LIBAN,mbola mitohy ny asaratsin'ireo mpanondrana olona an!

61. xxx ( 10/07/2007 13:32)
Balack:

Samy mpiasan-KARANA daholo na eto na any e!Fa raha mahita asa an-trano 200£ eto i xxx de hafaranay ny havanay hody aty ,ka manaova i xxx annonce eto ra misy olona manarama 200£ hiasa an-trano eto Dago.Mbola tsy misy koa lalana milaza fa tsy azo atao ny mandeha any Lib ;ka aoka i xxx tsy handrara ny olona tsy ho any ,fa ny tokony ataon'ny olona mandefa any fotsiny de zao:TOKONY MBA SORATANY ANY @ FANJAKANA NY ANKIZY MANDEHA ANY MBA HO FANTAN4NY FANJAKANA HOE LASA NIASA ANY I RANONA .



ka na soratana any @ fanjakana aza fa lasa any havan'i balack dia ny sitrapony no te ho any ka mahatantesa raha izany ianareo mianakavy fa tsy be vava sy be taraina daholo rehefa tsy nety ny sitrapon'areo mianakavy!
62. xxx ( 10/07/2007 13:37)
AZA MISY MANDEJHA ANY LIBAN HOA!!!! MBOLA MITADY IREO FA AZA METY MANDEHA ANY! TSY AN-DRARIRINY NY ANY RAHA TE HO VELONA KOA!
Mbola manamafy fa tsy tanty ny maheno ny hafa mandeha any hijaly ry balack an!
Faly ianao tsara, tsy faly dia izay! AZA MISY MANDEHA ANY FA BE NY TANY AZO HALEHA ETO AN-TANY FA TSY LIBAN IHANY!!!!!!!!!!
NA MAMOAKA SARY NA TSIA DIA HIPITSIHO TOY NY FASAM-BAO!!!! LOZA!!!!
63. naritsimba ( 17/08/2007 06:02)
Miarahaba antsika namana rehetra!
Mahavariana ahy ity resaka fandefasana mpiasa any liban ity. Inona marina no tena tadiavin'ny mpitsikera.
1-Raha misy olona mahita fa tsy ara-dalana ny fandefasana olona hiasa any Liban dia manaova taratasy mazava ary alefaso any @ mpitondra fanjakana.
2-Misy ny fandefasana olona mankany BAHAMAS toa tsy misy mpitsikera firy ato @ serasera ilay izy, angamba tsy avy ato ilay olona mikarakara ny fandefasana mpiasa mankany Bahamas.
3-Rehefa jerena ny fandehan'ny resaka dia hita fa misy olona very tombotsoa @ fandefasana mpiasa mankany Liban angamba ary namana ato @ sera² izy ireo.
4-Raha misy aminareo mahita tsy ara-dalana @ fandehanan'ny mpiasa any Liban dia afaka manampy anareo aho, saingy kosa aoka ho taratasy mazava sy misy porofo manamarina izany fa tsy endrikendrika na halako bika tsy tiako tarehy fotsiny.
5-Maninona moa no rehefa mankany Liban ny malagasy dia be no mitaraina na asaina mamorona izao zavatra tsy misy rehetra izao, fa rehefa alefa any Erôpa na Amerika na andoavam-bola sy ivarotana tanindrazana ary na manalika tahaka ny inona aza izy ireo toa tsy mampitaraina ilay malagasy, nefa ange dia mahita aho fa misy mijaly izy ireo e, ary na ny fanaovana taratasy @ fankanesana any @ ireo tany eropeana aza efa fijaliana ihany koa,
6-Mampalahelo ny toe-tsaintsika Malagasy fa ory hava-manana ary izany no tsy mampandroso antsika.

Teny atsipy ihany ny ahy ireo.
Eo @ fiainana dia tsy maintsy misy ny mpitsikera fa ataovy tsikera mitombina sy mazava fa aza atao tsikera be fahatany.
Ho anareo izay mahita fa mijaly ny mpiasa mankany Liban dia tsotra ny hevitro, omeo asa tsara eto Madagasikara izy ireo rehefa tsy tianareo andeha na hijaly any.
Ho ahy manokana dia manana namana maro² aho, tsy tiako handao ahy izy ireo dia itadiavako asa eto Madagasikara satria tsy tiako andeha na any liban na any Bahamas na any @ firenen-kafa, ary dia sahiko ny miteny fa sady tsy mitaraina izy ireo no milamina sy miadana, ary tsy mangataka @ hafa ihany koa. Tsy ny olona rehetra koa
Amiko dia izay no tena ilaina fa tsy tsikera ho an'ny olona manao zavatra.
Ny olona manao zavatra no voatsikera fa ny olona tsy mahavita azy dia tsy manan-katao afa-tsy ny mitsikera ny hafa.
64. fijo ( 17/08/2007 23:05)
tsy amin'ny maha namako an'i yonika,fa amiko kosa raha toa ka legale ny zavatra ataony,dia tsy itako izay hanenjehana azy.raha nahazo fahazon dalana mazava tamin'ny fanjakana izy diatsy misy resahana fa tsy mandika lalan izy izany.
ka raha misy olana dia torio araka io efa laziany io e.
toa izay manao zavatra mantsy dia henjehana.izay misy ao liban tsy haiko,za tsy mbola tany,fa raha nanery olon aizy dia diso ary tsy hiaro azy mihintsy aho ,na namany aza,fa tolotra n azy,de mamaly izay te hamaly.io tsy any liban ihany fa aty frantsa koa anie ka misy mpampiasa tsy manome karama e.aza dia manalabaraka olona fotsiny
65. boubounezy ( 30/09/2007 13:00)
mody atao wé légala; reo piravavy reo mandé any dago reo zao aninn any ny antondiany?? AKA KISOU SY OMBY AONDRANA ANY LIBAN efa naita resaka b t@ dinika tato za ela2 tsy fantatro wé inn ny tao anatiny ty dinika ty si non za efa niditra teto ndra amely ny mpanararôtra ny tsy fananany gasy. AZA ny havako no lasa any ra tsy tena tongavako any mintsy d z lalany any lalany fa taratasy mody légale nefa zareo mahay tsara fa mafy ny ahazo reo mpiray tanindrazana @ refa tonga any! manantena za fa tsy ahasou lé izy 2 vhv reo ny vôla azony atsemboany gasy mitovy @ sy @ hafetsena ratsy zé ataony! sou iany alou fa ny havako tsy mila mandé any fa efa nafarako wé tanjemo fa misy sipa2vhv zay d natonjoko azy ny sary mpanondrana bibyoull any liban. noteneniko fa aty france mipetraka refa leo any dago fa misy paps vazah. atao inn andevoziny oull any???:twisted::twisted:
66. boubounezy ( 30/09/2007 13:02)
GRRRRRRRRRRRR!!! taiza ary za no tsy naita anity dinika ty hatramizay é!:twisted:
67. fleurdedago ( 14/10/2007 20:18)
@ envoyé spécial @ jeudi zao misy reportage momban'ny mpiasa trano any Liban
20:50 Envoyé spécial
Magazine de reportages - Durée : 2 h 05
4:3 TP Presentateur :
Guilaine Chenu
Françoise JolyAu sommaire :

Faut-il craindre le «Made in China» ?


Méditerranée, enquête en eau profonde


Liban : le calvaire des domestiques



68. diamondra27 ( 15/10/2007 12:08)
merci fa de hojerena ndray zany e!

69. aloalo ( 20/10/2007 04:49)
nahita ilay reportage fa tena mampalehelo, kay tena bizna b ilay resaka "la bonne" io !
any @ aéroport d efa tsy manana liberté intsony ilay oul fa tonga d omen'ny police ny mampiasa ny passeport.

fa ny tena nasositra ahy de ilay tenin'ilay mpampiasa iray hoe "...livraison de la bonne"

efa anatin'ny teo-tsain'ireo libanais ilay manandevo sy midaroka mpiasa (n'inn n'inn no fiaviny)ary reo foana no manana ny rariny. Maro ny mamono tena ny tovovavy. :cry:

Tena asa tsy ho vitako mihitsy ity hanao agence dia andefa oul hiasa any kanefa fantatro ny miandry an'ireo mpiray tanindrazana amiko any. Araka ny filazan'ilay journalista dia ny malagasy tsy dia misy mpiaro lotra any.

Any Arabie Saoudite alou dia mitovitovy an'izany koa, fa tsy reko indray hoe midaroda. (philippines no maro any)
70. Samoana ( 20/10/2007 08:28)
aloalo:

... Araka ny filazan'ilay journalista dia ny malagasy tsy dia misy mpiaro lotra any...


Nampahonena tokoa iny reportage iray iny :cry:. Tsy afa-manoatra ny mpiasa satria efa ny fitondram-panjakana ao Liban mihintsy no manohana ilay "esclavage" ( pub eran'ny tanàna, recours tsy mahomby raha te hody an-tanindrazana, sy ireo efa notanisain'i aloalo etsy ambony... ). Mba miezaka mitaraina eny @ ambassade na consulat miandraikitra azy ihany ireo mpiasa fa na ireo aza voafetran'ny lalàna an-toerana ihany ny sehatra azony idirana. T@ conclusion no nasian'ny mpanao gazety resaka kely mikasika ny malagasy: " Tsy afaka miady sy mitaraina akory satria tsy manana masoivoho any liban. "
Tsy ireo mpiasa mikarama kely no mampalahelo satria efa fantar'izy ireo mialoha izany.Fa ilay chantage samihafa mianjady azy ( tsy mbola tiana ampodiana, tsy averina ny passeport, tsy aloha ny karama, darohan'ny agent mpikarakara,ets...) Lasa laginina ny tena mahita libanais sy libanaise volo menamena mpiatsaravelatsihy:twisted:

71. booboo ( 20/10/2007 08:48)
Nahita iny reportage iny kounkou zà. Tsy noeritreretiko mihitsy koa hoe tena zafera beeeeeeeeeee kay io resaka "mpanampy an-trano" io ka isaka ny kihon-dalana dia misy "agence"...

Mahagaga anà ny fihetsik'ireo mpampiasa no sady mahatezitra. Ohatra hoe tena "normal" beeeeeee amin-dreo lay manandevo ...dia tsy maintsy hi-saute avy eny @ balcon foana ve zany vao ho afaka tao ohatra ? :?
Lasa manana pré-jugé zany zà hoe mpanandevo aby ny libanais :oops:....


72. mihanta ( 20/10/2007 08:58)
nampalahelo tokoa ny mahita ireo mpivahiny hitady ravin'ahitra...nefa d zavatra tsy ampoizin'izy reo no miandry azy,ny tena nahalitika ahy d le oe tamin'ny fotoanan'ny bombardement b reny,ny mpiasa hidin dry zareo an trano,zareo lasa mitsoaka tsss.

ary ilay nitaraina tsy nihinan kanina...nanenina avy za nijery an'ilay emission .tsy tiako eritreretina tsony fa mankarary fo
73. booboo ( 20/10/2007 09:02)
Mihanta > nenà lay tany @ hopitaly no hatr@ zao tsy matiko lolo hoe gli aza ve izy zay sa mba nanakory ...:?
74. mihanta ( 20/10/2007 09:17)
72. Mpandefa : booboo [ Valio ] 20-10-2007 11:02:58
Lohateny : Re : LIBAN,mbola mitohy ny asaratsin'ireo mpanondrana olona an!
Mihanta > nenà lay tany @ hopitaly no hatr@ zao tsy matiko lolo hoe gli aza ve izy zay sa mba nanakory ...



ontsa ery za nahita an'ilay izy akia.dia tsy mba enjehin'ny eritreritra ve ireny mpampiasa ireny amin'ny zavatra ataony?


nefa anie ny mahagaga dia misy foana ny mazoto hande hankany.
tsy zakan'ny saiko nahita an'ilay taraina bdb,mahita ny sasany any am pigadràna.


T@ conclusion no nasian'ny mpanao gazety resaka kely mikasika ny malagasy: " Tsy afaka miady sy mitaraina akory satria tsy manana masoivoho any liban. "


iny koa tena nanohina b ahy an.
75. Samoana ( 20/10/2007 09:30)
Efa nisy resaka lavabe nifanaovan'ny namana mikasika iny liban iny koa teto dia niharitra niari-tory mihintsy hijery ilay reportage mba hanazavazava kokoa ny saina e !....saingy indrisy fa mainka maloky ny hatezerana sy ny alahelo...raha tsy hoe manitatra angaha ny journaliste!!!
76. yonikafopl ( 20/10/2007 12:17)
Tsy teny betsaka no ataoko sy ho lazaiko , tamin\'ny vadiko mbola tsy nandeha taty Dago, dia curieux be izy hijery reportage momba an\'i Madagasikara, efa betsaka ireny reportage mampalahelo mandeha momba an\'i Madagasikara, fa reportage iray izay no tena hitany, olona mihinana fako sy miady am le firoerana zaoridira, tanana maloto, olona maintikely sy misafotofoto amin\'ny loto. Rehefa nahita iny izy dia tsy nanaiky ny handeha taty Dago mihintsy, nefa noresena lahatra ihany dia izao tonga aty izao. Nahita anefa izy fa ilay hitany tamin\'ny tele dia tsy ilay realité hitany mivantana, ny noeritreretiny manko dia i Madagasikara iray manontolo no ohatran\'ilay hitany .

Ny tiako hahatongavana dia izao, tsy lavina fa misy dia misy tokoa ny Libanais ratsy fitondra mpiasa, nefa tsarovy fa tsy izy rehetra. Tsy hoe raha misy gasy tratra nangalatra dia aseho tele miharihary hoe mpangalatra, dia ho avy hitsara ny olona hoe mpangalatra daholo ny gasy ka izay gasy hitany dia maharikoriko azy daholo.

Marina tokoa ny tsy fisian\'ny masoivoho mpiahy ny malagasy teo aloha, tsy hie tsy nisy fa nisy concule honoraire ihany saingy tsy hita izay fanampiany, amin\'izao fotoana izao dia efa nosoloina vaovao ny consuke ka hinoako fa hisy ny fivoarana.
Noho ny tsy fisian\'ny mpiahy ny malagasy no antony nanolorako tena hiaraka hiasa amin\'ny birao izay manafatra mpiasa mba hahazoako manao intervention raha misy ny olana. asa toy ny asa rehetra io, tsy maintsy misy ny olana na avy amin\'ny mpampiasa na avy amin\'ny mpiasa, fa izay marimaritra iraisana no tadiavina hamahana ny olana.Eo anivon\'ny birao mpikarakara ny fametrahana ny mpiasa no vahaolana voalohany, na ny any Liban na ny aty Madagasikara ireo birao ireo no mifampiraharaha amin\'ny mpampiasa, ary koa manana ny fahalalahana rehetra hataony amin\'ny mpiasa .

Tsy ho voasakana ny fandehanana any Liban raha tsy mbola manakana izany ny fanjakana malagasy satria misy foana ireo maniry ny handeha na dia be aza ny mpanakivy azy ireo, fa ny hiarovana ny zon\'izy ireo no imasoana sy hezahana .

Ilay lalana momba ny mpiasa antrano dia mbola betsaka ny convention tsy neken\'ny Liban, betsaka ny antony , raha ny momba ny fitazonana ny resaka pasipaoro indray dia marina io hoe eny amin\'ny aeroport io dia ny polisy no mandray ny pasipaoro ary dia omeny ny mpampiasa iny, ary ny mpampiasa indray no manome azy ny birao. Ny antony fantako mahatonga izany,dia mba ho fiarovana ny tombotsoan\'ireo mpampiasa izay nandany vola nanaovana visa sy niantoka ny sarandalan\'ilay mpiasa satria efa nisy taloha ny mpiasa izay tonga tany Liban, nanana possession ny taratasiny rehetra dia nitsoaka nandositra tsy nisy antony goavana , betsaka ny tranga toy izany ka nahatonga ny fanjakana nandray fanapahankevitra satria ny olony (Libanais) mandany vola. Ohatran\'ilay resaka Bahamas io, ny malagasy nandany vola nandoavana caution sy ny rehetra avy eo tsy hita izay asa, dia niditra antsehatra ny fanjakana ary nanery ny hamerenana ny volan\'olona lany.

Rehefa miantoka ny tenany ilay mpiasa, miantoka ny sarandalany, sy ny fikarakarana ny visa, dia afaka mangataka izay karama ilainy, afaka manao izay tiany hatao, manana possession ny taratasy momba azy rehetra.Fa raha mbola ny mpampiasa no moiantoka dia mbola ambany fahefany.

Diniho amin\'ny saina tsy miangatra , ary meteza ianareo eo amin\'ny plasin\'ny hafa.

Eo amin\'ilay fampijaliana kosa dia eo anivon\'ny birao no ilana fandraisana andraikitra sy mila hentitra . Raha ohatra ny anay dia misy cas maromaro ka raha mandika ireo ny mpampiasa na ny mpiasa dia mandray fanapahankevitra izahay tompon\'andraikitra.

Na ny eto Dago aza dia be ny mpiasa antrano mijaly tsy hitan\'ny tompon\'andraikitra, betsaka ny nandalo tato aminay nitaraina ny nanaovan\'ny karaka sy ny Maorisiana azy ireo saingy dia tsy hitan\'ny tompon\'andraikitra, araka ilay fitenenana hoe varivarian\'ny lavitra ka tsy mahita ny ambanin\'ny maso.

Tsy antery ny fandehanana any Liban, tsy terena na vozonana ny malagasy hiasa antrano any Liban. SAFIDY io ary safidy malalaka, mbola aty Dago dia ampahafantarina daholo ny mafy rehetra hozakaina,voaboasana daholo ny lafiratsiny sy lafitsarany rehetra, dia anjarany ny mieritreritra.

Misaotra .

77. yonikafopl ( 20/10/2007 12:19)
kay lasa betsaka ihany le teny,:wink:
Misaotra anareo namaky
78. Samoana ( 20/10/2007 13:13)
( Misy fanazavana mahavelom-panantenana ireo nosoratan'yonika ireo satria efa misy ezaka hanatsarana hatrany ny lesoka teo aloha ataon'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Raha fifanazavana toy izao hatrany no itondrana azy dia inoako marimarina fa dinidinika mahasoa no hitoetra eto fa tsy fifamaliana boraingina eo @ samy namana mpisera:wink:)

Raha iverenana ny resaka liban, misy vinavinan-kasa mivaingana ve ifandraisan'ny consulat sy ireo agence mpikarakara ny mpiasa malagasy ( Oh: recensement mba hananan'ny tsirairay avy carte consulaire, fifanarahana mba ahafahana mangataka @ mpampiasa hamela ny malagasy hivoaka 1 andro hifety miaraka ny andron'ny fahaleovantenany,na noely na taombaovao ... ). Zavatra pitiny nefa entina ampisehoana ny teratanintsika hoe tsy adino akory izy ireo na mitrongo an-tany lavi-kavana aza
79. mihanta ( 20/10/2007 15:10)
Eo amin'ilay fampijaliana kosa dia eo anivon'ny birao no ilana fandraisana andraikitra sy mila hentitra . Raha ohatra ny anay dia misy cas maromaro ka raha mandika ireo ny mpampiasa na ny mpiasa dia mandray fanapahankevitra izahay tompon'andraikitra.


efa mahafinaritra klou raha misy ny fanatsarana tahaka zany.
amiko aloha an,satria mandray fepetra ny mpampiasa,dia ny mpiasa koa zany tokony mba omena karazana assurance ihany(ohatra oe raha marary izy tokony ho charge-n'ny mpampiasa fa tsy avela ftsn amzao )

dia miombon kevitra amlay voalazan samoina hoe tokony mba mivoaka andro fety fa tsy asa lava isanandro tahaka ny voalaza tamlé reportage.
hatsaraina atrany ny fiaraha monina.
80. mihanta ( 20/10/2007 15:14)
76. Mpandefa : yonikafopl [ Valio ] 20-10-2007 14:19:48
Lohateny : Re : LIBAN,mbola mitohy ny asaratsin'ireo mpanondrana olona
kay lasa betsaka ihany le teny,
Misaotra anareo namaky


mba misaotra anjiko aza manazava ny zava misy akia koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1416