Renin'andriamanitra?

41. hery ( 28/02/2007 17:28)
kiranil> Tena io mihitsy kah. Olona tsotra i Maria olona tsotra tahaka an'i mamako, mamanao i Maria fa ny mampihavaka azy dia izy no nofidin'Andriamanitra hitondra ny zanany tao an-kibony tamin'ny nidinanyy tety an-tany ho faty noho ny fahotan'izao tontolo izao.

Tsy mpanalalana (tahaka an'i Jesoa) i Maria. Fa olona tsotra... Ny tombony fotsiny araka ny nolazainao dia izy no nofidin'Andriamanitra hitondra ny zanany tao an-kibony tamin'ny nidinanyy tety an-tany ho faty noho ny fahotan'izao tontolo izao.... Ary tombony lehibe ho azy io.

Fa tahaka an'i Mamanao ihany koa dia azonao tenenina izy hoe mivavaha ho anay. Asa ianao raha mba niresaka tahaka izany tamin'ny mamanao hoe mba ento ambavaka ny fanadinako... sns. Misy mpiray fiangonana tenenina hoe mba ento ambavaka re aho ry zareo fa misy fahasoavana angatahiko. Ny dikan'io dia tsy mpanalalana velively ireo olona ireo na dia hoe mitondra ny vavakao ho eo amin'Andriamanitra ihany koa aza. Dia toa izany koa ny amin'i Maria. Ny zavatra azony atao dia ny miaraka mivavaka aminao... fa tsy hoe tsy maintsy mandalo an'i Maria ianao vao ho tonga amin'Andriamanitra.

42. kiranil ( 28/02/2007 18:00)
hery>
Fa tahaka an'i Mamanao ihany koa dia azonao tenenina izy hoe mivavaha ho anay


Tsy manda an'io aho raha mbola velona ny mamako.

Maria dia nanana ny maha-izy azy fa saingy kosa efa maty izy; ary tsy sitrapon'Andriamanitra intsony ny manontany ny maty.

"Aoka tsy hisy eo aminao .. ny manandro, na manao sikidy, na manana ody, na manao ho masimbava, na manadina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra, na manao hatsarana [maggie], na mpanontany amin'ny maty. Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra manao izany zavatra izany" Deut 18.

Jesosy Kristy irery ihany no manelanelana sy mifona ho an'ireo izay mino sy manaiky Azy, ary Izy dia velona fa tsy maty intsony.

"Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika" Romana 8:34
43. Fiffi ( 28/02/2007 18:06)
diniho kely ange ity an ! http://www.geocities.com/apostled_br/notre.htm
44. xxx ( 28/02/2007 18:45)
fiffi> Voavakiko ilay pejy nomenao izy fa misaotra.

Tsara tokoa ny voalaza ao fa saingy tsy misy fanamafisana ny fahamarinany avy amin'ny tenin'Andriamanitra na iray aza, fa toy ny angano.

"Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray [adama] ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; [tafiditra ao koa Maria satria olona taranaky Adama izy]" Romana 5:12

Eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy misy tsy efa nanota ny olona rehetra [hatramin'i Maria], kanefa izay no antony nadefasany an'i Jesosy hisolo voina ireo mino Azy.

Satria Jesosy dia Andriamanitra tonga nofo, nanaiky ho faty hamonjy izao tontolo izao, kanefa nitsangana tamin'ny maty.




45. hery ( 28/02/2007 20:04)
kiranil> Ary noheveriko fa mino ny fitsanganana amin'ny Maty ny Kristianina.

Raha maty dia any ny mamanao dia tsy azo iresahana intsony tokoa izany. Fa misy ny olona izay mino ny fitsanganana amin'ny Maty.
46. LazaDaddy ( 28/02/2007 21:31)
ikaretsaka:
ka i Jesoa aza ange isaky ny miteny dia manao hoe "Zanak'olona e" dia ahoana indray?
Satria i Jesoa Andriamanitra tonga olona. :) Ary i Maria ve efa niteny hoe "renin'Andriamanitra"? Sao dia Andriamanitra koa hoy aho i Maria raha izany fa tsy misy afaka mamaly ilay adihevitra narosoko hoe:

LazaDaddy:
Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.

47. dailynews ( 28/02/2007 21:32)
cutie:

Za alou tsy mino we renin'Atra Maria e :lol::lol::lol:

renin i Jesoa ara nofo izy. sa tsy hinoan i cutie zany?

48. Rasiligaoma ( 28/02/2007 21:40)
LazaDaddy:

ikaretsaka:
ka i Jesoa aza ange isaky ny miteny dia manao hoe "Zanak'olona e" dia ahoana indray?
Satria i Jesoa Andriamanitra tonga olona. :) Ary i Maria ve efa niteny hoe "renin'Andriamanitra"? Sao dia Andriamanitra koa hoy aho i Maria raha izany fa tsy misy afaka mamaly ilay adihevitra narosoko hoe:

LazaDaddy:
Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.




toa efa voavalin'i piste sy hery io ambony io ny momba ity fa toa ataonao acrobatie theologique indray izy izany
49. LazaDaddy ( 28/02/2007 21:42)
Dailynews> dia izay no mahatonga an'i Jesoa niteny hoe "Zanak'olona"?:wink: (Renin'ilay Zanak'olona)

Dia itarin'ny sasany ka lasa tonga hatr@ hoe "Renin'Andriamanitra" i Maria. Dia samy miodikodina daholo avy eo rehefa itenenana fa Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.
50. Rasiligaoma ( 28/02/2007 21:44)
lazadaddy> io ambony io lo ny valiny fa aza izay mi interesse anao ihany no vakiana
51. LazaDaddy ( 28/02/2007 21:50)
rasiligaoma> hehehe! aiza izany valiny izany? Ny hitako soratany eo dia hoe:
"Renin'i Jesoa => Renin'Andriamanitra"

Kanefa ny fahamarinana FENO dia io nambaran'i Dailynews io hoe: renin i Jesoa ara nofo izy. I Jesoa rahateo namerimberina koa fa "Zanak'olona" satria naterak'i Maria :)

Ka rehefa tsy mahavaly ianareo na avadikareo any @ resaka "fangataham-bavaka" ny resaka dia averiko @ ilay adihevitra nosokafako ihany. Mialatsiny raha mankarary an-doha. Fantatro mantsy fa mankarary an-doha raha voakitikitika ny zavatra efa natao raiki-tapisaka ao an-doha ao :x
52. LazaDaddy ( 28/02/2007 21:53)
Iverenako ary ilay adihevitra nosokafako.

[size=14]Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.

Tsy hotohizako intsony koa satria fantatro fa tsy misy afaka hanohitra an'io. Am-bava homana am-po mieritreritra.[/size]
53. xxx ( 28/02/2007 21:57)
LazaDaddy, jereo tsara aloha hoe iza no namadika ny resaka ho fangataham-bavaka ! Efa voavaly io ambony io ilay hoe Maria nisy talohan'Andriamanitra fa nalanao taminao namaly an'i Piste
piste:

Faharoa: I Maria raha niteraka an'I Jesoa dia tsy midika fa izy no niandohan'ny maha-Andriamanitra an'i Azy( ny RAY no niantoka an'iny tany @ mandrakizay tany) fa niteraka an'i Jesoa @ maha-olombelona Azy izy. Tamin'i Maria no nahazoan'i Jesoa ny fomba mahaolombelona Azy.
Ka raha milaza isika fa renin'Andriamanitra i Maria dia satria izy no naha-olombelona an'i Jesoa. Raha tsy izany anefa izy dia inona no iantsoanao Azy ?
Renin'i Jesoa olombelona ve ?
Tadidio fa tsy azo zaraina roa i Jesoa fa iray ihany : zanak'Andriamanitra tonga olombelona.
54. Rasiligaoma ( 28/02/2007 21:58)

Ho an'ny LazaDaddy :
Io problema lazainao io dia efa voavaha t@ konsily tany Efezy t@ taonjato faha-4( raha Katòlika ianao dia tokony hahafantatra izany, raha tsia moa dia lazaiko eto ihany).
Voalohan'indrindra Zanak'Andriamanitra tonga olombelona i Jesoa naterak'i Maria. Izany hoe, sady olombelona izy no Andriamanitra(tsy misaraka ireo). Mazava ho azy fa renin'Andriamanitra i Maria niteraka Azy. [b]Raha ataonao hoe renin'olombelona izy dia tsy hinoanao Andriamanitra izany i Jesoa[/b]
Faharoa: I Maria raha niteraka an'I Jesoa dia tsy midika fa izy no niandohan'ny maha-Andriamanitra an'i Azy( ny RAY no niantoka an'iny tany @ mandrakizay tany) fa niteraka an'i Jesoa @ maha-olombelona Azy izy. Tamin'i Maria no nahazoan'i Jesoa ny fomba mahaolombelona Azy.
Ka raha milaza isika fa renin'Andriamanitra i Maria dia satria izy no naha-olombelona an'i Jesoa. Raha tsy izany anefa izy dia inona no iantsoanao Azy ?
Renin'i Jesoa olombelona ve ?

Tadidio fa tsy azo zaraina roa i Jesoa fa iray ihany : zanak'Andriamanitra tonga olombelona.

FArany i Maria dia zava-boaary ka tsy azo alahatra @ Andriamanitra.
Ny Ray dia Mpahary, Izy no ilay niteraka an'i Jesoa talohan'ny taona rehetra.
Ny Ray no niantoka ny generation eternel
Ary Maria no niantoka ny generation temporelle (ny 33 taona)
55. xxx ( 28/02/2007 21:58)
LazaDaddy:

Iverenako ary ilay adihevitra nosokafako.

[size=14]Raha "renin'Andriamanitra" dia mazava ho azy fa nisy talohan'Andriamanitra. Koa raha izay tokoa no marina dia tsy Andriamanitra no nahary izao tontolo izao; raha tsy hoe Andriamanitra tonga nofo koa i Maria.

Tsy hotohizako intsony koa satria fantatro fa tsy misy afaka hanohitra an'io. Am-bava homana am-po mieritreritra.[/size]

Mampihomehy ianao. Hitanay anie io na natao soratra normal aza fa tsy natao size 14 e =))=))=)) ianao no nanala ny valiny, na dia efa novaliana soa aman-tsara aza =))=))=))

56. Rasiligaoma ( 28/02/2007 22:00)
dia aller retour eto aloha isika manao acrobatie theologiquee e
57. LazaDaddy ( 28/02/2007 22:04)
xxx>satria ve Andriamanitra tonga olona i Jesoa dia lasa sady Renin'ilay "Zanak'olona" no Renin'Andriamanitra izay nitondra vohoka an'i Jesoa? :)

Lasa "Andriamanitra" ho azy koa izany ilay niteraka Azy. OoopS!Kay moa izaho efa nanambara fa tsy hotohizako intsony koa satria fantatro fa tsy misy afaka hanohitra an'io. :lol:
58. Rasiligaoma ( 28/02/2007 22:09)
Tadidio fa tsy azo zaraina roa i Jesoa fa iray ihany : zanak'Andriamanitra tonga olombelona.


io aloha inoana fa lasa misangojy be le izy ramose lazadaddy an
raha tsy izany dia ny credo anao mihitsy no diso sy tenitenenim-potsiny any ampiangonana
59. xxx ( 28/02/2007 22:17)
LadaDaddy, mihomehy ihany aho ny farany amin'ity ianao mampiasa "LOJIKAN'OLOMBELONA" araka ny fiantsonao azy ity =))

Eny, renin'Andriamanitra i Maria satria nitondra an'i Jesoa Andriamanitra tao ambohoka ary Andriamanitra ny zanany. Izay niteraka an'i Rakoto dia renin'i Rakoto ! Izay nitondra an'i LazaDaddy tao ambohoka dia renin'i LazaDaddy.

Lasa "Andriamanitra" ho azy koa izany ilay niteraka Azy.

TSIA, satria tsy izay no nanaovan'Andriamanitra azy. Lojikan'olombelona io resahinao io, mitovy amin'ito
LazaDaddy:

"Olombelona miteraka olombelona"
"Voromailala manatody voromailala"
"Tsy misy voron-dolo mitera-boro-manga"

Ireto ny valin'ny teninao tery ambony, izay toa mbola tsy hitanao koa, na nodianao tsy hita toy ilay valiny iray teo

xxx:
Hoy i LazaDaddy:
"Olombelona miteraka olombelona"
"Voromailala manatody voromailala"
"Tsy misy voron-dolo mitera-boro-manga"


Amin'ireo teny ireo dia ianao, izany hoe i LazaDaddy, ihany no
- na manandratra an'i Maria ho Andriamanitra
- na mampietry an'i Jesoa tsy ho Andriamanitra

Izao mantsy ny fahazahoako ny teninao :
Olombelona miteraka olombelona ---> Olombelona i Maria donc Olombelona ny zanany, izany hoe i Jesoa, fa tsy Andriamanitra izany.
Tsy misy voron-dolo mitera-boro-manga ---> I Jesoa dia Andriamanitra. Ka mba hahafahan'i Maria miteraka an'i Jesoa dia tsy maintsy Andriamanitra koa izy (I Maria io).
Asa raha izay no tena tianao ambara eto


xxx hafa indray:
Ahoana ho hanasarahanao an'i Jesoa sy Andriamanitra

Si je reprends ton raisonnement à la con avec l'hypothèse

Jesoa = Andriamanitra
==> renin'i Jesoa = renin'Andriamanitra

ou bien tu peux avoir ceci

renin'i Jesoa =/= renin'Andriamanitra
==> Jesoa =/= Andriamanitra
60. fijo ( 28/02/2007 22:25)
mampalahelo,fa dia misy XXXX manambany le fanontaniana apetrak'i laza.....amiko nefa ,ny fametrahana fanontanian atoa ireo no ahitana fivoarana sy ny marimarina kokoa.
ohatra ny mpandinika dia manontany hoe tena nofantsihana ve ny felatanan'i jesoa sa ny tanany???
ilay hazofijalian ave tena manao endrika + sa hazo mahintsy fotsiny?izany ve dia atao hoe fanontaniana ambany daholo satria manelingelina ny finoanareo?????manahirana be raha izay fa tandremo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084