Nisy fihovana ve gasikara?
1. niryna
(
26/04/2007 06:59)
Miarahaba antsika rehetra indray aho.Andro tsara no nitsidihako an'i dago na dia efa vonona ny ho kotsan'ny orana aza aho.Tsy nisy intsony ny orana nandritra ny iray volana.Izao vao nisy orana indray hono.Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.Variana aho nijery ireo olona tsy mba misatroka na tsy mitondra elo fa mahazaka.Vazaha be no filazan'ny olona ny tena fa fotsy botsiaka hono8)8).Hitako fa toa maitinkely tokoa aloha ny olona e,mety vokatry ny masoandro mipoaka izay tsy manao fiarovana no mahatonga izany.Betsaka ny fiara sy ny trano mijoalajoala.Ny fandrosoan'ny atsimondrano no tena nahavariana.Vita soa amantsara ny lalana bypass avy any Imavoloha mandeha hatrany Ambohimangakely iny.Betsaka tokoa ny fepetra narahin'ny mpiara-monina tamin'ilay lalana ary tena mahafinaritra tsy misy toa izany ny mandeha amin'ilay arabe vaovao.Feno hipoka ny mpitsangantsangana nandritra ny fotoanan'ny Lundi de Paques.Tsy mahazo manangana tsenatsena kely eny amoron-dalan'ny bypass ny olona saingy rehefa manomboka ny zoma dia feno fivarotana sakafo sy fialamboly samihafa toy ny soavaly,cheval de bois,fiarakely,kerimesy sns ny toerana tsirairay mandra-pahatongan'ny Alahady.Ny zavatra nampihome kely sy nampalahelo dia nisy olona couple-telo samy hafa teo no nisavoritaka fa tratran'ny tompom-bady nampiaraka teny amin'ny bypass ny vadiny:roll:ary dia mifampisintona volo izany tsy misy toa izany.
Fananarana: mitandrema ihany fa na ilay lahy no namitaka na ilay tovovavy no mila vola ka miaraka ny vadin'olona.Mampalahelo fa izany no nitranga tamin'ny fotoana fohy fotsiny.
Madio ny tanana ary afaka manao akanjo tsara daholo ny olona satria samy afaka mividy izay tandrifiny avy.Tsy dia feno olona mahia kely intsony fa toa fenofeno izany na ny ankizy aza ka hisaorana ny Tompo izany.Feno tsenankely daholo izay helan-kelantrano Ny mpivarotra indray no betsaka noho ny mpividy.Izay indray ary aloha fa mbola ho tohizako amin'ny manaraka.Saiky feno trano mijoalajoala sy hafakely ny toerana andalovan'ny bypass ary dia miroborobo toy izany ihany koa ny vidin'ny tany sy ny fividianana azy.Misy hisaintsainantsika izany fa tsy atoro isika.
(l)niryna

novalian'i niryna ny 12/05/2007 06:40
2. rush
(
26/04/2007 07:59)
"niryna":tsy mahazaka andro hono le gasy mipetraka ety ivelany e!
Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.
"niryna":sady lasa vazah sy nihafotsy boboka hono e!
Vazaha be no filazan'ny olona ny tena fa fotsy botsiaka
"niryna":dia lasa mainty kely hono ny olona e!dia aza tohizana raha tahaka izao ny tohiny fa gasy mitovy @ nao hiany izy ireo e!
Hitako fa toa maitinkely tokoa aloha ny olona e
3. jefra
(
26/04/2007 08:33)
Misaotra am fitantarana.
Miandry ny tohiny, satria toa mbola ny renivohitra no voaresaka. Sa ve moa Antananarivo no tena izy :wink:
Miandry ny tohiny, satria toa mbola ny renivohitra no voaresaka. Sa ve moa Antananarivo no tena izy :wink:
4. mim
(
26/04/2007 08:33)
ary ny lohateny dinika hoe fa kay fihovan'ny mpandefa ny dinika ho lasa vaza tonga tany an-tanindrazana raha izany!
6. tisera
(
26/04/2007 09:56)
:)dia miandry ny tohin'ny tatiry ny dian'i nyrina é! ny tsikera tsy maintsy misy fa dia samy manana ny fomba fijeriny é! ny fiovana araka ny fijerin'i nyrina izany izao no arahantsika eto @ ity dinika ity.
7. tisera
(
26/04/2007 10:00)
tsetsatsetsa tsy aritra: firy taona tsy nahita ny tany dago moa izany i nyrina raha tsy mahadiso é!
8. caprio
(
26/04/2007 10:27)
rush>> nareo koa toa manankiana fotsiny fa ny zavatra hitany anie no tantarainy e,fa tedavinao lazaina we fotsy ndray ary ve rehefa hita zao we mainty
10. hery
(
26/04/2007 11:26)
rush>
- Tsy mahazaka masoandro ny gasy mipetraka aty ivelany. Misaora an'Andriamanitra raha mbola mahazaka ianao :-)
- Misy gasy fotsy dia lazain'ny gasy sasany hoe vazaha be... tsy hadisoan'ilay vazaha be izany. :-) raha mainty izy dia mety no nantsoin'ny sasany hoe mainty kely. Misaora an'Andriamanitra raha toa tsy fotsy be na mainty kely ianao :-)
- mainty ny gasy... tsy mahamenatra izany. (ianao angamba menatra)

11. rush
(
26/04/2007 11:37)
hery>>>>fa nga hono any dago hiany no misy masoandro mamay e?raha hampitahiana @ masoandron'ny any US tsy misy dikany ny any dago satria any aza mahatratra 45degré ary firifiry ny olona maty isan-taona?nefa any dago tsy hahenohina hoe matin'ny hafanana ny olona!
13. botrabotra
(
26/04/2007 11:45)
ary noheveriko fa ny fiainana, fandrosoana ara politika sy ny sisa no ho lazain'i nyrina, hay moa volonk'hoditra:^):^):^)
14. hery
(
26/04/2007 12:03)
rush> Ary noheveriko fa ngoda be zany US izany ka hoe misy toerana mangatsiaka sy misy toerana mafana. Atao ahoana fa tsy dia maharaka loatra ny tena ka miala tsiny e :-)
15. niryna
(
26/04/2007 12:12)
rush:
[quote="niryna"]Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.tsy mahazaka andro hono le gasy mipetraka ety ivelany e![quote="niryna"]Vazaha be no filazan'ny olona ny tena fa fotsy botsiakasady lasa vazah sy nihafotsy boboka hono e![quote="niryna"]Hitako fa toa maitinkely tokoa aloha ny olona e,dia lasa mainty kely hono ny olona e!dia aza tohizana raha tahaka izao ny tohiny fa gasy mitovy @ nao hiany izy ireo e!
rush a zavatra nitranga ireo ka izany no hitantarako azy.Tsy satriko aza mba mandeha tsy mitondra satroka na tsy mitondra elo toy ny rehetra:P:P
Asa vokatry ny toerana misy sy ny toetany dia tsy azo lavina ny fihovan'ny tsirairay.Na ny peratra mariaziko aza dia nisy dian'ny fotsy rehefa nalana :roll:
Vokatry ny hafanana no nahatonga ny olona ho mainty ka na izaho nandalo fotoana kely aza dia nahazo loko kanefa tsy niala ny fiara matetika ary tsy nety hipetraka teo aloha intsony fa nivalimainty ny tanana:lol::lol:
16. niryna
(
26/04/2007 12:13)
mim:
ary ny lohateny dinika hoe fa kay fihovan'ny mpandefa ny dinika ho lasa vaza tonga tany an-tanindrazana raha izany!
Angaha mim tsy namaky tsara hoe mbola ho tohizako ny diako.:lol::lol:
17. niryna
(
26/04/2007 12:21)
tisera:
:)dia miandry ny tohin'ny tatiry ny dian'i nyrina é! ny tsikera tsy maintsy misy fa dia samy manana ny fomba fijeriny é! ny fiovana araka ny fijerin'i nyrina izany izao no arahantsika eto @ ity dinika ity.
Izay mihitsy e.Marina ny teninao.Raha mba tehizara ny zavatra mety mahasoa ny hafa ny tena toa mila hiverindalana sahady kanefa anie tsy ho vidiam-bola na hamerina ny frais fa mizara maimaipoana e:P:P.Izany indray aloha dia tsy ahasakana ahy ny tsy hizara ny fahasoavana sy ny fifaliako nandalo ny gasikarako e indrindra rehefa naheno ny hira hoe "Madagasika tanindrazanay ,tany sarobidy masina tokoa ,lova soa nomen'ny razanay taloha ,maty ho anao no tena lazanay..Mitsangana ry tanora,mitsangana fa aza manana ahiahy,izao no andro izao no ora...."Izay moa ilay izy e.8)o^oo^o:miam:
18. niryna
(
26/04/2007 12:24)
xxx:
aleo tsy hiteniteny zavatra eto fa ho avy eo indray zao linarako2:@
bjr xxx ,mba nalahelo ahy ve aloha ianao e.Izaho nalahelo antsika rehetra.Antsoy antaribia aza i linarako2 fa mila azy ianao e .:P
19. niryna
(
26/04/2007 12:28)
caprio:
rush>> nareo koa toa manankiana fotsiny fa ny zavatra hitany anie no tantarainy e,fa tedavinao lazaina we fotsy ndray ary ve rehefa hita zao we mainty
Misaotra rush a.Manahirana ny miresaka rehefa tsy mifanaraka ny tao anatin'ny sainao ny olona e.Tsy kivy fa samy manana ny fandraisany an-tendrony daholo indraindray e.Manao dika vilana matetika no mitranga dia manaraka ny hafa.Mbola hitohy hoy aho ny resaka.Tohizako sa hajanona ho ahy sy ireo namako manokana marobe?
20. niryna
(
26/04/2007 12:32)
hery:
rush>
- Tsy mahazaka masoandro ny gasy mipetraka aty ivelany. Misaora an'Andriamanitra raha mbola mahazaka ianao :-)
- Misy gasy fotsy dia lazain'ny gasy sasany hoe vazaha be... tsy hadisoan'ilay vazaha be izany. :-) raha mainty izy dia mety no nantsoin'ny sasany hoe mainty kely. Misaora an'Andriamanitra raha toa tsy fotsy be na mainty kely ianao :-)
- mainty ny gasy... tsy mahamenatra izany. (ianao angamba menatra)
Misaotra betsaka hery a.Mety ho hadinon'ny olona anie ny filazana rehefa manontany aty ivelany ny vahiny hoe avy aiza no nihavianao ka milaza ianao hoe afrikana dia mihiratra ny masony e.Tsy manambany na manambony tena sanatria fa izany afrikana izany hono amindry zareo dia ireny olona be molotra,ngirika kely ny volony ary be vototongotra hono no fahalalany azy.Dia ahoana inona indray no hitenenana ny tena?:roll::roll: