BOITE DE NUIT EVANGELIQUE (TOHINY)

61. naritsimba ( 09/03/2007 06:47)
ikaretsaka> ny ankamaroantsika izay milaza azy ho Kristianina ange ka matetika matahotra hiresaka @ tsy kristianina e, izay no olana, tonga isika dia manatsatso ilay hevitra, ity hevitra ity dia naposak'i majesty ary inoako fa kristianina i majesty izay nanoratra azy.
Maninona raha tsy ilay hevitra no atsatsoina fa mitady hevitra hahatanteraka azy mba hifanaraka @ maha-kristianina, tahaka an'i Jesoa izay niezaka nampifanaraka ny Soratra Masina amin'ny zavatra niainany.

Misaotra e!
62. ikaretsaka ( 10/03/2007 00:54)
ka ny hitako olana ry naritsimba dia betsaka ilay menatra @ fivelarana amin'ny maha kristianina azy an... dia misy koa ilay tsy misokatra mihitsy fa dia .. sao bedy zany ... sao mananona izany... sao sao no betsaka ao an-tsainy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4843