Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra

41. Rasiligaoma ( 02/03/2007 14:39)
fijo:

ka io samy mandika azy arakaraky ny fahazahoany ilay hafatra ka

izay mihitsy ry fijo: ary matetika dia ireo mpitanisa ilay baiboly isan'andalana no manondrana:
tsy azony akory ny fandehan'ny tantara rehetra sy nahatonga ilay olona na andriamanitra niteny ilay teny fa nisy andalana anakiray hitany fotsiny dia iny no tanisainy sy interpreteny hamelezana olona arakarak'izay situation misy eo!
42. naughtyboy ( 02/03/2007 14:50)
lapino za nge nanamafy 1 ny fanahin'A.tra
zay antsoina fanahy tsara ary maro2 ny any mpanohitra azy fanahy ratsy fa ireo endrika 2 reo no
hita taratra @ zanak'olombelona na de tsy lafatra aza no isehoany matetika,tsy misy hafa @ fisiany lanitra sy ny afobe
43. lapino ( 02/03/2007 15:04)
fijo > Misy Andriamanitra ka!
Porofo ve? Raha tsy ampy ho porofo ny fisian'izao rehetra izao, dia mangataha porofo Aminy. Amin'izao dia finoana no ahafantarana izany. Fa ny azo antoka dia mbola hahafantatra daholo ny velona sy ny maty rehetra fa Misy Andriamanitra. Kanefa aza miandry an'izay na dia izany aza ;)

Rasiligaoma > Raha hamelezana olona no tanjona, dia tsy misy dikany izany. Vokatry ny fitiavana akory aza ve ny famelezana? Fa ny atao dia ny mizara sy mampahafantatra, mitory ny fampianaran'Andriamanitra.

naughtyboy > ok :)
44. prime ( 02/03/2007 16:21)
soanja:
Ny ahy indray dia tsotra ny valin-teniko amin\'ity size ity. TSY LAFATRA NY BAIBOLY. zany hoe tsy voatery tenin\'Andrimanitra daholo ny ao satria olombelona mitovy amintsika no nanoratra azy vokatry ny fiarahamonina sy ny zavamisy ary izay tiany voizina.
... o ry soanja a, milaza ho kristiana ve ianao nefa sahy miteny hoe \"tsy lafatra\" no sady sahy mitsara hoe \"tsy voatery tenin\'Andriamanitra daholo ny ao\"?... 8O, sao dia efa tsy fanahin\'Andriamanitra intsony no monina aminao ka sahy miteny an\'izany?

soanja:
Ny teny ao amin\'ny baiboly tsy voatery ho lafatra daholo satria amiko tsy izy rehetra no tenin\'Andrimanitra.
... Tena \"affirmation gratuite\" mihitsy an... fahasahiana be... ka raha tsy Tenin\'Andriamanitra daholo dia iza no fanahy nanome saina sy hery an\'ireo olombelona lazainao ho nanoratra ny ampahany ao amin\'ny baiboly? sao dia efa hivadika blasfemia izany ry soanja fa mba tandremo ihany...
soanja:
Ie tsy mitovy fomba finoana isika samy Kristianina satria nosarantasarahan\'i Baiboly amiko. Amiko raha Lafatra ny baiboly dia tsy toy izany ny fitrangany amin\'ny olombelona izay tiany hampitana ny teny voasoratra.
... Ary tena lasa fanamelohana ny baiboly no niafaràn\'ilay resaka fa lasa izy mihitsy no mampisaraka... hummmm
Ny fahotàn\'ny olombelona hoy aho aza atsipy any amin\'Andriamanitra... ny olombelona no efa voaozona hanota sy handika ny Teny ary hanamarin-tena dia Andriamanitra nanome ny Teniny am-pitiavana indray ankehitriny no diso manome boky mpampisaraka... mahagaga...
45. ikaretsaka ( 02/03/2007 17:33)
ny teny ao ry prime lafatra.. fa ny ordre filaharany dy fomba fi interpretevan'ny olona azy no samy manana ny azy.

Rasiligaoma
:

Hoy i fijo:

ka io samy mandika azy arakaraky ny fahazahoany ilay hafatra ka

Hoy I Rasiligaoma
izay mihitsy ry fijo: ary matetika dia ireo mpitanisa ilay baiboly isan'andalana no manondrana:
tsy azony akory ny fandehan'ny tantara rehetra sy nahatonga ilay olona na andriamanitra niteny ilay teny fa nisy andalana anakiray hitany fotsiny dia iny no tanisainy sy interpreteny hamelezana olona arakarak'izay situation misy eo!

ny tenin'andriamanitra indray amiko lafatra fa tsy voatery ho izay ao anaty baiboly ihany no tenin'andriamanitra *(efa niadiana hevitra be teto io)

lapino:

Kanefa, eo amintsika Andriamanitra! Miara-monina amintsika koa Izy, ary miresaka amintsika amin'ny fomba isan-karazany.
Ny kristiana izay mitory, dia ny Tenin'Andriamanitra no tokony toriany fa tsy ny hevitry ny tenany. Na olon-tsotra io na pasitera na mompera sns ... na eto amin'ny forum aza. Dia tsy inona izany Teny izany fa :
- na ny Tenin'Andriamanitra izay voasoratra
- na izay lazain'ny Fanahy Masina azy
- na izay nampitondrainy ny mpanompony

46. soanja ( 02/03/2007 18:40)
prime:

soanja:
Ny ahy indray dia tsotra ny valin-teniko amin\'ity size ity. TSY LAFATRA NY BAIBOLY. zany hoe tsy voatery tenin\'Andrimanitra daholo ny ao satria olombelona mitovy amintsika no nanoratra azy vokatry ny fiarahamonina sy ny zavamisy ary izay tiany voizina.
... o ry soanja a, milaza ho kristiana ve ianao nefa sahy miteny hoe \"tsy lafatra\" no sady sahy mitsara hoe \"tsy voatery tenin\'Andriamanitra daholo ny ao\"?... 8O, sao dia efa tsy fanahin\'Andriamanitra intsony no monina aminao ka sahy miteny an\'izany?

soanja:
Ny teny ao amin\'ny baiboly tsy voatery ho lafatra daholo satria amiko tsy izy rehetra no tenin\'Andrimanitra.
... Tena \"affirmation gratuite\" mihitsy an... fahasahiana be... ka raha tsy Tenin\'Andriamanitra daholo dia iza no fanahy nanome saina sy hery an\'ireo olombelona lazainao ho nanoratra ny ampahany ao amin\'ny baiboly? sao dia efa hivadika blasfemia izany ry soanja fa mba tandremo ihany...
soanja:
Ie tsy mitovy fomba finoana isika samy Kristianina satria nosarantasarahan\'i Baiboly amiko. Amiko raha Lafatra ny baiboly dia tsy toy izany ny fitrangany amin\'ny olombelona izay tiany hampitana ny teny voasoratra.
... Ary tena lasa fanamelohana ny baiboly no niafaràn\'ilay resaka fa lasa izy mihitsy no mampisaraka... hummmm
Ny fahotàn\'ny olombelona hoy aho aza atsipy any amin\'Andriamanitra... ny olombelona no efa voaozona hanota sy handika ny Teny ary hanamarin-tena dia Andriamanitra nanome ny Teniny am-pitiavana indray ankehitriny no diso manome boky mpampisaraka... mahagaga...

Tsy maninona mihitsy ry Prime, izay fandraisanao ny hevitro dia tena hajaiko tokoa.

Io ny fahitako ny baiboly, MAMPISARANTSARAKA, ny Mpino.
Ny antony dia satria tsy lafatra nefa nolazaina sy nalentika tao andohantsika fa MASINA, DIA io no tompotompoina eo, ka zary HADINO ilay ANDRIAMANITRA velona ao anaty sy miaina ao anaty, manodidina antsika ary manasoa antsika andro amanalina amin'ny FITIVAN-DEHIBENY.

Amiko raha vakiana ny baiboly atao fakana hevitra sy hieritreretana fa tsy atao hoe io no ANDRIAMANITRA. Satria ao anatin'io dia misy angano, tantara, literatiora Jiosy sy Romana ary Grika sns. Ary ao anatin'io koa ilay HAFATR'ANDRIAMANITRA. Noho izany mbola ilaiko ny baiboly saingy ny saiko sy ny fanahiko mamaky eo kosa mila mifantoka tsara amin'ny tanjona tiako tratrarina fa tsy entin'ireo zavatra tsy dia ilaiko loatra hanimba ny ao ampoko ka hanasaraka ahy amin'ilay Andriamanitra tompoiko.

Ka izay tokoa zay tianao lazaina momba ahy tsy maninonana fa izay ary no mahaolombelona anao koo.

47. Zina ( 02/03/2007 18:58)
Prime a miombo-kevitra aminao aho... efa nanambara isika dia izay no azotsinka atao. Any rehetra sisa no mieritreritra...
Titosy 3: 9
Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.

48. kiranil ( 02/03/2007 20:56)
Io "philosophy" soratan'i Soanja io no atao hoe Unitarian Universalism; izay mampitambatra ny finoana rehetra eto an-tany: paganism, atheism, islam, agnosticism, buddhism, hinduism, freemasonry, new age movement, satanism .. ary ny christianism sasany koa. Izay toa tsara ivelany kanefa ny ao ambadika dia fitaka ataon'ny satana analavirana ny olona amin'ny ny famonjena tsotra ary maimaimpoana natolotry Jesosy Kristy ho an'izao tontolo izao; ka izay mino izany no voavonjy.

"Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany." Jaona 6:40

************************

The Unitarian Universalisam espouse a humanist believe of each individual in a position superior to God or scripture.

http://www.contenderministries.org/UU/uus.php#beliefs raha mahaliana anao ny momba io Unitarian Universalism io.

"Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy" Apokalypsy 12:9

Satana dia namitaka hatramin'ny voalohany ary mbola mamitaka hatramin'izao fotoana izao, kanefa izay manao sy mankato ny sitrapon'Andriamanitra voarakitra ao @ Soratra Masina irery ihany no tena afaka amin'izany famitahana izany.

Misaotra :-*
49. ikaretsaka ( 02/03/2007 22:02)
fa marina tokoa aloha fa ny an'ny sasany lasa adino andriamanitra fa variana mitsipona andalana ao anaty baiboly ny olona sasany mba hamelezany anao e

dia adino andriamanitra ny vokany!
de mifampitsaratsara eo
de manao ilay hoe satana sy anti krista ze tsy mitovy hevitra aminy!

fa raiso @ saina tsy miangatra ange e.. za aty @ monastere sy manao an zany an
fa tsapa hoe anisan'ny nampisaraka ny baiboly noho io samy maka ny interpretation-ny arak'izay fahitany ilay andian-teny io!

Uncovenient truth zany!
50. kiranil ( 02/03/2007 22:22)
Ireto ny vohizin'ny olona manaraka ny Unitarian Universalism :.

- Salvation to the Unitarian Universalism is a guarantee. (Voavonjy 'automatique' daholo ny olona rehetra)
- They do not believe in Hell. (Tsy mino ny fisian'ny helo na fisarahana mandrakizay amin'Andriamanitra, mazava ho azy fa tsy mino ny fisian'i Satana izy)
- There is no sin, (Tsy misy izany ota izany, fa mety daholo ny ataon'ny olona rehetra)
- there is no penalty for sin, (Tsy misy ny vokatry ny ota)
- there is nothing to be saved from. (Tsy misy tokony hilana izany famonjena izany)

Ireto kosa ho ny an'ireo izay mino sy manaraka an'i Jesosy Kristy ho zanak'Andriamanitra nidina tety an-tany izay maty nisolo voina izao tontolo izao:

- samy efa nanota ny olona rehetra eo anatrehan'Andrimanitra; ka ny vokany dia ny fahafatesan'ny fanahy na fisarahana mandrakizay amin'Andriamanitra, kanefa ireo izay mino an'i Jesosy Kristy dia navotany tamin'ny rany Masina natolony teo ambony hazo fijaliana.

"fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy," Rom 3:23-24

Ny tokony ataon'ny olona izay te-hovonjena dia ny mino sy manaiky fotsiny izany fanamarianana maimaimpoana hataon'Andrimanitra izany; ary manao ny sitrapony izay voarakitra ao @ Soratra Masina irery ihany.

"Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho?
Minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao" Asa 16:30-31

Misaotra
51. fijo ( 02/03/2007 22:49)
asa aloha fa za tsy mino,
asa koa na ahoana marina ny finoan'i soanja
fa raha ny afhitako azy,dia toa finoana mivelatra sy manadihady kokoa io arahan'i soanja io,fa tsy le finoana manakiana ny tsy mitovy aminy ireny,ary tsy le finoana mino be fahatany ko.
za dia milaza ary miverimberina matetika hoe ny baiboly dia boky ahitana zavatra marina,nefa misy angano nampidirina koa ao hanatsarana ny tian aholazaina.ka asa fa ny ahy tsy ny mpino no jereko,fa ny fomba entiny mino
52. Zina ( 02/03/2007 23:03)
Kiranil thanks

Ny zavatra tena mampalahelo dia sombain'i Satana mihitsy ny sain-draolombelona (confusion) mba tsy ahafantatra ny tena fahamarinana.:(
Mivavaka @ fo mihitsy @ ny fangatahana ny Fanahy Masin'Andriamanitra mba hanoro ny rehetra ny Tena fahamarinana:wink:
53. fijo ( 02/03/2007 23:20)
tsy misy wa izany satana izany fa aza dia mino mino foana to aio nareo e
54. ikaretsaka ( 02/03/2007 23:37)
izaho aloha ny tokony ho fitoriana teny raha nytokony ho izy

...raha izaho no asainao mitoriteny dia tsyhoe andriamanitra mpanasazy na hoe mibebaha no voiziko voalohany fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika amin'ny mahaolombelona antsika : zany hoe ny fanovany ny fiainantsika hisy zavatra positive eo anivontsika, ny fampaherezana antsika amin'ny fiainan-tsarotra, ny fahatsapana fa tiany isaka na manana kilema aza saingy afaka mila tanteraka izany kilema izany raha manana ny Fanahin'Andriamanitra ianao ka mandray azy ao am-po. Dia izy olonamandray an'Andriamanitra no mahalala ny otany rehefa avy eo dia miezaka mibebaka fa tsy izaho mihitsy ny hanizingizina aminy vao manomboka ny toriteny hoe : isika dia mpanota, io otanao io antony nahatonga na'Andriamanitra nandefa ny zanany sns....

Ka rehefa maheno ny positive outcomes ny fandraisana an'Andriamanitra izy dia manontany izy hoe ahoana ny fomba hamojeko sy handraisako an'Andriamanitra satria toa mahalina sy tsara izy izany dia eo amin'izay ianao manome ny hoe:
-Tiavo amin'ny fonao iray manontolo Andriamanitra
-Atokano aminy ny fanahinao sy ny vatanao ary ny asa ataonao; ampiseho amin'ny alalan'ny fitondran-tena sy asasoa ary fihetsiak mendrika ny zavatra ataonao rehetra.
- Tsinjovy ny namanao zany hoe ny hafa ary toroy ny lalana mahitsy izy sns
-Miala amin'ny ota mety manasaraka antsika amin'ilay Ray.

Efa any amin'ny farany ilay olona vao mety hanontany hoe inona avy kay izany ny ota mety ananako tokony hanaovako tena mba hampadio ahy dia eo ianao mi-list ny zavatra mety tazanao mila fiovanana any aminy. Dia aleo izy handin-tena fa tsy hoe io fahotany io no asesinao voalohany aminy fa amiko tsy truthful ny zavatra tenenina amin'izany fa ampitahorona ny olona hanantona an'Andriamaniatra ka hoe AFOBE ny hiafaranao sns mampitahotra ao anaty baiboly ao.

Bref, tsy mandiso ny fombanao aho fa samy manana ny fomba hampitainy ny tenin'Andriamanitra isika fa ny hany tsy mampitovy angamba dia ny anao ao anaty baiboly daholo ny Ref, fa ny ahy tsy dia mila baiboly loatra matetika fa ny fiainana andavanandro no entiko manomboka azy izay vao mirona mankany amin'ny baiboly na boky masina hafa arakarak'izay ahitako ny fahamarinana miteny amiko eo sy mifanaraka amin'ny hevitra eo.

Ny zavadehibe dia tokony hijery izy fa tsy vitan'ny vatana ny fiainana fa misy ny Fanahy ary io Fanahy io no mahaolombelona anao sy hitovizanao amin'Andrimanitra izy nanamboatra anao.

Raha manontany izy hoe aiza no tokony hivavaka dia hiteny aho hoe aiza ny tianao fa ny zavadehibe dia mifandray amin'ilay ao anatinao ianao ary tokony hita taratra ety ivelany izany hatsarana ao anatinao izany. Ka n'aiza n'aiza efa fantatrao ny hafatra fa Fitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa sns tsy voatanisako eto intsony. Tsara anefa ny mandray matetika sy maheno matetika izany teny mahasoa izany.

Io ny finoako ary io no ho voiziko hatramin'ny farany.

55. fijo ( 02/03/2007 23:50)
izany hoe andriamanitra izany tsy mibedy rah amba misotrosotro izahay an.ravalo mantsy toa tsy tia an'io fa mifanohitra amin'ny finoana hono.

dia tsy terena koa ny olona hivavaka ny alahady.
56. ikaretsaka ( 02/03/2007 23:59)
mandinitena dia raha hitan'ialahy fa mety @ vatan'ialahy sy ny fanahin'ialahy.. ka hain'ialahy ny manao tsy mamo ohatra na mahalala onony dia petaho..
toy izay ilay heo fahavalo ny taoka..nefa misotro any ambadika any!
57. fijo ( 03/03/2007 05:18)
raha izay dia dakoro tsara amin'ialahy aho."misotroa nefa aza manao mamo"izay ihany ny ahy
58. soanja ( 03/03/2007 06:09)
Ikaretsaka> Namaste hatrany Ranadahy!

Fijo> Aza manontany akory ny momba ny finoako fa efa fantatrao. Mino ny fisian'Andriamanitra aho. Kristianina be mihitsy ary mahatoky fa ao anatin'i tsirairay dia misy fahazavana. Io ilay antsoina hoe Fanahy, ka matetika io matory na miafina raha mbola tsy vonona hifandray aminy ilay vatana mitondra azy. Izy anefa eo foana ary mitsilo na miezaka miantso ilay tsilo avy amin'ny hafa na amin'Andriamanitra hanome azy hery.
Tokony ny asa ataoko sy ny zavabitako no ijerevana ny momba ahy fa aza misahirana akory mieritreritra izay finoako any satria izaho sy Andriamanitra ihany no afaka mahalala ny momba ahy.

Kiranil> :-* Manaja ny hevitrao momba ahy aho. Tsy tadidiko mbola niditra tamin'io fiangonana io ny tongotro na dia misy an'io aza eto an-tananay. Saingy raha mitovitovy amin'ny finoako ny fomba fijeriny dia misaotra anao nanoro lalana ahy ho any. Aleo jereko tsara izany Satanism resahinao izany, satria mety tsy mitovy ny fomba fihevitro sy ny fihevitrao momba ny resaka satana.
Ny hany fantatro dia izaho tsy manompo n'inona n'inona manimba/ mampifandray ny fanimbana ny olombelona, ny ho aviny sy ny tontolo iainana ary ny ho avin'ity planeta ity.
59. Achia ( 03/03/2007 07:38)
Fijo a! katsao aloha ny fanjakan'ATRA fa omena anao fanampiny ny zava-drehetra . Ary ho an'ny efa mpino kristiana , tokony fantarintsuka tsara aloha hoe io ATRA tompoantsika io dia ATRA ny Israely , nanana ny fomba fanompoana sy ny fitsipika rehetra izany , refa tonga nefa i Kristy dia tonga ho an'ny ol rehetra fa tsy ho an'ny Israely na ny jiosy irery ihany , ary nilaza izy fa tsy tonga hanameloka fa hamonjy ary tsy tonga handrava ny lalana sy ny mpaminany fa hanatanteraka , ary hoy izy hoe tsy misy lalana miova na dia tendrotsoratra iray aza mandrakizay . NY tiako tenenina dia izao raha nilaza izany ary i Kristy dia ahoana ary ireo lalana efa voasoratra natao ho an'ny ol izay manaraka io ATRA ny Israely io , tokony misy miova ve , azo ovana ve , ankoatry ny famorana sy ny fanatitra alatsadra sy hafa ho an'izay tsy mahazo a!
60. tywa68 ( 03/03/2007 08:36)
Samy manana ny fijeriny sy ny fomba hanehoany hoe mino isika eto (i fijo moa izany te-hanohy @ilay hoe mpanohitra, mampiresaka :lol:).

Dia izay fotsiny no tsy mampitovy ny kristiana : fa zà koa aloha dia tena miombo-kevitra @ Ikaretsaka sy Soanja e !

Tsy hoe rehefa manao tsianjery sns ny ao anaty Baiboly dia ekena daholo ny fomba fitenenana sy fitoriana io filazantsara io !

Iza no manana fahamarinana eto isika @ilay fitoriana ? i lapino ? :lol:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0092