Nisy fihovana ve gasikara?

41. niryna ( 28/04/2007 00:31)
rrgmt:

Ary tsy mba nandeha tamin'ny boulevard de l'Europe angaha Niryna, afaka miainga amin'ny marai masay-Analamahisty dia mandeha mankany amin'ny 67 ha misosa mahafinaritra ery.
Kanefa koa hono toa misy làlana simban'ny cyclone teo tao Iarivo ? sa ahoana ?:?:

Iny no lalana haingana sady tsara indrindra rehefa avy any atsimo mianavaratra na mifanohitra izany.Misy fofona ilay rano rehefa antoandro mipoaka iny tsy fantatro hoe rano avy aiza ilay izy aloha.Misosa tokoa mandeha amin'iny ka.Betsaka ny lalana simban'ny cycolne ary tena mivoaka daholo ireny vatovato kely ireny ka manimba ny fiara hoy ny mpamily.

42. niryna ( 28/04/2007 00:44)
Ny tanana indray : mahafinaritra ery ny mijery ireny sary lehibe ireny toy ny avy any ivelany.Vao haingana no nisy an'io aloha raha ny fitadidiako azy.
Ny zavatra nahavariana ahy koa dia fatana izay vita amin'ny carreaux ny manodidina azy ary ametrahana vilany roa ka indray mandeha ihany dia miara-masaka ny vary sy ny laoka.Fatana vita amin'ny fandrahoana taimbakona io ka tsy maloto intsony ny vilany fa toy ireny mampiasa gas ireny ,kely ny vola mivoaka fa tsy mividy charbon intsony ary miara-masaka ny sakafo satria taimbakona kely fotsiny no asitrika dia mandady mankao amin'ny fatana roa ilay lel'afo ary misy cheminee hivoahan'ny afo.Toa io daholo indray no ataon'ny olona any sady tsy mividy ilay taimbakona fa omena fotsiny any amin'ny mpanao fanaka vita amin'ny hazo.Taty aoriana dia lasa fidiram-bola ilay izy:P:P
Na izany aza tena azo hiriranana mihitsy ary mba afa-pahasahiranana ny vahoaka izay efa mahalala an'io fatana vaovao io.Tsy mitovy ilay fatam-pera ireny ilay izy fa hafakely mihitsy sady manatsara ny lakozian'ny olona no tsy maloton'ny charbon intsony ny tanana.:roll:
43. ratonga ( 28/04/2007 01:22)
niryna:

fijo a omeko dera Izy satria nisy antso izay tsy nampoiziko nataoko tamin'izaho nandeha tany dago

:roll::roll:;-)
misaotra mitantara ny dihy tany tena mahalina b mitsy, ny indro kely fotriny amiko le resaka a/tra tsisy farany, fa io mo samy manana ny heviny ka tsy hifanomezatsiny.
firy taona izao i niryna no tany farany talohan'io :?:
44. niryna ( 28/04/2007 03:19)
ratonga:

)
misaotra mitantara ny dihy tany tena mahalina b mitsy, ny indro kely fotriny amiko le resaka a/tra tsisy farany, fa io mo samy manana ny heviny ka tsy hifanomezatsiny.
firy taona izao i niryna no tany farany talohan'io :?:


Tsy dia ela loatra fa vao haingana ihany na izany aza dia misy zavatra hita niova ihany koa.
Miresaka Atra tsy misy farany aho satria nisy asa lehibe izay tsy nampoiziko nitranga tany dago ka izany no hiantsoako sy hisaorako Azy tsy mitsahatra.

45. tslem ( 28/04/2007 06:45)
ary niryna ve nandalo teny am tsenan anosibe, manôna ny làlana? mbola ôtran lé notokanan'i jacques chirac iny ihany sa efa gijagija ? mba misy mpanao ramassage v?
46. tamberina ( 28/04/2007 11:28)
mahafinaritra ny dian'i nyrina,mbola tsy ampy ary hisaorann tokoa Andriamanitra fa raha tsy teo izy nanatrika ny dia dia tsy nisy akory zany nahitàna ny tanindrazana!tohizo fa izahay antoerana tsy mahita marina ny fiovàna.
47. ratonga ( 28/04/2007 12:37)
:evil:inona ihany ary ity fisaorana tsisy farany an a/tra ity, i niryna no misaotra mbôla leoko ihany fa izy no nanao vôkansy, fa ny namana hafa tena tsy azoko lé pa:?: ôtrany ôtomatika fotsiny:^)
tamberinafa:

...raha tsy teo izy nanatrika ny dia dia tsy nisy akory zany nahitàna ny tanindrazana...

tsy naitàna ny tanindrazana ahoana ary :roll:
ngà tsy mividy biylé AR dé vita
48. niryna ( 28/04/2007 12:50)
tslem:

ary niryna ve nandalo teny am tsenan anosibe, manôna ny làlana? mbola ôtran lé notokanan'i jacques chirac iny ihany sa efa gijagija ? mba misy mpanao ramassage v?

Saika mitovitovy daholo ny tsena rehetra.Fotoanan'ny fivarotana zana-boninkazo izao.Miteny izany tokoa aho fa sendra nividy zana-boninkazo izahay tany Foulpointe ary ankizy mbola tanora sy reny mitrotro zaza daholo no manantona mitangorina aminao mivarotra firavaka sy voninkazo.Rehefa nanontany ity zaza mbola tsy ampy 15 taona aho ny antony tsy andehanany mianatra intsony dia hoy izy hoe maro izahay ka izaho no manampy an'i mamanay amin' ny fiaianana.Mitombona io satria maro ny fianakaviana na tsy manan-dray fa lasa ry zalahy nitady tombom-barotra sy fitiavan-tena ary mandositra adidy na tsy manan-dray mihitsy ny ankizy satria nisy tanora nilaza fa tsy mahafantatra ny rainy izy na tsy fantany izay misy azy amin
izao fotoana izao.Mampalahelo e saingy ny tiako ho tenenina dia tsy mba mijoro amin'ny fahamarinana mihitsy ny olona hatramin'ny zavatra kely indrindra ka hatramin'ny zavatra lehibe indrindra.Izay zana-bonikazo nofonosin'ireo olona efa ho enina ireo ka novidianay dia tsy nisy na iray aza nisy fakany fa toy ny akoso-bolamena fotsiny.Nofonosiny karazana bozabozaka ilay izy ary dia hoy ry zareo hoe maniry ao anaty rano ilay izy.Rehefa natao tao anaty rano ka nanaraka ny fanazavany dia nandamoka sy maimbo eraky ny trano.Rehefa nosokafana ilay vodim-bonikazo,tsy nisy izany fakany kely efa mitsiry izany na iray aza.Ny rojo moa dia vao nanaovana dia tapaka, voa andeha omena ny ankizy dia mipitika daholo ilay voana voninkazo nolokoina ka tsy afaka nomena ny ankizy ilay izy fa mahamenatra.Mampihomehy kanefa tena mampalahelo ilay toetra.Very vola kely aho kanefa ilay olona no tena mampalahelo ahy satria tsy fantany fa raha zatra mamitaka lava ianao tsy ahatonga anao ho aiza mihitsy izany.Toerana lavitra no nitondrana ny zanaboninkazo kanefa dia fitaka no setriny.:cry:
Ny lalana kosa aloha dia mbola voahaja tsara hatramin'izao ary vao namorona tetezana ambonin'ny tany indray aza ny fanjakana hiampitan'ny olona ery ambony ery mba tsy hisian'ny accident sy ny embouteillage.Ilay lalana bypass no tena tsara sy tiako indrindra,miala amin'ny fotoana very sy ny fiara maro ny olona.Jereo tsara fa tsy misy 20 mn akory dia tonga any avaradrano - Analamahitsy mankany amin'ny bypass Atsimondrano hatrany hakaikin'ny lalana ho any Andoaranofotsy iny.Tsy tadidiko ilay anarany fa mi-pardon.Rehefa tadidiko dia teneniko:roll:

49. niryna ( 28/04/2007 12:54)
tamberina:

mahafinaritra ny dian'i nyrina,mbola tsy ampy ary hisaorann tokoa Andriamanitra fa raha tsy teo izy nanatrika ny dia dia tsy nisy akory zany nahitàna ny tanindrazana!tohizo fa izahay antoerana tsy mahita marina ny fiovàna.

Rsy misy fisaorana ka.Mahafinaritra ny mijery ny olona mihaingo.Satria afaka mividy izay tandrifiny avy ny olona no sady mora araka izay vola ananao hoy ny ankizy.

50. niryna ( 28/04/2007 12:55)
tamberina:

mahafinaritra ny dian'i nyrina,mbola tsy ampy ary hisaorann tokoa Andriamanitra fa raha tsy teo izy nanatrika ny dia dia tsy nisy akory zany nahitàna ny tanindrazana!tohizo fa izahay antoerana tsy mahita marina ny fiovàna.

Fanitsiana kely.Tsy misy fisaorana no tiako ho tenenina

51. niryna ( 30/04/2007 04:10)
Mikasika ny lalana indray dia misy didy toy izao mikasika ireo mpitondra fiara manomboka ny 15 juillet angamba izay raha tsy diso aho.Tsy maintsy manao fehikibo daholo fa raha tratra ka manadino na tsy manao dia voan'ny sazy.Tsy dia nahita ireny police manao affaire ireny intsony koa aho izay maka ny permit rehefa manao fahadisoana ary dia asiany miverina mandoa vola ilay chauffeur.Misy fimenomenomana mikasika ilay fehikibo.Tsy zatra ny olona ary manadino foana.Ny manaraka dia toa mijaly hono ny chauffeur taxi raha manao fehikibo satria efa nisy maty tsy afa-nandositra vokatry ny tsy fahafahana miala rehefa raikitra ny combat amin'ny olon-dratsy
52. xxx ( 30/04/2007 06:59)
nandalo teny am pétite vitesse ihany moa i niryna d mety mba niampita kely teo ampitan gara ngamba e! mbola mande sy matsiro tsara v lé vary amin anana sy gaufre eo akaikin'ny plaza?
53. Ratoa ( 30/04/2007 13:52)
Bjr daholo
Marina daholo ny voalazana ry niryna. Na iray vola monja aza dia ahitàana fiovana Ary mahafinaritra daholo ireny.
Ny hoe fotsy sy mainty: izahay aty Sénégal ianjadian'ny masoandro sy afanana anefa di fotsy izahay rehefa tonga any Dago ary ireo zarazara miverina avy dia tonga mainty moa ireo mazavazava manjary menamena tahaka ny akoho mendy. Mahagaga ô? Samihafa ny toetany.
Momba ny fandrosoana indray, dia tokony ho hita eo amin'ny vidimbolantsika (cours de change du FMG)sy ny vidinjavatra izany . Hoy ny zandriko any an-toerana rehefa maneso ahy izy : "be ampanenoana tahaka ny volan'ny gasy". Ohatra raha hividy Télé, "millions" maromaro no tononina. Raha avadika vola vazaha na afrikana (CFA ohatra) anefa ilay izy tena kely foana.
Aiza marina moa no fiatraikan'ny fovoarana amin'ny vahoaka madinika, a na amin'ireo "classe moyenne" aza? Betsaka ny mandry fotsy... ao koa ireo tsy mihinana ny maraina ary mamàna ny sakafo atoandro ny alina. Ny vary amin'nizany moahafina atao vary soa. Ary ireo malagasy tonga eto, na mpianatra izany na mpiasa mandalo na chercheur dia mirangorango. Angonina daholo izay azo angonina. Ao ireo izay tsy menatra mitambesatra ara-tsakafo sy trano aminay valo votaka; ary tafaverina any Dago izy, na taratasy iray milaza tonga soa aza tsy alefany.
Ny toe-tsaina koa no manambara ny tena fiovana ka raha tsy miaraka amin'ireo telo nalazako ny voalaza sy voadinikao dia ankohosotra ihany.
Aoka ary isika hiezaka lalandava
54. tisera ( 30/04/2007 16:12)
hoy ratoa:
Ao ireo izay tsy menatra mitambesatra ara-tsakafo sy trano aminay valo votaka; ary tafaverina any Dago izy, na taratasy iray milaza tonga soa aza tsy alefany.

mampalahelo tokoa izany nefa indraindray io dia tena efa toetra raiki-tapisaka @ olombelona na ny vazaha , afrikana koa aza mantsy misy manao toy izany ihany an! saingy ny soa atao levenam-bola é!io ilay notennenin'i nyrina hoe mahafinaritra kokoa ny manome noho ny mandray é! raha tsy mahavaly ny soa ataon'ny tena ny olona dia Atra mahalala izany foana , sa ahoana?
55. xxx ( 30/04/2007 17:29)
niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray aho.Andro tsara no nitsidihako an'i dago na dia efa vonona ny ho kotsan'ny orana aza aho.Tsy nisy intsony ny orana nandritra ny iray volana.Izao vao nisy orana indray hono.Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.Variana aho nijery ireo olona tsy mba misatroka na tsy mitondra elo fa mahazaka.Vazaha be no filazan'ny olona ny tena fa fotsy botsiaka hono8)8).Hitako fa toa maitinkely tokoa aloha ny olona e,mety vokatry ny masoandro mipoaka izay tsy manao fiarovana no mahatonga izany.Betsaka ny fiara sy ny trano mijoalajoala.Ny fandrosoan'ny atsimondrano no tena nahavariana.Vita soa amantsara ny lalana bypass avy any Imavoloha mandeha hatrany Ambohimangakely iny.Betsaka tokoa ny fepetra narahin'ny mpiara-monina tamin'ilay lalana ary tena mahafinaritra tsy misy toa izany ny mandeha amin'ilay arabe vaovao.Feno hipoka ny mpitsangantsangana nandritra ny fotoanan'ny Lundi de Paques.Tsy mahazo manangana tsenatsena kely eny amoron-dalan'ny bypass ny olona saingy rehefa manomboka ny zoma dia feno fivarotana sakafo sy fialamboly samihafa toy ny soavaly,cheval de bois,fiarakely,kerimesy sns ny toerana tsirairay mandra-pahatongan'ny Alahady.Ny zavatra nampihome kely sy nampalahelo dia nisy olona couple-telo samy hafa teo no nisavoritaka fa tratran'ny tompom-bady nampiaraka teny amin'ny bypass ny vadiny:roll:ary dia mifampisintona volo izany tsy misy toa izany.
Fananarana: mitandrema ihany fa na ilay lahy no namitaka na ilay tovovavy no mila vola ka miaraka ny vadin'olona.Mampalahelo fa izany no nitranga tamin'ny fotoana fohy fotsiny.
Madio ny tanana ary afaka manao akanjo tsara daholo ny olona satria samy afaka mividy izay tandrifiny avy.Tsy dia feno olona mahia kely intsony fa toa fenofeno izany na ny ankizy aza ka hisaorana ny Tompo izany.Feno tsenankely daholo izay helan-kelantrano Ny mpivarotra indray no betsaka noho ny mpividy.Izay indray ary aloha fa mbola ho tohizako amin'ny manaraka.Saiky feno trano mijoalajoala sy hafakely ny toerana andalovan'ny bypass ary dia miroborobo toy izany ihany koa ny vidin'ny tany sy ny fividianana azy.Misy hisaintsainantsika izany fa tsy atoro isika.
(l)niryna



Milay doly ny volazanao e! namaky le boky "une psychopathe mène tout le monde en pirogue" ve ianao ?
De mba lazao ny troupe refa anjaran-dry stylo
sns....tsy votanisa no mankany dago



;-)


56. niryna ( 01/05/2007 05:24)
Ratoa, tisera a! Indraindray ny olona any amintsika manao hoe hano fa adala tompo.Angatahiny daholo izay eny aminao ary tsy fantatra intsony na sangisangy na tena izy.Izaho aloha manome fa tsy maharitra mijery e:roll: ary tena valizy maro dia maro mihitsy no noentinay nozaraina ny havana taloha, tsy ho resahiko eto ny isany fa tsy hino ianareo.Eny e rehefa miverimberina ny tena dia tena misy tokoa manararaotra kanefa mila mianatra fa tsy omena azy daholo akory izay tadiaviny.Samy manana ny fahazarany koa anefa ny tsirairay ary ny anay toa maminay ny fiarahana ny fianakaviana ka misy manome soketa hoe ianareo ihany no manao izany fa izahay tsy manao an'io.Raha tena tonga ny fodiana izany dia izay tokony ho ampy mandritra ny dimy taona ohatra mety ho telo taona latsaka dia tapitra 8O
Ny toekarena indray dia mety ho gaga angamba isika fa miakatra be ny toekarenan'i Dago amin'izao hitenenako izao.Ahoana koa izany? Rehefa midina be ny sandam-bolan'ny vahiny dia miakatra ny toekarena rehefa miakatra be ny sandam-bolan'ny vahiny dia midina ny toe-karena.Porofo izany fa misy fivoarana ao fa tsy dia mahita firy ny olona.
57. fijo ( 01/05/2007 21:59)
ka ny maso ivelany no mahit afiovana,fa ny efa zatra ao anie tsy hafaka hijery izany izy e.ary tsy misy fahadisoany iznay fa ny azy mbola ny ady amin'ny fiainana ao no mahamay azy
58. niryna ( 02/05/2007 04:59)
fijo:

ka ny maso ivelany no mahit afiovana,fa ny efa zatra ao anie tsy hafaka hijery izany izy e.ary tsy misy fahadisoany iznay fa ny azy mbola ny ady amin'ny fiainana ao no mahamay azy


fijo a marina izany na izany aza be olona mpanankarena sy manana fitadiavam-bola tsara ny olona any.Ny trano izany dia tena feno mijoalajoala sady hafakely mihitsy ny plan sy ny lokony a :miam::@
59. niryna ( 02/05/2007 05:04)
xxx:

nandalo teny am pétite vitesse ihany moa i niryna d mety mba niampita kely teo ampitan gara ngamba e! mbola mande sy matsiro tsara v lé vary amin anana sy gaufre eo akaikin'ny plaza?

ie nandalo teo aho nividy godasy ho an'ny ankizy fa nisy iray nila an'io.Be olona sy mifanitrakitro eo fa mamirapiratra sy vaovao daholo ny kiraro amidin'ny olona.Lazain'ny ankizy hoe ratsy hono fa tsara jerena.
Tena tsy nahita ilay vary amin'anana intsony aho ka,na tsy voatandriko.Toa mpivarotra akondro no nisy an'ireny taloha sy mpivarotra fatimby.Aleo mijery ilay tsena na betsaka aza.Ny behoririka eo amin'ny ranomaimbo taloha izay novaina zaridaina no tsara saingy feno mpivarotra vary amin'anana.

60. dadie ( 03/05/2007 11:34)
niryna
misaotra aki tam fitantarana ny zavatra tany dago ,fa za mpande any fa tsy tao an tsaiko ny mitantara ny zavatsoa azontsika any ,ny fiovan'ny gasikara alo d tena niova mihintsy ny travaux sns d itako ny fiatombony sy ny havitany ,fa ny tena nahagaga ahy tam fiovana d tao am aéroport ,tam nody noeveriko fa any paris ny tenako,ny lalana nolazaindry io dray d teo ampanaovana ry zareo d atsy ho atsy ho any dray za d ho itako eo,tsara alo e oatranay hody déf atsy ho atsy d bi1 mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 3.8767