TSY MISY ANDRIAMANITRA?

1. Salut ( 26/02/2007 13:32)
Maro ireo olona tsy mino ny FISIAN'ANDRIAMANITRA intsony ankehitriny. Ka ho azy ireo indrindra no ametrahana ity fanontaniana ity:
[center]RAHA TSY MISY ANDRIAMANITRA DIA AVY AIZA IZAO REHETRA IZAO?[/center]
Asaina manokana amin'ity adi-hevitra ity ireo tsy mpino rehetra indrindra andriamatoa Fijo.
Salut
novalian'i naej ny 20/03/2007 10:09
2. xxx ( 26/02/2007 13:49)
nous sommes le fruit d'une aberration jadis de la nature. un organisme mono celullaire surgi du néant qui a muté et a donné naissance à l'évolution de l'espèce (th darwin), et au long processuss de la création de la vie sur terre

sangisangy fotsiny io an ! Izaho tsy mahalala ny tena marina. Posibila ve izany

Iza ary anefa no namorona an'Andriamanitra ?
3. tsiafoi1 ( 26/02/2007 14:03)
Ny voiture ford tsy afaka miteny amin'ny Monsieur FORD hoa iza no namorona anao. OK
4. ikaretsaka ( 26/02/2007 14:08)
lasa hoe "misia ny tsy misy" izany!
na "aza misy ny misy"
iza no tianao? diniho tsara anie!
5. cutie ( 26/02/2007 14:13)
Salut [ Valio ] 26-02-2007 14:32:17
Lohateny : TSY MISY ANDRIAMANITRA?
Maro ireo olona tsy mino ny FISIAN'ANDRIAMANITRA intsony ankehitriny. Ka ho azy ireo indrindra no ametrahana ity fanontaniana ity:

RAHA TSY MISY ANDRIAMANITRA DIA AVY AIZA IZAO REHETRA IZAO?

Asaina manokana amin'ity adi-hevitra ity ireo tsy mpino rehetra indrindra andriamatoa Fijo.
Salut

tsy afaka ny hamaly izy satria tsy mino
ny mpino no manana valin-teny @io satria mino :lol::lol::lol:
6. Fody ( 26/02/2007 14:42)
Raha resaka siansa no resahana dia azo hazavaina sy azo porofoina daholo ny zavatra rehetra, ka azo ekena ve hoe nisy ny niforona avy amin'ny tsy misy?
7. lapino ( 26/02/2007 14:46)
Tsy amin'ny alalan'ny adihevitra no hilazana na hanaporofoana ny tsy hita. Fa finoana izany!!

MISY ANDRIAMANITRA

Tenenina sy lazaina foana io, mba ho re sy ho voasoratra ho an'ny rehetra.

Tahaka ny tamin'ny andron'i Jesosy ihany, nisy ny nino Azy, nisy koa ny tsy nino Azy. Tsy nanery na iza na iza hino anefa Izy.

Ohatra hoe, ao amin'ny Hebreo.11
Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
Tsy adihevitra momba ny teorian'i Darwin sy ny BigBang, hilazana hoe marina izany na diso, tsy izay no zava-dehibe. Fa finoana araka ny voalaza no ahafantarantsika izany.

Io teny io fotsiny aza izao mifanohitra amin'ny principe lehibe iray iorenan'ny siansa ("Rien ne se crée ..." ). Ka raha lojika siantifika no entina hiadiana hevitra momba ny finoana, dia tsy maintsy hidofotra!

Izay tsy mino dia asaina hanokatra ny fony mba handray ny fahamarinana atolotra azy. Tsy amin'ny alalan'ny adihevitra, fa ny fanekena fotsiny.

Farany,
- fa izay tsy mety mino no hohelohina
- raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra
8. cutie ( 26/02/2007 14:47)
=D=D=D=D=D lapino
9. Fanambinana ( 26/02/2007 14:49)
Raha resaka siansa no resahana dia azo hazavaina sy azo porofoina daholo ny zavatra rehetra, ka azo ekena ve hoe nisy ny niforona avy amin'ny tsy misy?

Raha ny fandinihako an'io dia fontaniana miantefa amin'i xxx io fanontaniana io.
Fa aiza ilay Fijo iny e? Ilay taraka Rajako iny aiza? Raha be saina izy tokony eto no mifandahatra, hanome porofo mazava aminay fa Rajako no niaviany satria aminy tsy misy ilay Andriamanitra niavin'ny Mpino rehetra sy hiverenany koa avy eo.
10. fijo ( 26/02/2007 15:22)
ity aho dfa aza matahotra e;
tsy za irery no avy amin'ny gidro,fa isika rehetra.ka aza mifanaratsy fa iray fiaviana.tsy ny fanaratsiana olona akory no manaopofo,fa hendry kokoa ny mpino.
ny fanontaniana dia hoe raha tsy nisy andriamanitra dia avy aiza isika.
za manokana aloha dia ny dadako sy ny mamako no nanao ahy.
fa mba valio koa ary ity e.
i abrahama no nino voalohany fa andriamanitra dia tokana izay nahary ny lanitra sy ny tany.izany hoe tamin'ny andron'i abrahama vao nitsimoka io finoana aazy io.koa ny zavatra rehetra sy ny olona izay nisy talohan'i abrahama,iza no namorona azy?????nefa ilay andriamanitra io,aabrahama no nino ny fisiany voalohany???????
ilay finoana anie hoanareo dia tsy mila fandalinana fa avy dia hoe izay.dia ok.
ny ahy ny siansa no hinoako kokoa,satria io ahitana profo azo tsapaina tanana.
11. fijo ( 26/02/2007 15:24)
mba jereo ireo tahiry "fosila" hitan'ny siantifika,ary hanaporofoiny ,ny fiovana nisy.sa ianareo tsy mino siansa???raha izay,aza ampianarina koa ny zaza fa asaivo mino fotsiny dia hovelona toa ny biby rehetra.
12. prime ( 26/02/2007 15:24)
tsimiandravola ô... omena sehatra malalaka ianareo eto... mazotoa...
13. prime ( 26/02/2007 15:32)
tsimiandravola ô... omena sehatra malalaka ianareo eto... mazotoa...
14. Fiffi ( 26/02/2007 15:49)
lapino:
Izay tsy mino dia asaina hanokatra ny fony mba handray ny fahamarinana atolotra azy. Tsy amin'ny alalan'ny adihevitra, fa ny fanekena fotsiny.
heu.....angamba kosa @ maha-tsy mpino azy ireo indrindra nefa no tena hilaivana an'le adi-hevitra sa ahoana ozy enao ?


15. cutie ( 26/02/2007 16:07)
heu.....angamba kosa @ maha-tsy mpino azy ireo indrindra nefa no tena hilaivana an'le adi-hevitra sa ahoana ozy enao ?

tsy ny fanderesehan-dahatra eto no hampiova azy mitsy akory :lol::lol::lol:
finoana io ,miankina @ tsirairay ihany :lol:
16. andryfiti ( 26/02/2007 16:21)
fijo:

mba jereo ireo tahiry "fosila" hitan'ny siantifika,ary hanaporofoiny ,ny fiovana nisy.sa ianareo tsy mino siansa???raha izay,aza ampianarina koa ny zaza fa asaivo mino fotsiny dia hovelona toa ny biby rehetra.


O lety ry Fijo , za lety scientifique fa tsy mino hoe avy @ rajako zany , za avy @ olona ( mety nitovitovy t@ rajako) fa tsy rajako> IALAHY IRERY NO NGAMBA TARANAKA RAJAKO
17. Salut ( 26/02/2007 16:32)
Fijo: Porofoy eto azafady avy aiza ny Dadanao sy mamanao. Avy aiza ireo omeo ny porofo mazava, hazavao.
Raha tahiry taolana no resahanao amiko amin'ny fomba ahoana no hafahanao manamarina fa ny taolan-drajako dia mivoatra ho taolan'olona? Raha marina izany nahoana ny rajako sy ny babakoto amin'izao fotoana izao tsy mety miova ho olona intsony? Nahoana ny olona no tsy nivoatra intsony fa nijanona ho olona ihany? Avy aiza ilay nisy voalohany? Porofoy! Tsy misy resaka Baiboly eto azafady.
Tsy misy manaratsy anao koa fa milaza ny marina aminao no atao eto. Ianao milaza fa tsy misy Andriamanitra ary mino ny siansa milaza fa avy amin'ny rajako ny olona dia RAJAKO izany ny razam-benao.
Salut
18. Fanambinana ( 26/02/2007 16:42)
Fijo: ny fanontaniana mipetraka aminao no valio fa aza ovana ny resaka e. Ianao manafoaka ny niavianay (Andriamanitra) tsy mahalala maty ka mba lazainay ny niavianao toa malaky tezitra. Omeo ny valin'ireo fanontaniana mipetraka aminao ireo andriamatoa be saina ò! Avy aiza ny ray aman-dreny niavianao? Avy aiza ny misy rehetra? Porofoy sy omeo fanazavana. Raha voavalinao ireo dia omeko fanazavana ampy ianao mikasika an'Andriamanitra. Raha tsy afaka mamaly kosa dia aza miteniteny foana.
19. andryfiti ( 26/02/2007 16:53)
fijo = maninona koa ra ovana ny nationalite an' ialahy hoe singe de pays chimpange
20. Fody ( 26/02/2007 16:55)
za manokana aloha dia ny dadako sy ny mamako no nanao ahy.

Aza manao valin'olona tsy nahita fianarana ohatra an'izao fa mahamenatra e. Mba omeo raisonnement mitombina tsara sy voaporofo mazava, satria siansa no resahina eto. Marina io lazain'i Salut io hoe aza asiana resaka baiboly satria efa lazainao fa angano iny sy tsy misy dikany.
Raha tsy misy havaly moa dia mihevera vatana fa efa mba lehibe ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1006