Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra

101. ikaretsaka ( 07/03/2007 16:02)
Soanja> fa azo atao koa.. ny manao mesitation in the christian way.. izany hoe zavatra kristianina no entina manao yoga sy meditations fa tsy voatery ho neutre/

Siligaoma> mahita lazaina tssss.. ao ary e
102. Zina ( 07/03/2007 16:03)
Rasiligoma a,

Mifanome ny hevitrin'ny tsirairay... manoro an;izay fahalalany ny rehetra, mamaky ny rehetra ka izay tsara itan-tsika fa tsara dia raisina ary izay ratsy dia tsy raisina... izany no atao oe forum..:wink:
103. ikaretsaka ( 07/03/2007 16:27)
fa indraindray kosa aloha ry Zina misy mifanaratsy nefa samy kristianina rehefa sendra hevitra na fijery tsy mitovy e,

mba nandany andro nitety forum fivavahana sy finoana ahako androany fa :

-misy izao ilay manao hoe rehefa tsy mitovy fijery aminay sy manaraka ny fombanay dia antikrista sy irak'i satana.

-misy ilay mifanopa mihitsy hoe ... mba anarany ialahy /indry no moine, mopera, frera, pastera, mpiandry , manao theology sns.

-misy eo ny manao fa adala sy alika izay mamoaka hevitra tsy mitovy amin'ny azy.

-misy eo ny mizara dia mahavatra mitsipona andalana ao anaty baiboly mihitsy dia avadika mba hahafahana mitsikera ilay hevitra alefan'ny 1

- misy mino fa raha tsy maintsy asiana andalana kely na dia tsy dia mifandraika loatra amin'ilay hevitra aza. dia atao italic sy lokoina menamena fa izay no hisitomany olona "hono"

-misy eo mizara ny zavatra hitany tany ampanaovana meditations tany na mizara tsotra fotsiny hoe karemy isika izao , na hoe izao no fanaovana raozery sy saple, ny momban'i nenilava sns sns, dia hoe tsy izy ireny fa tsy biblika , sns

Kristianina daholo izany!
104. Zina ( 07/03/2007 16:53)
Ikaretsaka,

Ny ahy aloha ny fandraisako ny resaka rehetra eto dia amin'ny saina positif, lazaiko ny zavatra fantatro ary hitako fa marina (fahamarinana) dia soratako eto.. Misy indray ny tsy mitovy hevitra amiko dia mba milaza ny hevitro amin;iny aho (miadi-hevitra kely) mandray izy tsara tsy mandray izy an'azy samy irery izany.. Ny resaka itako oe tsy tokony ho valiana dia tsy valiko na dia hisy iteny oe iny lery fa tsy manana ho lazaina intsony dia eso be ery avy tsy rarahiko zany ny finoana hananako no ho tazomiko, misy ny manome hevitra izay mbola tsy aiko dia mandinika sy mianatra an'iny aho baseko any @ baiboly doly ny ahy dia raha tsara dia raisiko raha ratsy dia alaviriko.. dia zay... Tsy afaka hanaratsy ny olona aho satria za ko ary mbola panota beuuuuuu :wink:
105. ikaretsaka ( 07/03/2007 18:02)
kiranyla> dia ilay yoga antsika izany no samihafa ko. aleo ny ahy atao hoe meditations.. na exercice sprirituel
106. ikaretsaka ( 07/03/2007 18:05)
Zina.. fa misy koa na samy mamaky baiboly aza samy manan any fombany

Hoy i aho tao ambony tao:
sa le fomba famaky baiboly tokoa no samy manana ny azy?

-misy ny mamaky izay andalana metimety aminy fotsiny dia manovanova an'iny mba hahazoana olona na hampitahorana olona na hitaritana olona na hamelezana olona. (misy aza tapahana tsotra izao ilay andalana fa ilay mba ekeken'ny saina fotsiny no tazomina)
rehefa anontaniana hoe taiza io andalana io de mipoapoaka ny referansa.. fa rehefa asaina mamelabelatra hoe inona ny tena votoatin'ilay tantara sy tian'Andriamanitra hampitaina amin'ny alalan'ny mpanoratra araka ny fizotran'ny tantara eto ary de...matetika izy ireny no mihazohazo eo fotsiny

- misy ilay mamaky sy mandinika ny hevi-dehibe fonosin'ilay tantara manontolo dia avy amin'iny no manatsoaka lesona sy etiny hanaovany fandinihan-tena. jereo fotsiny ohatra ny resaka magnificat niteraka resabe tary!
107. Zina ( 07/03/2007 19:15)
ikaretsaka,

ikaretsaka [ Valio ] 07-03-2007 19:05:41
Lohateny : Re : Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra
Zina.. fa misy koa na samy mamaky baiboly aza samy manan any fombany


marina mihitsy izany zany no nasiana an;ity oe:

Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra
:wink:

fa misy koa izay adininao:
ny mamaky ny baiboly satria izy tena nangataka ny Fanahy Masina ho iditra ao am-pony alohan'ny kamakiany an'ilay mba ho ahazava...


108. fijo ( 07/03/2007 23:35)
ka io baiboly io anie wa tantara sy angano jiosy e.ny antsika aza tsy hay tsara,ko ny an'ny olona ve no hianarana
109. Zina ( 07/03/2007 23:55)
Fijo a,

Eto ny misy "hic" ao aminao, satria ianao tsy mino ny Baiboly..dia tsy mety hitohy ny resa-tsika...
Ndana anie mba vakio kely fotsiny
ny apokalipsa 1: 1-3 io kely io fotsiny...
dia lazao ahy avy eo izay itanao tao...OK?:wink:

baiboly io anie wa tantara sy angano

asa ianao raha mamaky histoire taloha ny fiainan'ny olombelona : ohatra i Alexandre le grand...fa ao antin;ny baiboly ko io ary tsy angano arak'ilay lazainao, afaka porofoiko aminao mihitsy...
i mohammed koa...
110. Rasiligaoma ( 08/03/2007 00:15)
zina> fa vakio integrale hoe ny baiboly fa tsy izay andalana "metimety" aminao ihany tsiponina.

dia fintino amin'i fijo e hoe ahoana e!
111. Zina ( 08/03/2007 00:39)
Rasiligaoma [ Valio ] 08-03-2007 01:15:57
Lohateny : Re : Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra
zina> fa vakio integrale hoe ny baiboly fa tsy izay andalana "metimety" aminao ihany tsiponina.


Rasil a,

vakina integrale ???? - Vakiko integrale? azavao ny tianao lazaina...


hanapoforo azy aho fa tsy angano ny baiboly dia manaone example azy...ary example integrale ao @ baiboly no ho lazaiko azy...
112. Rasiligaoma ( 08/03/2007 00:49)
ilay tantara 1 manontolo no vakiana.. fa tsy tsiponina amin'ny toko sy andin iny fotsiny.
hoe iza no niteny an'io aloha tao @ baiboly. dia taiza sy inona no antony nitenenany an'io
113. Zina ( 08/03/2007 00:55)
rasil a,

ka miandry za ka ho lazaiko azy ireo raha tiany...:wink:
114. linarako2 ( 09/03/2007 10:51)
fijo:

ka io baiboly io anie wa tantara sy angano jiosy e.ny antsika aza tsy hay tsara,ko ny an'ny olona ve no hianarana

Dia ho adala daholo izany ny olona aminao?

115. ikaretsaka ( 09/03/2007 15:30)
zina> za koa niandry?:wink:
linarako> samy manana ny fijeriny.. izay ny azy dia approche hafa hitondrana ny asa fitoriana aminy! Plan B
116. prime ( 14/03/2007 12:20)
Ika, rasily> Mitombina anie ny voalazanareo hoe vakio manontolo ny baiboly e fa tsy mijanona eo fotsiny ny famakiana baiboly fa mila dinihina tsara...

Inona avy no hafatr\'Andriamanitra lehibe ao? inona no tanjon\'Andriamanitra raha milaza ny sitrapony Izy? Iza avy no nirahiny? Ahoana no nanehoany ny mahaIzy Azy? Inona avy no tragnga nanehoan\'Andriamanitra ny asany? Inona no zavatra tena halan\'Andriamanitra? Inona ny zavatra tena tian\'Andriamanitra? Inona no mahaAndriamanitra Azy sy ny mahaolona ny olona? Fa iza moa ny zanak\'olombelona? Inona no antom-pahavelomany? Inona no hiafaràn\'ny zanak\'olombelona? Ahoana ny itantanan\'Andriamanitra ny fotoana sy ny tantara? Inona no omanin\'Andriamanitra ho an\'ny olona? Ahoana ny fiasan\'Andriamanitra amin\'izao vanim-potoana iainana izao araka izay voasoratra ao?...

Izany azo anontaniana ary ahitam-baliny avokoa rehefa tena vakiana tsara io baiboly io...

Fa tsy mijanona eo ny famakiana baiboly fa miditra amin\'ny antsipiriham-piainana mihitsy ary ny tranga miseho rehetra amin\'izao dia efa nisy hatr@ fiandohan\'izao tontolo izao fa tsy hoe misy zava-baovao loatra ny amin\'izao... ny teknôlôjia no nivoatra fa ny tranga rehetra dia mitovy... izay no ahafahan\'Andriamanitra manana anjara fitenenana (araka ny voasoratra) isaky ny zava-misy rehetra...

Ny antikristy sy satàna (ireo moa ohatra no tena tsy zakanareo ny iresahana azy) dia efa hatr@ i Adama sy Eva no efa miasa ary halan\'Andriamanitra fa tsy vaovao izany... ny areti-mandringana maro efa hatr@ izay no nisy fa tsy vaovao izany... ny fahotàna efa nisy hatr@ izay fa tsy vaovao izany... ny fijangajangàna sy ny fahavetavetàna ohatra, tsy ny amin\'izao no mampianatra izany fa efa nisy hatr@ andron\'i Sôdôma sy Gômôro... Ny Tenin\'Andriamanitra mikasika izany rehetra izany dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay... ka raha lazaina hoe \"mitsimpona\", inona moa no tsy mampety izany rehefa manao \"analogie\" ny amin\'ny tranga misy hoe miverina ilay tranga fa tsy vaovao?...

Marina ny hoe, tsy mety ny manamarina ny hevitry ny tena amin\'ny Tenin\'Andriamanitra... ary tena mitombina izany fa izao kosa... Mety mihitsy ary tsy misy mahadiso azy ny filazàna sy ny fanambaràna ny Tenin\'Andriamanitra isaky ny tranga sy ny lohahevitra misy, ary arahina fanazavàna izany araka izay azo atao, inona no mahadiso izany?...
117. ikaretsaka ( 14/03/2007 14:28)
fa ilay fanodinana ilay tenin'andriamanitra arak'ilay hevitry ny na fitsiponana "tapan'andininy" mba hanohanana ilay izyno hitako fa tsy ao kosa e.
maninona raha atao hoe

"hitanareo ilay tantaran'i anona le izy nanao an zao sy zao? sy ny navalin'ny Tompo sy ny nataon'ny tompo taminy avy eo?"

noho ilay hoe "ento aty ny kapaotiko"
118. prime ( 19/03/2007 15:45)
ikaretsaka> Ka hahita loza tokoa izay olona manao izany ry ika a... ny Tenin'Andriamanitra tsy azo ampiasampiasaina ho amin'ny filàn'ny olona araka izay tiany fa marina sy tanteraka ary toy "sabatra roa lela" hoy Izy izay, mamaky ny aina mihitsy raha iadaladalàna...

Ny hoe fitsimponana dia tsy misy mahadiso azy mihitsy raha ilay Tenin'Andriamanitra tokoa no ambara, izay anie no lazaiko io ambony io e...

Iza tokoa moa no miteny resaka "kapôty" eo tsy ianareo sy rasily ihany...:-D:-D fa izay lazain'ny soratra masina dia azo ambara tokoa toy ny tianao atao fa tsara hoy aho... averiko indray tsara raha hamarinina amin'ny Tenin'Andriamanitra...
119. ikaretsaka ( 19/03/2007 17:06)
prime> fa bebe ihany ny mampiasa ny tenin'andriamanitra amin'io tapak'andininy io mba hanamarinany tena sy hilazany fa miteny tenin'andriamanitra izy a...

fa ny olana matetika @ io "mitsimpona" io anie matetika de lasa tsy mahay ilay tena tantara d'origine intsony ilay olona fa lasa iny sombiny kely iny sisa no tadidiny e.

I paoly manafatra an'i Titosy ohatra no nahatafavoaka ilay teny... vokatry ny circonstance ohatran'izao.

Dia ny tapatapany @ izay hafatra izay fotsiny no "notsimponina" dia tsy fantatr'ilay olona intsony avy eo hoe jesoa sa i paoly sa iza no lazaina @ zay? de iza le milaza? sns sns
120. prime ( 20/03/2007 13:42)
ikaretsaka:
prime> fa bebe ihany ny mampiasa ny tenin'andriamanitra amin'io tapak'andininy io mba hanamarinany tena sy hilazany fa miteny tenin'andriamanitra izy a...
... Dia avelao izy hanao ny sitrapony fa hofaizin'Andriamanitra amin'izany e... ilay hevitr'ilay Tenin'Andriamanitra nambarany raisina fa tsy ilay fanamarinan-tenany raha izay no olana aminao...:)
ikaretsaka:
fa ny olana matetika @ io "mitsimpona" io anie matetika de lasa tsy mahay ilay tena tantara d'origine intsony ilay olona fa lasa iny sombiny kely iny sisa no tadidiny e.

I paoly manafatra an'i Titosy ohatra no nahatafavoaka ilay teny... vokatry ny circonstance ohatran'izao.

Dia ny tapatapany @ izay hafatra izay fotsiny no "notsimponina" dia tsy fantatr'ilay olona intsony avy eo hoe jesoa sa i paoly sa iza no lazaina @ zay? de iza le milaza? sns sns
... Izany indrindra no mahatsara ny mpitory filazantsara tokony miofana aloha vao mitory ka mahafantatra ny ankapobeny sy ny antsipiriany mihitsy voalaza ao amin'ny soratra masina...

Amiko dia izay mitory ny filazantsara nefa "tsy mitsimpona" :-D:-D:-D, izany hoe tsy manana "références textes" hanamarinany ny voalazan'ny tenin'Andriamanitra no misy "risques" bdb hanao "fausse interprétation"... sady tsy mahalala loatra ny "circonstances" nisehoan'ilay teny no tsy mahay ilay teny voalaza marina rahateo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2817