sampy

1. fijo ( 30/03/2007 22:29)
henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy
novalian'i prime ny 10/04/2007 14:40
2. kiranil ( 30/03/2007 23:37)
\"atsaharo\" hoy ingahy..

Dia hoy aho hoe::

Mety hisy tokoa ny hitsahatra, na dia milaza ny tenany ho kristiana aorianan\'ny famakiana ito lohahevitra ito, satria matahotra sy menatra an\'ingahy, fa raha izaho aloha dia vao mainka manamafy ny fanompoako Azy ary manamafy fa Jesosy Kristy, izay ambaran\'i Soratra Masina IRERY ihany no lalana tokana sy fahamarinana ary fiainana mankany amin\'Andriamanitra,

Ny famonjena natolony ho an\'izao tontolo izao teo ambonin\'ny hazo fijaliana irery ihany no nataon\'Andriamanitra mba hanantonana Azy fa tsy misy hafa (tsy maria, tsy papa, tsy bouddah, tsy razana, tsy fivavahana, tsy fiangonana, tsy asa soa,...)

Hoy ingahy hoe \"adala\" aho, dia hoy aho:: \"tsy maninona..\"

Ahoana hoy Jesosy Kristy izay henjenan\'ingahy aminay izay manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy::

[i]
\"Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany.

Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora izay manam-pahefana hanary any amin\'ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy.\" Lioka 12





http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/the_great_whore.htm


Misaotra
3. xxx ( 31/03/2007 00:03)
Raha ny fahitako azy dia te hampiresaka fotsiny angamba i Fijo. Fa iza no tsy mahalala ny fahasamihafan ny fanompoana sampy sy ny fanompoana Atra velona?
4. cutie ( 31/03/2007 00:03)
: fijo [ Valio ] 31-03-2007 00:29:54
Lohateny : sampy
henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy

refa mino ny sampy enao de finoana zay
refa mino an'i Jk koa de mbola finoana zay.
Samia misafidy :lol::lol::lol:
5. cutie ( 31/03/2007 00:04)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 31-03-2007 02:03:10
Lohateny : Re : sampy
Raha ny fahitako azy dia te hampiresaka fotsiny angamba i Fijo. Fa iza no tsy mahalala ny fahasamihafan ny fanompoana sampy sy ny fanompoana Atra velona?

bdb no mbola tsy mahalala :lol:
6. soanja ( 31/03/2007 02:18)
fijo:

henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy


Zah Kristianina fa zah tsy manenjika ny fanompon-tsampy satria samy manana ny hinoany ny olona ary safidy izany. Rehafa naheno ny tenin'Andriamaniatra izy dia efa milamina aho izay.
I Jesoa aloha tsy maninona na aNtsoina hoe sampy/ZANAHARY/Andriamanitra sns aza satria finoana daholo izany nefa ary mandaitra be mhitsiny Izy.
Ianao no tongava hihaino ny toriteniko ry Fijo!:D


7. ikaretsaka ( 31/03/2007 03:18)
samy manompo dia samy manana ny tompoany dia samy manana ny safidinhy
8. kiranil ( 31/03/2007 04:22)
Jesosy Kristy, ilay zanak\'ondrin\'Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan\'izao tontolo izao, tonga nofo tety an-tany, maty nisolo heloka ny maro, ary nitsangana t@ maty nandresy ny fahafatesana = TSY SAMPY VELIVELY..

Na ny mpanompo sampy roa samihafa aza tsy mampifangaro ny sampiny fa samy manana ny azy; koa nahoana no mampifangaro an\'i Jesosy Krity sy ny sampy izao tsy mety afangaro ary tsy hifangaro na oviana na oviana??

Misy foana ny \"jesoa\" sandoka mipoitra ary anisan\'izany ito rangahy ito::

http://youtube.com/watch?v=I15wsrNBxbI
na http://youtube.com/watch?v=VvElky4Qwe4

Any South Florida-USA any io rangahy io izay milaza ny tenany fa \"jesoa\" izay niverina fanindroany tety an-tany (second coming), manangombola @ mpanaradia azy, mandeha @ fiara anisan\'ireo tsara sy manana body guard mihintsy; manapanao tatooage 666 ny mpanaradia azy, ary manaparitaka ny hoe tsy misy ny fahotana, tsy misy ny helo ary tsy misy ny paradisa. [izay mifanohitra tanteraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra]


Ny Kristy sandoka dia voalazan\'ny Soratra Masina fa tsy maintsy hisy, kanefa izay manaja sy mankato ny Tenin\'Andriamanitra dia mahafantatra ny marina, ary afaka mitandrina mba tsy ho voafitaka:::

\"Ary amin\'izay raha tàhiny misy olona manao aminareo hoe: Indro, ety Kristy, na: Indro ery; aza mino hianareo.

Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana,ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany.\" Marka 13.

Misaotra.
9. xxx ( 31/03/2007 06:14)
fa inona marina moa noa atao hoe sampy e!?
10. tywa68 ( 31/03/2007 07:18)
kiranil : afaka niresaka tsy nampiseho sarin'i JP2 sy Masina Maria enao : amiko dia manao fanahy iniana, ary tsy izay akory no handresena lahatra, na hilazàna fa ny anao no marina kokoa, satria tsy hainao ny hivavahan'ny katolika. Izay tsy faly t@ fitondràna katolika niala, ary milaza fa manompo sampy sns... hahamora ny fialàna ! (nefa niady toerana no tena izy, te-hitondra koa, te-handidy sns...) Izay no maha-olombelona antsika, misy ny fisarahana satria tsy mbola manjaka ao @ tsirairay ny fitiavana sy ny fandriampahalemana navelan'i Kristy Velona. Manenjika mba hampandry saina. Samia maka ny safidy rehefa mahalala ny tantara sy ny tena inoany ary. Ho an'Atra irery ihany ny Voninahitra. Amen^:^


11. mandrak ( 31/03/2007 09:26)
fijo:

henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy



ra te afantatra bb koukou toi de mamaky baiboly :)

de honareo mpandresy lahatra andray de zao
--aza miezaka kory nareo oe zao no tena izy na izao, fa raha te anampiazy nareo de tsotra fotsny mivava hoazy, fa ny tompo ihany no mambotra ny fony aveo.
Misy mpanejika ve otrany Soly refa ela ny ela lasa mivadika Poly any izy @ farany
:)
12. piste ( 31/03/2007 10:14)
Ny an'i Fijo leoko ihany satria izy efa tsy mpino. Fa an'i Kyranil dia tsy azo ivalozana. Dia sahinao ve milaza an'i M.Maria ho makorelina, na dia niterahany an'i Jesoa fotsiny aza dia tokony hahazo minimum de respect aminao izy, eny na dia @ maha-kristianina anao. Ary ilay hoe "hail Maria, hail Satan". Matahora an'Andriamanitra ihany lahy.
Amiko misy mauvaise foi ihany ao @ingahy si izay finoanao arahinao ihany. Pourquoi viser toujours les Cathos ? Tadidio fa rehefa manomboka misy fankahalana(haine) ao @ ingahy dia tsy avy @ Fanahy Masina. Ary na dia @ maha-olombelona ihany dia tsy azo atao ny mi-violer na mi-dénigrer ny conscience n'olona. Ka mendrim-panajana daholo ny karazam-pinoana eto an-tany na Bouddhisme na Hindouisme, na ny finoan-drazana raha toa ka tsy manimba ny maha-olona.
FArany, tadidio fa ny Fariseo izay fatra mpivavaka no nahazo fanamelohana mafimafy kokoa t@ I Jesoa noho ireo lazaina fa mpanota( mpivaro-tena, busnessman, sns). Satria miseho manana ny marina ary manambany ny hafa no feno fihatsaram-belatsihy.
Aleoko lavitra miresaka @ athée( sincère) toy izay @ olona fanatika na extrémiste.

13. Fiffi ( 31/03/2007 11:29)
piste:
Ny an'i Fijo leoko ihany satria izy efa tsy mpino. Fa an'i Kyranil dia tsy azo ivalozana. Dia sahinao ve milaza an'i M.Maria ho makorelina, na dia niterahany an'i Jesoa fotsiny aza dia tokony hahazo minimum de respect aminao izy, eny na dia @ maha-kristianina anao. Ary ilay hoe "hail Maria, hail Satan". Matahora an'Andriamanitra ihany lahy.
tena tsy mahita lazaina zah @ io fa.....:(:(:(


14. ikaretsaka ( 31/03/2007 14:58)
fiffi: vade in pace , fides tua te salvam:wink:
15. booboo ( 31/03/2007 15:29)
Ary tena efa akaiky marina ny paka fa miteny @ fiteny tsy fantatra sahady Ikaretsaka...hihihihihi :°)
16. paris10 ( 31/03/2007 15:31)
fa mahagaga anie dia zao e:ny mpanompo sampy dia mivavaka @ olona, biby, sary, zavatra,misy ireo manosotra tantely, manondraka taoka,mametraka zavatra eo anoloan'ny statue zany e!mangataka eo, mivavaka koa, dia aona daolo zany nefa bdb any dago zany an!manginy fotsiny ry zareo mandende be mitondra kitapo reny, sady mitety trano an!
17. ikaretsaka ( 31/03/2007 15:40)
booboo:

Ary tena efa akaiky marina ny paka fa miteny @ fiteny tsy fantatra sahady Ikaretsaka...hihihihihi :°)



miteny latinina aho ry zanako ...
18. Salut ( 31/03/2007 17:27)
Tsara ny mitondra fanazavana kely: Ny atao hoe sampy de ireo rehetra asolo an'Andriamanitra eo amin'ny fiainana, izany hoe izay heverina fa ambony indrindra: sary, volana, masoandro, vola, sex, tapa-kazo, olona, sns...
Diso tanteraka fijo eto ka tsara ny manitsy azy satria izao:
1- ny zanahary tondroan'ny finoana gasy de: Andriamasinavalona, na Andrianamponimerina, na Ranavalomanjaka, sns... Izany hoe sampy ihany izany ireo fa tsy ilay tena Mpahary velively.
2- Tsy mpanelanelana velively amin'Andriamanitra ireo fa manakana antsika tsy hahita an'Andriamanitra.
3- Samy hafa ny fanompoana an'i Jesoa sy ny fanompoan-tsampy: ny iray voalohany mampivelatra ny maha olona, ny iray faharoa kosa mampiaina ao anaty tahotra lava sady tsy mampivelatra.
19. booboo ( 31/03/2007 17:34)
1- ny zanahary tondroan'ny finoana gasy de: Andriamasinavalona, na Andrianamponimerina, na Ranavalomanjaka, sns... Izany hoe sampy ihany izany ireo fa tsy ilay tena Mpahary velively.


Diso kounkou :wink:. Samy hafa ny Zanahary, Andriananahary, Andriamanitra sns ary ny sampy raha teo @ finoan'ny Ntaolo ....
20. booboo ( 31/03/2007 17:47)
3- Samy hafa ny fanompoana an'i Jesoa sy ny fanompoan-tsampy: ny iray voalohany mampivelatra ny maha olona, ny iray faharoa kosa mampiaina ao anaty tahotra lava sady tsy mampivelatra.


Ekeko ilay hoe samy hafa ny fanompoana an-dreo. Tsy iombonako hevitra kosa ny tohiny. Rehefa mandinika ny toeranan'ny sampy t@ fm taloha zà dia tsy mahita oul kanosa/"miaina anaty tahotra" : sahy mandeha miampita ranomasina hanafika sy haka andevo noho ny fahatokisany ny sampiny, ohatra iraika fotsiny io.
Ny hoe mampivelatra indray, ataoko fa ny ankamaroan'ny finoana aby aby samy mahakasika ny olombelona sy ny tontolony...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9147