Lehibe sy zaza: Marimaritra iraisana

21. Fiffi ( 28/03/2007 09:01)
na izany aza...:-D:-D
22. nikopol ( 28/03/2007 09:16)
hoy i hery :

Dia ny mifanohitra amin'izay koa mba tokony hatao.


Hery, amiko dia izay no atao hoe : fisivanana !

Manana zo anao izany ny tompon’andraikitra eto amin’ny serasera, nefa aza afenina ao anatin’ny fifanajana ny tsy fanekena ny zo maha samy hafa.

Raha resaka sary miboridana, dia na iza na iza samy afaka manaiky fa tsy mety izany, satria mety misy zaza eto ary misy koa olon-dehibe tsy mahazaka izany.

Raha resaka ompa, sy fanambaniana ny hafa koa, dia samy manaiky.

Fa raha resaka hoe tsy tokony hanao resa-jaza na resak’adala, dia iza , dia amin’ny fomba ahoana no itsarana fa resa-jaza na resak’adala ilay izy. Raha tena marina fa “samy olon-dehibe “ daholo ny eto, dia tokony samy afaka maka izay tandrifiny avy. Sa ny olon-dehibe moa araky ny maha olon-dehibe azy tsy maintsy manome lesona ?

Tsy tokony hivanitika ve ? tsy tokony hidelira? Tsy tokony hanala azy?

Malalaka ny serasera « hatramin’izao » ka :
- afaka tsy mijery ze mivanitika,
- afaka tsy mamaky ze midelira,
- afaka tsy manaraka ireo mpanalà azy

ny olon-dehibe (na farafaharatsiny ireo mihevitena ho olon-dehibe) ...

Mahazo manokatra dinika ze tiany nge ireo olona hafa e... sa ny fisian’ny resa-jaza sy ny resak’adala ( na farafaratsiny ireo zay misy mihevitra fa resa-jaza na resak’adala) no manakana antsika tsy hanokatra dinika mahasoa ny firenena, ny fiarahamonina sy ny sisa azo eritreretina ...

Ny toro-hevitro dia azo tsorina hoe : afaka manala ny resaka izay heveriny fa tsy mifanaraka amin’ny ati-dohany ny tompon’andraikitra. Mazava kokoa amizay ny fitsipiky ny lalao.
23. hery ( 28/03/2007 10:41)
nikopol:

Raha resaka sary miboridana, dia na iza na iza samy afaka manaiky fa tsy mety izany, satria mety misy zaza eto ary misy koa olon-dehibe tsy mahazaka izany.

Tsy resaka sary miboridana mihitsy (mbola tsy nahita an'i kallie niboridana aho)... ny sary miboridana dia tsy manara-dalàna. Fa sary somary provoquant... izay tsy zakan'ny sain'ny sasany.

Ho an'i Nikopol zany dia tokony tsy nijery an'ireo sary ireo fotsiny izay tsy mahazaka. Averiko ihany fa tsy sary miboridana ireo. Tsy izay anefa no natao fa nolazainy hoe misy zaza eto ka tsy mahazaka an'ireo sary (tsy miboridana) ireo.

nikopol:

Malalaka ny serasera « hatramin’izao » ka :
- afaka tsy mijery ze mivanitika,
- afaka tsy mamaky ze midelira,
- afaka tsy manaraka ireo mpanalà azy


Ny olana koa dia tsy évident hoe mivanitika, midelira sy manala azy ilay resaka. Raha misy dinika manana lohahevitra hoe "Vary roa kapoaka" apetraka ao amin'ny Eritreritra mandalo na Politika dia mieritreritra izahay hoe mety ho resaka varotra izany, na resaka fizarana vary, sns... kanefa rehefa jerena ny ao anatiny dia hoe "Loko chocolat sns..." tsisy ifandraisany mihitsy e. Donc tsy afaka ny tsy namaky satria notaritina ankolaka hamaky.

Dia io ilay fifanajana nolazaiko. Raha tany amin'ny hatsikana io no napetraka dia efa vonona izay hamaky azy dia tsy naninona...
24. fasaly ( 28/03/2007 10:47)
booboo:

manakory kay zany resa-jaza sy tsy resa-jaza zany klou ?

io navaliko io zao @ lé karazany inona ? :-D:-D:-D. Lé matotra beeeeeeeeeee (tahaka ny ao @ fivavahana sy finoana ohatra) kosa klou tsy lasa mihitsy e ...manohatra noho ny mifanasa vangy ndray aza...aleoko ndray manao resa-jaza mivanitika foana raha tahaka ireny no atao hoe "resak'olon-dehibe".....


booboo::-D:-D:-D:-D miray hevitra aminao zà:-P zay ny tsy hidirako any mitry fa toa misy gidraka foana any am fivavahana any:-D:-D


25. fasaly ( 28/03/2007 10:50)
mangalà izay tandrifiny fotsiny de ampy e!
zà kalou de haiko ny tandrifiko de reveko manja:-P
26. nikopol ( 28/03/2007 10:54)
Hery, ilay resaka sary dia hitovizana ny analyse ! tsy nilaza za hoe aleo ampetraka fa ze tsy te hijery tsy mijery. Iny normal raha nasorina satria misy hahafahana manita-kevitra.

Eo amin’ilay tapany faharoa koa, dia misy ifandraisany kely ny analysen-tsika satria tokony hajaina ny rafitry ny dinika. Raha resaka politika, dia resaka politika no ao, raha resaka fitiavana dia resaka fitiavana no ao, sns....

Fa raha resaka “eritreritra mandalo” kosa dia noheveriko fa ny “eritreritr’i bary” dia ao anatin’izany koa ka tsy hitako izay blema.

27. Fiffi ( 28/03/2007 11:00)
nikopol: ohatran'ity tao @ heritreritra mandalo ve ? fa nafindra any @ hatsikana sy lalao le izy zao !
Mpandefa : nikopol [ Valio ] 28-03-2007 11:18:56
Lohateny : lalao

Voasary lalao e!
Nde tsika ilalao e ...
28. nikopol ( 28/03/2007 11:10)
fiffi
ie,

misy soratra hoe "lalao" ny lohateny dia norma raha nafindra tany ... na dia eritreritra tiako ho zaraina amin'ny namana aza io araky 'ny définition voasoratra ao amin'ny lohahevitra "eritreritra mandalo" ....

azo andinihana ny fizotry ny fihetseham-po, sy ny hambo araky ny maha-olombelona ny zava-miseho eto ... raha psykologue za

Ny fitiavana hamaritra teritoire dia nisy teo amin'ny zava-manan'aina rehetra .... na ny olombelona miaina amin'izao taonjato faha-24 izao aza ....





29. mignone ( 28/03/2007 11:14)
lalina be mintsy ilay valinteny azony i fiffi ve ?
30. karinah ( 28/03/2007 11:16)
miresaka sary ihany nareo, za alou tsy mbola nahita sary nitanjaka zany koa tato an!8)
31. Fiffi ( 28/03/2007 11:19)
mignone: heu....tsy azoko fa tsy olana akia an ! ny dinika manko de hoe momba ny zavatra lazaina ...ohatra zao hoe"
"hery":
resaka fizarana vary, sns... kanefa rehefa jerena ny ao anatiny dia hoe "Loko chocolat sns..." tsisy ifandraisany mihitsy e.
nefa lasa zavatra hafa le izy...
32. Vahinala ( 28/03/2007 11:26)
fasaly:

mangalà izay tandrifiny fotsiny de ampy e!
zà kalou de haiko ny tandrifiko de reveko manja:-P



Izay mintsy alo no mety e, ra toa ny resakolondehibe zao, matoa nasiana anio d ataoko fa natokana hoany olona tsy ankizy ka ahafahana miresaka momba ny sexe ka ra any ndray no mbola misy miteny hoe tsy mety dia ahoana ihany zany no atao. Hevitra nety mintsy aloha le dinika manokana, misaotra ze nanao azy fa amzay angamba mba afaka miresaka malalaka amzay indrindra fa rehefa resatsex.
33. karinah ( 28/03/2007 11:32)
pissoa:

asio dinika resa-jaza e :oops: dia tsy atao dinika manokana fa ankapobeny ihany (so de tsy hain'ny zaza indray ny mankany mantsy :-P ) ... dia hadalan'izay "lehibe" te ho any avy eo :-D:-D:-D
:-D:-D:-D:-D:-D:-D pissoa


34. sitlo ( 28/03/2007 12:42)
Mpandefa : nikopol [ Valio ] 22-03-2007 10:46:50
Lohateny : ...
Eny

Tsy eritreritra mandalo io fa tao amin'ny fitiavana
35. simplex ( 28/03/2007 12:53)

voalohany alou an, d tsy tokony ho i hery no nanoratra an'ity dinika ity. Tokony subalterne hafa na xxx a defaut. Hafa be mintsy no fandraisan'ny ol an'le izy, na d tsy d izay loatra aza hoy aho no tena tanjona @ le dinika napetraka.

Faharoa, vice de forme:

hery:
Nisy fotoana teto nametrahan'ny sasany resak'olondehibe (sary miboridana sns) dia samy niakatra daholo hoe mba mifanajà fa misy zaza eto. Dia nanaovana dinika manokana izay te hanao resak'olondehibe.
marihiko etoana fa samy olon-dehibe doly no nifadamina teo an. Ekena fa hoe ho soa, fanabeazana hoan'ny zaza le izy fa ny tiako lazaina d hoe olon-dehibe no nifanaja teo fa tsy nisy zaza mintsy akory.
hery:
Tonga anefa amin'izao fotoana izao, tena misy manao resa-jaza tokoa. Izay mba niteny an'izany moa dia nahazo vava hoe manin izy raha zaza sns. Tsy mahazo mikiredy hoe mba mifanajà fa misy olon-dehibe eto... ary tsisy dinika manokana hoe Resa-jaza hanilihana izay mpanao resa-jaza.
non lieu, fifanajan'ny samy olon-dehibe ny resaka sary. Ary miendrika tsy fahamatorana avy @ olon-dehibe ny filazana fa manao resa-jaza ny zaza iray.

Fahatelo, stratejia:

ra zaza iray no tiana hanarina, toroina mba ho matotra kokoa, nataoko fa tsy nilana dinika manokana angamba fa hafatra hoazy d ampy. Lasa mi-traumatiser azy indray ary le resaka hoe tena za mintsy no tena halan'lery eto.

Fahaefatra, resak'olon-dehibe:

Ny fifanajana voalohany indrindra d ny fanekena fa manana zo hanana hevitra hafa noho ny an'ny tena ny olona hafa. In mou no ilana dinika ra toa ka ny hevitro ihany no tiako hita ao?
manarak'izany, samy manana ny tanjony eto @ serasera ny namana tsirairay. Tsy voatery ho matotra be doly akory izay dinika hivoaka rehetra. Misy ny dinika manala azy. In ny olana @ zany? ze tsy te hanala azy tokony tsy manao rabat-joie hoe miala any ndray ny dinika tsisy fotony, tsy fanajana anie zany e.
Ary ny sasany tena mahavatra mintsy mitady , manaraka ze dinika "resa-jaza" tsy maintsy hidirana hilazana hoe, tsy tiako ny resa-jaza. Ny attitude absurde kou ve tsy sain-jaza? avy eo vao nampiresahan'i bandy kely tsy mahita holazaina, sao d mba olana ara psikolojika kosa zany kle.

Farany, soso-kevitra:
sao d mba ny finoana/fivavahana forum attitude no tokony hanaovana dinika manokana.

:-*:-*
36. diamondra27 ( 28/03/2007 12:54)
sitlo:

Mpandefa : nikopol [ Valio ] 22-03-2007 10:46:50
Lohateny : ...
Eny

Tsy eritreritra mandalo io fa tao amin'ny fitiavana



dinika rehetra ato @ sersera no niova be fa tsy eritreritra mandalo fotsiny na dia hoe tao @ fitiavana aza ilay "..."

iny aloha no hitako dia nolazaiko.
misaotra anao nampahatsiahy ny rohy

37. Samoana ( 28/03/2007 13:02)
Nahatanty ny resak'antitra ataonay ny namana teto ka dia fomba ahoana moa no tsy hanekenay ny resa-jaza sy ny resak'olon-dehibe e^:^. (Eritreritra mba nandalo ny ahy iny fa rehefa namana hiafiana eny foana:-D)
38. nikopol ( 28/03/2007 13:19)
Ekena ny fanajana ny rafitry ny dinika, na dia tsy manaja izany daholo aza ireo namana, ary izaho ao anatiny.

Ekena ny fanajana ny fitsipi-pifehezana voalaza eto :
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/policy

Fa tsy ekena kosa ny fitenenana hoe tsy fifanajana ny fanaovana resa-jaza sy resak'adala ....satria misy olon-dehibe voatohina amin'ny fanaovana izany...(efa subjective izay)


Mitaona ny namana hamoaka resaka mendrika olon-debe aho amin'izay dia mifandaja ilay izy ...




39. sitlo ( 28/03/2007 13:29)
:-D :@
40. sakaizakely ( 28/03/2007 14:15)
Tsy azo atao hoe resajaza ry Hery fa ny zaza na 2 taona aza misy fisainana kokoa noho ny sasany manao resaka mivaralila foana ireny.

Aleo dia tsorina hoe hakôndranana fa tsy resa-jaza mihitsy izany. Amiko dia tsy valina fotsiny izy dia izay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3527