LIBAN,mbola mitohy ny asaratsin'ireo mpanondrana olona an!

81. aloalo ( 20/10/2007 20:52)
Misaotra an'i Yonikafopl nandany andro nanazava tsara.

Tsy antery ny fandehanana any Liban, tsy terena na vozonana ny malagasy hiasa antrano any Liban. SAFIDY io ary safidy malalaka, mbola aty Dago dia ampahafantarina daholo ny mafy rehetra hozakaina,voaboasana daholo ny lafiratsiny sy lafitsarany rehetra, dia anjarany ny mieritreritra


Tsara kosa zany fampiresahina mba afahan'ireo mieritreritra tsara. kanefa ny tiko anontaniana, inn kay ny profils ny oul alefanareo any (ohatra oul avy any ambanivohitra tsy mahafantatra oul aty ivelany, sa oul le mitady ny moyens rehetra hivoahana any dago... ?)

efa anaty contrat v raha misy mahazo ireo oul ireo (marary, rapatriement ny corps raha maty ).

Misaotra !

82. methode ( 21/10/2007 16:43)
Dia mbola tsy mety vita foana ity resaka ity hatramin'izao. Ny tena manahirana amin'izay ity moa izao dia ny tena voakasik'ity tsy mba misy afaka mamaky na iray aza fa ny mpiserasera fotsiny no mifanasa ati-doha eto. Ahoana no fomba ahafahana manontany mivantana an'ireo tena manana olana ireo? Izay zao no tokony hotadiavina raha te-hamaha ny olana Toa tsy hisy mihitsy anefa izany.
83. yonikafopl ( 22/10/2007 13:29)
Misaotra anareo tsy nihinana ambolony fa mba namakafaka izay voalaza.

Samoana, efa misy ny vinavinankasa ifanaovana amin\'ny Ministera amin\'izahay izao aty antoerana izao, sy miaraka amin\'ny consule ihany koa .

Izahay efa nanana vinavina ny hanao fety mitambatra ho an\'ny malagasy rehetra (ny malagasy alefan\'ny biraonay aty Dago sy any Liban ihany aloha ),
isaky ny fetimpirenena 26 juin , mbola vao vinavina izay fa tsy maintsy mbola jerena ihany koa ny lafi ratsy sy lafitsarany .

Manana ny contrat de travail soniavin\'ny mpampiasa sy ny mpiasa ny tsirairay, ary vao Tonga any Liban dia tsy maintsy manana assurance medicale
Tsy hoe miasa andro lava izao, fa manana jour de repos ny mpiasa, fa ny fivoahana irery no mbola tsy ekena aloha hatramin\'izao satria voalohany indrindra securité an\'ilay mpiasa,faharoa mba diniho ange we any antany lavitra tsy misy fantatra any, dia hivoaka haninona sy ho aiza?,rehefa mivoaka ny mpampiasa dia miaraka aminy mivoaka.Betsaka ny fakampanahy any Liban, hiasa no haleha any. Cas iray hotantaraiko anareo ary antony iray tsy hanekeko ny famoahana ny mpiasa hivoaka irery satria izaho ihany no hifoteran\'ny rambony, 4 volana lasa izay, nisy vehivavy efa manambady mananjanaka nalefa tany Liban, ny anay moa manao visite medicale indroa,mialoha ny hanaovana pasipaoro, sy 24h alohan\'ny hiaingany eto Dago, rehefa tonga any Liban koa ilay mpiasa dia mila manao contre visite koa, io mpiasa io nandalo ireo visite 3 ireo tsy nisy nininn fa apte tsara.Sendra ny mpampiasa tsotra indrindra io mpiasa io, ary dia nalalaka nahazo nivoaka isanandro mividy zavatra sy mandeha any ampiangonana (??), telo volana taty aoriana efa hanao ny permis de sejour sy ny permis de travail dia tonga saina ilay patron fa tsy mbola nangataka serviette ( always) ity mpiasa raha tsy indray mandeha, teo dia nasaina nanao visite medicale indray ary dia bevohoka, izay vao nikoropaka niantso ahy ny mpampiasa,ny navaliko azy dia tsy responsable aho fa ianao no te hamela azy hanao izay tiany hatao.Hatramin\'izao io olana io dia mbola tsy voavaha satria ilay mpampiasa namerina ilay mpiasa tao amin\'ny birao satria mbola 3 volana ny essaye ho an\'ny mpiasa sy ny mpampiasa,ny birao koa sady tsy mety hanala ilay zaza no tsy mety hiantoka ny frais mody, izaho no asainy hividy ny billet dia tsy manaiky koa aho, niresahako ny fianankaviany nefa inona kou mou no azony hatao, zareo aza mahantra . Dia tsy maintsy miandry ny fiverenako any Liban io ankizy io vao hita izay hatao aminy.
Raha ianareo no eo amin\'ny toerako, inona no ataonareo??

Olana iray amin\'ireo zavatra ataon\'ny mpiasa malagasy any Liban io notantaraiko anareo io, fa raha ilazako ny olana vahako na amin\'izao maha aty Madagasikara ahy izao aza angamba dia mba tsy hanenjika ahy be fahatany ianareo. Raha ny mpampiasa no manao faute dia mora kokoa satria vahaolana tsotra indrindra ny manala ilay mpiasa dia mamindra azy , fa raha ny mpiasa no mametraka olana, ary tranga matetika miseho io, tena maha te hanipy gant saingy mieritreritra ireo maro mila ny fanampiana dia aleo milamina sy mitony;

Raha ny biraonay manokana dia misy ny procedure arahana alohan\'ny hanekena na tsy hanekena ny candidat iray, mbola mandalo epreuve maromaro sy mandalo formation alohan\'ny hiaingana hahazoany mieritreritra tsara na ho vitany na tsia ilay asa, misy koa ny fiaraha-miasan-ny birao amin\'ny fianakavian\'ny mpiasa handeha.
Raha ny tanjoko manokana dia ny hanampy ny mpiray tanindrazana amiko hitsinjo ny ho aviny, noho izany na ireo avy any ambanivohitra aza ka hita fa mendrika ny hampiana ary vonona ny hihafy hahitana ny soa dia vonona foana aho ny hanampy, raha ilay maimaika fotsiny hoe hivoaka nefa tsy motivée dia tonga dia ajanona mba tsy hampisy olana, mandritra ny epreuve sy ny formation no hanapahana hevitra farany momba ny candidat iray.

Methode,betsaka ireo mpiasa efa nalefanay tany Liban,tsy anjarako angamba ny milaza aminao ny momba azy ireo,betsaka ireo nanana olana ary noezahana ny namaha azy, betsaka kosa ireo tsara vintana ary miasa ampifaliana sy ampilaminana, misy koa ireo izay tsy nivonona ny hiasa sy hihafy fa maika ny hivoaka fotsiny de rehefa tonga any vao manenina. misy namana iray tato nilaza momba ny havany izay nalefan\'ny biraonay tany. Ny ministeran\' ny asa manana ny mombamomba ny mpiasa alefanay rehetra, ary ataoko fa ankoatra ny fianakavian\' ny mpiasa dia ny ministera ihany no afaka mamakafaka sy mamantatra ny olan\'ny mpiasa aloha hatramin\'izao, ka raha te hahafantatra hoe iza no manana olana sy ny sisa i Methode dia na ny fianakavian\'ny mpiasa na ny ministera no atoninao ngamba.Ny teny atsipiko dia hoe raha ianao aty ivelany tsy mahalala ny fiainana sy ny condition dia vao maika hampitombo ny olana misy ianao fa tsy hamaha, ohatran\'ny olana misy eo amin\'ny mpivady io.

Tsy moramora ny mitondra olona, fa na ny zanaka nateraka aza mahatatabava,misy ny zanaka maditra tsy mihaino ana-dray amandreny. Fomban\' ny mpitazana ny mitsikera fa raha mba manaiky mipetraka eo amin\'ny toeran\' ny hafa ianao, ataoko fa ho tsapanao ny mahazo azy.
84. tess ( 22/10/2007 15:35)
tena nijery envoyer special aho fa tena misy ireo angence fangolika ratsy loha an!
henoko hoe ny gasy no tena tsy manana soutient mitsy any fa ny sasany manana ambassade ihany any hiaro....
tena marina ve ireny lazaina hoe nangalatra de gadraina ireny sy ilay hoe nianjera teny ambaravarakely fa tsy namono tena ireny????
85. xxx ( 23/10/2007 07:37)
salu daolo an
86. Samoana ( 23/10/2007 13:44)
Hoy Yonika: "Raha ianareo no eo amin'ny toerako, inona no ataonareo??"

Matoa ilay mpiasa "nibontsina" dia nisy tompon'andraikitra tao izany. Ilay nahabikina koa tsara resahina maika sao misy vaha-olana azony aroso. Fa marina tokoa aloha fa ny mpampiasa no responsable voalohany na dia période d'essai aza satria teo amperinasa no nisehoan'ny tantara (raha tsy hoe angaha hoe tsy matory any @ patrôny ilay salariée)
87. methode ( 23/10/2007 14:55)
Fa ngah moa tafiditra ao anatin'ny contrat hoe tsy mahazo manao bevoka? Tsy efa majeur daholo moa no raisina any? Ka tsy tokony izy no mitondra ny tenany sy mahafantatra ny ataony ve?
88. tsinjo ( 24/10/2007 06:50)
methode iasa kosa no aleha any fa tsy hanao firaisana amizao rehetra izao dia ho bikina avy eo , rehefa asa dia asa dia rehefa firaisana dia firaisana na aiza na aiza tany andehanana dia tokony samy manana ny anjarany tandrify avy izany. Fa izany ilay hoe iasa no ialana aty mada nefa kibo na zaza no entina miverina avy eo :-D
89. fleurdedago ( 24/10/2007 07:43)
marina fa asa fa mba olombelona koa anie izy e !
2 na 3 taona zao, raha tsy misy vady izy any dago tsy hitako zay blème @ zany !
ka raha mahita libanais tia azy moa izy d maninn ! raha vitany ny asany raha bevohoka izy, d mba omena konzé kely efa miteraka, compliqué mais mba samy olombelona ihany e !
90. tsinjo ( 24/10/2007 09:50)
fleurdedagotsy manda ny teninao aho fa ra oh kousa ka ao anaty contra we tsy mahazo manao bevoka de aona kous ary fa ra mba fetsy we mampisa fimailo tsy maninona e fa olombelona araka ny filazanao
91. tess ( 24/10/2007 10:36)
tsinjo:

methode iasa kosa no aleha any fa tsy hanao firaisana amizao rehetra izao dia ho bikina avy eo , rehefa asa dia asa dia rehefa firaisana dia firaisana na aiza na aiza tany andehanana dia tokony samy manana ny anjarany tandrify avy izany. Fa izany ilay hoe iasa no ialana aty mada nefa kibo na zaza no entina miverina avy eo :-D


de zaza metisy izany no azy avy any sa in????:°)


92. tsinjo ( 24/10/2007 10:39)
aveo ndray de malaza we alefa manao koaitra ny gasy alefa any e sns , le we alefa atao andevo ary efa tsy fidiny kou maika le we alefa manao makorelina , tsy maints zay ny resaka ho heno ary efa heno daholo mants zany e
93. methode ( 24/10/2007 11:44)
Ka ny tiko ahatongavana dia hoe tsy tokony mila ny fifehifehezan'ny mpampiasa fa ny mpiasa no tokony mifehy ny tenany sy mahalala ny tiany atao. Arakaraky ny tsy isian'ny fifampitokisana no vao maika mampitombo ny fakam-panahy sy ny fitadiavana irika. Zony kosa amiko ny mamantatra ny tanana misy azy na dia vahiny sy tsy mana-namana any aza izy. Za zao tany ivelany tany vahiny be nefa de nandehandeha irery tany, tsy nisy ny olana, ary farany aza nahita namana maro tany!
94. yonikafopl ( 24/10/2007 12:39)
tess, tena misy marina ny mangalatra dia gadraina, misy malagasy roa nangalatra zao any dia migadra zareo amin\'izao fotoana izao, misy koa malagasy teraka dia nanary ny zanany avy eny amin\'ny balcon dia migadra any ihany koa.Misy koa ny patron migadra fa namono nandratra mafy ny mpiasany.
Izay manaonao foana dia migadra daholo na ny mpiasa na ny mpampiasa rehefa misy ny porofo marina azo hitazonana azy.

Samoana, fleurdedago, hiasa no haleha any, ary voalaza ao anaty contrat fa tsy mahazo manambady Libanais mandritra ilay 3 taona hiasana, rehefa te hanambady dia mamita ny 3 taona aloha de mody dia afaka averin\'ilay haka ho vady de mahazo manambady.Olona efa manambady amanjanaka ilay bevohoka io, de mitondra zanaka egyptiana eo ankibony amzao.
Araka ny voalazako taloha dia manana ny fifanarahana ny biraonay sy ireo mpampiasa, tahaka anay afaka manala ilay mpiasa raha misy tsindry hazolena mahazo azy koa no hahafahan\'ilay mpampiasa mamerina ilay mpiasa ao amin\'ny birao rehefa misy adalana ataony; dia eo amin\'ny birao any Liban sy ny birao aty Dago koa dia misy ny fifanarahana toy izany raha toa ka avy amin\'ny mpiasa no tsy maintsy handefasana azy hody.Dia eo amin\'ny birao aty Dago sy ilay mpiasa ary ny ray amandreniny koa dia misy ny fifanekena atao.Ka raha avy amin\'ilay mpiasa no tsy maintsy handefasana azy hody dia ny ray amandreny no miantoka ny lany rehetra.
Rehefa nanontaniana io mpiasa io dia nilaza fa ilay concierge ao ambany no nahabevohoka azy, ilay lehilahy nefa hono rehefa nanontaniana dia nilaza fa tsy misy anzany sady izy efa manambady any amin\'ny taniny.Hiasa no naleha any, ary efa fantany ny condition rehetra, fa vao miala aty aza dia efa manao teste de grossesse, midika izany fa tsy ekena ny bevohoka.Voalohany tsy hisy olona hampiasa azy bevohoka, tsy hisy olona hampiantrano hamelona azy fotsiny any, ary farany tsy hisy hiantoka ny sarandalany hody, ka aiza no hasiako azy??
Vao miala aty Dago dia efa fantany tsara ny condition rehetra, ka rehefa fantatra fa tsy ho voafehy dia aleo mijanona.
Za tsy mitsara mitongilana, fa rehefa hentitra aho amin\'ny mpampiasa dia tena hentitra koa amin\'ny mpiasa.

Methode, tsy misy olona azo hatokisana eto ambonin\'ny tany, izay ny condition we tsy mivoaka irery sy ny sisa dia manaiky vao mandeha, fa araka ny nolazaiko ihany koa, dia raha te hizaha tany sy hamantatra tanana, na koa te hanao ny sitrapo, dia miantoka ny rehetra dia miaina ohatran\'ny aty Dago, fa raha mbola ny olona no hiantona ny rehetra tsy hamela anao hanao izay tianao izy. Maharary ny sasany ny teniko matetika hoe rehefa te ho Libre dia avereno ny volan\'olona fa tsy nisy nanery hoe tsy maintsy mandeha fa matoa nandeha dia manaiky ny condition napetraka.Ka atao ahoana moa ry methode no hatokisana ilay mpiasa raha niala taty Dago aza izy nanome toky fa hanaraka ny contrat ary nanao sonia izany , nefa nony tonga any izy zavatra hafa no nataony,ivadihany ilay contrat nosoniaviny??Olondehibe nifanaiky ngamba hoy aho, ka raha tiana ny hanajan\'ny hafa ny contrat dia mila manaja iny koa .


95. methode ( 24/10/2007 13:50)
Tena tsy mety amiko zany le mandeha any raha izany ko! Aleo ihany eto Dago! Misy ny olona tena azo itokisana, zah mahafantatra betsaka. Misy tena namana azo itokisana tsy tena manampy. Raha tsy misy fifampitokisana tsy misy zavatra mandeha!
96. xxx ( 24/10/2007 13:56)
Amiko mbola tsy mazava ny fandefasanareo ny ankizy, satria maninona misy tsy tamana? maninona misy tsy mahazo hoe mifindrafindra asa foana?
Tokony hataonareo mazava tsara koa fa rehefa tsy tamana ilay ankizy dia mandoha vola izy hahafahany mody aty Dago
Ny olona mpadeha any Lyban aloha tsy mpiditra eto satria raha mamaky ny resaka eto mety mba efa nisy mailo ihany, marina fa tsy hitovy vintana daholo ny ankizy lasa any fa tokony ampafatarina tsara fa raha sendra ny patron na agence ratsy dia hijaly mihitsy.
Momba ny figadrana dia tsy ny mpangalatra ihany no gadraina any fa ireo izay tsy manana taratasy koa, raha tsy manana permis hiasana ianao dia migadra ka raha tsy mahaloa ny lamady tsy ho tafavoaka any.

97. tsinjo ( 25/10/2007 04:46)
xxxzany kous ve de tsy mazava e .i yonika ary efa manazava be mits eto .mitovy amitsika eto aminity dinika ity ihany io ,misy ny mahazo izay lazaina misy ny tsy mahazo de otranizay kou io .misy ny tamana de misy ny tsy tamana .
98. aloalo ( 25/10/2007 07:33)
n'inn asa atao na inn dia misy foana ny contrat, raha toa ka tsy mety ny piesina ilay izy dia voaloany dia aza miditra, matoa enao manao sonia dia manaiky. Ilay nifampiresahana t@ agence alohan'ny andehanana no tokony manapaka hevitra.
@ fahantran'ny malagasy dia aleony mande any na mafy aza fa any amintsika koa anie ka misy mpampiasa masiaka b koa e ! sady raha mahazo 1 million na 2 izy tsy aleony v mande any !
any dago ny karana sy sinoa dia mampijaly ny malagasy koa.
marina fa misy foana ny fankapanahy, ka any dago dia tokony manome protector ny agence (sic)^^
99. Belle ( 26/10/2007 14:50)
Mazava tsara mihitsy kosa ny fanazavan'i yonikafopl. Raha fehezina izany dia tokony raisin'ireo mandeha an-tsitrapò any toy ny asa rehetra ataony eto an-tanindrazana ihany ny asany any. Rehefa fifanekena (contrat) dia fifanekena, fa tsy ovaina ho izay tiana indray rehefa tonga any. Aza asiana "sentiment" fa io mihitsy koa no tsy mampandroso antsika. Ny fo no entina manao zavatra ka mivaralila daholo ny atao!
100. mavvoo ( 27/10/2007 18:20)
Hay mbola mitohy ty resaka ty!Eto dia samy milaza zay tiany lazaina daholo fa ny ahitana ny marina dia ny any Liban,alefaso any nyfianakavinareo dia ho hitanareo na mijaly izy na tsy hijaly.Theorique daholo ny eto ,fa any Liban no tena ahitana ny pratique rehetra.Toy ny discourn'ny mpanao politika ihany e!Refa te-hahazo ny tombotsoany ry zareo dia manao kabary fampandrina adrisa.Ireny t@ envoyé S. ireny dia porofo mivaingana manazava ny sain'ny tsirairay ny @ ty resaka Liban ty.
Sendra tafiaraka avion t@ tovovavy ho any Liban aho in-1 andro,zara raha mahay teny frantsay ilay izy,Izaho niala tao Maurice fa ilay zazavavy dia fanina tsy hainy akory na ny tokony hataony aza,na hanotany aza tsy sahy,dia zaho moa no nanorotoro azy teo .Ny tiko hihaviana dia zao,mba manao teste ve ireny olona mandeha any ireny sa alefa fotsiny refa vola ????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5907