Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra

81. Zina ( 06/03/2007 20:46)
oy i soanja
Averiko indray TSY MASINA ny baiboly ary TSY LAFATRA



Averiko eto indray koa fa ny Baiboly dia masina ary TENA LAFATRA:wink: Io no maha Kristiana an'ny Kristiana.
82. ikaretsaka ( 06/03/2007 20:59)
oadray! tsy ny baiboly no maha KRISTIANINA ny KRISTIANINA fa ny finoana sy ny fanaikena fa i Jesoa no Kristy zanak'andriamanitra!

aoka hazava
83. ikaretsaka ( 06/03/2007 23:58)
sa i Zina manompo baiboly?
andreiamanitra irery no lafatra tompoko o!
84. kiranil ( 07/03/2007 00:46)
Tsotra fotsiny ry zareo a.

Izay iray alehany; na ireo milaza fa \"tsy Masina sy tsy Lafatra ny Soratra Masina\", [izay marihiko eto fa adepte @ resaka yoga] no marina na ny Soratra Masina (Baiboly) izay avy amin\'ny tsindrimandry avy amin\'Andriamanitra.

Asa na tena fantatry ry zareo ireo ny tena dikan\'ny \"namaste\" izay sotarany eto isan\'andro, izay terma fampiasa any @ Yoga.

izao no tena dikany: \"I salute the potential to become a God that lies within you\". na hoe \"manaja ny fanahy izay afaka ho andriamanitra ao anatinao aho\".

ny tanjon\'ny yoga dia mampianatra fa andriamanitra daholo ny olombelona rehetra;

\"Since it is taught by the yogis that everything is God, it then stands to reason, man is God.\"

http://www.allaboutspirituality.org/history-of-yoga.htm

ka tsy atao mahagaga raha mankahala ny Soratra Masina izay teny avy amin\'ilay tena Andriamanitra izy.

Jesosy Kristy izay Andriamanitra tonga nofo tety an-tany dia nampianatra mazava tsara fa misy dia misy ny helo; ny sasany anefa dia milaza ny mifanohitra amin\'izany hoe: \"zah tsy mino velively ny helo\"--soanja.

Amintinako azy:

Fa izao zavatra izao no nataon\'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko. Isaia 66:2

Mampiseho fanajana ve ianao mamaky ny tenin\'Andriamanitra sa sahy sahy ka hilaza hatramin\'ny hoe tsy Masina izany teny izany?

85. cutie ( 07/03/2007 00:52)
ka tsy atao mahagaga raha mankahala ny Soratra Masina izay teny avy amin'ilay tena Andriamanitra izy.

:-D:-D:-D:-D:-D:-D
86. xxx ( 07/03/2007 01:20)
ikaretsaka> mamaky Baiboly rangahy ty tsy midika hoe manompo Baiboly ah.. aiza ary nareo zany..

mamaky ny sitrapon'Andriamanitra ao @ io Boky io izay be mpanenjika indrindra eto an-tany, fa tsy hoe mamaky ny sitrapoko, na sitrapon'i soanja [izay hajainao mihoatra nohony fanajana ny tenin'Andriamanitra], na sitrapon'olombelona izay ho faty rahampitso..

Tsy aleo ve mba asina raisonnement kely ihany na izay aza fa dia efa entin'ny tsy fitiavana sy fankahalana fotsiny.. Ary raha izao no mitohy dia mety hiafara hatramin'ny faneken'ingahy fa "Tsy Misy Andriamanitra" izay vohizin'ny sasany eto koa.

Oviana izao ingahy io no namaky Baiboly farany?
dia mba lazao ahy hoe inona no tsy masina voalaza ao?
87. cutie ( 07/03/2007 01:27)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
88. soanja ( 07/03/2007 04:42)
ikaretsaka:

oadray! tsy ny baiboly no maha KRISTIANINA ny KRISTIANINA fa ny finoana sy ny fanaikena fa i Jesoa no Kristy zanak'andriamanitra!

aoka hazava


Ianao ry Ikaretsaka no nahalaza mazava ny rehetra momba ny finoako.
Woaouwwwwww voalazanao tokoa. Namaste hatrany! :-*:-*
Andao ataontsika hoe "Amen" koa.


89. ikaretsaka ( 07/03/2007 04:58)
Kiranila> ny hoe namaste dia terme fampiasan'ny mpanao Yoga tokoa, teny nepalais io ary tsy voatery io nambaranao io no tena dikany ara-bakiteny fa azo atao koa hoe manao ahoana fotsiny (hello).... raha any nepal sy any singapore sy iny manodidina iny ianao dia izany no fomba fiarahabana any! , ary TSY hoe rehefa manao yoga akory dia tsy kristianina, raha te hanao yoga ianao dia afaka mampiasa zavatra kristianina tokoa, firifiry no manao meditation ka mampiasa zavatra kristianina? na ny papa, (JP2 aloha no fantatro) i Md Ignasy sy ny Jezoita, sy ny Relijiozy maro isan-karazany (Exercice spirituelle) , la retraite , ary i Jesoa aza nanao koa rehefa hitokana any an-tendrombohitra izy!

XXX>aza ovaina aloha ilay izy ary aoka hazava... ny miteny hoe masina ny baiboly no noteneniko hoe tsy mety loatra satria lasa mi venerer fotsiny amin'ny maha boky fa tsy ny mamaky sy mandinika izay tena hafatr"andriamanitra ! (jereo tsara aby ny nosoratako tany ambony)

vao teo aho no namaky baiboly farany raha tianao ho fantatra ary koa manao meditation araka izay hafatr'andriamanitra ampitaina androany ... ary manaraka ny litorjian'ny talata faharoan'ny karemy/taona C

fa tsy noraisiko isan'andalana ilay izy na hoe ze metimety tamiko ihany no notsiponiponiko fa nisy vakiteny 2 tao dia nodinihiko de ny fanetrena tena no hitako sy noraisiko t@ ireo vakiteny reo sy tsapako fa sitrapon'andriamanitra tiany nampitaina tamiko androany.. dia izay no nojereko tato amiko tamin'ny alalan'ny meditation hoe aiza ho aiza sy ahoana aho @ izany?

aho tao ambony tao:
sa le fomba famaky baiboly tokoa no samy manana ny azy?

-misy ny mamaky izay andalana metimety aminy fotsiny dia manovanova an'iny mba hamelezana olona. (misy aza tapahana tsotra izao ilay andalana fa ilay mba ekeken'ny saina fotsiny no tazomina)
rehefa anontaniana hoe taiza io andalana io de mipoapoaka ny referansa.. fa rehefa asaina mamelabelatra hoe inona ny tena votoatin'ilay tantara sy tian'Andriamanitra hampitaina amin'ny alalan'ny mpanoratra araka ny fizotran'ny tantara eto ary de mihazohazo eo fotsiny

- misy ilay mamaky sy mandinika ny hevi-dehibe fonosin'ilay tantara manontolo dia avy amin'iny no manatsoaka lesona sy etiny hanaovany fandinihan-tena. jereo fotsiny ohatra ny resaka magnificat niteraka resabe tary!


I maria tsy namaky baiboly na hoe naka andalana 1 tao dia nahazo message hoe ho renin'i jesoa fa i gabriel no nanome azy, I abrahama, Moise, i Piera sy Paoly sy ny apostoly rehetra raha voaantso dia tsy teo am-pamakiana sy fitsiponana andalana no voaantso, i joany, Ny olomasina sns....
ary jereo fa na i Jesoa aza tsy niteny hoe Voalaza ao @ anona toko zao fa misy an zao.. fa ho'zy fotsiny hoe efa voasoratra hoe ... (tsy nisy jesoa niteny mihitsy ao hoe hoy ny baiboly ao @ bokin'i ann toko faha zao andalana faha zao)



anao ndray!
90. niryna ( 07/03/2007 07:49)
kiranil:



Izay no fomba hitondrako ny hevitro rehetra eto @ serasera. Ny mpanjakan'ny fahamaizinana no toheriko dia tsy iza fa ilay satana mamitaka ny maro amin'ny resaka fivavahana mba tsy ahitan'ny olona ilay famonjena tsotra ao @ Jesosy Kristy.

"Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany." Jaona 6:40

Tsy mamely an'iza na iza io fa milaza kosa ny Fitiavan'Andriamanitra izay manome ny fiainana mandrakizay ireo izay mijery an'i Jesosy Kristy ka mino fa Izy tokoa ilay Andriamanitra tonga nofo nidian tety an-tany hamonjy izao tontolo izao.




Marina tanteraka io ka aza reraka ny mamafy voa fa t sy ho fantatrao izay ho vanona
91. Mandefitra ( 07/03/2007 08:48)
Manahy aho fa ndrao tsy ny sitrapon'Andriamanitra loatra no ho voazara ato @ fivavahana sy finoana fa ny fahendrena sy fahalalan'olombelona zay zava-poana ihany.
Diniho fa izao no voasoratra ao @ 1Kor1:
18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
19 Fa voasoratra hoe:"Hofoanako ny fahendren'ny hendry, ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala" (Isaia 29:14) .
20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao?
21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra, ny fahendrena dia tsy hahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino;
22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa mitady fahendrena,
23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa,
24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra .
25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.
26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;
27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;
28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,
29 mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.
30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
31 mba ho araka ny voasoratra hoe: "Izay mirehareha, aoka Jehovah no ho reharehany" (Jer 9:23)
92. tywa68 ( 07/03/2007 09:08)
Mandefitra : f'angaha tsy fahasoavana azo avy any @ i Tompo ny fahendrena sy fahalalàna ka raisinao ho zava-poana ? amiko dia azo zaraina rehefa mahasoa ary mampiroboro ny fifandraisana sy fifankatiavana.:lol:


93. Mandefitra ( 07/03/2007 09:31)
tywa68:raha fahalalana hanalavitra ny famonjena mo hitondra anao hankaiza? ohatra akaiky ny namana fijo,mitoky loatra @ siansa ka tsy te hahalala ny fitiavan'Andriamanitra ny olona ao @ Kristy Jesosy.
Misy hira fahiny zay manao hoe :"raha izany no izy dia azafady,tsy mitovy ny antsika ny fahendrena..."
Samy manana zay heveriny ho fahendrena, raha tsy mitoky @ Tenin'Andriamanitra irery ihany :"ny fatahorana an' iJehovah no fiandoham-pahendrena"
94. tywa68 ( 07/03/2007 09:47)
Mandefitra : tsy zay tenenin'i fijo rehetra no hoe adalàna, fa matoa misy ny fanontaniana samihafa apetrany, dia @ maha-olombelona azy tsotr'izao, fa tsy hoe tsy te-ho voavonjy sns ... mila famonjena daholo na izay efa milaza fa mahay ny Tenin'Atra aza !
95. Rasiligaoma ( 07/03/2007 13:53)
tywa> marina dia marina
tsy ny fahaizanao ny teniny no ahavoavonjy anao fa ny fanaovanao ny sitrapony
96. Rasiligaoma ( 07/03/2007 14:00)
ikaretsaka:

oadray! tsy ny baiboly no maha KRISTIANINA ny KRISTIANINA fa ny finoana sy ny fanaikena fa i Jesoa no Kristy zanak'andriamanitra!

aoka hazava


misaotra tompoko o! voalazanao ilay izy..
97. prime ( 07/03/2007 14:43)
soanja:
Averiko indray TSY MASINA ny baiboly ary TSY LAFATRA.
Ianao izao no mihevitra fa masina izy ary raha miteny izany aho dia efa blasfemia. Izany ve tsy manompo baiboly?
... :-D Ny mitady ho blasfemia lazaiko dia ny filazànao fa tsy lafatra ny baiboly satria tsy lafatra ny olona nanoratra azy... izany hoe aminao dia tsy avy amin\'ny tsindrimandrin\'Andriamanitra no nanoratana azy fa misy fanahy hafa mibitsika tamin\'ireo nanoratra azy... ireo fanahy ireo izany fanahy avy aiza? na fanahin\'iza? moa tsy blasfemia izany? Jesosy aza efa nolazain\'ny olona fa demoniaka raha nanambara ny tenany ho Andriamanitra... asa raha azonao...
soanja:
Izany fitiavana izany amiko dia mizara ary mampianatra fa tsy hilaza hoe ianareo no Antikrista sns.
... Ka ny Tenin\'Andriamanitra mihitsy no manondro ny atao hoe antikristy mba hiambenan\'ny mpino ny fanahiny tsy ho voarebirebin\'ireo olona ireo... ka raha tsy lafatra araka ny lazainao moa ny baiboly... mazava ho azy fa tsy inoanao koa izany ny voasoratra ka mahagaga ve izany?
soanja:
Io teniny io (izay heverinareo fa Tenin\'Andriamanitra) drindrangilonareo foana sady ahodikondinareo hanaratsiana sy hanasarantsarahana ny Mpino an\'i Kristy sady hitsaratsaranareo olona. Tsy fitiavana izany amiko.
... Jereo tsara ange izay ambaranao e... iza no mitsara amin\'izany?:wink: fa ny Tenin\'Andriamanitra tsy maintsy ambara... mazava ho azy fa rehefa tsy inoana ilay Teny lasa toy ny mitsara avy hatrany... amin\'izay fotoana izay raha mahatsiaro tohina ny fonao dia anontanio Jesosy Kristy izay niteny izany... sa moa tsy lafatra koa na izay nolazain\'i Kristy aza? nefa dia Izy Jesosy Kristy no miteny hoe :

\"Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin\'ny andro farany,\" Jaona 12:48
soanja:
fa aza lany fotoana mitsongoloka baiboly satria tsy efa hay ve ny ao rehefa nisy firy taona namakiana azy izay.
... Deraina manokana ianao efa mahay ny ao raha izany...
soanja:
Koa raiso ny angady Tompoko, ento ny harona ary aza misalasala mamafy izany amin\'ny alalan\'ny asa sy modely tsara mba arahan\'ny olona fa tsy lany andro mitsekara fotsiny. Tsy mamely intsony izany amiko satria efa be ny leo satria tsy nahita izany porofo teo anatrehan\'ny fiainan\'ireto mitory amin\'ny vava fa tsy amin\'ny asa. Ny porofo ara-piainana no tadiavin\'ny olona amin\'izao ary mivoatra ny zavatra takian\'Andriamnaitra amintsika satria miova ny fomba fisainan\'olombelona andro amanalina.
... Dia mbola mitsara hatrany fa ny mpino Kristiana izany tsy misy miasa fa lany andro mitory amin\'ny vava... tena gaga aho ry soanja marina e...
soanja:
Tamin\'ny andron\'i Jesoa dia tsy nisy ny baiboly.
Ary ny nahagaga ahy de naninona i Jesoa tsy mba nanoratra boky nefa ny teo alohany sy ny tao aorianany nanoratra aby?
... Tsy nisy ny baiboly fa nisy ny \"torah\"... ianao mihitsy aza no efa nitondra fampianarana teto... ary Jesosy isaky ny nankao amin\'ny synagoga dia tsy nitsahatra ny nampianatra sy namaky izany...
soanja:
Noho izany inona zany no tokony ataontsika?
... inona raha ny hevitrao? aza mamaky baiboly intsony satria tsy lafatra sa aza mino izay voasoratra ao intsony rehetra intsony?... hummmm...
soanja:
Ny mampisarantsaraka dia porofo mivaingana firy ny fiangonana (finoana) eto antany milaza azy ho Krsitianina sady manaraka lalandava ny ao amin\'i baiboly? fa maninona ireo tsy ho IRAY ao amin\'I Kristy ary mifankatia ary mifanampy. Rehafa jerena ireo dia mifanaratsy.
... :-D:-D Mamelà ahy hihomehy ry soanja... ka iza no mampisaraka izany, ny baiboly ve?8O... Ny otan\'ny olombelona sy ny fanamarinan-tenany vokatry ny fampianaran-diso eto amin\'izao tontolo izao sy satàna tsy mitsahatra miasa mampisaraka isanandro tsy ao anatin\'ny \"analyses\"\'nao mihitsy fa tonga dia tsotra fotsiny hoe \"ny baiboly mampisaraka\"... hummmm
soanja:
AIZA NY LESOKA? nefa efa fantatr\'Andriamniatra fa tsy Lafatra isika. Ka raha fantany izany dia hainy nanao an\'io tsy hampisarantsaraka sy manakorontana.
... Hainy ahoana? Andriamanitra manaja ny safidy fa tsy manery hoe hainy dia izay no tsy maintsy hiseho... Hain\'i kristy ny nanongotra ny tenany teo amin\'ny hazofijaliana raha nilainy izany fa tsy nanao izany Izy... hainy ny nanambatra ny Apostoly 12 tsy hiparitaka fa tsy nanao izany Izy... hainy ny nampiseho ny heriny ka tonga dia namaizany ny olombelona rehetra tsy manaja Azy fa tsy manao izany Izy fa mbola Izy indray aza no manolotra ny Tenany ho faty sy hitsangana t@ maty hamonjy ny olom-bery...
soanja:
Noho izany dia tsy Andriamanitra no tsy LAFATRA fa ilay TENY vaosoratra ao misy tsy lafatra.
... Ambarao hoy aho inona ilay tsy lafatra ao fa tsy lazainao anie e...

Ikaretsaka> Ny Tenin\'Andriamanitra ry Ika tsy famelezana olona izany velively fa aina sy hery ho an\'ny olona... famonjena no nahatongavan\'i Kristy fa tsy famonoana ny mpanota... fa Jesosy kosa nanamafy fa raha tsy inoana ny Teny dia izay tsy finoana ny teny izay ambara izay ihany dia efa hitsara izay tsy mino...
98. Rasiligaoma ( 07/03/2007 15:06)
prime/soanja:/ikaretsaka/Niryna dia hifamely sy hifampitsikera eto fotsiny zany nareo 4 dahy ..
efa samy mino moa fa jesosy no tompo de aoka izay e..ny fomba entina mino no samy hafa ary samy tsy misy ratsy
akombony any aloha ny baiboly aloha 2 minitra dia ajanony any ny meditations anareo dahy dia
atolory ny vatana sy ny molotra , aoka hifanolotra
bisoubisou minouminou @ izay ny sisa rahalina atolotra!
(l)
mifankatiava eeee
99. kiranil ( 07/03/2007 15:26)
Voalohany, Ny eto ange tsy hoe fanehoana tsy fitiavana olona; raha tsy tiana soanja sy ikaretsaka na i prime sy nyrina aho, dia tsy manketo fotsiny dia tapitra..

ikaretsaka> ny yoga dia tsy 'neutre' velively ka hoe tsy misy fiantraikany fa misy philosophy izay vohiziny, dia ny ahatsapan'ny mpanaraka azy fa andriamanitra daholo ny olona rehetra; ka noho izany dia tsy mila ny Tenin'Andriamanitra fa ny conscience anao fotsiny no mibaiko anao.

Tsy izaho no namorona io dikan'ny teny hoe "namaste" io fa jereo tsara ny ao @ wikipedia.org http://en.wikipedia.org/wiki/Namaste dia ho hitanao hoe iza, ireo "Buddhist monks in the High Himalyas." izay milaza hoe: "I salute the potential to become a God that lies within you"

Raha te hamaky ny momba ny yoga ianareo dia ato :: http://www.allaboutspirituality.org/history-of-yoga.htm

Misaotra.
100. soanja ( 07/03/2007 15:37)
Rasiligaoma> Mi-salut aho e. Ampy zay.:D:D:D
Aoka ny fiadananan'Andriamanitra Iray tsy toha hifafy amintsika mianakavy.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3236