NY TOAKA

1. naritsimba ( 24/01/2007 05:35)
Miarahaba antsika namana rehetra.

Betsaka ary maro tsy tambo ho isaina na dia azo atao aza ny lohahevitra sy dinika nandeha sy mbola handeha eto @ ity sehatra ity.
Ny zavatra voamariko dia betsaka ny zavatra mahasoa hita ato. Efa ela ihany no naha tato ny tena ka mahita fa misy resaka tsy mbola hitako mihitsy tato kanefa tsara angamba raha hifanakalozan-kevitra ho antsika rehetra, tsy inona fa ny resaka TOAKA.

1- Raha mahamarika isika fa na inona na inona lanonana eny na hatramin'ny lanonana mahakasika fiangonana aza dia ahitana mpisotro toaka, mpivaro-toaka.
2- Ny tena moa dia mpandeha mpamita iraka na @ asa fivelomana na @ asa fitoriana ny Filazantsara, ka dia mahatsapa fa mitobaka na aiza na aiza ny fisotroana TOAKA.
3-Tahaka ny tsy manatrika fety ny ankamaroan'ny olona raha tsy misotro TOAKA.

Soso-kevitra:
-Maninona moa raha manao ezaka isika rehetra eto mba manentana ny olona mba tsy hisotro TOAKA.
-Ny tenako aloha dia tsy mpifady TOAKA ary tsy mpikambana @ fikambanan'ny mpifady TOAKA, tsy mandrara ihany koa, fa manentana ny olona hahalala izay tokony atao, tsapa mantsy fa misy olona hita izao fa tsy mety aminy ny misotro io zavatra io kanefa dia ataony ihany. Ilaina ny fifampitaizana eo amintsika mpiserasera rehetra eto. Efa nanomboka ny tenanay fa dia miandry antsika namana rehetra mba haneho ny heviny.
-Raha ho ahy manokana aloha dia tena anisan'ny nankafy an'io zavatra io saingy vao nitsidika ny Taona 2007 dia ny faniriako voalohany dia ny tsy hisotro an'io intsony nanomboka t@ 1/1/07, ary dia miezaka hatramin'izao tsy ho tafiditra ao intsony.

Koa manentana antsika rehetra mba hiala @ fisotroana.

Misaotra ê!
2. fijo ( 24/01/2007 05:53)
amiko dia tsy ratsy ny toaka(za moa dia tia azy io)saingy rehefa misotro kosa mila mba mahay mandanjalanja.eo no mila ezaka hoan'ny tsirairay
3. pissoa ( 24/01/2007 06:05)
hihihi - cf Fijo :-D:-D:-D
4. jefra ( 24/01/2007 07:54)
Zah efa elabe tsy nisotro toaka intsony. Jus de oisiky na le koginiaka ireny sisa sotroina rehefa mahatsiarotsiaro na mifety. Fa na ny jus aza tsy azo sotroana be loatra an! :lol:
5. tywa68 ( 24/01/2007 08:14)
Naritsimba : arahabaina @ zany fanapahan-kevitra noraisinao zany ! =D=D
Ny hevitro aloha dia angambany raha manana volonté lay olona dia vitany ohatrany miala sigara io, zany hoe arakarak'ilay dose noraisiny taloha ny hahasitranany haingana na tsia.
6. prime ( 24/01/2007 08:45)
naritsimba> Tsara ary tena mahasoa ny fialàna amin'ny toaka... fa dia miarahaba anao koa ny tenako amin'izany fanapahan-kevitra lehibe noraisinao izany...

Raha ny soratra masina no jerena dia tsy mandrara velively ny fisotroana fa masiaka dia masiaka kosa amin'ny fimamoana sy ny mpimamo...

...hatreo aloha....
7. naritsimba ( 24/01/2007 12:08)
prime> misy maha marina ny voalazanao io, fa ny tena tiana ahatongavana dia hoe: Tena tsy lanonana marina ve ny lanonana raha tsy misy ny TOAKA?
8. Samoana ( 24/01/2007 14:07)
Tsy haiko ny azo amaliana anao Ranary fa izaho aloha tia mifandom-bera @ tapaka sy namana ary ny havana rehefa misy fihaonana e :wink:!
Saingy tsy atao tafahoatra fa ilay izy mafana iny dia mba ho mariky ny hafanam-po faly mifankahita (ny jus mangatsiaka mampangatsika fo:D)
Ny dite sy kafe koa mahasolo izay hafanam-po izay indraindray, izany hoe arakaraky ny olona hiaonana io
9. jefra ( 24/01/2007 18:01)
naritsimba:

Tena tsy lanonana marina ve ny lanonana raha tsy misy ny TOAKA?

Somary gaga aho mahita ilay fanontaniana satria noheveriko ho anisan'ny TENA mahafehy ny fomba gasy ianao.
Aniko ny lagnonana, dia fomba gasy nolovaina. Manomboka any am fitadiavana ny andro (mpanandro/mpisikidy), famoriana ny tompon'Anarandray, fanajana ny valala mpiandry fasana, famonosana ...
Amin'ny maha fomba azy, dia na arahina ilay izy, na tsy atao. Ary tsy ianao no hilazana fa manana ny toerany mavesatra be ao anatiny ny toaka.

Amiko io famadihana io, sy ny savika, dia tsy afaka misaraka amin'ny toaka. Hoe ilaina ve ilay fomba, dia resaka hafa. Hoe aza misotra toaka, dia mbola azo ekena. Fa hoe hanao fomba, fa tsy hanatanteraka afatsy izay maha diavolana ny saina, ka tsy aleo dia ilay fomba no ajanona. Fa resaka hafa indray angamba iny.

Amin'ny faritra nihaviako dia volana jona ka hatramin'ny septambra eo ihany no mamadika. Satria izay no valasira (betsaka ny sakafo fa vao niaka-bary). Ny olana toaka anefa dia mandritry ny taona (Raha vao misy havoriana : tsena, mirava mivavaka...). Ny any atsimo mila mangalatr'omby vao tena lehilahy. Ny anay, izay mahatanty toaka no tena zalahy na zavavy.

Resaka fitaizana ilay izy amiko. Mitovy am fiheverana fa izay mianatra eny Ankatso no tena filamatra kanefa teknisianina no tena ilain'ny ekonomiantsika....

Be resaka be aho izany fa miakatra ny jus ... :lol::lol::lol: Mbola tsy hendry e :wink:

10. xxx ( 24/01/2007 18:23)
Salut!!
Mwa oci,g aréT d bwar jusk' la proch1 verre:°):oops:
11. dongadonga ( 24/01/2007 20:13)
za aloua de misotro indrindra rehefa alahady hariva eo @ kianja 13 mai ,mba miala voly kely ééh fa rerakini asa ,fa le izy angeh tsara raha ainao no mandanjalanja azy ééh:@:-$
12. Tokinao ( 24/01/2007 21:11)
naritsimba:

- Tahaka ny tsy manatrika fety ny ankamaroan'ny olona raha tsy misotro TOAKA.
- Maninona moa raha manao ezaka isika rehetra eto mba manentana ny olona mba tsy hisotro TOAKA. .


Manohana zato isan-jato ny tenanay e :)
za moa dia misaotra an'Atra fa mba nataony tsy mahita tsiro amin'io zavatra iray io.
13. Zina ( 24/01/2007 21:39)
Jerevo ara-pasalamana aloha ilay izy.
Mahasalama ve izy io?
Inona no vokany mianjady eo @ ny Tena?
Mba ahona ireo olona izay misotro azy?

Dia rehefa ita fa tsara dia inona moa no azo atao??? maotoa misotro foana...
14. cutie ( 24/01/2007 22:46)
Tokinao [ Valio ] 24-01-2007 22:11:54
Lohateny : Re : NY TOAKA
Hoy i naritsimba:

- Tahaka ny tsy manatrika fety ny ankamaroan'ny olona raha tsy misotro TOAKA.
- Maninona moa raha manao ezaka isika rehetra eto mba manentana ny olona mba tsy hisotro TOAKA. .


Manohana zato isan-jato ny tenanay e
za moa dia misaotra an'Atra fa mba nataony tsy mahita tsiro amin'io zavatra iray io.

zany ve :-D
15. mandrindra ( 24/01/2007 22:48)
zina,
ie mahasalama io fa mamono mikraoba
miakatra ny feeling rehefa dôzidôzy
dia hitako izany fa tsara ilay izy dia ho tohizako eee:lol:
izaho ilay tsy misotro raha tsy mahita.
efa namonjy fety tsy nisy toaka aho fa nahafinaritra ny lanonana, izaho moa izany dia tsy nandeha natsaka araka ny fomba mba ho fanajana ny mpikarakara. nefa izaho dia tena mpakafy an'ireny zavapisotro ireny antsoina hoe toaka ireny.
16. naritsimba ( 25/01/2007 05:30)
Mahafinaritra ilay fizotran'ny famosahan-kevitra satria tena samy mamoaka ny any am-pony sy any an-tsainy, ny iangaviana mba tsy hisy hamilana indray ity resaka ity.
Ny apetrako mazava aloha dia hoe: izaho tsy mpifady akory, fa nanapa-kevitra fa hajanoko @ izay ny fisotroana azy io, hitako fa mahafinaritra sy mety
kokoa amiko ny tsy misotro azy io, noho ny misotro azy.

samoana> tena hevitra mety ilay mifandom-bera (Toaka sy cafe na dite na jus) rehefa maneno le vera (tsy plastika)rehefa mifankahita soa aman-tsara dia izay no zava-dehibe.

jefra> ny zavatra hitako rehefa manatrika lanonana ny tenako ka mitobaka be ny toaka dia matetika miafara @ fifandratrana na ady ary matetika moa dia misy ny mamoy ny ainy mihitsy, raha izay no fandehany dia tsy mahasoa ny fanatanterahana ilay fomba izany hoe tsy voafehintsika ilay tena fomba malagasy. Raha efa hita ve fa miteraka voka-dratsy ilay fomba aleo ajanona satria mbola tsy nahita aho aloha hoe nisy nahazo voninahitra t@ fisotroan-toaka hatramin'izay niainako, fa matetika aza ilay olona mpiaraka misotro aminao iny raha sanatria misy mahazo anao na zavatra mitranga aminao dia mahavita sy mahasahy milaza fa : iny olona iny ange ka zao sy izao eh! tena manaratsy ampahibemaso ary tsy menatra akory nefa ange ka niaraka izao ihany e,
Ny antony tena nijanonako dia tsotra, tsy te ho tratra toy io voalazako io aho, dia aleo misoroka toy izay mitsabo.

raha hita fa ratsy ve ka mampigadra ny mangalatr'omby na fomban-drazana aza dia atao ihany?

Ny famadihana na fomba aza ve ka hita fa efa mahantra izao ilay fianakaviana dia mbola terena handany vola ihany?
Aoka ho jerena kosa ny mahasoa vao ny mahafinaritra e!


17. majesty ( 25/01/2007 05:36)
Io raha fanafody avy amin'ny dokotera ka hoe tsy maintsy sotroina ôtran'reny sirop ireny dia minoa marimarina nareo fa betsaka no tsy nisotro akory noho ny hangidiny sy ny hasikany fa saingy izy tsy fanafody dia mety foana e,
sady rehefa misotro an'io zay ange ry zalah ka tena mihivingivina mintsy e,nefa atelina ihany avy eo.
Fa arakaraky ny tsirairay ihany io,refa mbola te hisotro dia mazotoa moa refa afaka dia arahabaina e
18. prime ( 25/01/2007 10:19)
Ny fahitàko azy dia tsy misy ilay "ambiances" raha tsy misy toaka rehefa misy lanonana (satria izay moa no resahin'i nary)... fa "matetika", matetika hoy aho dia mifampihenahena, dia mifankamenatra, dia mifampihatsaravelatsihy eo rehefa tsy misy toaka, manafin-toetra avokoa... fa raha vao misy toaka eo dia miseho avokoa ny tena toetran'ny tsirairay, izay tsy voatery ho tsara foana fa indrindra mety ho ratsy koa aza (araka ny voalaza eo ambony eo hoe mety hiafara @ rà latsaka...)

Fa raha ny soratra masina hoy aho dia masiaka amin'ny mpimamo araka ny voasoratra hoe :

"9 Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22]10 sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra." I Korintiana 6:10
19. jefra ( 25/01/2007 21:32)
prime:

Fa raha ny soratra masina hoy aho dia masiaka amin'ny mpimamo araka ny voasoratra hoe : (...)

Izaho indray anefa mahita hoe: Raha nanao fahagagana i Lery dia divay no nampitomboany (izay no revy tam izany satria tsy nisy fary hanaovana galeoka tany). Samy nihinana sy nisotro araka izy lany izy rehetra, fa tsy nety lany hono ny pi e!

20. majesty ( 26/01/2007 05:25)
Hoy jefra:

Izaho indray anefa mahita hoe: Raha nanao fahagagana i Lery dia divay no nampitomboany (izay no revy tam izany satria tsy nisy fary hanaovana galeoka tany). Samy nihinana sy nisotro araka izy lany izy rehetra, fa tsy nety lany hono ny pi e!


Marina io voalazan'ingahy io fa saingy ny nahagaga ahy dia toa tsy nisy fintantarana ny tohin'io tao @ soratra masina ka nilaza fa hoe "ary dia samy mamo avokoa izy rehetra rehefa nisotro izany divay izany" fa toa vao maika ary toraka voninkazo no nomen'ny olona ny tompom-panasana hoe "ny olona rehefa manao fanasana dia ny divay tsara no avoakany mialoha ary rehefa avy eo vao ny divay ratsy fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'ny farany":D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2514