BOITE DE NUIT EVANGELIQUE (TOHINY)

1. naritsimba ( 22/02/2007 05:55)
« Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe: » (Matio 11:16)
« Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo. » (Matio 11:17)

Ireo andininy ireo dia fanoharana ny olona tsy mihaino ny tenin'Andriamanitra ka oharina toy ny olona mahare feon-tsodina nefa tsy mandihy, sy tahaka ny olona mandre ny feo fitarainana avy @ malahelo fa tsy mivaky loha.


http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45b84bd422a60
2. mitia5 ( 22/02/2007 07:27)
de tena rsy azoko ny tianao tongavana e!
3. naritsimba ( 22/02/2007 09:40)
mitia5> ny iangaviana anao voalohany aloha dia mba ataovy mazava tsara ny fanoratanao teny malagasy fa dia aza atao tsy gasy tsy vazaha toy io ka ny: "dia" lasa " de" ny "ahatongavana" lasa "tongavana".

Ny tiako ahatongavana dia tsotra, tsy voararan'ny Baiboly ny mandihy midera an'Andriamanitra
4. Salut ( 22/02/2007 10:38)
Nomena saina afahany mandinika ny olona sy nomena fanahy afahany mandanjalanja, toy izany koa ianao miteny io, ka jereo raha mety io zavatra lazainao io na tsia, mifanaraka amin'ny evanjely ve? Mbola fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra ihany ve sa mitondrana ny olona any amin'ny fahotana? Loza ho an'izay iavian'ny fanafitohinana hoy i Kristy. Mba mihevera kely vao milaza hevitra. Misaotra
5. naritsimba ( 22/02/2007 11:03)
salut> asa na izaho no tsy mandinika na ny Baiboly vakiako no diso fa ny zavatra lazaiko dia voasoratra ao anaty Baiboly, sao kosa dia rovitra ny Baibolinao na Baiboly ilay natao anoherana ny fivavahana Kristiana?
6. Salut ( 22/02/2007 12:46)
Nolazainao mazava tsara hoe:
raha mandinika ntsika dia toa mangalatahaka ny fanao eo @ fiaraha monina izany ny fiangonana ankehitriny ohatra hoe rehefa manao fampisehoana ny artista iray dia milaza hoe Njakatiana sy ny mpandihiny sns,dia lasa misy mpandihy daholo koa ny groupe evangelique,dia raha tohizana izany dia ao aoriana kely ao koa mety hisy zany hoe sexy show evangelique,ny streap tease evangelique,ny t-shirt lemana evangelique sns.

Raha ny resaka fandihizana sy resaka hira dia feno ao anaty Baiboly. Entina hiderana sy hisaorana an'Andriamanitra. Ary mba vakio tsara ny zavatra nosoratako aloha izay vao mitsikera.
Fa ho anao mba nodinihina ve io zavatra naposakao io sa tsia? Ho an'i Kristy ny mijery sy ny mitsiriritra tovovavy dia efa fahotana, ka mbola mifanaraka amin'ny Evanjely ve ny resaka streap tease, sy ny sexy nao? Aiza ao anaty Baiboly no misy ireo? Teny tsy mendrika ny hiaraka velively amin'ny "evangelique" ireo lazainao ireo.
7. Salut ( 22/02/2007 12:51)
naritsimba: azafady rangaha fa ilay hoe tohiny no nojereko, kay moa tsy ianao no nanoratra io hafatra hafahafa io fa majesty. Azafady e
8. naritsimba ( 22/02/2007 13:24)
salut> tsy misy fady ka, famosahan-kevitra ny eto.
9. dailynews ( 22/02/2007 18:57)
naritsimba> marina ny anao, tsy voarara mihitsy ny fandihizana ara-pilazantsara, ary anisan ny fomba entina hiderana an Atra ihany koa izany. betsaka ny fiangonana fantatro mandihy sy mitehaka ary faly ampahamendrehana sy voatariky ny Fanahy Masina mandritra ny hira fiferan any ampiangonana.

saingy raha miresaka boite de nuit ianao dia zavatra hafa mihitsy izany.
ny boite de nuit mantsy dia hafa mihitsy ny fahitana azy, tafiditra ao daholo ny dirty dancing sy ny sexy dance sy ny fahamamoana sy ny tsy haiko rehetra..

raha hanokatra boite de nuit kristiana izany ianao..ho voasakanao ve ireo zavatra ireo?? raha hanome voninahitra an Atra no dikany fandihizana ho an Atra, hanome voninahitra an Atra ve ny fanaovana ireo zavatra ireo raha toa ka mitranga?

asa aloha fa izaho tsy resy lahatra.
10. dailynews ( 22/02/2007 18:58)
azafady> hira fiderana fa tsy hira fiferana
11. Zina ( 22/02/2007 19:00)
Salut [ Valio ] 22-02-2007 11:38:08
Lohateny : Re : BOITE DE NUIT EVANGELIQUE (TOHINY)
Nomena saina afahany mandinika ny olona sy nomena fanahy afahany mandanjalanja, toy izany koa ianao miteny io, ka jereo raha mety io zavatra lazainao io na tsia, mifanaraka amin'ny evanjely ve? Mbola fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra ihany ve sa mitondrana ny olona any amin'ny fahotana? Loza ho an'izay iavian'ny fanafitohinana hoy i Kristy. Mba mihevera kely vao milaza hevitra. Misaotra


ie marina izany
12. ikaretsaka ( 22/02/2007 21:26)
naritsimba:

Ny tiako ahatongavana dia tsotra, tsy voararan'ny Baiboly ny mandihy midera an'Andriamanitra



mahagaga!

izaho moa ho an'izay mahalala dia architecte...
indray andro (2 taona lasa angamba izay) dia nisy olona "clients"-ko (pasitera amina antonkom-pivavahana iray sy mpanankarena no nitambatra)
nanome asa ahy mba hi "design" trano dia ny fandehany dia trano fivavahana izy rehefa @ maraina (fiangonana) dia boite de nuit ilay izy rehefa hariva...

dia nataoko tokoa ilay tetik'asa... fa isaky izay misy manontany ahy ny momba ilay izy dia azavaiko aminy ny momba ilay izy dia toa tezitra tamiko daholo hoe tsy mety izany!

ny nandraisako azy mao dia @ lafiny maha vaovao sy maha artistika ilay zavatra sia filozofian'ny zava boarin' andriamanitra @ hoe tsara sy ny ratsy, maizina sy ny mazava, sy ny zavatra rehetra mifanohitra (voamaintilany, yin yang) ..no nangalako inspiraka nanaovako azy

vita ilay izy izao ary notokanana t@ iny 2006 iny (aty etazonia no ilay raha) ary dia tsy hitako loatra izay olana... nanararaotra aho nijery ilay izy t@ diako farany taty

noho izaho tsy miray antokom-pivavahana @ ilay pasy no tsy nivakiako loha an'ilay zavatra .. sa noho izaho liberal loatra .. sa ahoana ???

dia io koa i Naritsimba mbola manampy hoe tsy voarara ny mandihy sy ny midera an'andriamanitra

tsy aferako loatra aloha na andriamanitra na iza no andihizana sy deraina ao rehefa @ alina e...:wink:
13. fijo ( 22/02/2007 23:03)
tsy itako izay olana amin'izany ko.arakarak'izay hampiasaina azy ihany io.de ny saina no amboarina
14. simplex ( 23/02/2007 03:10)

alim-pandihizana evanjelika: alim-bavaka ;)
misy DJ evanjelika: mpitendry mozika :P
Entree evanjelika: tsy misy vidim-pidirana fa rakitra no ho tatazana.

Tongava maro


(tsy misy videurs)

15. naritsimba ( 23/02/2007 05:30)
Amiko ny atao hoe BOITE DE NUIT dia izao:
BOITE : zavatra izay mifono, boatin'afokasoka ohatra, dikan'izany dia fitoerana afokasoka, ny boîte de nuit izany dia trano ampiasaina @ alina raha ara-bakiteny, mihidy sy mikatona ara-dalana ary azo ampiasaina @ izay ilana azy @ andro alina ihany.
Raha mijery isika ny hoe BOITE de NUIT EVANGELIQUE dia azo adika hoe toeram-pivavahana amin'ny andro alina ka ahitana hira sy dihy ara-pilazantsara ka natao hiderana an'Andriamanitra fotsiny sy hanaovana asa fampaherezana sy fanasitranana, noho izany raha ny hevitro tsy tokony hisy sakana tsy ahafahana manao azy, fa kosa tsy maintsy olona efa vontom-pinoana ary vonona hisedra ny asan'ny ratsy no tompon'andraikitra amin'izany. Ho hita ao ihany koa ny cabaret evangelique.
Aoka ho tsaroantsika:
« Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota? » (Lioka 5:30)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; » (Lioka 5:31)
« tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. » (Lioka 5:32)

Ahoana moa ny fomba hitarihantsika ny mpivaro-tena raha tsy mandeha mitory aminy amin'ny alina ianao satria @ iny no ahitanao azy manao ny asany fa tsy amin'ny atoandro? koa anisan'ny azo atao ny manatanteraka izany amin'ny alalan'ny fitaomana azy ireny hamonjy ny BOITE DE NUIT EVANGELIQUE.

16. majesty ( 23/02/2007 05:31)
hoy salut:

azafady rangaha fa ilay hoe tohiny no nojereko, kay moa tsy ianao no nanoratra io hafatra hafahafa io fa majesty. Azafady e


Na tsy teto aza no nisy an'io sujet io dia tsy maninona fa ho valiko tsara isé,ny antony nahatonga ahy hanao an'io sujet io,raha zohina mantsy ny tantaran'ny fiangonana teo aloha dia tena fady sy tsy azo atao mihitsy izany hoe mandihy,mitehaka sns izany raha ao ampiangonana,noho ny fivoarana anefa dia lasa fanao izy io ankehitriny ary efa lasa mahazatra ny be sy ny maro izany hoe artista evanjelika sy ny mpandihiny,sy izany hoe mandihy any ampiangonana izany na mitehaka dia teo no nahalasa ny saiko hoe raha mitohy izany izao fandehan-javatra izao dia minoa ahy marimarina ianao fa ho tanteraka io loha-hevitra nosoratako io (raha zohina izany dia tsy mitombona loatra ilay nolazain'ise fa loha-hevitra napetraka tsy ampiheverana sy tsy misy fandinihana izy io fa ny mifanohitra amin'zany aza dia ny hoe diso nodinihana loatra angamba :D)


17. prime ( 23/02/2007 07:06)
majesty sy ny nofinofiny...:lol::-D:-D
18. ikaretsaka ( 23/02/2007 16:22)
le "evangelique" @ ilay boite de nuit aloha (raha ilay namboariko manokana) dia tsy hidirako lalina loatra... satria samy manana ny fandraisany an'io evanjelika io koa ny mpino...
19. fijo ( 23/02/2007 23:15)
tsy misy olana wa io,fa izay hampiasana azy ihany
20. Fanambinana ( 24/02/2007 19:52)
Majesty: Raha zohina ny tantara hoy ianao dia natao fady ny nandihy tao am-piangonana fahiny. Amin'izao anefa lasa fomba mahazatra.
Jereo tsara sy vakio tsara kosa ary izay nosoratan'i Salut rehetra.

Nomena saina afahany mandinika ny olona sy nomena fanahy afahany mandanjalanja, toy izany koa ianao miteny io, ka jereo raha mety io zavatra lazainao io na tsia, mifanaraka amin'ny evanjely ve? Mbola fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra ihany ve sa mitondrana ny olona any amin'ny fahotana? Loza ho an'izay iavian'ny fanafitohinana hoy i Kristy. Mba mihevera kely vao milaza hevitra. Misaotra

Namafisiny ery ambany koa ny hoe
Fa ho anao mba nodinihina ve io zavatra naposakao io sa tsia? Ho an'i Kristy ny mijery sy ny mitsiriritra tovovavy dia efa fahotana, ka mbola mifanaraka amin'ny Evanjely ve ny resaka streap tease, sy ny sexy nao? Aiza ao anaty Baiboly no misy ireo? Teny tsy mendrika ny hiaraka velively amin'ny "evangelique" ireo lazainao ireo


TSY MAKA TAHAKA BE FAHATANY ny Fiangonana fa mandanjalanja izay ataony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1869