TSY MISY ANDRIAMANITRA?

101. Fanambinana ( 08/03/2007 15:13)
Sasa: misaotra amin'ny fanamarihana. Fa izao: inona no porofo tiany omena akoatrany ny fisian'ny zava-boaary rehetra? Matoa misy ny zava-boaary dia nisy izay loharano niaviny (io no Mpahary).
Izy dia manohana ny hevitr'i Darwin milaza hoe avy amin'ny tsy misy (NEANT) ny nisy voalohany. Iza anefa ilay tsy misy aminy? Moa ve tsy Andriamanitra no lazainy fa tsy misy? Ny fandavany ny fisian'Andriamanitra izany amiko dia fanamafisany ny fisiany.
Soanja: Marina ny filazanao fa voafetra ireo olona nanoratra ny baiboly. Manam-porofo izany ny fanehoan'izy ireo ny zavatra marina tamin'ny endrika angano. Marina koa fa nisy ary misy ny fivoharan'ny misy rehetra.
Ny zavatra marina azo tsohaina avy amin'ny tantara ao amin'ny Jenezy anefa dia ny hoe: Andriamanitra no nampisy ny misy rehetra. Manaraka, efa nohariany ho toy izao hatramin'ny voalohany isika fa tsy hoe: biby nivoatra no tonga olombelona.sns...
102. linarako2 ( 09/03/2007 11:08)
[quote=sasa]
ny tsy mino moa izany d milaza fa Olombelona no nanoratra ny baiboly?

Tsy olona no nanoratra azy,nomena fahalalana hanoratra ny teny nomen'ny Ray izy dia nitape ihany koa fa ny fanahin'ny Ray no nanome ny olona hamerina izay nolazainy.

ary ny mpino koa d milaza fa ireo mpahay siansa ireo koa d olombelona daholo ? ka inona no tena marina?


Avy aiza no nipoiranao? ny reninao/ny rainao?


amiko samy nataon'olombelona izany na ny baiboly na siansa d mbola mitovy aloha hatreto amiko, ho anareo tsy mino rehetra omeo porofo mivaingana, sady mitombona ny tsy fisian'Andriamanitra?


Ry adala,aza manantena ny arenanao ianao hoy ny ao anaty baiboly,anio alina dia esorikoa aminao daholo ireo.Nitranga io sa tsia.

ary ho anareo mino koa manomeza porofo mivaingana koa sady mitombona fa tena misy marina Andriamanitra


Ianao miteny io no porofo,tsy mbola hitanao izany moa sy marenina ary malemy tsy mba afaka ny hampiseho ny porofo fa misy ny Ray.Rehefa nomeny hery sy tanjaka ianao dia mifaly

d samia daholo mitazona ny heviny sy my maha-izy an'azy,izany akory tsy midika hoe anaovana teny hafahafa ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena.


Tena an'isany tsy mino koa no fijeriko anao raha izao toa tsy mafana kanefa tsy mangatsiaka!
Mifandray ny baiboly ary hita taratra an'i Kristy.
103. niryna ( 12/03/2007 04:06)
[quote=sasa]


ho anareo tsy mino rehetra omeo porofo mivaingana, sady mitombona ny tsy fisian'Andriamanitra? /

:?::?:
ary ho anareo mino koa manomeza porofo mivaingana koa sady
mitombona fa tena misy marina Andriamanitra

Rehefa tonga ny fotoana hanadinana ahy izay zavatra tokony nataoko sy fantatro kanefa tsy nataoko dia ny fahalalana norotovoko sy ny fampianarana nomen'ny rar ahy sy ireo olona tia ahy mba hibebaka sy mba ho voavonjy dia eo izaho sy ny fanahiko hikepoka ny nenina satria aho nampahafantarana ny hitory ny tenisoa mahafaly kanefa tsy nanao izany.
Ho ahy mino dia ny fahasoavana nomeny ahy dia efa porofo iray velona tsy misy azon'iza na iza ho tsipahina satria ahy irery io.Ary mino tanteraka koa aho fa toy izany daholo ireo mpino azy.

Inona izany ny anao:?:
104. sasa ( 12/03/2007 05:18)
lynarako2
samy mangataka porofo aho na am mpino na am tsy mpino ny fisian'Andrimanitra. Raha nilaza an'io tsy midika akory hoe tsy mafana tsy mangatsiaka, ary tsy azo tsaraina koe hoe mpino na tsy mpino fa aza tonga d mitsara ahy ho toy izany ianao.
ny antony hilazako hoe samia mitazona ny heviny sy ny mahaizy an'azy, d ny mba tsy hisian'ny otranzao hoe vao tsy mitovy hevitra aminao ilay olona d'efa voatsara sahady.
Niryna misaotra tam fanazavana
105. jacy ( 14/03/2007 15:39)
sendra nandalo tato nahita ity dinidinika ity za aloha mino aho fa misy Andriamanitra e! na dia tsy miditra ampiangonana aza aho de mino aho fa misy Andriamanitra maro ny zavatra nataony tamin'ny fiainako raha narary tsy nety sitrana ny dadako d vavaka sisa no nahasitrana azy raha nisy olona fantatro tritra hono ny vavoniny tsy misy resaka magie eto na ny kely aza vavaka ihany ny fanafodiny ary impiry moa ireo izay olona mitoky fatratra amin'ny teniny no diso hevitra ka iza no mahalala raha mbola diso hevitra izy mihevitra fa ny razambeny de gidro. Fa na ny théorie du big bang aza izay hoe probable indrindra raha ny création de l'univers no resahina mbola tsy voaporofo hatramin'izao. Ka tsy haiko aloha e! amin'ny mahakristiana ahy dia resy lahatra aho (ary misaotra an'Andriamanitra fa noreseny lahatra) fa misy Izy ary izay ihany amiko no hevitra azo hiankinana.
106. rabilabila ( 17/03/2007 23:59)
Sendra tafatopy teto ny maso dia tsy nety raha tsy mandray anjara kely:
Izaho tsy mino ny fisian'andriamanitra sns....par conviction (filozofika ,siantifika).
Nisy nilaza tao ambony tao hoe rehefa tonga an-dafy dia...............;hoy aho hoe rehefa mivoaka ny cocon familial ,ka notinaiza amin'ny "tia karokaroka"dia betsaka ny fanontaniana mipetraka ,ary ny fananana outils(toa ny ordinateur,na ny radios samihafa ,na ny fanatrehana conférences... ) dia mety mahavaly ireo fanontaniana samihafa ireo.
Aza adino fa ny maro amintsika dia NANDOVA io fivavahana io avy any amin'ny RAD (izany hoe no-imposen'ny fitaizana ilay izy),fa tsy nanana safidy.Ary ny démarchen'ny tsirairay amin'ny choix-ny dia azy manokana.

Misy hevitra vitsivitsy atolotro ireto ary mety hamaly ny fanontaniana sasantsasany any ambony any:

-Ny tsy fahafantarana hatramin'izao izay tena nitranga tany am-boalohany ( raha toa ka nisy voalohany ) dia tsy voatery hitadiavana MPAMORONA ARA-MPANAHY akory .
-Ny namoronan'ny olombelona ny fisian'ny ZANAHARY MARO dia voarakitra ara-tantara ( jereo ny vokatry ny fikarohana ara-arkeolojia eran-tany , ,na tany Ejipta izany na tany amin'ny sivilizasiona Inca na asiatika na koa afrikana ...izay milaza ny fisian'ny finoana miankina amin'ny fisian'ny ZANAHARY MARO ).

-Ny namoronana ZANAHARY TOKANA dia efa ela taty aoriana ( i Akhenaton tany Ejipta no nanandrana voalohany nampiditra an'i ATON ho andriamanitra tokana tamin'ny taona -1350 , kanefa tsy naharitra izany satria mbola tsy neken'ny pretra sy ny vahoaka tamin'izany ny hanamasina ZANAHARY TOKANA ) ; toy izany koa i ZOROASTRE tany Persa tany amin'ny -700 tany ho any .

--ny baiboly sy ny coran dia bokim-pinoana'ny MPANDRESY IZAY NITONON-TENA HOE OLONA SIVILIZE ( tamin'ny alalan'ny FANAFIHANA SY FAKANA AN-KERINY ny fanjakan'ny firenen-kafa no nidiran'ireo fivavahana ireo eran-tany ) ; nosasany ati-doha na koa nataony teri-vozona na norahonany ny vahoakan'ireny firenena ireny mba HANAIKY AN-JAMBANY NY FAHAMARINAN'NY FINOANY
-ireo voka-mpikarohana siantifika mitory ny fomba ny fiforonan'izao tontolo izao ( cosmologie , chimie sy biologie prébiotiques ...) na ny fivoaran'ny zava-manan'aina hatramin'ny voalohany ka hatramin'izao ( paléontologie , théorie de l'evolution-n'i DARWIN izay norarana aza tany amin'ny faritra atsimon'ny USA ...)dia tsy mahazo laka .
-Ny mampiavaka ny tsy mpino dia ity :
ny tsy mpino dia mampiasa ny sainy sy ny fitaovam-pikarohana eo am-pelatanany ( na koa mamorona fitaovana hafa raha ilaina izany ) mba ahafantarana na ny manodidina azy izany na izay ao anatiny .
Ny vokatr'izany fikarohana izany no any ekeny ho fahamarinana ( izay mety miova miandalana arakaraky ny fahatsaran'ny fandrosoan'ny fikarohana fa tsy toan'izay voalaza ao anaty boki-mpinoana -baiboly na coran -izay mitaky fankatoavana tanteraka amin'izay voalaza ao )
-Ka raha mampiasa ny sainy ny olombelona hanazavany ny zavamisy izay confimer-n'nysiansa ,dia avy eo mbola mahatoky izy (amin'ny fanànany saina ) fa mbola ahita valiny mety ahafa-po kokoa mba hanatsaràny ny fiainany sy ny ho aviny dia TSY MILA mitady tehina , mamorona andriamanitra hiaro azy na hiafenana ..........hanàla ny fitaintainana ,hanàla ny tahotra ny fahafatesana ka hamoronana paradisa sns.......
--Rehefa résultats manelingelina na koa manozongozona ny VERITE ao anatin'ny baiboly dia tsy voateliny (toa ny tany no miodina manodidina ny masoandro fa tsy toy izay ninoana talohan'ny nisian'i COPERNIC sy GALILEE izany nandrahonana azy ireo ary nandorana an'i Giordano bruno).


Dia ito no hamaranako azy:
-L’honneur de la science n’est pas d’établir des vérités définitives, mais de s’exposer constamment au démenti: elle se distingue par là des idéologies et des religions, et c’est ce qui fait d’elle un savoir exemplaire" .

Aza adino koa fa ny olona "tsy mino" dia miaina ny tsy finoany fa tsy miezaka manova an-dranona sy ranona satria izahay tsy mitompo teny fatratra ho mpitàna ny fahamarinana.

Misaotra mamaky hatramin'ny farany



107. naughtyboy ( 19/03/2007 18:41)
fitaovana kely vao notovoziny olmbel omaly toy ny pitidrano latsaka ao andranomasina ny fahalalana,zay no mahaoul azy.Misy koa milaza fa anganombazaha androbana firenena samihafa ary anjanahana saina olona hafa ny fisian\'A.tra, tsy kely lalana ny ratsy
fa na ny ampiasainy t@ fomba ankolaka nentina anjanahana tany sasany, ekena

OH :Atao ahona zany ny anazava @
jamba ny lokony lanitra anie ka manga ?finoana fa tsy fahatsapana akory = safidy izay
hafatra no ilazana zany satria ny siansa de mbola tsy afaka ny hanazava zany @ na zao vanin\'andro zao
aza nefa tsy manakana an\'ireo zay efa mahafantatra ampita ny hitany ary tsy natao anozongozona ny \"tsy finoany\" hafa haha..
108. naej ( 20/03/2007 10:09)
Fa rehefa indray androany tonga @ tsy azo anoharany ny olona iray( rehefa mahatsapa ny fragilité-ny) vao mahatsapa fa mila an'Andriamanitra.

experience maro no nahatsapako fa marina io,

voafetra ihany ny fisainatsika olombelona , hany ka misy zavatra tsy ho voazava mihitsy raha io resaka andriamanitra io no iadian-kevitra,

ny raha manao fampitahana ny fiainana andavanandro eto @ ity tany fandalovana ity fotsiny eo @ mino sy tsy mino dia aleoko ihany misafidy ny fiainan'ny mino.MISY ANDRIAMANITRA.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0834