Je suis chrétien mais je ne pratique pas....

1. Fiffi ( 30/05/2007 22:46)

je suis chrétien mais je ne pratique pas. mba ahoana no fandraisanareo an'io ?
répondu par prime le 13/06/2007 08:32
2. marozevo ( 30/05/2007 22:54)
Taitra be aho, fa noheveriko hoe ny tenanao no lazainao. Kay ve hevitra hitanao tany ho any eh...

Io aky Fiffi safidin'ny tsirairay ah. Rehefa malalaka sy mazava ny safidiny dia ampy izay. Ny voatery, na ny tsy mahalala no mampalahelo.

Aleoko aza io toy izay ilay hoe "Je suis pratiquant, mais je ne crois pas".
3. LazaDaddy ( 31/05/2007 01:33)
je suis chrétien mais je ne pratique pas
io dia fomba fiteny an-kolaka hoe "mpihatsaravelatsihy" aho
4. pissoa ( 31/05/2007 01:39)
Fiffi:


je suis chrétien mais je ne pratique pas. mba ahoana no fandraisanareo an'io ?


Miankina amin'ny resaka rehetra nandeha taloha an'io ihany.
Ny azo hi-pratiquer-na ny manaKristianina mantsy dia betsaka mihitsy ! Ka mety zavatra iray ao amin'ny Kristianisma no noresahina ary amin'iny lafiny iny izy no tsy mipratika fa amin'ny resaka hafa izy dia ten mavitrika tokoa :roll:

Sinon, ny fahasahiana miteny hoe Kristianina aho dia efa pratika lehibe raha ny hevitro. :oops:
5. Fiffi ( 31/05/2007 05:24)
zao manko ny fandehan'io: tam le kermesse du tiers-monde ho an'traboina any dago de bdb ny olona nanatsika an'io.....de ozy le pretre tam zay lhl zay hoe "faly mahita anao eto na de 1 fois isan'taona aza no mba mandingana fiangonana ny tongotrao !
De ozy le lhl: je suis chrétien mais je ne pratique pas de nahalasa saina anaha hoe: ahoana moh zany ? de tsy miditra fiangonana raha tsy misy évènement ohatran'io nefa ve kristiana ? sa ve le hoe ny fahatongavany tam io kermesse io no ahafantarana azy hoe kristiana ? na de tsy miditra fiangonana mihitsy aza ?
6. Fiffi ( 31/05/2007 05:58)
zany heo: le finoaana an'Andriamanitra fotsiny ve no azo ilazana hoe kristiana izy na de tsy mandray anjara na am inona na am inona ? miangona , mandray , zay tokony atao rehetra any am-piangonana ?
7. miangalyandria ( 31/05/2007 06:23)
Teraka kristianina izy, vita batisa na batemy koa saingy tsy miditra ampiangonana isak'alahady toy ny pratiquant hafa, tsy manao karemy raha katolika sy ny sisa sy ny sisa.

Tsy misy idiran'ny fihatsaram-belatsihy hoy aho satria ohatran'ny hoe titre, dokotera no tena asako raha ny fiofanana noraisiko ohatra saingy tsy mipratiquer intsony aho izao fa .... tsy haiko ny antony ohatra.

8. kelly13 ( 31/05/2007 06:24)
LazaDaddy:

je suis chrétien mais je ne pratique pas
io dia fomba fiteny an-kolaka hoe "mpihatsaravelatsihy" aho



za zany klou d efa "mpiatsaravelatsihy", misaotra ny mpitsara.

ra @ cas-ko: ny ataoko hoe "chretien non pratiquant" d ny olona mino ny Ray sy Jesoa, olona mino fa tonga tety an-tany i Jesoa hamonjy antsika mianakavy, ary olona mino ny fiainana mandrakizay. tsy pratiquant (otranà ze mpiatsaravelatsihy izany) satria za tsy mamaky baiboly (tsy manana rahateo) nefa matahotra sy manoa an'Andriamanitra, ary indrindra tsy sahy mitsaratsara oul satria za tsy andriamanitra.
9. kelly13 ( 31/05/2007 06:27)
adino, za tsy mpiditra ampengonana, choix-ko manokana io fa aza b questions aveo
10. Fiffi ( 31/05/2007 06:31)
miangalyandria:
teraka kristianina izy, vita batisa na batemy koa
zany hoe: vita ny batemy de kristiana ny olona , de vita hatreo zany ny momba ny zavatra hafa rehetra ?


11. tamberina ( 31/05/2007 06:31)
azafady fa tsy fitsaravelatsihy ny finoana an'Andriamanitra nefa tsy dia miditra fiangonana matetika na ny tsy fidirana sampana,efa manefa ny adidy @ mpandray ,rakitra,mitandrina ny didy folo,tsy ny rehetra no afaka miditra @ ireo sampana samy hafa mantsy,ary misy koa ny "voaantso".Ny finoana dia ampy tsy atafidiranao any @ afobe.
12. Fiffi ( 31/05/2007 06:38)
LazaDaddy:
io dia fomba fiteny an-kolaka hoe "mpihatsaravelatsihy" aho
fa ahoana kosa aza ?


13. miangalyandria ( 31/05/2007 06:38)
Hoy i miangalyandria:
teraka kristianina izy, vita batisa na batemy koa
zany hoe: vita ny batemy de kristiana ny olona , de vita hatreo zany ny momba ny zavatra hafa rehetra ?


Ié satria hitan'i Fiffi, be dia be anie ny olona ohatra hoe ireny ankizy issue de l'immigration ireny no katolika be ny rainy sy ny reniny e nefa lay ankizy nanao choix ny tsy ho pratiquant, tsy handeha hamonjy lamesa isan'andro, tsy hivavaka sy hamaky Baiboly isan'andro sy ny sisa nefa zareo vita batemy dia noho izany dia hoy aho hoe "chrétien" zareo fa tsy "pratiquant" fotsiny.

HS : Ary rapide mihitsy isika eto izany mamaly an, ohatran'ny hoe vao teo aho no namaly dia raim kely dia nisy be dia be tao aoriana hihihi.
14. Fiffi ( 31/05/2007 06:43)
miangalyandria:

Ié satria hitan'i Fiffi, be dia be anie ny olona ohatra hoe ireny ankizy issue de l'immigration ireny no katolika be ny rainy sy ny reniny e nefa lay ankizy nanao choix ny tsy ho pratiquant, tsy handeha hamonjy lamesa isan'andro, tsy hivavaka sy hamaky Baiboly isan'andro sy ny sisa nefa zareo vita batemy dia noho izany dia hoy aho hoe "chrétien" zareo fa tsy "pratiquant" fotsiny.
miangalyandria: eny hoa akia an ! tsy mandà an'io zah hoe teraka kristiana zareo ....fa ....ampy ve ozy zah ny nahazahoana ny batemy hilazana hoe "kristiana" zah raha tsy manohy ny zavatra tokony hatao ? miangona , mamaky baiboly sns.....?


15. miantra ( 31/05/2007 07:29)
Ny ahy ry ireto raha ny Mba fahalalako azy , ny Kristiana dia olona manaiky an'i Jesoa kristy ho Tompo sy Mpamonjy .Ka amiko rehefa manaiky ny olona iray fa hotapahin'i Jesoa Kristy ny fiainany dia kristiana izy. Avy eo vokatr'io fanekena io amiko ilay hoe mahatsiaro mila mandeha miangona sy te hanolotena na te hanolotra ny zaza hatao batisa na batemy sns...Nefa koa ilay hoe pratiquant tsy voatery izay ihany fa fampiharana sy fanehoana izay fiarahana amin'i Jesoa eo @ fiainana an-davanandro satria tsy ny olona rehetra no afaka mandeha any ampiangonana sns...Amiko izany rehefa kristiana dia pratiquant daholo fa ny sehatra hivelarana fotsiny no samihafa.Ary ny hetsika sy ny fiaina no maneho ny maha kristiana na tsia satria tokony ho hita taratra eny amin'ny fiainanao foana Jesoa na dia tsy mandeha lamesa sns.... aza.
16. majesty ( 31/05/2007 07:34)
Ny kristiana anie tsy étiquette e,fa fiainana,
ka tsy izay manao hoe Kristiana akory dia Kristiana.:D
17. miangalyandria ( 31/05/2007 07:52)
Hoy i Fiffi :
miangalyandria: eny hoa akia an ! tsy mandà an'io zah hoe teraka kristiana zareo ....fa ....ampy ve ozy zah ny nahazahoana ny batemy hilazana hoe "kristiana" zah raha tsy manohy ny zavatra tokony hatao ? miangona , mamaky baiboly sns.....?

Dia asa re koa sa hoe d'origine chrétienne koa ve izany ? Izaho koa moa dia hihihi.

18. johnnyandri ( 31/05/2007 08:05)
Raha ny rariny eken'ny besinimaro dia lazaina fa kristiana ireo mpanara-dia an'i Krisy: fomba fiaina, fihetska eo amin'ny fiainana any am-piangonana sy andavanandro.
Misy anefa ireo olona izay nahafantatra na nampahafantarina ny momba an'i Kristy ka nanaiky sy nandray ary nino azy, saingy tsy nitohy ny fampahafantarana na ny fianarany na ny fahalalany bebe kokoa an'i kristy ka nahatonga azy tsy nankany am-piangonana na nijanona tsy nanao asa maneho ny mahakristianina azy intsony. Afaka hiteny izy avy eo hoe izaho kristianina fa saingy tsy miaina izany.
Satria sady tsy te hiditra lalina izy fa ampy azy ny finoany, no mety ho kamo koa izy angamba hanitatra izany.
Amiko anjaran'izy sy Kristy ny ambiny raha toa ka efa mba niezaka ny nitarika azy aho ohatra. Fa tsy afaka hiteny aho hoe kristianina izy na tsia.
19. tsiafoi1 ( 31/05/2007 08:58)
ohatran'ny miteny we za rockers nefa manao patte d'élephant, sy talon pointu, sy danse classique. Oups!!!

ohatran'ny we, za dokotera fa za tsy hitsabo, de aiza ho aiza le déontologie amin'izay, mba tranquille ihany ve ny saina amin'izany!!

arakaraky ny firehana sy ny formation ny atao e!
20. bozyboleta ( 31/05/2007 09:28)
Mpandefa : majesty [ Valio ] 31-05-2007 09:34:04
Lohateny : Re : Je suis chrétien mais je ne pratique pas....
Ny kristiana anie tsy étiquette e,fa fiainana,
ka tsy izay manao hoe Kristiana akory dia Kristiana.

Zavatra tena noraisiko t@ fampianarana henoko indray mandeha de ny filazan'ilay Pasitera fa misy karazany 3 ny hanasokajiana ny kristiana:

1. Kristiana ara-tantara (chrétien historique): io le hoe dadabe, RAD, fianakams kristiana daholo sady nanorina ny fiangonana tatsy sy taroa de mihevitra hoe kristiana avy hatrany izy.
2. Kristiana ara-piaraha-monina (chrétien sociologique): mitovitovy @ io ambony io ihany. Hoe mandeha atsy @ fiangonana atsy, manao adidy ao de avy hatrany zany de kristiana.
3. Kristiana ara-baiboly (chrétien biblique): kristiana tena miaina ny fiainana kristiana, tsy vitan'ny hoe mino fotsiny an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy fa manao ny sitrapony. Raha tena miaina ny fiainana kristiana ny olona de mandeha ho azy ny mivavaka sy mandeha any am-piangonana. Tsapan'ny olona fa tena mangetaheta sy noana izy raha tsy mivavaka na mihaino tenin'Andriamanitra isan'andro satria mila velomina toy ny vatana ny fanahy.

Ho ahy, reo sokajy 2 voalohany nolazaiko teo ireo de mitovy @ tenin'ny sasany hoe fihatsaram-belatsihy.
Ny maha-kristiana de mila iainana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0091