sampy

21. Salut ( 31/03/2007 17:50)
Dia sahinao ve milaza an'i M.Maria ho makorelina, na dia niterahany an'i Jesoa fotsiny aza dia tokony hahazo minimum de respect aminao izy, eny na dia @ maha-kristianina anao. Ary ilay hoe "hail Maria, hail Satan". Matahora an'Andriamanitra ihany lahy.


Raha marina io voalazan'i Piste io dia azo heverina ho mpanompo sampy i Kiranil, satria
1- Jesoa hafa no inoany fa tsy Kristy velively. I Jesoa Kristy mantsy dia naterak'i Maria virijiny fa tsy makorela akory ny reny
2- Olom-boafidin'Andriamanitra manokana io renin'i Jesoa io ary efa voasoratra ao amn'ny Bokin'i Jenezy ka hatrany amin'ny boky fanambarana ny momba azy (vakio fa ao izay).
Manasa anao handini-tena fa nomena saina sy fanahy afahana manao izany ianao. Msaotra anao
22. Salut ( 31/03/2007 18:07)
booboo: Tsy haiko na izaho no diso na ianao no tsy tena nandalina tsara. Satria izao:
1- Ny teny hoe: zanahary, masina dia nampiasain'ny gasy nentiny nanondrony ireo fanahin'ireo raiamandreny nialoha azy ka ninoany ho manampy azy. Nino izy fa misy ny Mpahary saingy tsy io no tena nivavahany.
2- Hamafisiko fa tena niaina sy miaina ao anatin'ny tahotra ireo mpanompo sampy satria:
-raha vao tsy mahatanteraka izay takian'ny masina izy de loza no valin'izay, vokatr'izany: feno ahiahy sy tebiteby lava.
-Matoa izy sahy nisedra ny ady dia satria zavatra notakian'ilay zanahary taminy izany. Fa jereo fa raha sendra adinony ilay vakana kely fitondra miady de mitolefika mora foana izy.
23. booboo ( 31/03/2007 18:42)
Salut > ny razana mitombo hasina tsy nantsoina hoe zanahary fa andriamanitra kah. Ny @ hoe rehefa tsy mahatanteraka raha dia misy tebiteby, tsy haiko klou fa amiko, ny asa mitarika vokatra foana e : rehefa tsy manara-dalàna dia voasazy. Na ny finoana kristiana aza manana an'zay kounkou, rehefa tsy zao dia zao...saingy manatombo ny kristiana fa be famindra-po sy be fitiavana ny "andriamanitra"-ny....



24. kiranil ( 31/03/2007 19:18)
"Dia sahinao ve milaza an'i M.Maria ho makorelina, na dia niterahany an'i Jesoa fotsiny aza dia tokony hahazo minimum de respect aminao izy, eny na dia @ maha-kristianina anao."


Tsy nilaza io voalazanao io aho, fa miala tsiny indrindra. Avereno vakiana ilay rohy dia diniho na marina na tsia ny voalaza ao. http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/the_great_whore.htm

Maria dia hajaiko satria izy no vehivavy nofidianan'Andriamanitra hitondra an'i Jesosy Kristy tao ambohoka, fa mijanona hatreo ny asany fa tsy hoe lasa mpanalalana amin'Andriamanitra ka maka ny toeran'i Jesosy Kristy indray.

Ny tenin'Andriamanitra dia mazava tsara fa::

"Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. [afa-tsy ny anaran'i Jesosy Kristy]" Asa 4:12

"Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Jaona 14:6


Ireo teny ireo dia mifanohitra @ fampianarana izay manao an'i Maria ho mpanalalana koa.

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/bowing_to_mary_is_a_sin.htm

Ka na ny Tenin'Andriamanitra no marina na ny fampianaran-olombelona @ fanaovana an'i Maria ho mpanalalana koa no diso.

Misaotra.





25. piste ( 31/03/2007 22:16)
Aza miala ialahy ry Kyranil fa t@ io site nalefanao io no nahitako an'izany.Ary matoa ianao mahasahy mandefa an'io site io eto dia momba izay rehetra voasoratra ao. Ary responsable tanteraka @ izay lazainao. Raha misy tsy lanin'ny vavoninao tao dia tsy tokony nasehonao teto io.
Faharoa, aiza ho aiza @ finoana Katòlika no milaza hoe Maria no mpanelanelana antsika olombelona @ Andriamanitra. Tondroy mazava fotsiny ilay izy fa aza manao affirmation gratuite toy izao. Rehefa tsy anananao ny notion-na dévotion dia mangina fa aza miteniteny foana toa io.
26. ikaretsaka ( 31/03/2007 22:44)
kiranil> io foana no itenenana an ingahy hoe ianao sy fantaro aloha ilay zavatra alohan'ny hiresahana sy hitsikerana azy
27. soanja ( 31/03/2007 23:29)
Ahannn! Mahaliana ahy ny resaka eto izany.
Aia popcorn-ko zay e!
28. ikaretsaka ( 31/03/2007 23:52)
tywa68:

. Izay tsy faly t@ fitondràna katolika niala, ary milaza fa manompo sampy sns... hahamora ny fialàna ! (nefa niady toerana no tena izy, te-hitondra koa, te-handidy sns...) Izay no maha-olombelona antsika, misy ny fisarahana satria tsy mbola manjaka ao @ tsirairay ny fitiavana sy ny fandriampahalemana navelan'i Kristy Velona. Manenjika mba hampandry saina. Samia maka ny safidy rehefa mahalala ny tantara sy ny tena inoany ary.




. Amen AMDG ^:^
29. soanja ( 01/04/2007 00:13)
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.
30. cutie ( 01/04/2007 00:45)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-04-2007 02:13:09
Lohateny : Re : sampy
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.

:lol::lol::lol::lol:
de refa ry zareo no enjehina de we manenjika an'i JK hono fa tsy ry zareo :-D
31. soanja ( 01/04/2007 00:52)
cutie:

Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-04-2007 02:13:09
Lohateny : Re : sampy
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.

:lol::lol::lol::lol:
de refa ry zareo no enjehina de we manenjika an'i JK hono fa tsy ry zareo :-D


=))=))=)) Tsy hitako njay iny! :-*:-*:-*:-*

32. kiranil ( 01/04/2007 01:36)
1- Vakio tsara fa tsy io nolazain\'ingahy io no voasoratra ao @ io rohy nomeko io, fa izao :::

\"Mary (the mother of Jesus) is not the great whore; Catholicism\'s Mother Mary (the Catholic religion) is the Great Whore!\"

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/the_great_whore.htm

2- Ny Katesizin\'ny Eglizy Katolika no milaza io fampianarana momba an\'i Maria io. Tsy fankahalana ny mpino katolika; fa filazana ny fampianarana mifanohitra amin\'ny Tenin\'Andriamanitra.

Anjaran\'ny olona sendra tonga mamaky eto no mieritreritra hoe aiza no tena fahamarinana:: Ny fampianaran\'olona ve sa ny Soratra Masina.

Vakio amin\'ny pejy 252 sy 125 ny Katesizy ny Eglizy Katolika milaza izao:

\"Taken up to heaven she (Mary) did not lay aside this saving office but by her manifold intercession continues to bring us the gifts of eternal salvation...\" Pg. 252, #969 >>> na hoe Maria dia manelanelana ary mitondra famonjena ho antsika.

\"Being obedient she (Mary) became the cause of salvation for herself and for the whole human race.\" Pg. 125, #494 > na hoe Maria no no nitondra ny famonjena ho an\'ny olombelona.

http://www.chick.com/reading/books/160/160_15.asp

3- Ny zavatra tiako marihina farany angamba dia ito Tenin\'Andriamanitra ito::

\"na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana dia tsinontsinona aho.

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
tsy mifaly amin\'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin\'ny fahamarinana kosa,
mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. \" I kor 13

Na inona na inona zavatra resahiko eto ka tsy manana Fitiavana aho dia tsinotsinona izany.

IJaona 4:10 Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an\'Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika.


*****************

http://www.chick.com/reading/books/160/160cont.asp raha handinihana ny fampianarana katolika.

Misaotra.



33. ikaretsaka ( 01/04/2007 02:23)

Ho an'ny katolika dia tsy ny baiboly irery ihany no ahitana ny hafatr'Andriamanitra. Raha tsy izany dia kely loatra ilay hafatra... hoy i Jaona ao amin'ny filazantsarany hoe na ny tany rehetra aza tsy ho omby raha soratana ao anaty Baiboly daholo izay fampianarana sy zavatra nitranga. Ho an'ny katolika dia misy tsy voalaza ao anaty baiboly ny fampianarana fa nifampitàna teo anivon'ny Fiangonana. (Ny teny hoe Trinite sy ny fanazavana momba izany ohatra tsy ao anaty baiboly kanefa inoan'ny rehetra)


ts'isy garantie io

de ze tian'i Kiranil fa fa ny ahy izay ny inoako..
de tsy haiko hoe aiza indray isika ny hihaona..

"Na any am-paradisa any amin'ny ny afobe..
na afo fandiovana na any Ambondrombe!"

samy mbola tsy misy mahafantatra raha mbola eto an-tany..
fa any indray mihaona ..raha tahiny ka lasa any!"
34. ikaretsaka ( 01/04/2007 02:26)
ny ahy ny fantatro sy inoako dia hoe raha 2000 taona ilay izy izay no nataon'ny olona nety
de tonga amin'izay ny sektao dia hoe tsy mety tampoka.. 2000 taona mahery taty aoriana!
dia nankaiza daholo izany ilay olona nanao azy rehetra nandritra ny 2000 taona??
Duh!
35. kiranil ( 01/04/2007 04:08)
Voalaza teo :
Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-04-2007 02:13:09
Lohateny : Re : sampy
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan\'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an\'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.

de refa ry zareo no enjehina de we manenjika an\'i JK hono fa tsy ry zareo


:lol:

Ny anao zany olona no henjehana fa raha ny ataoko eto aloha dia ny milaza hoe inona no hevitra sy fampianarana mifanohitra @ Tenin\'Andiamanitra. Hoy ianao hoe diso ny Tenin\'Andriamanitra fa ny hevitry ny sasany no marina, dia anao zany fa tsy misy azoko atao miohatra an\'izay intsony.


\"aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin\'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin\'izao tontolo izao.\" IJaona 4:1



Io dia efa voalazako tany @ hafa fa ny Soratra Masina izay lazain\'ny sasany (na dia milaza ny tenany fa kristianina aza) hoe \"efa lany daty\", \"tsy lafatra\", \"efa hay tsianjery\" dia mampianatra ny olona efa novonjen\'i Jesosy Kristy mba tsy ho \"naif\" na hanaiky sy hinohino foana ny voalaza eto, eny hatramin\'ny voalazako aza, fa mba handinika sy hizaha toetra ny fanahy miteny izany na na avy amin\'Andriamanitra na tsia.

Ny hevitra izay vohizin\'i soanja tahaka ny hoe \"tsy misy ny helo\" aloha dia hevitra iray manohitra an\'Andriamanitra sy Jesosy Kristy tsotra izao izany. Ka na voafitaka izy na dia mamitaka olona tsotra izao.

Hoy soanja::
Finoana aby anie io e.
Finoana fa tsy \"finoanoam-poana\" ka mahalaza ny zavatra mifanohitra @ sitrapon\'Andriamanitra.

Misaotra.
36. soanja ( 01/04/2007 05:58)
kiranil:



\"Being obedient she (Mary) became the cause of salvation for herself and for the whole human race.\" Pg. 125, #494 > na hoe Maria no no nitondra ny famonjena ho an\'ny olombelona.








Ka raha io aza moa no hinoako misy olanao ve zany?
Samy manana ny finoana hoa!
Taiza moa no nahatonga filazana fa Andriamanitra i Jesoa. Tsy avy amin'i baiboly. Iza no nanoratra io baiboly io?
-Olombelona.
Maninona anefa inoanao io noho ny hafa? satria hitanao fa misy ny fahamarinana tsapanao tamin'ny fiainanao.
Ka raha mahita fahamarinana amin'ny finoana an'i Maria Renin'i Jeso aho. Inona no olanao? ianao angha hiaraka amiko , na hiara-dalana amiko! Zory ny lalanao, rehefa tsy hiaraka aminay.
"Fa ny Fahamarinana akory tsy hivoaka avy ao ambavan'ny mpankahala!" Soanja.


37. tsimiandravola ( 01/04/2007 06:44)
:lol:
38. kiranil ( 01/04/2007 11:28)
Mitovy hevitra @ tsimiandrvola hoe :

"Just Say No To Religion;"

"Religion is the WORST thing that has ever happened to this world; Countless Billions of souls have been doomed to hell by false religion."

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm

na eto ::

http://jesus-is-savior.com/Basics/why_criticize_false_religion.htm

Fa ny mahasamy hafa ahy amin'ny tsimiandravola dia izao:

Ny famonjena avy amin'Andriamanitra dia tsy @ fanarahana religion, fa ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra;

Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.


ary ny sitrapon'Andriamanitra voalohany dia ny fanetrenao tena fa mpanota eo anatrehany, nefa tsy mahavonjy tena ary ny hanekenao sy hinoanao ny famonjena natolony ho anao t@ alalan'i Jesosy Kristy.


"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay" Jaona 3


Misaotra.
39. kiranil ( 01/04/2007 11:57)
"Fa ny Fahamarinana akory tsy hivoaka avy ao ambavan'ny mpankahala!" Soanja.


Izaho "mpankahala" tokoa, ekeko izany fa mankahala ny fampianarana mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra tahaka ny hoe "tsy misy ny helo" izay vohizinao, satria izany dia famitahan'olona tsotra izao amiko.

Izao kosa tsy mankahala olona sanatria milaza izany, fa fankahalana ny tsy fahamarinana izay mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra.

Romana 12:18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

Ary Jesosy Kristy, izay maty nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao no nampiseho izany tena Fitiavana izany. Izy dia tia ny olona rehetra mba hibebaka ka hino ny famonjena natolony teo ambonin'ny hazo fijaliana.

Ka tsy izaho izay efa manaiky Azy ho Tompoko sy Mpamonjiko mihintsy no andeha ankahala olona sanatria,


"Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray: maty ny Anankiray [jesosy kristy] hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. IIKorintiana 5:14


Izao no hampianarin'ny Soratra Masina izay lazanao fa "tsy lafatra", "efa hay tsianjery", "drindrangilo"


Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa ITesaloniana 3:12


ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra IIPetera 1:7

>>> Mampianatra fankahalana ve izany???
40. Rasiligaoma ( 01/04/2007 12:18)
"Religion is the WORST thing that has ever happened to this world; Countless Billions of souls have been doomed to hell by false religion."


ka tsy hay tsony hoe iza ny false de iza no true..

"Just Say No To Religion;"

nefa ianoa io mamaky baiboly sy mitory ny religion kristianina

e8O:roll:

==>aiza mo no hahatokisako sy ny olona izay ambaranao intsony?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2694