sampy

41. Salut ( 01/04/2007 13:00)
booboo: Fanampim-panazavana:
1- tsy haiko hoe aiza ianao no miperaka, sy hoe fianarana momba ny inona no ataonao fa izao: Ireo olona itoeran'ny fanahin-dRanavalomanjaka, na Andrianamponimerina sns...dia antsoina hoe: "itoeran-janahary" na hoe "misy zanahary".

2- Ny teny hoe: zanahary, Andriamanitra dia efa nisy haramin'izay, ary efa nampiasain'ny gasy fa ny hoe: Andriananahary kosa dia teny vao noforonina taty aorina. Azonao anontaniana ireo mpandalina ny teny malagasy.
42. soanja ( 01/04/2007 14:15)
kiranil:

"Fa ny Fahamarinana akory tsy hivoaka avy ao ambavan'ny mpankahala!" Soanja.


Izaho "mpankahala" tokoa, ekeko izany fa mankahala ny fampianarana mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra tahaka ny hoe "tsy misy ny helo" izay vohizinao, satria izany dia famitahan'olona tsotra izao amiko.

Izao kosa tsy mankahala olona sanatria milaza izany, fa fankahalana ny tsy fahamarinana izay mifanohitra @ sitrapon'Andriamanitra.

Romana 12:18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

Ary Jesosy Kristy, izay maty nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao no nampiseho izany tena Fitiavana izany. Izy dia tia ny olona rehetra mba hibebaka ka hino ny famonjena natolony teo ambonin'ny hazo fijaliana.

Ka tsy izaho izay efa manaiky Azy ho Tompoko sy Mpamonjiko mihintsy no andeha ankahala olona sanatria,


"Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay, satria izao ho hevitray: maty ny Anankiray [jesosy kristy] hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. IIKorintiana 5:14


Izao no hampianarin'ny Soratra Masina izay lazanao fa "tsy lafatra", "efa hay tsianjery", "drindrangilo"


Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa ITesaloniana 3:12


ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra IIPetera 1:7

>>> Mampianatra fankahalana ve izany???



Efa diska goka mihitsy le izy ry Kiranil a!

Raha ianao angamba no pasitera na tahak'izay, enga anie ka tsia, dia tena monamonaina ny mpihaino. Io hoa tsy atao drindrangilo ramose! marina e.

Na mankahala olona ianao na tsia. Na ny filazana fa ny mankahala ny olona tsy manaiky ny sitrapon'Andriamanitra, na hoe milaza fa ireo olona ireo no mpanenjika an'i JK araka ny voalazann'ny namana iray izay:D dia tena tsy manahy re. Rehafa tsy izany ianao dia milamina fa aza ny finoan'ny hafa hoa abatibatiana satria efa heno ny anareo fa tsy namely NA tsy nandaitra tamin'ny hafa. Move on Baby!




43. kiranil ( 01/04/2007 14:36)
Soanja> ...

Tsy hanova olona akory no tanjoko eto, satria tsy anjarako izany fa anjaran'ny Fanahin'Andriamanitra raha tainy ny hiovany, fa ny ataoko eto dia milaza ny olona ny Tenin'Andriamanitra mba tsy ho voafitaka am kabary tsara lahatra..

Fa na izany aza.. betsaka ny efa voalazako teto fa aleo mangina amin'izay..

veloma.. :-*



44. soanja ( 01/04/2007 14:53)
kiranil:

Soanja> ...

Tsy hanova olona akory no tanjoko eto, satria tsy anjarako izany fa anjaran'ny Fanahin'Andriamanitra raha tainy ny hiovany, fa ny ataoko eto dia milaza ny olona ny Tenin'Andriamanitra mba tsy ho voafitaka am kabary tsara lahatra..

Fa na izany aza.. betsaka ny efa voalazako teto fa aleo mangina amin'izay..

veloma.. :-*

Soa fa manana izany fahendrena izany ianao. misaotra Ranadahy. Nahavita adidy ianao. Aleo apetrantsika amin'Andriamanitra amin'izay sy ny asan'ny fanahy ny Fahasoavana atolony. Homba anao anie ny Tompo! :-*:-*







45. kiranil ( 01/04/2007 15:31)
rasiligaoma> Izao no nolazaiko tery ambony:::

Fa ny mahasamy hafa ahy amin'ny tsimiandravola dia izao:

Ny famonjena avy amin'Andriamanitra dia tsy @ fanarahanao religion, fa ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra;

Matio 7:21 Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra.

ary ny sitrapon'Andriamanitra voalohany dia ny fanetrenao tena fa mpanota eo anatrehany, nefa tsy mahavonjy tena ary ny hanekenao sy hinoanao ny famonjena natolony ho anao t@ alalan'i Jesosy Kristy.


"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny zanany lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay" Jaona 3



Religion = fanaovana tompoko tompoko kanefa tsy manao ny sitrapon'Andriamanitra;

Religion no nataon'i Fariseo t@ andron'i Jesosy Kristy, izay niseho ho manaraka an'Andriamanitra kanefa mihatsaravelatsihy sy nanda ny famonjena nomen'i Jesosy Kristy ary nanda Azy ho mpanalalana tokana amin'Andriamananitra.

ka nanaovan'i Jesosy Kristy teny mafy mihintsy toy ny hoe:: "ianareo avy amin'ny devoly rainareo".

www.baiboly.org ny Baiboly milaza ny tenin'i Jesosy t@ Fariseo. (dia taper-o ny hoe :: lozanareo) ahitanao ny teny mafy nataon'i jesosy an'ireo farieo.

Misaotra.
46. ikaretsaka ( 01/04/2007 16:11)
ka tsy hay intsony ange eto hoe iza no fariseo n aiza e..
samy nahay soratra masina manko na i jesoa na ry zareo!
47. pissoa ( 02/04/2007 10:50)
fijo:

henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy

hihihi - fa maninona no ny Kristianina moa ry Fijo no tokony hijanona ? Ary ny hanenjehan'ny tsy Kristianina ny Kristianina mba manakory ... adala, tsy malala-tsaina, tsy mandinika, ... Antanio anie tsimiandravola fa izy mahay azy tsara e :-D:-D:-D

48. pissoa ( 02/04/2007 10:50)
cutie:

Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-04-2007 02:13:09
Lohateny : Re : sampy
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.

:lol::lol::lol::lol:
de refa ry zareo no enjehina de we manenjika an'i JK hono fa tsy ry zareo :-D

Voalazanjy tanteraka :-D:-D:-D:-D:-D

49. lapino ( 02/04/2007 11:35)
fijo:

henjehan'ny kristianina ny finoan agasy fa hoe manompo sampy.ilay sampy anie ka mpanelanelana amin'ny gasy e.io sampy io no lalana hiresahana amin'i zanahary.
ka raha samy mpanelanelana,sampy koa izany jesosy fa atsaharo ny fanompoana azy

Tamin'ny andron'ny tsy fahalalana no ninoan'ny gasy an'izany. Mety nisy gasy ange tena te hivavaka amin'Andriamanitra marina ny gasy tamin'izany, saingy tsy nahafantatra izy hoe iza no tena Andriamanitra e?!

Fa amin'izao kosa dia efa voalaza mazava tsara fa :
"Iray ihany no mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Jesosy Kristy ilay Masina"
50. Rasiligaoma ( 02/04/2007 12:03)
Fa amin'izao kosa dia efa voalaza mazava tsara fa :
"Iray ihany no mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia i Jesosy Kristy ilay Masina"


tsy mpanelanelana i JK fa Andriamanitra mihitsy! Tandremo ny fampianarana diso!


Mpandefa : pissoa [ Valio ] 02-04-2007 12:50:50
Lohateny : Re : sampy
Hoy i cutie:

Voalaza teo :
Mpandefa : soanja [ Valio ] 01-04-2007 02:13:09
Lohateny : Re : sampy
Io tokoa mantsy ny olantsika eto e. Ilay kienjikenjika fiangonan'olona io. Izay mahasoa sy hitanao fa tsara ho anao no araho fa aza ny an'ny hafa no aratsiana sy abatiana. Finoana aby anie io e.


de refa ry zareo no enjehina de we manenjika an'i JK hono fa tsy ry zareo

Voalazanjy tanteraka


Aleo tsy atao heo mifanenjika fa manakiana!
51. cutie ( 02/04/2007 12:07)
Aleo tsy atao heo mifanenjika fa manakiana

hay refa manakiana an-dry zareo zany de ry zareo ndray no miteny we i JK no enjehina :-D
de avy eo avy @ zay le tsimpona bdb ao anaty baiboly :-D
Tsy alaina tahaka ny we TA tsony le izy fa lasa ohtran'ny rule (didy) lalana avec accent hiihhiih :-D
52. boubounezy ( 02/04/2007 12:12)
za alou tsy mpanompo sampy é! sady matoky tena no matoky an'A/tra ny tenako ka tsy itako ny anompoko zavatra vôjanaharyn'Atra satry Izy no nanao ny hazo maniry ary I kou no Avo indrindra naona za no tsy Izy no hotompiko na fa ny hazo kely? tsy mpanelanelana anah @ A/tra mintsy zany fa aleoko za sy A/tra vivantana no ifampiresaka!^:^
53. lapino ( 02/04/2007 12:23)
Rasiligaoma:
tsy mpanelanelana i JK fa Andriamanitra mihitsy! Tandremo ny fampianarana diso!

Ity ilay teny exact, fa ilay teo araka ny fitadidiako fotsiny :
I Timoty.2:5:
5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,
54. cutie ( 02/04/2007 12:38)
Hoy i I Timoty.2:5:
5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

de in no tohin'io :roll:
55. lapino ( 02/04/2007 12:43)
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ITIMOTY&toko=2&andininy=1-15&dika=
56. cutie ( 02/04/2007 12:54)
Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.

Fa nanin no tsy notohizan'i lapino le izy :roll::roll::roll::roll::lol::lol::lol::lol::lol::lol:
57. lapino ( 02/04/2007 13:06)
cutie > mamaly ny tenin'i fijo io, izy mahalala tsara fa mpanelanelana i Jesosy.

Precision kely fotsiny no nentiko, fa Jesosy irery no mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olona ... fa tsisy ankoatra Azy.

Ny sampy araka ny lazain'i fijo izany, mety ho tsy mpanelanelana amin'iza n'iza sy ny olona mihitsy, na mety ho mpanelanelana amin-javatra hafa sy ny olona.

Fa ny mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olona dia iray ihany, ary efa i Jesosy.

Tsy sanatria akory tsingoloka ny Tenin'Andriamanitra ny fitanisana Azy, ho fanitsiana izay diso. :)
58. cutie ( 02/04/2007 13:10)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 02-04-2007 15:06:06
Lohateny : Re : sampy
cutie > mamaly ny tenin'i fijo io, izy mahalala tsara fa mpanelanelana i Jesosy.

ah ok
za tsy namaky tany ambony tany tsinona:lol:
Precision kely fotsiny no nentiko, fa Jesosy irery no mpanelanelana amin'Andriamanitra sy ny olona ... fa tsisy ankoatra Azy.

@ finoana kristiana io :lol:
59. lapino ( 02/04/2007 13:20)
- izay mandà tsy ho kristiana dia diso
- izay modimody mba hoe kristiana kanjo anarany fotsiny dia diso
- izay mihevi-tena ho kristiana kanjo tsy izy akory dia diso

Fa ho an'izay tsy nahare ny Filazantsara, dia minia tsy mijery ny andron'ny tsy fahalalana Andriamanitra.
60. ikaretsaka ( 02/04/2007 13:21)
dia lasa tsy Andriamanitra indray izany Razezo fa lasa mpanelanelana?

Tsy amiko aloha e! Amiko izy dia Andriamanitra ka! ary mambra an'ny Trinity Masina !

fa
i Ramaria ohatra izao nanelanelana azy sy ny mpiasa t@ izy nanova ny rano ho divay...
Ramaria Madelenina sy i Ramarta nanelanelana azy tamin'izy nanangana an'i Lazara tamin'ny maty!

i Rapaoly ohatra izao nanenalanelana azy t@ ilay nanangana ilay boay kely resin-torimaso nihaino toriteny dia nidoboka hatrany ambaravarankely!

i pastera sy mopera sy ny katesista manelanelana antsika aminy isan-Alahady!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.084