Nisy fihovana ve gasikara?

21. niryna ( 26/04/2007 12:35)
botrabotra:

ary noheveriko fa ny fiainana, fandrosoana ara politika sy ny sisa no ho lazain'i nyrina, hay moa volonk'hoditra:^):^):^)


Aza maika fa ny diavolan-kolava ny kilalao mbola ho ela.Vao ny momba ahy sy ny zavatra niainako fotsiny no vao notantaraiko eto.Manetsabe mbola ho avy e.
22. niryna ( 26/04/2007 12:41)
hery:

rush> Ary noheveriko fa ngoda be zany US izany ka hoe misy toerana mangatsiaka sy misy toerana mafana. Atao ahoana fa tsy dia maharaka loatra ny tena ka miala tsiny e :-)

hery a tena ngodalanina be izy ary misy faritra mangatsiadava,misy faritra mafana ka any ny be antitra no mipetraka rehefa tsy miasa intsony saingy tratry ny cyclone lava dia potika ny tanana.Eny misy fotoana mafana be aty Amerika saingy ny masoandro mandoro no mahavariana any dago.Atao hoe akaiky masoandro angaha isika a.Ny akoho aza misohaka rehefa antoandro kou.Misy ny toerana rehefa mafana dia mafana fa tsy toy ny aty amintsika hoe manao akanjo mafana ny maraina dia ny antoandro manala akanjo.
Mahay zavatra Atra fa raha ny firenentsika no misy izany hoe mafanabe sy mangatsiaka feno neige izany aiza ny tany hiainana ;-)

23. botrabotra ( 26/04/2007 15:16)
de miandry zany zahay e!
24. xxx ( 26/04/2007 15:22)
atambaro ny valiny rehefa mamaly nyrina fa in-8 misesy ve e!
25. JR2 ( 26/04/2007 19:41)
yhihihihihihi toran'ny hehy aho @ i rush nefa anie toa any frantsa any izy io no mipetraka e!!!! ary toa mahitahita koa @ izay lol, sa i rush = fiffi?????:-P
26. xxx ( 26/04/2007 19:57)
niryna:

Miarahaba antsika rehetra indray aho.Andro tsara no nitsidihako an'i dago na dia efa vonona ny ho kotsan'ny orana aza aho.Tsy nisy intsony ny orana nandritra ny iray volana.Izao vao nisy orana indray hono.Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.Variana aho nijery ireo olona tsy mba misatroka na tsy mitondra elo fa mahazaka.Vazaha be no filazan'ny olona ny tena fa fotsy botsiaka hono8)8).Hitako fa toa maitinkely tokoa aloha ny olona e,mety vokatry ny masoandro mipoaka izay tsy manao fiarovana no mahatonga izany.Betsaka ny fiara sy ny trano mijoalajoala.Ny fandrosoan'ny atsimondrano no tena nahavariana.Vita soa amantsara ny lalana bypass avy any Imavoloha mandeha hatrany Ambohimangakely iny.Betsaka tokoa ny fepetra narahin'ny mpiara-monina tamin'ilay lalana ary tena mahafinaritra tsy misy toa izany ny mandeha amin'ilay arabe vaovao.Feno hipoka ny mpitsangantsangana nandritra ny fotoanan'ny Lundi de Paques.Tsy mahazo manangana tsenatsena kely eny amoron-dalan'ny bypass ny olona saingy rehefa manomboka ny zoma dia feno fivarotana sakafo sy fialamboly samihafa toy ny soavaly,cheval de bois,fiarakely,kerimesy sns ny toerana tsirairay mandra-pahatongan'ny Alahady.Ny zavatra nampihome kely sy nampalahelo dia nisy olona couple-telo samy hafa teo no nisavoritaka fa tratran'ny tompom-bady nampiaraka teny amin'ny bypass ny vadiny:roll:ary dia mifampisintona volo izany tsy misy toa izany.
Fananarana: mitandrema ihany fa na ilay lahy no namitaka na ilay tovovavy no mila vola ka miaraka ny vadin'olona.Mampalahelo fa izany no nitranga tamin'ny fotoana fohy fotsiny.
Madio ny tanana ary afaka manao akanjo tsara daholo ny olona satria samy afaka mividy izay tandrifiny avy.Tsy dia feno olona mahia kely intsony fa toa fenofeno izany na ny ankizy aza ka hisaorana ny Tompo izany.Feno tsenankely daholo izay helan-kelantrano Ny mpivarotra indray no betsaka noho ny mpividy.Izay indray ary aloha fa mbola ho tohizako amin'ny manaraka.Saiky feno trano mijoalajoala sy hafakely ny toerana andalovan'ny bypass ary dia miroborobo toy izany ihany koa ny vidin'ny tany sy ny fividianana azy.Misy hisaintsainantsika izany fa tsy atoro isika.
(l)niryna


manao interessante fotsiny i niryna e!=))=))
27. Fiffi ( 26/04/2007 20:17)
JR2:
yhihihihihihi toran'ny hehy aho @ i rush nefa anie toa any frantsa any izy io no mipetraka e!!!! ary toa mahitahita koa @ izay lol, sa i rush = fiffi?????:-P
JR2: heu....de miala tsiny am-nao kalou fa zah Fiffi an ! ary tsy zay olona aty frantsa de zah daholo an ! :roll::roll: tsy misy hidirako am rush an :!:


28. niryna ( 27/04/2007 05:06)
xxx a afaka milaza izay tianao ho tenenina ianao:lol:
29. niryna ( 27/04/2007 05:13)
niryna:

Tsy nisy intsony ny orana .
Nafana ny andro ary toy ny isan'andro mafana ary dia may ny tena satria tsy mahazaka andro.
Betsaka ny fiara sy ny trano mijoalajoala.
Ny fandrosoan'ny atsimondrano no tena nahavariana.Vita soa amantsara ny lalana bypass avy any Imavoloha mandeha hatrany Ambohimangakely iny.
Betsaka tokoa ny fepetra narahin'ny mpiara-monina tamin'ilay lalana ary tena mahafinaritra tsy misy toa izany ny mandeha amin'ilay arabe vaovao.Feno hipoka ny mpitsangantsangana nandritra ny fotoanan'ny Lundi de Paques.
Feno tsenankely daholo izay helan-kelantrano Ny mpivarotra indray no betsaka noho ny mpividy.
Saiky feno trano mijoalajoala sy hafakely ny toerana andalovan'ny bypass ary dia miroborobo toy izany ihany koa ny vidin'ny tany sy ny fividianana azy.Misy hisaintsainantsika izany fa tsy atoro isika.
(l)niryna

Nofintiniko izay zavatra nampanintona ahy.

30. niryna ( 27/04/2007 05:29)
Eo amin'ny fampianarana dia nahafinaritra ahy ny nijery ireo ankizy manao tablier mitovy.Nahatsiaro ny fahazazako aho izay tsy mba nanam-bola ny rar-niko hividianana akanjo hoentina mianatra ka tablier no nataony ho ahy.Tiako ilay izy amin'izay tsy miraharaha eo amin'ny fisoloana akanjo ny ankizy.
Ny sakafo indray dia fahavokaran'ny goavy,zavoka sy ny karazam-boakazo sady mamy no matsiro daholo izay sakafo nohanina.Misaotra an'Atra aho fa tsy narary kibo raha tsy efa andeha hody.
Ny fiangonana dia hipoka foana ary nandeha tany amin'ny chapel miteny anglisy aho ka nijoro vavolombelona.Mahafinaritra sy mahavariana ny mijery ireo malagasy mitondra ny zanany miangona amin'ny fiteny anglisy,sady mahazo fampianarana no afaka mifanerasera ny vahiny koa.
Vokatrin'ny rivo-doza dia saika potika daholo ny lalana ka io no nampalahelo kely.
31. Solitikabe ( 27/04/2007 05:39)
Ary tsy hitan'i Nyrina nga le papay teo akaiky trano efa lasa lava be. Mahafinaritra kambo fa tohizo eh.
Ary Analakely ve efa lasa Analabe sa mbola Analakely foana?
32. tslem ( 27/04/2007 06:18)
ary mba manao aôna ry niryna ny fikaretsahana sy fifanitsahankitro ao behoririka(avance center) sy ny eny am petite vitesse :?:
33. botrabotra ( 27/04/2007 07:16)
tohizo ry nyrina fa misy tena andrasako ho lazainao raha mitovy ny fijerintsika,mahaliana tokoa anie fa ny vahiny no tena mahita e!tsisy mahita arina an-tava hono mantsy.
34. niryna ( 27/04/2007 14:01)
Solitikabe:

Ary tsy hitan'i Nyrina nga le papay teo akaiky trano efa lasa lava be. Mahafinaritra kambo fa tohizo eh.
Ary Analakely ve efa lasa Analabe sa mbola Analakely foana?

Miresaka papay ianao fa tsy dia mbola masaka izy izao,fohikely ny papay any ampefy ary misy tompony sy marika daholo.Na ankizikely aza dia afaka maka ilay papay tsy mitovy ny ao tana ny ahafohiny:P
Miresaka ampefy aho dia mbola niverina tany tamin'ity diako ity na efa nahita ilay toerana aza fa ny mamako hono te-andeha any.Manao fananan'ny apostoly aho e,izany hoe fiteny any aminay io,izay omby fiara no mandeha ka mazana olona 9 no miaraka amiko mandeha mitsangantsangana,ny isan'ny olona fahanana ao an-trano moa dia teo amin'ny 10-19 teo,nahatratra io izahay tamin'ny andro fodiako.:roll::roll:
Araka ny nolazaiko taloha dia mahafinaritra ahy ny mizara no ny mandray.Mbola tiako ihany koa ireo havako izay faran'izay mahantra ka tsy mba afaka mamaly soa ahy na ny hafa izany.
Ny zavoka no saika leony aho,hi,hi,toa ireny ratsiana ireny ka izay hitan'ny masoko toa mahafinaritra ahy daholo eny fa na ny mangahazo andrahoana eny amin'ny vilanibe mipasaka ireny aza.Andray izany hatsarana mangahazo ry mama,miteny izany fotsiny aho dia tonga ny mangahazo,,,e..Fahafinaretana tamiko daholo izany ka zaraiko anareo e.Mbola hafa ihany izany misy reny na ray hivantanana izany.Mamy anie ry ireto ny fianakaviana indrindra rehefa lavitra azy ireo isika e.:cry::cry:
Analakely?Feno olona ary misy fanamboarana eo am-povoan'ny analakely amin'izao fotoana izao.Nandalo tany isotry aho araka ny filazan'i xxx sy andohatapenaka hi,hi.Feno olona sy tsy toin'ny fahatadiavako an'ny 67 ha intsony ilay toerana.Nandeha niangona tany aho matetika noho ny antson'ny Tompo izay tsy nampoiziko ny fandaharany nataony tamin'ny diako tany dago.Ho aiza daholo ireo zaza ireo rehefa lehibe?Hipoka sy feno olona anie tana e?Na dia vao haingana ihany aza izahay no nitodika tany dia feno vahoaka mihitsy indrindra ireo tanora tsy nahavita fianarana miakatra ny imerina mitady ravinahitra eny amin'ny fanaovana confection-ny karana sy sinoa.Eny soa ihany aza fa mba afaka miasa kely ny ankizy izay tsy ampy fivelomana sy tsy afaka manaotra amin'ny fianarana e.Teo no niala aho ka hitako izany fahangirifirin'ny te-hianatra kanefa tsy afa manaotra izany.Ny mety mahasamihafa azy dia nanankina ny fiainako tamin'Atra aho ka lalana tsy fantatro no nitondrany ahy.Efa nijoroako vavolombelona izany ary mbola hamafisiko ihany koa
(l)niryna
35. niryna ( 27/04/2007 14:08)
tslem:

ary mba manao aôna ry niryna ny fikaretsahana sy fifanitsahankitro ao behoririka(avance center) sy ny eny am petite vitesse :?:


Vao maika mangorompotsy ny toerana.Nisy ankizy tazainay nitady godasy fa mila hono izy ary dia nandeha niaraka taminy teny aho hividy izay ilainy ,vahoaka izany izaho koa moa tsy mba sahy mividy zavatra irery izany na miady varotra fa fantany foana hoe vahiny na dia manao akanjo kimosimosy aza aho,ny antony dia tsy fantatro mihitsy aloha e.Ny ankizy tao an-trano no nalefako niditra tany amin'ny petite vitesse nijery izay zavatra rehetra ilainy toy ny bas kiraro sy ny genouilleres sns .Behoririka? vao maika mifanitsakitro.Tsara kosa ny akanjo sasany a indrindra ilay jean ensemble misy marika puma :P.Toa lazain'ny ankizy fa mora simba hono ny zavatra fa tsara jerena fotsiny..:cry:
36. niryna ( 27/04/2007 14:16)
botrabotra:

tohizo ry nyrina fa misy tena andrasako ho lazainao raha mitovy ny fijerintsika,mahaliana tokoa anie fa ny vahiny no tena mahita e!tsisy mahita arina an-tava hono mantsy.

Alefaso aza ny fanontanianao dia valiakoa e.Misaotra tamin'ny fampaherezana.Mino koa aho fa ny fizarako azy eto dia toa mampanofinofy ireo namana lavitra e,na vao fotoana fohy fotsiny aza anie no nitsidiana tany dia misy zavatra hitan'ny tena foana hafa e.Ny fahadiovan'ny tanana,ny fijery ireo vahoaka mitondra kifafa andeha hanadio tanana isaky ny sabotsy na roa herinandro.Misy ny mialangalana ary tsy mety manao fa tsy maintsy manakarama olon-kafa raha tsy izany tratry ny diana.Tsy mbola hitako izany hoe isakin'ny mandeha any amin'ny fokontany ny olona iray dia mitondra karne rehefa manao zavatra fa jerevany ao daholo ny fanaovanao raharaham-pokontany na tsy nahavita ianao dia manome ny dina.Zavatra tsara izany ary mety efa nahita izany ny sasany tamintsika,misy koa anefa ny tsy mbola.Ny fitaizana ny olona mihitsy no hitako tsara ka nahatonga ny tanana nadio e.

37. niryna ( 27/04/2007 14:24)
HAFATRA :Ho antsika izay monina aty ivelany ,aza dia variana amin'ny fitadiavam-bola eo fa manaova zavatra any amin'ny tanana.Efa mihalafo daholo ny zavatra rehetra ary ny olona any maharopery ka rehefa manana tanjona tiany hatao izy dia ataony tokoa.Mahafinaritra ny miliba sy manao ny ataon'ny hafa fa asio eritreritra ihany ny ho avy satria ny saonjo iray lohasahy hono tsy ilaozan'izay hamarara.ka sao ianao taitra ny olona tsy taitra ka taitra irery vao mamaky takotra eo.Ny tiako omena antsika dia manaova zavatra any dago raha misy ny moyen fa aty ivelany ianao mahavita kokoa amin'ny vola aty ivelany.Ampio ny havana mahantra fa betsaka ireo mijaly,mizara izay kely hananao fa hain'Atra foana ny mameno izany aminao.Tena marina ny teniko fa tsy miambo aho sanatria,mahafinaritra ny mizara noho ny mandray.
(l)niryna
38. fijo ( 27/04/2007 21:27)
niryna an,toa andriamanitra foan ano mahazo dera ,nefa enao no nanao vokansy ko.
39. niryna ( 27/04/2007 21:32)
fijo:

niryna an,toa andriamanitra foan ano mahazo dera ,nefa enao no nanao vokansy ko.

fijo a omeko dera Izy satria nisy antso izay tsy nampoiziko nataoko tamin'izaho nandeha tany dago

40. rrgmt ( 27/04/2007 22:31)
Ary tsy mba nandeha tamin'ny boulevard de l'Europe angaha Niryna, afaka miainga amin'ny marai masay-Analamahisty dia mandeha mankany amin'ny 67 ha misosa mahafinaritra ery.
Kanefa koa hono toa misy làlana simban'ny cyclone teo tao Iarivo ? sa ahoana ?:?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0357