Nisy fihovana ve gasikara?

61. tisera ( 03/05/2007 11:40)
izaho aloha dia mankafy ery mamaky ny vaovao avy any @ nyrina é! hafa mantsy ny fijerin'ny maso rehefa elaela tsy mipetraka eo an-toerana é! moa isaky ny misy olona avy nanao vakans tany dago aza moa aty dia tsy maintsy manontany foana hoe :inona indray no vaovao any sns koa dia moandry ny tohin'ny resaka avy @ nyrina é!.... izao karaoke izao koa no toa reko hoe lasa be dia be sy be mpandeha ? ary nyrina ve tany @ faritany hafa ivelan''Antananarivo?
62. niryna ( 03/05/2007 17:04)
tisera:

Ny mahagaga ahy koa dia efa noteneniko hoe na inona akanjo anaovanao dia fantan'ilay olona hoe vahiny foana ianao.Mba nandeha nanotany fanaovana nify aho fa tsy dia maika ilay izy fa nanontany fotsiny,tsy nanontany anarana ilay dokotera fa tonga dia nikapa be ary nanontany izy hoe rahoviana ianao no hiverina? gyyy ..ny zavatra tokony ho atao tsy mbola misy resaka koa ny hiverenako no anontaniany.
Toamasina dia maloto be ary mivangongo ny loto vao miditra ianao,tafaresaka an'ny president aho tamin'ny diako farany tany foulpoint ary noresahiny fa ilay mpitondra ao no tsy mety manao fa avelao ho hitan'ny olona eo ny asany.
Ny mahavariana ahy koa dia misy olona tonga dia mahandro sakafo ho an'ny olona na firy na firy no isany ary sakafo masaka no ateriny any amin'ny hotelinao.

63. Ratoa ( 10/05/2007 15:48)
tisera, niriyna."hano fa adala tompo!"
Mety mievitra izay marina ny sasany amin'ireo olona tonga eto. Ny hafa kosa anefa dia avy hatrany dia hita fa tena sahirana, avy any ambany volo any. Izaho akory tsy mitady valiny avy amin'izy ireo fa malahelo aho mijery azy dia tsy maharitra.
Ny tiako ho lazaina dia ny hoe: ny toetsaintsika sy ny fiarahantsika amin'ny hafa na aty ivelany izany na eny antoerana dia tena mbola mila fivoarana betsaka satria simba tamin'ireny fotoana nihafiana be ireny.
Ary ilay vola gasy anie mbola iva dia iva na mihohatra amin'ny vola afrikana aza ê! Anefa fa isika samy mahalala fa manan-karena i Madagasikara. Na haren-tany izany na haren-tsaina na fahaizana isankarazany.
Manontany tena aho matetika hoe:"ho aiza ihany izy ity?". Na dia aty ivelany aza ny tena tsy mahafoy ireo any an-toerana ka!!!
64. niryna ( 12/05/2007 06:40)
ratoa :* :cry:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7158