Renin'andriamanitra?

1. LazaDaddy ( 27/02/2007 23:54)
Matetika dia [iniana] afangaro ny naha-olona sy maha-Andriamanitra an'i Jesoa. Anisan'izany ny fitenenana hoe "Renin'Andriamanitra" i Maria.

Ny mety loza aterak'io dia fanompoana sy fanaovana an'i Maria ho "andriamanitra" mihoatra noho i Jesoa.

Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.







2. cutie ( 27/02/2007 23:54)
:-D:-D:-D:-D:-D
3. cutie ( 28/02/2007 00:27)
Za alou tsy mino we renin'Atra Maria e :lol::lol::lol:
4. soanja ( 28/02/2007 01:45)
LazaDaddy:

Matetika dia [iniana] afangaro ny naha-olona sy maha-Andriamanitra an'i Jesoa. Anisan'izany ny fitenenana hoe "Renin'Andriamanitra" i Maria.

Ny mety loza aterak'io dia fanompoana sy fanaovana an'i Maria ho "andriamanitra" mihoatra noho i Jesoa.

Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.










Raha izy no niteraka an'i Jesoa, izay heverinao fa Andriamanitra dia inona/iza izany no fiantsoa azy?:roll:
Sa ve tsy Reny ilay nampahita anao masoandro.
Aza dia lany fotoana loatra re manakiana fa finoana daholo no mitondra an'io.
Zah dia afaka hitsangana ho vavolombelona fa tsy raha tsy nisy i Maria Renin'i Jeso nitantana ahy tamin'ny diako dew heveriko fa tsy hitan'Andriamanitra aho. Izay no finoako ary hitsanganako mandrakizay. Tsapako fa akaiky ahy kokoa izy ary afaka mahita ahy satria vehivavy aho. Izy no mampita izany fivavahako mangina izany any amin'i Ray. Tsy mivavaka aminy aho fa mpitondra hafatra izy aleo hazava. Mino aho fa mpitondra hafatra izy.


5. ikaretsaka ( 28/02/2007 02:36)
Voalohany aloha dia miakina betsaka @ finoanao ilay izy.. za tsy mi force anao hino fa manazava arak'izay tratrako sy fantatro fotsiny!

efa io voalazan'i Soanja io ambony io aloha ny antony voalohany.
Renin'andriamanitra izy satria niteraka Andriamanitra. ary efa voalaza hatrany @ genesisy sy apok. Fa hisy Eva vaovao koa.

amiko koa dia raha te hiresaka amina olo-mana kaja ianao na olona ambony fotsiny, dia hitako fa moramora kokoa ny mahazo ilay olona sy ny attention-ny raha mahafantatra ny reniny ianao, dia lazainao any ny problem anao, noho ilay mbola handeha hamakivaky protocole aloha. Raha i Jesoa izany dia efa voalaza araka ny ohatra tao Cana fa moramora kokoa T@ ndry zalahy lany Dovay no tany @ maria no niteny aloha toy izay nitety olona aloha vao tany @ jesoa! imagine hoe nihogahoga be hoe lany ny divay ry Jesoa o!

dia lozika koa ary zavatra mazava be raha miresaka @ Jesoa ianao dia mora kokoa indraindray ny mandeha @ alalan'ny reniny toy izay @ alalan'ny manodidina azy (apostoly, pasitera, mopera) jereo fotsiny ny tantaran'i bartimeo ilay Jamba, sy zakaiosy! nila nanao zavatra extra tsy nahalala menatra intsony sy vao nahazo ilay attention .. ity ahay mba discret!

ny ahy koa zavatra tsotra fotsiny no lazaiko rehefa mampianatra katesizy ankizy kely aho e.. i Jesoa no lalana.. fa i Maria no saofera mitondra ny fiaram-bavakao h'"Ikaretsaka" eo amin' ilay lalana!!
6. LazaDaddy ( 28/02/2007 04:28)
Renin'andriamanitra izy satria niteraka Andriamanitra.
io ilay ataoko hoe manao "fanahy iniana" manafangaro ny naha-olona sy ny maha Andriamanitra an'i Jesoa.

Dia iverenako ilay hoe: Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.

soanja:
Aza dia lany fotoana loatra re manakiana fa finoana daholo no mitondra an'io.
Tena tsy andaniako na iray segondra aza ny hanakiana olona. Fa amoizako ny fotoanako rehetra kosa ny fiarovana ny namako tsy ho voarebireby.

7. LazaDaddy ( 28/02/2007 04:42)
zavatra mivandravandra be anie ilay lazaiko e. Saingy efa nasesika ho raiki-tapisaka tao an-dohan'ny namana sasany ka sarotra aminy ny handinika azy.

ito indray ohatra faharoa @ hoe "aza minia manafangaro ny maha olona sy maha Andriamanitra".

Renin'Andriamanitra i Maria?
I Jesoa koa manana an'Andriamanitra izay antsoiny ho Rainy
Maria nanambady an'i Josefa

nampirafesin'i Maria izany Andriamanitra Ray sy i Josefa?

=> Aza iniana afangaro ny maha olona sy maha Andriamanitra :-D
8. Rasiligaoma ( 28/02/2007 05:11)
fa jereo fa voalaza ao amin'ny filazantsara foana hoe rrnin'i jesosy i maria
ary "ravehivavy lasa nandeha aloha mandra-panomezan'andriamanitra ny voninahitra ho azy" hoy ny apokalipsa
9. Rasiligaoma ( 28/02/2007 05:29)
LazaDaddy:

Tena tsy andaniako na iray segondra aza ny hanakiana olona. Fa amoizako ny fotoanako rehetra kosa ny fiarovana ny namako tsy ho voarebireby.




raiso sary an-tsaina fotsiny hoe miara mitory ny olona 2 dia ny etsy mitory baiboly dia ny etsy mitory Q'ran, tsy tokony hifanakiana raha tena mitory tokoa ianareo fa samy mamoy izay toriany..
raha mahazo olona kokoa ny 1 nohon'ny 1 na hoe lasa mirona any kokoa ny namanao, dia sitrapony sy finoan'ilay namanao zany fa aza ivakiana loha loatra!

oay. fa raha mino ianao hoe voarebireby ny namanao raha ilazana an'i maria =>finoanao izay! ..asa mety notsilovin'andriamanitra izy hoe finoana an'i maria no tsaratsara kokoa sy mety aminy?

ohatran'ny ahitan'ingahy fijo hoe voarebireby ny namany mino an'andriamanitra satria izy tsy mino, fa tsy miteny ingahy fijo hoe fako nareo mino na alika andriamanitra na ny teny rehetra karazan'izay..
fa manazava izy hoe izao no tsy hinoany an'andriamanitra! dia mety voatsilon'izay inoan'i fijo ny namanao dia lasa mirona any amin'izay voizin'i fijo? rehefa izay no inoany.. inona ny olanao?

raha lazaina amin'ny alalan'ny teny tsotra izany dia azo faritana fotsiny hoe: voizo ny hevitrao fa aza terena hanaraka anao ny olona ramose an

ianao tsy mino an'i Masina Maria dia aza izay tsy finoanao izay no asitrikao ao anaty lohan'ilay namanao fa fa ilay porofon'ny tsy inoanao no voizo hoe tsy mino/mino aho satria...izao!


10. fijo ( 28/02/2007 06:05)
io ary fa manomboka miolakolaka le fahamarinan'ilay finoan an.hummmmmmm,raha jerena ny logika,dia mitombona tanteraka io voalazan'i laza io.raha reny izany dia midika fa namorona ny zanany.
aza atao bodingerona moa le valiny e.:"ianoa tsy mino an'i masina maria dia..." tsy hoe tsy mino izy fa mametraka ny fanontaniana ary izay no hilana valiny izay mananan.fa tsy hoe mino aho dia vita.
11. Rasiligaoma ( 28/02/2007 06:13)
ka ilay zanany anie andriamanitra ramose e.. afaka atao daholo hoe zanak'i maria, zanak'andriamanitra.. zanak'olona koa hoy ny fiantsony ny tenany!
12. fijo ( 28/02/2007 06:31)
ny tena marina dia tsy hay izay tena tian'i lery asiana ny tenany.te ho rol loatra lery hany ka tsy voafaritra intsony izay tena tiany asiana azy
13. Mandefitra ( 28/02/2007 06:36)
Lioka 8:
19 Ary ny renin'i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
20 Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin'Andriamanitra ka mankato azy.
Dinidiniho ry manam-panahy
14. Rasiligaoma ( 28/02/2007 07:01)
lio ilay hoe samy maka versets ao dia samy manamarintena daholo..
ny atsy maka an'i lioka..ny atsy jaona.
atsy ny fanambarana 11:19
atsy ny lioka 1:28 sy ny tohiny hatrany @ 42
ny lioka 1:48
ny salamo faha 45
ny fanambarana 4:8,9,10,11
ny genesisy 3:15
ny fanambarana 12
ny salamo 131

oooay! aoka zay le
15. LazaDaddy ( 28/02/2007 07:24)
izaho tsy manda mihitsy hoe reny niteraka an'i Jesoa i Maria. Saingy ilay fiantsoana azy ho "renin'Andriamanitra" no asehoko fa tsy mitombona loatra.

Izay no hanamafisako fa tsy tokony iniana afangaro ny naha-olona Azy fony izy tety an-tany sy ny maha Andriamanitra Azy.:wink:
16. Mandefitra ( 28/02/2007 07:38)
lio ilay hoe samy maka versets ao dia samy manamarintena daholo..

ny Tenin Andriamanitra no hampiorenana ny finoana fa tsy ny hevitr 'olombelona ka, sa ahoana ny an i Rasiligaoma?
17. tywa68 ( 28/02/2007 08:01)
LazaDaddy:

izaho tsy manda mihitsy hoe reny niteraka an'i Jesoa i Maria. Saingy ilay fiantsoana azy ho "renin'Andriamanitra" no asehoko fa tsy mitombona loatra.

Izay no hanamafisako fa tsy tokony iniana afangaro ny naha-olona Azy fony izy tety an-tany sy ny maha Andriamanitra Azy.:wink:


n'inona² teninao dia vehivavy virjiny voafidy izy, hitondra ny zanany !
Ny hevitrao momba azy dia anao izay : avelao zay mahita soa miara-mivavaka aminy, hanohy ny fomba fanaony fa tsy diso = zany akory tsy midika hoe tsy mivavaka @ zanany satria manaja ny reniny !

Ikaretsaka sy Soanja : :wink:
18. tywa68 ( 28/02/2007 08:02)
Rasiligaoma : =D=D
19. hery ( 28/02/2007 10:57)
Tsy hoe iniana afangaro fa Mifangaro fotsiny amin'izao ka tsy azo sarahina.

Tandremo fa ny mampisaraka ny maha Andriamanitra sy ny maha Olombelona an'i Jesoa dia tena mivoana amin'ny finoana mihitsy (jereo ny atao hoe Gnosticism, Adoptionism sns)

http://en.wikipedia.org/wiki/Christology
http://en.wikipedia.org/wiki/Christian_heresy
20. LazaDaddy ( 28/02/2007 11:48)
Marina tokoa ny voalazanao ry Hery. Fa ny tena tiako hamafisina eto dia izao:

ny maha Andriamanitra an'i Jesoa tsy maha renin'Andriamanitra an'i Maria. Raha tsy izay Andriamanitra koa i Maria. Eo no tsy takatry ny olona hoe i Jesoa koa anie ka sady olombelona :wink:


"Olombelona miteraka olombelona"
"Voromailala manatody voromailala"
"Tsy misy voron-dolo mitera-boro-manga"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0823