoako ny teniny alou aa :°)fa ra diso le fandraisako azy de ahitsio :)

60. kelly13 ( 01/06/2007 08:27)
Misy milaza koa teo hoe : mitakoritsika no alehan'ny sasany any am-piangonana : fa isika angaha ankizy kely ? efa fantatra fa tsy tokony hitakoritsika ny haleha any dia hitakoritsika ihany koa?


fita fa zvt marina io, ary nihainako! tsy "isika" ange no mitakoritsika fa ny sasany e! za alou tsy makany ampengonana e (tena lasa mi radoter za fa azafady) satria tsy VOATERY aho ny ho any, ary za tsy manana excuse fa choix-ko io.

lasa namaly indray za sshhhh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085