sampy

61. cutie ( 02/04/2007 13:22)
lapino
ny fanompoana sampy nga finoana kristiana:lol:
de zay le izy enao kristiana de tonga de mahita fa diso ny manompo sampy
ka le izy aza finoana koa, atao ahona:-D
62. cutie ( 02/04/2007 13:26)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 02-04-2007 15:21:57
Lohateny : Re : sampy
dia lasa tsy Andriamanitra indray izany Razezo fa lasa mpanelanelana?

Tsy amiko aloha e! Amiko izy dia Andriamanitra ka! ary mambra an'ny Trinity Masina

Mpandefa : cutie [ Valio ] 02-04-2007 14:54:15
Lohateny : Re : sampy
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.

JEsoa =Atra
Fa nony nidina tety an-tany izy ( tonga olona) de lasa mpanelanelana @ olona sy ATra ( na de iray ihany aza Jseoa sy Atra).
Nony niakatra njay izy de lasa ATra ( le iray ihany ) :lol:
63. cutie ( 02/04/2007 13:26)
IKa
fanina eo nge nareo raha ny TA foana no atao masaka an-doha :-D:-D:-D:-D
64. lapino ( 02/04/2007 13:38)
Ikaretsaka:
dia lasa tsy Andriamanitra indray izany Razezo fa lasa mpanelanelana ?
Andriamanitra Izy ka! Manova ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy ve ny fanelanelanany amin'Andriamanitra sy ny olona ?

Ikaretsaka:
i Ramaria ohatra izao nanelanelana azy sy ny mpiasa t@ izy nanova ny rano ho divay...
Ramaria Madelenina sy i Ramarta nanelanelana azy tamin'izy nanangana an'i Lazara tamin'ny maty!

i Rapaoly ohatra izao nanenalanelana azy t@ ilay nanangana ilay boay kely resin-torimaso nihaino toriteny dia nidoboka hatrany ambaravarankely!

i pastera sy mopera sy ny katesista manelanelana antsika aminy isan-Alahady!
Za tsy te hanao zedemo eo amin'ilay teny hoe "manelanelana". Fa :
tsy misy manompo an'ireo toy ny fanompoana atao an'i Jesosy na ny sampy araka ny voalazan'i Fijo ery amin'ny size. Na i Maria roa, na i Paoly, na i pasitera na i mopera sns ...
65. ikaretsaka ( 02/04/2007 13:52)
io ilay hoe samihafa ny ny hoe "manompo" sy ny "manaja"
66. cutie ( 02/04/2007 13:57)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 02-04-2007 15:52:41
Lohateny : Re : sampy
io ilay hoe samihafa ny ny hoe "manompo" sy ny "manaja

de hazavao we :lol:
67. soanja ( 02/04/2007 14:12)
lapino:

- izay mandà tsy ho kristiana dia diso
- izay modimody mba hoe kristiana kanjo anarany fotsiny dia diso
- izay mihevi-tena ho kristiana kanjo tsy izy akory dia diso

Fa ho an'izay tsy nahare ny Filazantsara, dia minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana Andriamanitra.

Ialao lavitra ny Extremists fa ireo no FOSITRA mpanimba ity tontolo nomen'Andriamanitra antsika ity!

68. cutie ( 02/04/2007 14:14)
: soanja [ Valio ] 02-04-2007 16:12:58
Lohateny : Re : sampy
Hoy i lapino:

- izay mandà tsy ho kristiana dia diso
- izay modimody mba hoe kristiana kanjo anarany fotsiny dia diso
- izay mihevi-tena ho kristiana kanjo tsy izy akory dia diso

Fa ho an'izay tsy nahare ny Filazantsara, dia minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana Andriamanitra.

Ialao lavitra ny Extremists fa ireo no FOSITRA mpanimba ity tontolo nomen'Andriamanitra antsika ity!

hummm hum :lol:
69. lapino ( 02/04/2007 14:16)
cutie:
lapino
ny fanompoana sampy nga finoana kristiana:lol:
de zay le izy enao kristiana de tonga de mahita fa diso ny manompo sampy
ka le izy aza finoana koa, atao ahona:-D

Tsy relatif mihitsy izany fa absolu ka.

Safidy ny ho kristiana, fa tsy natiora. Ary ny fahafantarana ny fahamarinana momba an'i Jesosy no nandraisana an'ilay safidy.

Tsy satria za kristiana no mahadiso ny fanompoan-tsampy, ary tsy hoe fotsiny "amiko dia" diso io, fa tena diso mihitsy ilay izy. Jesosy ihany no mendrika hotompoina.

Tsy mitovy izany io amin'ny hoe : satria za gasy (natiora) dia ratsy ny vazaha amiko.
70. cutie ( 02/04/2007 14:18)

de safidy koa ny fanompoana sampy :lol:
71. lapino ( 02/04/2007 14:34)
Raha efa nahalala no nanao ny safidy diso, dia diso izay.

Raha tsy nahalala kosa no nanao ny safidy (tahaka ireo gasy ntaolo), dia minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana Andriamanitra.
72. cutie ( 02/04/2007 14:38)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 02-04-2007 16:34:44
Lohateny : Re : sampy
Raha efa nahalala no nanao ny safidy diso, dia diso izay.

nahalala in :roll::-D
mbola tsy nahita tranga ohtr'zay alou za de tsy afaka mitsara :lol:
Raha tsy nahalala kosa no nanao ny safidy (tahaka ireo gasy ntaolo), dia minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana Andriamanitra

minia tsy mijery we , kanefa we efa tsy nahalala hatramin'ny 1 (ntaolo):lol:
73. lapino ( 02/04/2007 14:48)
Nahalala ny fahamarinana ka :)

Izany hoe, raha efa nandre ny filazantsara ianao no mbola minia manao safidy diso, dia fahadisoanao izay eo anatrehan'Andriamanitra

minia tsy mijery we , kanefa we efa tsy nahalala hatramin'ny 1 (ntaolo)
Ohatra ny hoe diso famaky i cutie, fa Andriamanitra fa tsy ny ntaolo no Lazaina amin'ilay fehezankevitra faharoa :wink:
74. cutie ( 02/04/2007 14:53)
: lapino [ Valio ] 02-04-2007 16:48:31
Lohateny : Re : sampy
Nahalala ny fahamarinana ka

Izany hoe, raha efa nandre ny filazantsara ianao no mbola minia manao safidy diso, dia fahadisoanao izay eo anatrehan'Andriamanitra

eny wa
ka iza koa nefa no mbola handeha hanompo sampy nefa efa nahalala an'le fahamarinana:wink:

Voalaza teo :
minia tsy mijery we , kanefa we efa tsy nahalala hatramin'ny 1 (ntaolo)
Ohatra ny hoe diso famaky i cutie, fa Andriamanitra
fa tsy ny ntaolo no Lazaina amin'ilay fehezankevitra faharoa

i lapino no ohtran'ny diso famaky
hoy za:
minia tsy mijery we ( an Atra io ), kanefa efa tsy nahalala hatramin'ny 1 ( an; Atra ny ntaolo taloha)
75. lapino ( 02/04/2007 15:02)
Za zany no tsy mahazo ny tian'i cutie ho lazaina.

Ity aloha ilay verset nisy an'io, sao dia mampazava azy kokoa :
Asan'ny Apostoly.17:30:
30 Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, http://baiboly.org/toko.asp?boky=Asa&Toko=17
76. cutie ( 02/04/2007 15:03)
anjaran'i lapino zany no mandeha mitory e :lol::lol::lol:
77. cutie ( 02/04/2007 15:05)
lapino, raha zay no hitanao fa mety :lol:
78. lapino ( 02/04/2007 15:06)
Anjarantsika rehetra, kanefa tandremo ny loza :)
79. cutie ( 02/04/2007 15:07)
hihihihihihi
aza mandrahona moa:-D
80. cutie ( 02/04/2007 15:09)
de ahona ny fomba hanaovan'i lapino an'le fitoriana:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3312