Las de Nicolas

21. voromailala ( 01/05/2007 10:45)
Fanampimpanazavana kely:

- Ny eto Frantsa raha mampikarama mpiasa iray 1000 euros ohatra ianao dia 1000 euros eo ho eo koa ny charge alohan'ny Orinasa. Izay no mahatonga ny orinasa manao delocalisation amin'izao fotoana.

- Ny Retirety ny olona antitra amin'izao fotoana dia ireo olona miasa amin'izao no mandoa azy.Lasa ela velona anefa ny olona eto frantsa, ka raha zao no mitohy dia afaka 10 taona mahery any dia tsy misy retirety intsony.

Hitenana anao hoe raha olona tsy mahay resaka ekonomika
sy internationale (ohatra an'i Segolene) no tonga eo dia hiakatra be ny vidimpiainana eto Frantsa.
22. bozylove ( 01/05/2007 11:21)
[size=13px]na sego na sarko , efa vahiny aloha dia ho voaraka daolo atsy ho atsy. Ary hiasarotra ny ahazaona taratasy

Sarko hitler kely:evil:
sego miseho anjely kely :wink:[/size]
23. Ralay ( 01/05/2007 18:17)
Tsy misy an'izany fa aza mirediredy ry bozylove rehefa mba nahazo taratasy :-D
24. Stretch ( 01/05/2007 18:46)
hein, asakasakao vazà. . .
25. kelly13 ( 01/05/2007 19:04)
ny valise-ko klou d efa vonona e :-D:-D:-D
26. Stretch ( 01/05/2007 19:07)
malalaka ny alokaloka manga aty moramanga retsy ra tsy matahotra moka a !:-D
27. kelly13 ( 01/05/2007 19:12)
defa isao toearna malomaloka sy le be be moka zany za fa za kou oul reevn'ny moka mintsy e :-D
28. Stretch ( 01/05/2007 19:14)
okay zany e !
reverzeko , asiko tsangambato ,
miaraka am rasitla sa mandé cheula ?:°)
29. kelly13 ( 01/05/2007 19:18)
cheula fa rapenina tsy hita trasy kou, mety narary kibo ngamba fa nilaiso manga tany ananona tany :°)
30. Stretch ( 01/05/2007 19:22)
okay !
hotadiaviko ihany lery sao de lasany tondradrano.
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Confus/perdu-cherche-carte.gif[/IMG]
31. kelly13 ( 01/05/2007 19:26)
d aza adino hono oe ny manga manta anaovana lasary sy kasy krouty. miseo ho dadany b kou nge lery mijery ialy map e :-D:-D
32. Fiffi ( 01/05/2007 19:27)
Ralay:
Tsy misy an'izany fa aza mirediredy ry bozylove rehefa mba nahazo taratasy :-D
f'ita hoa eh ! :{:{ :-D:-D:-D:-D


33. tywa68 ( 01/05/2007 19:45)
voromailala : tsy mandà ny hiasa plus hahazo plus aho, raha tena marina zany (à quel prix nefa e ?) ary tena misy ve zany (ary hanaiky zany ve ny patron-nao ?) Efa fantatrao fa voatery hiasa h@ 65ans enao vao hahazo retirety (raha hahazo!!!), ka asa inona no hanaovanao 42h na plus par semaine !!!

Ohatran'ilay 35h ihany io = misy manao an'ilay izy tsara, misy mizizo sns... Zà aloha an'isan'ilay faly mahazo RTT e !

Ny retirety lazainao efa ela no tsy ampy satria miha-betsaka ny antitra, ary ela velona be, nefa ny tanora hiasa hi-financer azy tsy misy, satria lafo loatra ! tsy maintsy manao épargne enao vao hanana fa tsy hanantena ny homenao isambolana @ karamanao (satria iny aza tsy ampy hono).

Ka raha hampiady olona foana no ataon'ilay Sarko, sy tsy hi-régulariser ny olona miasa clandy, zay afaka hi-cotiser @izany dia asa iza no tsy misaina @izy dahy ireo !!! ny olona anie tsy mangataka ny hoe ho vazaha fa hoe homena ttsy hahafahana miasa e !

Aza manahy @i Ségo enao fa nanao fianarana ohatran'iretsy ampita izy, ary efa nitondra région koa aza, ary ny ministres miara-miasa aminy mahay daholo fa tsy hoe vendrana akory ! sady izy tsy marary saina ohatran'i sarko nilaozambady in-2 sa impiry, misy antony dhl zany !

Ny vidimpiainana dia tsy noho i Ségo fa ny maha-euro azy mihitsy no maha-tonga izany ! ary tsy haiko maninona no hanao plus i sarko, alors qu'il pouvait le faire nandritran'izy tao @ gouvernement !! (mampitahotra sy mandrangitra olona no tena hainy e).




34. fijo ( 01/05/2007 21:57)
za teo nifidy bayrou fa izao hifidy sego
35. voromailala ( 01/05/2007 23:50)
tywa68:

voromailala : tsy mandà ny hiasa plus hahazo plus aho, raha tena marina zany (à quel prix nefa e ?) ary tena misy ve zany (ary hanaiky zany ve ny patron-nao ?) Efa fantatrao fa voatery hiasa h@ 65ans enao vao hahazo retirety (raha hahazo!!!), ka asa inona no hanaovanao 42h na plus par semaine !!!

Ny hanaovana 42h na plus par semaine dia mba ahazahoana vola betsaka kokoa hanomanana ny ho avy, retirety sns....

tywa68:

Ohatran'ilay 35h ihany io = misy manao an'ilay izy tsara, misy mizizo sns... Zà aloha an'isan'ilay faly mahazo RTT e !

Iza moa no tsy faly rehefa mahazo RTT, kanefa raha manana RTT ianao nefa tsy manana vola handehana vakansa sy hialana voly hatao inona ny RTT?


tywa68:

Ny retirety lazainao efa ela no tsy ampy satria miha-betsaka ny antitra, ary ela velona be, nefa ny tanora hiasa hi-financer azy tsy misy, satria lafo loatra ! tsy maintsy manao épargne enao vao hanana fa tsy hanantena ny homenao isambolana @ karamanao (satria iny aza tsy ampy hono).

Raha tsy ampy anao ny karama isambolana ahoana moa no ahafahanao manao epargne?


tywa68:

Ka raha hampiady olona foana no ataon'ilay Sarko, sy tsy hi-régulariser ny olona miasa clandy, zay afaka hi-cotiser @izany dia asa iza no tsy misaina @izy dahy ireo !!! ny olona anie tsy mangataka ny hoe ho vazaha fa hoe homena ttsy hahafahana miasa e !

Fa iza no milaza fa hiregulariser ny olona miasa clandy Segolene? cas par cas hoy izy.


tywa68:

Aza manahy @i Ségo enao fa nanao fianarana ohatran'iretsy ampita izy, ary efa nitondra région koa aza, ary ny ministres miara-miasa aminy mahay daholo fa tsy hoe vendrana akory ! sady izy tsy marary saina ohatran'i sarko nilaozambady in-2 sa impiry, misy antony dhl zany !

Tsy manda mihintsy aho hoe manana fahaizana i Sego, fa ilay fotompisainana Socialiste hijoroany no tsy hiombonako hevitra aminy


tywa68:

Ny vidimpiainana dia tsy noho i Ségo fa ny maha-euro azy mihitsy no maha-tonga izany ! ary tsy haiko maninona no hanao plus i sarko, alors qu'il pouvait le faire nandritran'izy tao @ gouvernement !! (mampitahotra sy mandrangitra olona no tena hainy e).

Marihana fa tsy nandritra ny 5 taona izy Ministry ny Finance, kanefa dia nahavita nampihena ny vidin'entana tamin'ireny Grande Surface ireny. Kely hoy ianao kanefa mbola izy rery ihany no efa nahavita an'izany.



36. tywa68 ( 02/05/2007 06:15)
voromailala:


Ny hanaovana 42h na plus par semaine dia mba ahazahoana vola betsaka kokoa hanomanana ny ho avy, retirety sns...



Dia ho hita eo zany ho betsaka ho voangona izany(rhfa gli rerak'ilay fanenjehana azy anie dia tsy mitondra na 1 centime e :lol:) Samy mifidy ny tiany io. :wink:

Iza moa no tsy faly rehefa mahazo RTT, kanefa raha manana RTT ianao nefa tsy manana vola handehana vakansa sy hialana voly hatao inona ny RTT


Ndry arakarak'ilay vakansa io ! raha hanao tour du monde en 48h enao ahoana no haha-possible izany, fa raha haka TGV sy avion (misy ny billet mora @ internet), inona no olana ? tsy mila vola be zany raha tsy hoe miditra hotely 5 étoiles nareo !


[/quote]
Raha tsy ampy anao ny karama isambolana ahoana moa no ahafahanao manao epargne[/quote]

Tsy haiko aloha fa mahavita manangona enao na dia 30 isambolana, raha tsy lany @ setroka sy toaka e !

voromailala:

Fa iza no milaza fa hiregulariser ny olona miasa clandy Segolene? cas par cas hoy izy.


bien sûr na i ségo na i sarko tsy afaka ny hiala @ lalàna e na misy aza ny mamorondainga hoe bobaka be ny immigrés (fampitahorana no tena antony) !!!


voromailala:

Tsy manda mihintsy aho hoe manana fahaizana i Sego, fa ilay fotompisainana Socialiste hijoroany no tsy hiombonako hevitra aminy


Azavao kely eto hoe inona ilay fotopisainana socialiste hijoaroany tsy tianao ?

voromailala:

Marihana fa tsy nandritra ny 5 taona izy Ministry ny Finance, kanefa dia nahavita nampihena ny vidin'entana tamin'ireny Grande Surface ireny. Kely hoy ianao kanefa mbola izy rery ihany no efa nahavita an'izany.


Ary adinony zany ny nampihena ny lasantsy, ny jiro, ny vidin'ny trano sns... :-D:-D Maninona fotsiny no be d be ny olona makàny @ resto du coeur sy ny associations samihafa e ! satria nihena hoy ianao ny vidin'entana ??? koa na ampiana 5 ans aza zany tsy ampy satria tsy zany no fototr'ilay olana e !

Ny tiako tenenina anao d ny hoe rehefa tsy misy raisina enao satria salarié pauvre, d mitovy @ireny ihany satria ny pata be vola avela maka ny exonérations rehetra tadiaviny, hi-exploiter-na olona (tsy mi-embaucher en CDI akory), d avy eo mitsoaka any ivelan'ny France handositra ISF ! ka na ahenan'i sarko aza ny impôts @izany, olona firy no hi-bénéficier an'izany ??

Ary raha tsy te-handoa 1 mois de salaire enao dia ovay ny situation-nao fa aza manao célibataire e !:wink:

37. tslem ( 02/05/2007 06:25)
tywa68:

Ary raha tsy te-handoa 1 mois de salaire enao dia ovay ny situation-nao fa aza manao célibataire e !:wink:



ovaina fami nombrezy :-D:-D:-D
38. tywa68 ( 02/05/2007 07:12)
tslem : zany an :lol:
39. voromailala ( 02/05/2007 10:08)
tywa68> voalohany aloha tsy celibataire aho :-).

manaraka izany ny tsy hitiavako ny fotopisainana socialista eto frantsa dia mampahantra ireo izay nifofotra ka manomboka tafita sy efa tafita, hanomezana ireo mahantra.

vahaolana: hampiana daholo na ny mahantra na ny manana.

Matoa ny olona iray tafita be manakarena dia notolona mafy teo amin'ny fiainana, raha tsy hoe nahazo loto sy nandova angaha, ka hitako hoe rariny raha mitsoaka france izy amin'ny fandoavana ISF (impôt de solidarité sur la fortune).

Mino aho angambany fa te hanakarena daholo isika rehetra.
40. sakaizakely ( 02/05/2007 12:40)
za te hanankarena
fa tsy hitako ze ho fidina satria tsy misy voako izy roa.
de miokonokona eto aho aloha
miandry ny débat rahariva vao manapakevitra :?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2709