LIBAN,mbola mitohy ny asaratsin'ireo mpanondrana olona an!

21. mavvoo ( 23/05/2007 12:59)
Tsy hoe sanatria fa TENA MIARO,raha nilaza ianao fa nandinika sy namaky ary,mba avereno vakina kely izay efa voasoratra t@ lohahevitra tetsy ambany sy zay rehetra namaly tao.Ataoko fa mahay mandinika araka ny voalazanao ianao ka d diniho tsara ary,izay vao manao critique.Ny hoe hilaza ny anarana,tsy tsara ny milaza anarana eto fa hasakasak'izay te-hitonotena teto taloha.Fa misy fotoanany daholo ny zava-drehetra na tsy miseho gazety aza fa mety hiseho Tele ary tsy ho ela intsony akory .@ zay fotoana izay angamba hazava tsara aminao ny momba azy .
22. bozyboleta ( 23/05/2007 15:34)
Ozy Tsong.
sa ianao tsy mamaky afa-tsy ny TARATRA .


Ary fantatr'i Tsong zany fa t@ gazety TARATRA no nisy io annonce io an!
Io gazety io ry Fiffi no nanaovana an'io fitadiava mpiasa io.
Hojereko le adiresy sy le nº tel de horesahiko @ mpanao gazety namana mba hanaovan-dry zareo fanadihadiana, fa mampalahelo raha tantara ratsy no hiafaran'ny olona alefa any.
23. Tsong ( 24/05/2007 07:07)
Ka mba mpamaky gazety ihany anie aho ry bozyboleta e! ka aona moa no tsy fantatro hoe io no namoaka ny annonce ilay any Amboditsiry izany, le izy ary toa manana n° statistique, sy Nif ka ny fahazoako izany dia efa fantatry ny fanjakana ny fisian'io birao io, nefa tsy haiko aloha fa aleo poronina ihany fa alako ny lainga e
24. Tsong ( 24/05/2007 07:17)
Za koa tamin'ny Alatsinainy tamin'ny vaovaon'ny radio RDJ naheno reportage momba an'io birao ao Amboditsiry io de ny Gerant no niteny tao Lehilahy fa tsy vehivavy no niteny sady nitonona fa Gerant io birao ao Amboditsiry io, niteny fa mandefa ankizy any Liban
25. yonikafopl ( 25/05/2007 18:04)
Ny fanontaniana apetrako voalohany koa dia ny hoe inona marina ilay hoe mpanondran\'olona araka ny fanontaniana nataon\'i tsong? toy ny manondrana zavatra izay tsy manantsafidy ve sa manondrana biby tsy afaka manda ? sa inona? dia ny malagasy ve zany noterana nandeha taty Liban natosika niditra ny avion?? sa ahoana marina?.Afaka mitsikera izay tianareo hitsikerana ny momba anay ianareo, na inona tanjonay ny amin\'io na inona,fa ny tiako ho fantatrareo, matoa ny fanjakana ,hatrany amin\'ny Ministera ka hatrany Mahazoarivo,nanome fahazoandalana ho anay handefa olona hiasa aty Liban,dia ataoko angamba fa tsy zavatra ratsy no ataonay. Raha misy manana fanakianana sy fitarainana , tsy tokony eto no hanaratsy sy ho avo vava, fa mandehana mitory any amin\' ny Ministera miaraka amin\'ny porofo, fa ny anaran\'ny ankizy rehetra izay nalefanay misoratra any daholo, ary misy compte rendu any isaky ny misy zavatra mitranga amin\'ny mpiasa malagasy izay karakaraiko aty na ratsy izany na tsara.
Betsaka tokoa ny miantso mitaraina amiko aty Liban, tsy haiko hoe iza no manome ny numero-ko azy ireo, saingy dia omeko valy boraingona sy tsy raharahiako tokoa satria tsy andraikitro ny mikarakara azy, tsy ny biraonay no nandefa azy ka tokony any amin\'izay nandefa azy izy no mitaraina.Nanampy ny sasany ihany aho noho ny amin\'ny samy malagasy, nefa naleoko najanona tsy noraharahiana intsony fa toa izahay indray no hananganan\'ny sasany vovona, ka raha misy sahy mijoro fa olona nalefan\'ny biraonay ka mijaly, dia tokony mandeha manao fitarainana any amin\'ny ministera izy.
Betsaka dia betsaka tokoa ny malagasy mijaly aty noho ny ataon\'ny mpampiasa, saingy dia jereko fotsiny izy ireny satria anarana tsy fantatro sy tsy fantatry ny fanjakana.Izaho akory tsy milaza fa ny olona alefanay dia tsy misy olana mihintsy, misy ireo izay misedra olana ,fa ataoko angamba fa niezaka nitady vahaolana foana izahay taty, na tsy afaka mijery serasera sy tsy afaka mamaky gazety aza ny ankizy aty, afaka miantso ny fianankaviany isambolana izy,afaka manoratra taratasy,afaka mifampita vaovao izany.
Ka aza dia variana mitatatata sy manaratsy re rey olona, fa raha manana porofo ianareo fa mijaly ny olona alefan\'ny birao Amboditsiry dia ndana torio any amin\'ny Ministera eeee!!
Ka ny fanjakana malagasy ( ny Ministra sy ny Praiminisitra ) nanao sonia ny fahazoandalan\'ny birao any Amboditsiry ve izany mankasitraka ny fanondranana olona??? raha lazaina fa mpanondrana olona izahay satria dia fantany tsara fa olona halefa hiasa aty Liban??????????.
26. yonikafopl ( 25/05/2007 18:07)
Ary ataoko angamba ry Hery fa tsy natao hitsikerakerana ity sehatra ity fa natao hiseraserana, sa izay ve no atao hoe DEMOKRASIA???
27. hery ( 25/05/2007 21:06)
Oups.. fa olona fantatr'i yonikafopl kay no voalaza eto sa olona fantatr'i tsong.

Araka ny fitsipika eto @ serasera dia fafana ny hafatra manalabaraka anaran'olona sns. Efa misy anarana voatonona ve aloha? Raha misy olona voatohitohina ny vie privée-ny dia hofafaina ny hafatra.
28. yonikafopl ( 26/05/2007 07:43)
Afaka mijery ny dinika misy resaka Liban ngamba i Hery fa misy anarana any, izany no antony namalianay.
29. methode ( 26/05/2007 12:12)
MIandry izay tena marina za fa efa betsaka izay resaka izay! Iza no tena manana ny marina!
30. mavvoo ( 26/05/2007 19:00)
Io zany ry Fiffi ny source fa io efa mitonontena io a!Nasesiky ny razana!Eto moa d samy afaka manadio tena eto daholo,fa Mcar anie tsy ilaozan'ny risoriso e!Dia ahoana ilay mpanao passeport?Dia ahoana ilay mpanao visite medical,Sa... mandeha @ aradalana daholo izy ireny???
Misy fotoanany ny zavadrehetra,fa mbola any antany lavitra ny havanay ,ka aleonay mangina ,fa refa tonga aty kosa izy d ho hita eo zany hoe olona nalefa tsy nijaly izany !
31. xxx ( 27/05/2007 07:33)
hay ve ka ry yonika no mpikarakara ny mpiasa malagasy mandeha any e!
32. hery ( 27/05/2007 11:06)
Raha ny fahazoako ity resaka ity dia tsy ry yonika irery no manolotra an'io service io (tsy antsoiko hoe mpanondrana olona satria tsy tahaka ny fanondranana kisoa sy omby sy vary sy vanilla). Ny olana matetika rehefa betsaka toa izany ny manao an'ilay service dia lasa généralisé hoe "ry zareo"... kanefa mety ny hafa.

Koa izay manana fampitandremana hatao dia afaka manoratra eto, tsy maninona. Fa raha toa ka hoe fitoriana tianareo hatao momba ny olona mikarakara ka anananareo porofo dia any amin'ny manam-pahefana no mety hisy vahaolana kokoa.
33. xxx ( 27/05/2007 11:27)
Mitady mafy an' DÖ efa lasa ela tany liban antaona maromaro lasa izay ny vady amanjanany ( Voahangy, Iangotiana, Tsanta):cry::cry:
miala tsiny re olona sao d mamaky an'ity mantsy ilay olona io a
34. rina7 ( 27/05/2007 12:49)
Marina fa tsy ry zareo irery no mandefa fa kosa izay olona mitaraina ange mba anotanianay ihany hoe iza no nandefa e!Dia milaza ry zareo,ary tsy hoe fanendrikendrehana akory fa zavanisy ny voalaza teto.Ary nisy aza ny nokasihiny tanana mihitsy.Misy ny nialany fotsiny d lasa ilay ankizy no mi debra seule.Asa raha voavakin'i Hery tsara ny resak'i Kolikoly sy ny valintenindry zareo.Dia mbola mitohy eto in-1 kay zany.
Tsy nisy nitonona azy ange fa ry zareo no enjehin'ny ataony d mitonontena voalohany e!ARY NY ADY ATY D MBOLA MITOHY FA D MAMPILAZA Z TE-HO ATY AN!
35. Maxou ( 01/06/2007 11:49)
Bonjour! Marina fa msiy ireo mpanafatra olona hiasa aty , fa ny tsy mazva amin'ny tsirairay dia ity na ny mpanafatra na ny hafrana dia samy tys hisy hilaza akory hoe misy maloto ny tenako fa samy hiaro tena daholo . ka hoy aho hoe:ny mahatonga an'izy 2 vavy voalaza eto dia satria izy ireo ihany no manan taratasy legal avy amin'ny fanjakana malagasy fa ny sasany kosa dia tsy misy fa miafina , refa tonga aty ireo olona ireo dia omen'ilay mpanafatra antsokosoko ny num tel ny Haingo aty Liban hoe ra misy olana dia ity olona ity antsoy . Ny olan misy anefa dia zavtra tsy misy ventiny akory fa ny Gasy angamba refa hoe hiasa aty dia nihevitra ny hiadana sns. fa raha hoe samy ho tononina eto ny anaran'ireo mpanao izany dia mahfantatra betsaka aho fa sao mampiady mnako fa tsy izany no tanjona eto amin'ny serasera.mba diniho fotsiny fa betsaka tamin'ireo Libnanais nanfatra ankizy hiasa aty sy niara-niasa tamin'ny Libanais no tratra nangalatra sonian'ny ministre tamin'ny fikarakarana taratasy tao amin'ny surete ary navoka gazety taty Liban , koa mba jereo amin'izany.samy mifankafantatra ireo Gasy manfatra ankizy ireo aty fa ianareo tys mahita any no anaovan-dreo resabe fotsiny , problemn'izy samy mpanafatra io fa za idirana, mifanaratsy de amin'izay mifangalatra clinet sns......... zava-misy izany ary fantatro ihay koa , fa izay mamaky ity ka manana olana ,ka nahtafintohjina azy dia manorata amin'ny adresy e-mailaka ko fa zaho sahy milaza directe ny zava-misy eto.na ny mpiasa dia mano faute ihany koa, etsy andaniny ny mpampiasa , tsarovy fa ra vao misy olana ny mpiasa dia miantoka ny mpnafatra mandoa ny lnay rehetra izay mitentina ho 3000$ eo ho eo , ny sasany anefa dia mody marary , mody manao adala sns.....fa raha ianareo no miara-miaina aminay eto dia tsy mahita tsikera hatao fa samy miankina amin'ny safidiny io.
Ny any an-toerankafa tsy azo aleha satria sarotra , ny vola tsy misy sns.... ny miditra eto anie ka iantohana ny rehetra !Ny tsy laviko fotsiny dia misy ny patron tsotra ary misy ny patron ratsy , eo no ilaina ny agence mba hamindra ilay ankizy amin'ny patron hafa , fa rah toa ka hoe faute avy amin'ny mpiasa indray no hidiran'ny agence dia tsy possible.
Ny ataon'ny agence fotsiny dia ny ,manara-maso ny karaman'ny mpiasa ara-dalana tys mahazo mikapoka ,misakafo ara-dalana ,miantso any Mada 1fois par mois,iantohana ny rehetra ao an-trano . ny ankioatra izay tsy idiran'ny agence , ny olan madinika dia ny famindrana azy amin'ny mpampiasa hafa fotsiny .ataoko angamba fa mahavoavaly ny hafatra nalefa io ,fa na ny Mada na nay an-tany haf dia samy misy ny mpampiasa manalika,izany no nahatonga ny agence mamindra ny tsy tamana.fa ireo ankizy milaza nisy olana ireo dia fantatray daholo na ny anarany fa rizareo tsy te hiteny ny fauteny aminareo mihitsy fa zara aza misy hanilihana azy.
koa aoka samy ho malina amin'ny resa-be. efa karohina aloha izao ireo mpanfatra antsokosoko ,ary ny ara-dalana kosa dia efa misy mpanara-maso amin'ny activité ataony.
Misaotra e!
36. rina7 ( 01/06/2007 17:13)
:{:{:{Ny ataonao aloha jerena ry Maxou vao miteny ny hafa a!Miverimberina eto foana ny teny hoe"ARADALANA"sy ny hoe "TSY ARADALANA",mba aradalana ve ny nataonao io,raha nanafatra olona ianao?8O
37. xxx ( 02/06/2007 05:44)
Ary fantatr'i rina7 nga i Maxou no hoe ny ataony aloha jerena vao miteny ny hafa??????
Dia mba averiko aminao eto koa ny hoe ny ataonareo aloha ry rina7 jerena vao miteny ny hafa a
38. Maxou ( 02/06/2007 09:35)
Oh ry rina7 a!
Fa inona ity nataoko, mbola tsy nisy zavatra nataoko matoa za sahy milaza ny point negatif sy positif eto amin'ny serasera.Ary mbola tsy nisy olona nohafarako toy ny voalazanareo eto Liban,ka nilako vola hiditra ny paosiko , fa ra misy tsy mety ataoko dia tongava aty amiko miresaka mivantana, moa ra tsy sahy , alefaso ami'ny mailaka.vonona amin'ny fifampiraharahana aho.
Sa.........voan'ny tsindry paingotra mafimafy tany ho any ka toa taitra tampoka ,ary za ra mandefa eto amin'ny serasera tsy manova pseudo ary sahy milaza ny marina fa tsy toa ny sasany tsy te ho fantatry ny vahoaka io.fanga nareo naman'ny le mpanao an le izy no toa tezitra be ry rina7 a! hafa kely indray izay.
39. sarindraimipika ( 05/06/2007 15:47)
Inareo dia varina ny hifampitsara eto fotsiny!Ny sasany izany avy manaratsy ny sasany lasa manatsara indray!Ny sasany nanontany sopapa angamba vao namaly na dia efa ela2 ihany no nahita an'ity resaka ity!Rehefa nijery ny mombamomban'ireo izany mamaly eto tsinona aho dia toa hitako fa misy mpikambana efa ela no mamaly eto!Sa vao izao vao nahitsikaritra an'ty rsk'ty na koa natahotra niseho sehatra raha tsy hoe efa malaza ilay resaka!Sa koa zavtra hafa mihintsy,tsy mazava loatra kou/
Asa na inona marina ny zavatra mitranga ao Liban ao! fa toa resaka be no samy milaza fa HO MARINA daholo ! Resaka efa lava be tany aloha tany de tsy tany no notohizana fa mbola Samy MANAMARITENA eto daholo ary MIFANONONTONONA anarana sy MIFAMPITSIKERA na lahy na vavy!Izany ve ry reto no ataon'areo Malagasy rehefa hoe mipetraka any andafy(Liban io an):-DMahamenatra marina e:evil:!
40. Fiffi ( 05/06/2007 16:33)
"sarindraimipika":
Rehefa nijery ny mombamomban'ireo izany mamaly eto tsinona aho dia toa hitako fa misy mpikambana efa ela no mamaly eto
heu....am fomba ahoana no nahitanao ny mombamomba an'reo mpikambana ato ireo ? :-w:-w:-w satria raha tsy nofenohinao ny mombamomba anao de tsy ho afaka ny hijery ny momba ny hafa enao an ! :{
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3439