Fifaninana teny iray misy dikany maromaro.

1. SaNja ( 15/03/2007 02:16)
Ohatra :

Manga - voankazo
Manga - loko
Manga - feo

(Misy dikany 3 izany ny manga)

Tsy eken'ny fitsipi-dalao ny toy ny hoe :

Manga - hazo
Manga - rivotra
Mang(a) - (h)etotra

:roll:
novalian'i tynah ny 25/05/2007 19:50
2. DotMG ( 15/03/2007 06:09)
lalina - lavaka
lalina - fisainana/saina/hevitra
lalina - faka
3. Stretch ( 15/03/2007 06:33)
matahotra-mitsatsaka
matahotra-rainitetaka
matahotra-koditra
matahotra-miforitra
matahotra-mihidy
4. lapino ( 15/03/2007 08:16)
ba - kôlan
ba - kely
ba - krôse
5. ikalakintina ( 15/03/2007 08:56)
ody: mody
ody: fanafody
ody: atody
6. lapino ( 15/03/2007 09:19)
ka le izy nge mitovy fototra ihany ilay hevitra e!
ohatra zao :

manga : mifandraika amin'ilay loko daholo na ilay "manga feo" na ny hoe "olo-manga". Ilay voankazo ihany no hafa satria teny vahiny nadika

ba : mitovy fototra ihany ny "ba kôlan" sy ny "ba krôse" sy ny "ban-kiraro". Fa ny hoe "ba kely" na "ba gasy" no hafa.

7. hery ( 15/03/2007 09:23)
Misy tsy mahazo :-)
Efa hoe teny iray kanefa misy dikany maro samihafa. @ teny frantsay aho no mahita bedabe :-p

Tratra: eo ambonin'ny kibo
Tratra: mpangalatra tratra

8. booboo ( 15/03/2007 09:23)
lapino = bitro
lapino = pseudo


:°):°):°)
9. simplex ( 15/03/2007 09:45)

booboo: pseudo
booboo: boooboooobooooobobooo fampihomehezana zazakely fataon'i bebeanay :-P
booboo: singulier an'ny boobs

:°):°):b
10. kelly13 ( 15/03/2007 09:47)
kitro: kiraro
kitro: le mivonto marary @ tongotra
11. simplex ( 15/03/2007 09:47)

tadidiko tampoka t@ zay nanala CEPE:

manasa: manadio
manasa: mi-inviter
12. lapino ( 15/03/2007 09:55)
+
booboo : grosse caisse :-P
13. kally ( 15/03/2007 10:55)
Aza simbainareo kosa ry reto ny kilalaon'olona an!

Volo : volo(volon-doha na volon-tongotra)

volo : karazana bararata.
14. sambatra ( 15/03/2007 11:04)
manaraka = tohiny (suivant)
manaraka = biby manao firaisana (s'accoupler)
manaraka = "izay voky no maharaka ny namany" (suivre)
manaraka = ho avy (la prochaine fois)
15. mignone ( 15/03/2007 11:16)
mipetraka : ambony seza
mipetraka : any ampasampito
16. kally ( 15/03/2007 11:33)
Mitombina : mipetraka /oh: mitombina eo amin'ny tany.
Mitombina : marina, misy lôjikany/ oh: tsy mitombina izany resaka izany.
17. lapino ( 15/03/2007 11:42)
kally > fa iza no simban'iza ? :P

omby : maaaa
omby : tafiditra /oh: tsy omby ilay akanjo
18. bmw333 ( 15/03/2007 11:52)
pi = 3,14159...
pi = toaka gasy, ambodivoara, betsabetsa, galeoka...
19. simplex ( 15/03/2007 11:53)

akoho: kaly atoandro
akoho: rafotsy
20. booboo ( 15/03/2007 11:55)
Tao : milaza toerana
Tao : asa (taovolo, taozavatra, haitao sns)
Tao : euh...fototeny (?)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0087