TSY MISY ANDRIAMANITRA?

81. fijo ( 02/03/2007 22:12)
soanja,ka za lazain'ny sasany fa miala ady ko,
asa na ny hevitro tsy mitovy amin'ny azy no hilazany ahy hoe mila ady na ahoana,fa miandry profo avy aminy aho;
milaza koa i fanambnana ery ambony ery fa zavatra mbola"HYPOTHESE3 no hitokiako.
ka manontany azy aho.fa ny finoana ve ry namana fanambinana zavatra tsy hypothese????????efa nisy nahita sy misy manana profo azo tsapain tannave hilazana fa tsy hypothese io fa marina absolut????????mba mila valiny aho.
ary marina io voalazan'i soanja io,fa ny finoana dia tsy misy profo azo tsapaintanana fa ny finoan ano hanamafisana azy.ka mety malemy marina ny andry zalahy,nefa tsy sahy hanaraka ny fisainako ry zalahy dia lasa miakatra rehefa miteny
indrisy
82. linarako2 ( 03/03/2007 01:18)
Salut:

Maro ireo olona tsy mino ny FISIAN'ANDRIAMANITRA intsony ankehitriny. Ka ho azy ireo indrindra no ametrahana ity fanontaniana ity:
[center]RAHA TSY MISY ANDRIAMANITRA DIA AVY AIZA IZAO REHETRA IZAO?[/center]
Asaina manokana amin'ity adi-hevitra ity ireo tsy mpino rehetra indrindra andriamatoa Fijo.
Salut

Tsara fipetraka ilay fanontaniana.Hay ianao koa mba nahatsikaritra ireo mpandrava ny tenin'Andrimanitra ireo.Izahay mba faly ery misy mpampianatra soratra masina kanefa nopotehin'ireo herin'ny maizina ireo fotsiny ny fianarana.

83. linarako2 ( 03/03/2007 01:22)
[quote=Salut]

Asaina manokana amin'ity adi-hevitra ity ireo tsy mpino rehetra indrindra andriamatoa Fijo.
Salut


Tezitra sy hisafoaka eto izao andriamatoa Fijo sy ny namany miampy ilay vavy mpanenjika tsy tia-maizina ilay olona manome sujet ato :cry::cry:
84. fijo ( 03/03/2007 01:28)
aoka moa niryna an,efa fantatra fa enao ihany io ka aza menatra na miafina fa mijoroa e
85. soanja ( 03/03/2007 01:46)
fijo:

soanja,ka za lazain'ny sasany fa miala ady ko,
asa na ny hevitro tsy mitovy amin'ny azy no hilazany ahy hoe mila ady na ahoana,fa miandry profo avy aminy aho;
milaza koa i fanambnana ery ambony ery fa zavatra mbola"HYPOTHESE3 no hitokiako.
ka manontany azy aho.fa ny finoana ve ry namana fanambinana zavatra tsy hypothese????????efa nisy nahita sy misy manana profo azo tsapain tannave hilazana fa tsy hypothese io fa marina absolut????????mba mila valiny aho.
ary marina io voalazan'i soanja io,fa ny finoana dia tsy misy profo azo tsapaintanana fa ny finoan ano hanamafisana azy.ka mety malemy marina ny andry zalahy,nefa tsy sahy hanaraka ny fisainako ry zalahy dia lasa miakatra rehefa miteny
indrisy


Indrisy! Mivavaka ho azy ireo koa aho. :-*:-*


86. fijo ( 03/03/2007 05:10)
soanja an,ireo ngamba no ten amila ny fivavahandry satria tsy mbola tena hainy izay tena hasiany ny finoany
87. soanja ( 03/03/2007 06:52)
Zah rehefa mivavaka ry Fijo de mivavaka ho an'ny rehetra. Raisiko tsirairay toy ny fanaovanay azy any amin'ny Katolika mihitsy:
Ho anay mianakavy ato an-trano.
Ho an'ny mpitondra eran-tany, ny mpitondra fivavahana, ny tanora , ny zaza, ny vehivavy, ny lehilahy mitondra tokatrano, ireo izay mitady vady, izay mananotena, ny mpianatra, ireo mpiasa, ireo izay mino an'i Kristy, ireo izay tsy mino an'i Kristy, ho an'ny fianakaviako any lavitra any, ho an'ilay fitiavako tsy misy fetra, ireo namako, ireo fahavaloko, ny mpikarakara sy mpitondra fikambanana isan-tokony ary ireo izay tsy voalazan'ny vavako. Aminareo lalandava anie ny fitiavan'i Kristy! Deraina Jesoa noho izany fitiavany izany.
88. tywa68 ( 03/03/2007 10:10)
soanja : ho tanteraka anie izany ! ^:^
89. Fody ( 03/03/2007 14:29)
Fijo: Milaza ianao fa ianareo any Europa any no mahita fa efa manomboka mihamivoatra ny olona. Ny any mada izany tsy mbola mivoatra raha izany. Tsy maninona fa izao.
Voalaohany: Moa ve tsy ny fifangaroan'ny taranaka no mampiova ny endrika ny taraka aty afara. Tsy midika izany fa tsy olona intsony no azo avy eo fa mety ho lehibe izy, na mety hatanjaka kokoa. Raha manafangaro ny tarak'omby be ronono amin'ny omby gasy de mahazo omby karazany hafa saingy omby ihany iny. Ka raha afrikanina no miray amin'ny vazaha dia manome olona tsy vazaha tsy afrikana saingy olona ihany. Raha ny mpianadahy kosa no mivady de fantaro fa sampona ny zanany na misy fahavoazana.
Tsy miandry taona maro io fihovana io, toy izay voalazanao. Jereo fa tsy ny eoropeana rehetra koa no mihalehibe. Jereo ny italiana, ny espaniola, fa mitovy amin'ny gasy ihany. Ny sakafo hohanin'ny olona koa dia misy fihatraikany amin'ny toe-batany, fa tsy midika akory izany hoe hiova zavatra hafa izy. Lalana mipetraka amin'ny natiora izany.

Faharoa: Ianao miteny fa ireo taolana ireo dia afahana manaporofo fa avy amin'ny Gidro ny olona. Nahoana ary no tsy nisy intsony ireo karan-java-manan'aina teo anelanelan'ny olona sy ny Gigro? Nahoana no taolana no sisa? Satria raha izay lazainao izay no marina dia tokony mbola hisy ireo zava-manan'aina ireo. Ny Gidro talohany ve mbola misy nefa izy taty afara indray no efa levona sahady? Tsy haiko raha mba nodinihanao ny amin'io.

Fahatelo: Fanamporofona ny tsy fisian'Andriamanitra no nahatonga an'i Darwin hametraka ity petra-kevitra ity. Nefa mba jereo fa na izy aza manda ny zavatra ijoroany. Hita sy azo tsapaina daholo ny misy rehetra hoy izy, nefa lazainy fa misy koa ny NEANT. Ka porofoy raha tena mpahay siansa ianao hoe misy ve ny neant?

Izay ihany dia efa ampy handravana ity petra-kevitrao ity. De diniho hoe aiza no hifaran'ny fanamporofonao fa tsy misy Andriamanitra, satria tsy mantsy nisy niantombohany ny zavatra rehetra.

90. Fanambinana ( 03/03/2007 17:23)
Soanja: Moa voaporofony ve azafady ny filazany fa tanalahy aho? Iza tamintsika teto koa no nanapa-doha? Tsy filana ady ve zany aminao. Amiko izany dia zay.
Raha nilaza aho fa GIDRO izy, dia izy ihany no niconfirmer izany hevitra izany. Ka tsy mety ve raha iantsona azy izany? Mety diso aho angamba fa tokony hoe taranaka Gidro no nolazaiko. Nefa ve ny zanaka sy ny taranaka Gidro tsy gidro ihany e.
Fijo: iza amintsika no tsy mahatohana ny heviny izao izaho sa ianao? Be ny questions tsy voavalinao eto, fa iodinanao fotsiny.
Ny fisian'Andriamanitra dia tsy Hypothese toy ny anao. Niainga avy amin'ny zava-nisy marina io no nosoratan'olona maromaro fa tsy iray akory. Ny anao io kosa dia fandinihana manidina no ezahina hoporofona sy hamarinany.Tonga amin'ny impasse ianao io zao de mody miseho ho hendry. Tsy mandaitra intsony mantsy ny botolo: Filazan-kevitra tsy misy fandinihana na fahalalana.
Vita!
91. soanja ( 04/03/2007 17:31)
Fanambinana> Azafady tsy indry no tiako marihana eo fa ny fomba fisainana en general mitsara ny manankevitra hafa momba ny fahitany an'Andriamanitra. Tafakara tao anatin'ilay hevitr'i Fijo fotsiny ilay izy dia no-copier-ko teo.

Manaja ny hevitran-dry zah raha hoe mino ny creation indry fa tsy ny evolution.

Amiko/ny fihevitro aloha dia nisy sady mitombina ny evolution satria efa betsaka ny porofo ary Andriamanitra no namorona ny matieres nampanjary ny evolution. Zany hoe hafa ny amoahan'i baiboly azy satria mbola tsy takatr'ilay nanoratra azy ny fomba nanaovan'Andriamniatra azy tamin'izay.
Tadidio foana fa olombelona mitovy amintsika ny nanoratra ny baiboly ary manampetra ny fahalalany sy ny fahaizany. Ary tsy voatery tafavoakany ny tenin'Andriamanitra izay tian'Andriamniatra hampitaina satria nofo aman-dra izy. Andriamaniatra irery ihany no LAFATRA.
92. Zina ( 05/03/2007 21:16)
Tadidio foana fa olombelona mitovy amintsika ny nanoratra ny baiboly ary manampetra ny fahalalany sy ny fahaizany. Ary tsy voatery tafavoakany ny tenin'Andriamanitra izay tian'Andriamniatra hampitaina satria nofo aman-dra izy. Andriamaniatra irery ihany no LAFATRA


Ianao dia manao an'andriamanitra tsy ho mahery mihitsy arak'io filazanao io... Ny baiboly dia ny tenin'Andriamanitra izay nomeny par inspiration @ ny olona voafidy (dia ireo panoratra rehetra ao) hanoratra azy...Ny ataon-tsika dia ny MINO ary manaraka an'ny tenin'Andriamanitra.
ianao tsy mino an'io dia very maina ny finoanao....

II tim: 3: 16
Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana.

Isaia: 40:8
Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay
ireto ko mbola misy toko sy andininy.
Isaia 34: 16 - Rev. 1: 3
93. xxx ( 05/03/2007 22:00)
zina:
Ianao dia manao an'andriamanitra tsy ho mahery mihitsy arak'io filazanao io...

i Zina indray dia hitako hoe manao ireo Olona nanoratra ny Baiboly ho Andriamanitra ka tsy manao fahadisoana mihitsy 8O Tandremo nefa fa olona ihany izy ireny, toy ny olom-boafidin'Andriamanitra amin'izao fotoana izao, ka mety manao fahadisoana amin'ny fiainany indrindra indrindra amin'ny toriteny ataony.

Ohatra fotsiny, i Jeso nampianatra nivavaka ! i Jesoa mihitsy no niteny teo anatrehan'ny olona, ka iza amin'ireto no tena noteneniny ?

Matio 6:

9 [...]Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.

10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.

11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.

12 Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.

13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny ratsy.

sa
Lioka 11:

2 [...]Ray ô,hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.

3 Omeo anay isan-andro izay hanina sahaza ho anay.

4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy.


Misy banga ny notanterin'i Lioka raha oharina amin'i Matio ! Ianareo ve mihevitra fa Andriamanitra manadinodino kely toy izao, ka nisy hadino tamin'ny nampanoratra an'i Lioka Izy ? Na sanatria manitatra fa tsy noteneniny akory ny sasany tamin'ireo notenein'i Matio ireo tamin'Izy Jesoa tety an-tany, fa rehefa lasa Izy dia nasainy nosoratana hoe "noteneniny" ? Avy amin'ny olona nanoratra ny fahasamihafana tamin'ny Vavaka nampianarin'i Tompo fa tsy avy amin'Izy Tompo. Vavaka iray no nampianariny, fa tsy roa. Eo no miseho ny mahaOlombelona ny mpanoratra. Saingy tsy tokony hanozongozona ny finoan'ny Kristianina izany. Fantany fa tsy ny Baiboly no Andriamanitra fa Andriamanitra ihany :)
94. Zina ( 05/03/2007 22:31)
i Zina indray dia hitako hoe manao ireo Olona nanoratra ny Baiboly ho Andriamanitra ka tsy manao fahadisoana mihitsy


Tena tsy mazava aminao mihitsy ilay tiko ho lazaina... ka efa oe i Andriamanitra no nanome tsindrimandry an'ireo olona ireo ko ...

Tandremo nefa fa olona ihany izy ireny, toy ny olom-boafidin'Andriamanitra amin'izao fotoana izao, ka mety manao fahadisoana amin'ny fiainany indrindra indrindra amin'ny toriteny ataony.


Tsy laviko mihitsy fa olombelona ireo no sady teraka t@ fahotana... Fa antsika no MINO fa andriamanitra no nanampy azy ireo hanoratra. DIA IZAY TSY AZO atao lavitra mihotran'izany...

Misy banga ny notanterin'i Lioka raha oharina amin'i Matio ! Ianareo ve mihevitra fa Andriamanitra manadinodino kely toy izao, ka nisy hadino tamin'ny nampanoratra an'i Lioka Izy ? Na sanatria manitatra fa tsy noteneniny akory ny sasany tamin'ireo notenein'i Matio ireo tamin'Izy Jesoa tety an-tany, fa rehefa lasa Izy dia nasainy nosoratana hoe "noteneniny" ? Avy amin'ny olona nanoratra ny fahasamihafana tamin'ny Vavaka nampianarin'i Tompo fa tsy avy amin'Izy Tompo. Vavaka iray no nampianariny, fa tsy roa. Eo no miseho ny mahaOlombelona ny mpanoratra. Saingy tsy tokony hanozongozona ny finoan'ny Kristianina izany. Fantany fa tsy ny Baiboly no Andriamanitra fa Andriamanitra ihany


Raha hanomboka hi-critiker ny baiboly ianao dia ho very sy ho confus mihitsy ary zay no tadian'ilay satana. Just take the bible as it is and believe in it. It's your choice my dear.
95. xxx ( 06/03/2007 05:50)
Tena tsy mazava aminao mihitsy ilay tiko ho lazaina... ka efa oe i Andriamanitra no nanome tsindrimandry an'ireo olona ireo ko ...

Tsy laviko mihitsy fa olombelona ireo no sady teraka t@ fahotana... Fa antsika no MINO fa andriamanitra no nanampy azy ireo hanoratra. DIA IZAY TSY AZO atao lavitra mihotran'izany...

Voalazanao tanteraka, Andriamanitra no NANAMPY azy ireo nanoratra, fa tsy Andriamanitra no nanoratra :)

Raha hanomboka hi-critiker ny baiboly ianao dia ho very sy ho confus mihitsy ary zay no tadian'ilay satana.

Tsia, hevitrao fotsiny io ary ianao no mora rebireben'i Satana ka manao ny olombelona nanoratra ny baiboly ho Andriamanitra tsy mandiso. Izaho dia mahafantatra ary manaiky fa tsy Andriamanitra no nanoratra ny Baiboly fa olombelona, noho izany tsy lafatra araka ny nambaran'i Soanja. Ohatra iray io nomeko anao io, izay tsy hahitanao valiny fa fampitahorana ny Satana toy ny mahazavatra rehefa tsisy ambara no mba asetrinao azy. Saingy tsy confus amin'izany mihitsy aho, efa nambarako teo
xxx:
Saingy tsy tokony hanozongozona ny finoan'ny Kristianina izany. Fantany fa tsy ny Baiboly no Andriamanitra fa Andriamanitra ihany

Just take the bible as it is and believe in it. It's your choice my dear.

Yes my dear! Just take the bible AS IT IS, fa tsy atao Andriamanitra kely tsy mety diso, toy ny fandraisanao ny olona nanoratra koa ny baiboly. :)
96. Zina ( 06/03/2007 20:50)
fa tsy atao Andriamanitra kely tsy mety diso, toy ny fandraisanao ny olona nanoratra koa ny baiboly.


Miala tsiny fa ny Baiboly amiko dia tena masina satria avy ao Andriamanitra no miresaka amiko... ny famakiana azy, boky nomeny antsika io....
97. xxx ( 06/03/2007 21:17)
Miala tsiny fa ny Baiboly amiko dia tena masina satria avy ao Andriamanitra no miresaka amiko... ny famakiana azy, boky nomeny antsika io....

tsy misy manda ny tokony hamakiana baiboly sy ny rehetra mihitsy, fa
Just take the bible AS IT IS, fa tsy atao Andriamanitra kely tsy mety diso, toy ny fandraisanao ny olona nanoratra koa ny baiboly.
98. tynah ( 06/03/2007 21:37)
Tsy misy amin'ny aoooooooooona ary!!!! Zah alouh mino d zay eh! n'in n'in d zah mino fa misy Andriamanitra(l)
99. sasa ( 07/03/2007 11:47)
ny tsy mino moa izany d milaza fa Olombelona no nanoratra ny baiboly? ary ny mpino koa d milaza fa ireo mpahay siansa ireo koa d olombelona daholo ? ka inona no tena marina? amiko samy nataon\'olombelona izany na ny baiboly na siansa d mbola mitovy aloha hatreto amiko, ho anareo tsy mino rehetra omeo porofo mivaingana, sady mitombona ny tsy fisian\'Andriamanitra? ary ho anareo mino koa manomeza porofo mivaingana koa sady mitombona fa tena misy marina Andriamanitra
d samia daholo mitazona ny heviny sy my maha-izy an\'azy,izany akory tsy midika hoe anaovana teny hafahafa ny olona tsy mitovy hevitra amin\'ny tena.
100. Fanambinana ( 08/03/2007 15:10)
Sasa: misaotra amin'ny fanamarihana. Fa izao: inona no porofo tiany omena akoatrany ny fisian'ny zava-boaary rehetra? Matoa misy ny zava-boaary dia nisy izay loharano niaviny (io no Mpahary).
Izy dia manohana ny hevitr'i Darwin milaza hoe avy amin'ny tsy misy (NEANT) ny nisy voalohany. Iza anefa ilay tsy misy aminy? Moa ve tsy Andriamanitra no lazainy fa tsy misy? Ny fandavany ny tsy fisian'Andriamanitra izany amiko dia fanamafisany ny fisiany.
Soanja: Marina ny filazanao fa voafetra ireo olona nanoratra ny baiboly. Manam-porofo izany ny fanehoan'izy ireo ny zavatra marina tamin'ny endrika angano. Marina koa fa nisy ary misy ny fivoharan'ny misy rehetra.
Ny zavatra marina azo tsohaina avy amin'ny tantara ao amin'ny Jenezy anefa dia ny hoe: Andriamanitra no nampisy ny misy rehetra. Manaraka, efa nohariany ho toy izao hatramin'ny voalohany isika fa tsy hoe: biby nivoatra no tonga olombelona.sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1182