Ny kristiana aza tsy mitovy hevitra

61. lapino ( 03/03/2007 10:30)
Ikaretsaka, misy lojikany tsara daholo ireo resaka rehetra ireo. Nomen'Andriamanitra saina mieritreritra tokoa ny olombelona, ary talenta mila ampitomboina mihitsy aza izay. Saingy izao anefa : ny fahendren'Andriamanitra no ambony. Ka raha sitraky ny Fanahy ny fomba entina mitory tahaka ireo ohatra, dia ok. Fa misy fotoana tsy izay no zava-misy, ka tsy mitombina ny hoe : "anjaranao no mieritreritra" amin'izay fotoana izay, fa "henoy izay lazain'ny Fanahy". ;)

tywa68:
Iza no manana fahamarinana eto isika @ilay fitoriana ? i lapino ? :lol:
Raha ny identité-n'ilay olombelona no jerenao, dia ho mora latsaka anatin'ny fandrika ianao! Tsy haiko ianao raha efa nahita olona nitory ka nilaza fa tsy misy fahamarinana ny zavatra lazainy. :)
Ka tandremo ihany!!!
62. tywa68 ( 03/03/2007 10:44)
lapino : tandremo ahoana ? fandrika @inona ?
Ka ilay olona mizara mihitsy no mahatonga ny tena ho lasa saina hoe tena Fanahy Masina no mampiteny azy sa inona ? azafady raha nahatafitohina anao !
Ny hevitra hiombonana 1 = i Kristy no mpanavotra, fa ny fomba fampisehoana izany eo @ manodidina no samy manana ny azy (zay no mahatonga ny fiangonana be dia be sy ny mpitory mandika baiboly milaza fa manana ny marina satria voasoratra ao):lol:

63. lapino ( 03/03/2007 11:11)
Ny tiako tenenina ohatra dia hoe : Mpitory teny malaza ohatra Rakoto. Ary tena nanana ny Fanahin'Andriamanitra tokoa. Kanefa voasariky ny zavatry ny tany izy taty aoriana, fa resin'ny fakam-panahy nahazo azy noho ny lazany.
Antsoin'ny olona foana izy rehefa misy ceremonie, ka hanaovana dokam-barotra hoe : "Rakoto mpitory teny malaza no hitory teny amin'io". Dia mahazo contrainte koa Rakoto fa sao mandiso fanantenana ny organisateur raha tsy afa-po ny olona.

Raha iny eny Rakoto, fa ny teny izay tian'ny olona ho re no toriany ... dia hiteny ny olona hoe "Izany ka toriteny!", dia eo no mipetraka ny fandrika. Satria tsy ny sitraky ny Fanahy no toriany amin'izay, fa ny sitraky ny olona. Ho an'ny olona anefa dia hoe : "Rakoto mpitory teny malaza no nitory teny teo, ary dia tsara be ilay toriteny, nahafinaritra ny nihaino azy"

Ka ilay olona mizara mihitsy no mahatonga ny tena ho lasa saina hoe tena Fanahy Masina no mampiteny azy sa inona ?
Efa napetrak'i simplex teo io, efa naverin'i pissoa koa.
> Ny voany no ahalalana ny hazo ;)
>> Fa ny vokatry ny Fanahy dia ... Gal.5:22-23
>> Ny momba ny fitiavana jereo ao @ I Kor.13:4-7
Jereo akaiky ireo, amin'ny teny gasy, frantsay, anglisy, sns ... ;) fa izay no ahafantarana azy
Manampy hahafantatra koa ny Fanahy izay mitoetra ao anaty

Ankoatra an'izay, ny Fanahy koa mitahy ny Teny, raha avy Aminy tokoa ilay toriteny. Ho an'ny mino sy ho an'ny tsy mino. :)
64. kiranil ( 03/03/2007 15:10)
soanja> Dia ianao lasa lavitra amin'ny fianarana Theology indray ve no atoro an'io Unitarian Universalism io?
Tsy marina kosa raha hoe izao mihintsy ianao vao nandre ny fisian'io.

"Unitarian Universalism deny the deity of Jesus Christ. Their belief on the nature of Jesus pretty much parallels that of the New Age -- that Jesus was an example of a good and moral man. Nothing more, nothing less.".

na hoe manda ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy io fivavahana io, izay no mahatonga azy manambatra ny fivavahana na finoana rehetra voalazako tery ambony hatramin'ny satanism sy ny atheism..
izay tsy ho ela dia ho lasa fivavahana tokana eran-tany na ny One World Religion izay tarihin'ilay AntiKristy na lehilahin'ota.

"..hiseho ilay lehilahin'ota [AntiKristy], dia ilay zanaky ny fahaverezana,

ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra." II tes 2.





65. tywa68 ( 03/03/2007 15:19)
Kiranil : an'i soanja no mijery na misy raisina any na tsia, fa tsy hoe tonga dia satàna sns... satria tsy mifanaraka @ hevitrao sy ny fanaonao !
66. ikaretsaka ( 03/03/2007 15:26)
tywa68:wink:
fa entre pas aloha tsy mbola nisy namaly foana ilay fanontaniana hoe

"finoana sy sampam-piangonana inona no mivoy ilay fisainana hoe rehefa tsy mitovy amin'ny hevitra sy ny foto-pisainana inoan'ilay membre ao dia an'i satana izay"?"
67. tywa68 ( 03/03/2007 15:33)
Ka efa mazava anie e :-D:-D
68. ikaretsaka ( 03/03/2007 15:54)
mazava ange mazava e.. fa ilay hoe inona ilay izy no tsy mbola nisy niteny!
69. tywa68 ( 03/03/2007 16:01)
tsy ataoko souci aloha izany hoe inona zany satria efa miharihary fa samy manao sy manoratra ny tiany eto, na dia miafina aza ny sasany !:wink:
70. kiranil ( 03/03/2007 16:08)
Ika, tywa> Tsy mbola niteny olona izay nofo aman-dra tahaka an'i Soanja hoe satana mihintsy aho na oviana na oviana.

"Fa isika [na izaho kiranil] tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra" Efesiana 6:12

Izay no fomba hitondrako ny hevitro rehetra eto @ serasera. Ny mpanjakan'ny fahamaizinana no toheriko dia tsy iza fa ilay satana mamitaka ny maro amin'ny resaka fivavahana mba tsy ahitan'ny olona ilay famonjena tsotra ao @ Jesosy Kristy.

"Fa izao no sitrapon'ny Raiko, dia ny hahazoan'izay rehetra mijery ny zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany." Jaona 6:40

Tsy mamely an'iza na iza io fa milaza kosa ny Fitiavan'Andriamanitra izay manome ny fiainana mandrakizay ireo izay mijery an'i Jesosy Kristy ka mino fa Izy tokoa ilay Andriamanitra tonga nofo nidian tety an-tany hamonjy izao tontolo izao.

71. soanja ( 04/03/2007 14:52)
kiranil:

soanja> Dia ianao lasa lavitra amin'ny fianarana Theology indray ve no atoro an'io Unitarian Universalism io?
Tsy marina kosa raha hoe izao mihintsy ianao vao nandre ny fisian'io.

"Unitarian Universalism deny the deity of Jesus Christ. Their belief on the nature of Jesus pretty much parallels that of the New Age -- that Jesus was an example of a good and moral man. Nothing more, nothing less.".

na hoe manda ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy io fivavahana io, izay no mahatonga azy manambatra ny fivavahana na finoana rehetra voalazako tery ambony hatramin'ny satanism sy ny atheism..
izay tsy ho ela dia ho lasa fivavahana tokana eran-tany na ny One World Religion izay tarihin'ilay AntiKristy na lehilahin'ota.

"..hiseho ilay lehilahin'ota [AntiKristy], dia ilay zanaky ny fahaverezana,

ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra." II tes 2.








Kiranil> Toa soratra efa mahazatra ahy anie izany voasoratrao izany. Niova PS angaha i Kiranil?:lol:

Misy Mpianatro aza mankany amin'ny Unitarian ary betsaka. Zany hoe fantatro ny any saingy mbola tsy niditra tany ny tongotro satria zah dia miantso ahy ho Kristianina toa anao milaza ny tenanao fa Kristianina. Ny hevintsika momba ny hoe Kristianina kosa dia samihafa ary izay no antony aitanao ahy hoe Satana. Izay tsy maninona fa Andriamanitra irery no aoka hitsara amiko.
Tsy marina mihitsy izany hoe izah mametraka ny tenako alohan'Andriamniatra izany. Ary mampalahelo fa ianao dia tsy mahita ireo soratro be dia be milaza fa Izy no Ray tsy Toha. Tsy misy lafatra afatsy Izy ary Izy ihany no lalana mitondra amin'ny fiainana mandrakizay. Ka asa re izay fitsaranao fa dia anao sy Andriamanitra koa izay.
Ny problemenao hitako dia mahatarika olona betsaka ny fomba fisainako noho ny anao dia io ny antsoinao hoe SATANA. Ny fomba famoahanao an'ilay hevitra momba an'Andriamanitra mantsy no misy lesoka dia izay no mahatonga any olona mandositra lavitra azy. Fa raha mivavaka sy tena manolotra tanteraka ny fonao an'Andriamanitra ianao ary hanary ny fo lotika sy feno fankahalana dia ho hitanao fa toy ny andriamby miantso ireo izay mbola very ny teninao.
Hivavaka ho anao mangina aho androany ary hametraka ny fitiavako ho bebe kokoa hahitsy ao amponao.
Misy hafatra iray nomen'i Tompo antsika ary io no tokony tazomintsika lalandava rehefa tojo fijaliana ao ampo toy io mahazo anao io. Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao ary tiavo ny fahavalonao. Koa mahereza ry namako fa mbola lavitra ny lalana ary maizina. I Krsity ao anatintsika ihany no hany fanilo hanome io fahazavana io.
Hoy Jesoa hoe : "Ianareo Mpianatro no Fahazavan'Izao Tontolo."

72. Zina ( 05/03/2007 21:23)
Ny problemenao hitako dia mahatarika olona betsaka ny fomba fisainako noho ny anao dia io ny antsoinao hoe SATANA


Tadidio fa ny fahamarinana dia tsy mba POPULAIRE mihitsy ary tsy mahatary olona betsaka.....:wink:
73. xxx ( 05/03/2007 22:05)
zina:
Tadidio fa ny fahamarinana dia tsy mba POPULAIRE mihitsy ary tsy mahatary olona betsaka.....

tsy marina io tenin'i zina io satria mahatariko olona betsaka ... :wink:
74. Zina ( 05/03/2007 22:20)
Mahatarika eny mahatarika ka fa TSY HO BETSAKA mihitsy..
Matio 7: 13, 14
Midira amin'ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any.

14 Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.
75. ikaretsaka ( 05/03/2007 22:27)
tsy hitako ny hifandraisan'ny polulaire sy ny fidirana amin'ny vavahady ety!
76. Zina ( 05/03/2007 22:33)
ka ita fa tsy populaire ny vavahady ety ko inn ndray? :roll:
77. soanja ( 06/03/2007 01:09)
Zina:

Ny problemenao hitako dia mahatarika olona betsaka ny fomba fisainako noho ny anao dia io ny antsoinao hoe SATANA


Tadidio fa ny fahamarinana dia tsy mba POPULAIRE mihitsy ary tsy mahatary olona betsaka.....:wink:


Tsy maninona mihitsy izay fihevitr;i Zina fa ny tiako marihana teo dia hoe TAHOTRA no betsaka manjaka ao aminy ka zary miteniteny foana izy fa tsy mamaky tsara ny zavatra ampitaiko hatrmin'izay. Inona anefa no mahatonga izany tahotra izany?
Tsy inona fa ny tsy fahampian'ny self -esteem satria tsy ampy ilay Kristy Velona, fa takon'ila, ao anaty fa zary lany hitsara olona sy hilazana zavatra diso momba ilay olona.
Ny tena fika fanaparitahana ny Tenin'Andriamanitra ary mafonja ka tianao ho heno ny zavatra voizinao dia ny fampisehoana foana fa mandaitra sy misy porofo eo amin'ny fiainanao ny tenin'Andriamanitra.
Raha tsy hoe angaha ka hamafy tenin'Andriamniatra fotsiny satria "takiany izany" (ao anaty baiboly) fa tsy hoe hanome ilay Teny mahasoa, sakafom-panahy aho satria ato amiko ilay Fitiavan'Andriamanitra.
Mijery lalandava ny fiainana amin'ny fomba tsy miangatra ry Zina dia ho hitanao fa hazava ny lalanao.


78. prime ( 06/03/2007 15:51)
Miala tsiny fa izao vao tafaverina...
soanja:
Io ny fahitako ny baiboly, MAMPISARANTSARAKA, ny Mpino.
Ny antony dia satria tsy lafatra nefa nolazaina sy nalentika tao andohantsika fa MASINA, DIA io no tompotompoina eo,
... Ambarao hoe ny tsy mahalafatra azy raha azo atao!!!
soanja:
ka zary HADINO ilay ANDRIAMANITRA velona ao anaty sy miaina ao anaty, manodidina antsika ary manasoa antsika andro amanalina amin\'ny FITIVAN-DEHIBENY.
...iza no manadino an\'Andriamanitra? ny olona mpamaky baiboly ve? :wink:... mahagaga indray izany... ny tianao lazaina izany ve dia hoe aza mamaky baiboly loatra fa manjary manadino an\'Andriamanitra?... tena mahagaga e...
soanja:
Amiko raha vakiana ny baiboly atao fakana hevitra sy hieritreretana fa tsy atao hoe io no ANDRIAMANITRA.
... :-D:-D ka iza moa no miteny hoe io no Andriamanitra? Boky mirakitra ny Tenin\'Andriamanitra ny baiboly fa tsy Andriamanitra, aoka kosa aloha hazava...:-D
soanja:
Satria ao anatin\'io dia misy angano, tantara, literatiora Jiosy sy Romana ary Grika sns.
... Ekena, saingy tsara marihina ny hoe tantaran\'Andriamanitra iza ilay resahina...? ny Andriamanitry ny Zanak\'Israely, ilay nanorina izao tontolo izao ary Rain\'i jesosy Kristy...:lol:
soanja:
Ary ao anatin\'io koa ilay HAFATR\'ANDRIAMANITRA.
... Ekena ihany koa... Mbola ilay Andriamanitra iza ihany koa nefa io resahina manome hafatra io? mbola ilay Andriamanitra tokana voambara ihany ho Rain\'i Kristy...
soanja:
Noho izany mbola ilaiko ny baiboly saingy ny saiko sy ny fanahiko mamaky eo kosa mila mifantoka tsara amin\'ny tanjona tiako tratrarina fa tsy entin\'ireo zavatra tsy dia ilaiko loatra hanimba ny ao ampoko ka hanasaraka ahy amin\'ilay Andriamanitra tompoiko.
...:)
soanja:
Ka izay tokoa zay tianao lazaina momba ahy tsy maninonana fa izay ary no mahaolombelona anao koo.
... Misy zavatra iray loha tsy azonao dia izao... ny hafanam-ponao sy ny fitiavanao an\'ilay Andriamanitra dia mahate-hidera... fa matoa nefa ny olona miezaka manazava ny Tenin\'Andriamanitra aminao dia satria mbola tian\'Andriamanitra lavitra ianao ka raha mitonona ho tena Kristiana dia tena tsara raha manovo hery amin\'ilay Jesosy Kristy tanteraka sy izay voambara araka ny Tenin\'Andriamanitra...

Mbola fitiavana hatrany no ilazàna izany fa tsy misy fitsaràna na dia kely aza...

Raha milaza tena toy ny ataon\'i rakaroka na ny lazain\'i fijo ny ambaranao dia tena hevitrao tokoa ka inona moa ny olana... fa ny filazànao tena ho Kristiana nefa misy fampianarana tena mifanohitra mihitsy voalazan\'ny soratra masina aza indray2 no mahatonga ny Tenin\'Andriamanitra tsy maintsy ambara hanitsiana izay tsy mifanaraka amin\'izany... Moa tsy mbola fitiavana va no ilazàna izany?...
79. soanja ( 06/03/2007 16:39)
Hoy i Prime>

... Tena "affirmation gratuite" mihitsy an... fahasahiana be... ka raha tsy Tenin'Andriamanitra daholo dia iza no fanahy nanome saina sy hery an'ireo olombelona lazainao ho nanoratra ny ampahany ao amin'ny baiboly? sao dia efa hivadika blasfemia izany ry soanja fa mba tandremo ihany...


Prime a> Averiko indray TSY MASINA ny baiboly ary TSY LAFATRA.
Ianao izao no mihevitra fa masina izy ary raha miteny izany aho dia efa blasfemia. Izany ve tsy manompo baiboly?
Io teniny io (izay heverinareo fa Tenin'Andriamanitra) drindrangilonareo foana sady ahodikondinareo hanaratsiana sy hanasarantsarahana ny Mpino an'i Kristy sady hitsaratsaranareo olona. Tsy fitiavana izany amiko.
Izany fitiavana izany amiko dia mizara ary mampianatra fa tsy hilaza hoe ianareo no Antikrista sns.
ANDRIAMANITRA amiko no Masina ary izy ato anatiko no manjaka mandrakizay.
Ampiharo amin'ny fiainanao nadavanandro Andriamanitar fa ho hitanao fa hisokatra ny masoandronao fa aza lany fotoana mitsongoloka baiboly satria tsy efa hay ve ny ao rehefa nisy firy taona namakiana azy izay. Ny fampiharana azy amin'ny fiainana anefa dia tsy vita ao anatin'ny taona vitsivitsy fa mandrapahafaty. Koa raiso ny angady Tompoko, ento ny harona ary aza misalasala mamafy izany amin'ny alalan'ny asa sy modely tsara mba arahan'ny olona fa tsy lany andro mitsekara fotsiny. Tsy mamely intsony izany amiko satria efa be ny leo satria tsy nahita izany porofo teo anatrehan'ny fiainan'ireto mitory amin'ny vava fa tsy amin'ny asa. Ny porofo ara-piainana no tadiavin'ny olona amin'izao ary mivoatra ny zavatra takian'Andriamnaitra amintsika satria miova ny fomba fisainan'olombelona andro amanalina.
Henoy izy ao natinao fa miresaka.
Ny Kristianina dia natao ho modelin'i Jesoa Kristy zany hoe fampisehoana ny fitivan'Andriamanitra. Tamin'ny andron'i Jesoa dia tsy nisy ny baiboly.
Ary ny nahagaga ahy de naninona i Jesoa tsy mba nanoratra boky nefa ny teo alohany sy ny tao aorianany nanoratra aby?
Noho izany inona zany no tokony ataontsika?

Ny mampisarantsaraka dia porofo mivaingana firy ny fiangonana (finoana) eto antany milaza azy ho Krsitianina sady manaraka lalandava ny ao amin'i baiboly? fa maninona ireo tsy ho IRAY ao amin'I Kristy ary mifankatia ary mifanampy. Rehafa jerena ireo dia mifanaratsy.

AIZA NY LESOKA? nefa efa fantatr'Andriamniatra fa tsy Lafatra isika. Ka raha fantany izany dia hainy nanao an'io tsy hampisarantsaraka sy manakorontana.

Noho izany dia tsy Andriamanitra no tsy LAFATRA fa ilay TENY vaosoratra ao misy tsy lafatra.
80. ikaretsaka ( 06/03/2007 17:24)
za ko aloha tsy manompo baiboly na miteny hoe MASINA aza io e
tahaka ny tsy hanompoako OLOMASINA ihany! manampy TOSIKA ireny amiko

soanja:
Io teniny io (izay heverinareo fa Tenin'Andriamanitra) drindrangilonareo foana sady ahodikondinareo hanaratsiana sy hanasarantsarahana ny Mpino an'i Kristy sady hitsaratsaranareo olona. Tsy fitiavana izany amiko.
Izany fitiavana izany amiko dia mizara ary mampianatra fa tsy hilaza hoe ianareo no Antikrista sns.
:-* ^:^

niryna:

Inona no atao hoe anti-krista? Ireo izay mamorona zavatra tsy mifanaraka ny baiboly (man made not God made),izay zavatra hinoana kanefa tsy ao anaty baiboly ary milaza hoe tsy izay voasoratra ao anaty baiboly ihany no tokony ho arahina fa misy tsy voasoratra ao dia mila manaraka izahay


(tsy namorona aho fa hitako tato io an)


dia ahoana ny ahalalana hoe ity ny man made de ity no God made?? ilay resaka baibolista sns.. aloha efa resaka be fa tsy asintsika resaka satria na averimberina eto aza de bedebe ny tsy mamaky akory fa lasa indray ny acrobatie theologique.
efa naverina impiry tato moa ny faran'ny evanjelin'i Md Joany fa eee!

sa le fomba famaky baiboly koa no samy manana ny azy?

-misy ny mamaky izay andalana metimety aminy fotsiny dia manovanova an'iny mba hamelezana olona. (misy aza tapahana tsotra izao ilay andalana fa ilay mba ekeken'ny saina fotsiny no tazomina)
rehefa anontaniana hoe taiza io andalana io de mipoapoaka ny referansa.. fa rehefa asaina mamelabelatra hoe inona ny tena votoatin'ilay tantara sy tian'Andriamanitra hampitaina amin'ny alalan'ny mpanoratra araka ny fizotran'ny tantara eto ary de mihazohazo eo fotsiny

- misy ilay mamaky sy mandinika ny hevi-dehibe fonosin'ilay tantara manontolo dia avy amin'iny no manatsoaka lesona sy etiny hanaovany fandinihan-tena. jereo fotsiny ohatra ny resaka magnificat niteraka resabe tary!

diniho tsara ange!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4408