NY TOAKA

21. naritsimba ( 26/01/2007 05:55)
majesty> ny tohin'io raha alaina sary an'eritreritra dia misy hevitra roa:
1-Ny divay tsara dia ahalaniana be, dia rehefa mamo ilay olona dia tsy mahalala intsony angamba hoe tsara sa ratsy ilay faharoa fa dia ny migoka ihany, io dia ilay divay vitantsika olombelona izany hoe ilay divay niotrika ela, izay no divay tsarantsika olombelona.
2-Ny divay tsara nataon'ny Jesoa Kristy kosa eto dia divay tsara tsy niotrika ela satria rano no nasaina namenoana siny dia rehefa notovozina ka nozaraina avy hatrany dia tsapan'ny mpisotro hoe divay tsara ary dia tsy mamo izy matoa mbola nahatsapa hoe divay tsara ihany no nasolo ilay divay tsara teo aloha, tsy tsapany kosa anefa ny fahasamihafan'ilay divay vitan'olombelona sy ilay rano lasa divay.

Matoa ny Divay no nanaovan'ny Jesoa fahagagana voalohany dia misy antony ao, koa anjaranatsika no misafidy.

Misaotra e!
22. dailynews ( 26/01/2007 14:54)
prime:

naritsimba> Tsara ary tena mahasoa ny fialàna amin'ny toaka... fa dia miarahaba anao koa ny tenako amin'izany fanapahan-kevitra lehibe noraisinao izany...

Raha ny soratra masina no jerena dia tsy mandrara velively ny fisotroana fa masiaka dia masiaka kosa amin'ny fimamoana sy ny mpimamo...

...hatreo aloha....

mitovy hevitra aminao aho


23. Zina ( 26/01/2007 15:07)
Ny divay tsara nataon'ny Jesoa Kristy kosa eto dia divay tsara tsy niotrika ela satria rano no nasaina namenoana siny dia rehefa notovozina ka nozaraina avy hatrany dia tsapan'ny mpisotro hoe divay tsara ary dia tsy mamo izy matoa mbola nahatsapa hoe divay tsara ihany no nasolo ilay divay tsara teo aloha, tsy tsapany kosa anefa ny fahasamihafan'ilay divay vitan'olombelona sy ilay rano lasa divay.


dikan'izany dia jus de raisin io fa tsy toaka.

24. Zina ( 26/01/2007 15:12)
Tsi i Jesosy mihitsy sanatria no hanome toaka an'ny zanany...

Izao ry reto ..
Aiza no ahafahan'Andriamanitra miresaka amintsika? tsy misy afa tsy ao @ saina "brain" "cerveau" ka raha io no hosombatsika @ na drogy isan-karazany dia tsy ahafantatra an'izay tian'Andriamanitra ho lazaina isika...Tsy ho haintsika ny manavaka an'izay tsara sy ny ratsy...

antsika no mieritreritra..:wink:
25. dailynews ( 26/01/2007 15:34)
Miverina etsy amin ny hevitra hiombonako amin i prime aho dia te hanampy kely.

Ny kristiana kosa anefa dia mila hatrany mijery ny hoe atao hoe lalanan ny fitiavana eo @ fanapahankevitra rehetra izay ataony. raha toa ka mahatonga olona ho tafitohina @ ilay kristiana ny fisotroana izany sy mahatonga azy tsy handroso amin ny fiarahana @ Tompo dia tokony tsy hisotro na divay iray vera aza ilay kristiana eo anatrehan ilay tsy mpino na kely finoana fa aoka hijanona eo anatrehan izy sy Atra ny fisotrony divay kely tsy ampahamamoana.Mety tsy mazava fa andraso omeko fotsiny ny TA milaza izany. Mazava lavitra noho izaho miteny.

Rom 14: 15-16,21=> Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanano dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao, aza ny fihinanano no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. Fa ny fanjakan Atra dia tsy @ fihinanan na fisotroana, fa fahamarinana sy fifalian ao @ Fanahy Masina...fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay , na manao izay hahatafitohina ny rahalahinao. ny finoana izay nananano dia hazony ho anao eo anatrehan Atra....

Ary raha tsy resy lahatra mihitsy hoe hisotro kely dia izay izany ny finoanao ka tazomy izay ary aza miovaova, fa midika tsy finoana ny fiovaovana. satria ihany koa hoy ny TA indrindra momba io izay tohin ny tetsy ambony.( resaka fihinanan sy fisotroana indrindra no resahina etoana, vakio ny baiboly momba io raha tsy mazava..)

=>Rom14:22 fa ny finoana izay anananao dia hazony ho anao sy Atra. sambatra izay tsy manameloka ny tenany amin izay zavatra ekeny. fa izay miahanahana dia melohana raha homana satria tsy avy @ finoana izany, fa ota izay rehetra tsy avy @ finoana.
26. dailynews ( 26/01/2007 15:47)
marina tokoa fa manimba ny aty sy ny vavony sy ny atidoha sy ny fitadidiana sy fianakaviana sy ny tsy haiko intsony ny toaka..ratsy izany ny dikany.

ny tokony hazava koa anefa @ kristiana araka io efa nolazaiko eo ambony io dia ny divay kely dia kely tsy ampahamamoana dia azo ataon ny kristiana.
mahatsara fo ny divay mena ary manalefaka ny lalandra raha sotroina kely dia kely aorian ny sakafo hariva hoy ny dokotera, ka mampihena ny pourcentage hahatapahan ny lalandra.

ny TA dia nandrara ny fimamoana fa kosa tsy nandrara ny fisotroana divay.

ilay novain i Jesoa kosa angamba ry zina dia mazava be hoe divay fa tsy jus de raisin.......asa aloha ???? mba nojereko ihany ny dikanteny vitsivitsy fa nilaza daholo hoe divay.
27. jefra ( 26/01/2007 15:59)
dailynews:

ny TA dia nandrara ny fimamoana fa kosa tsy nandrara ny fisotroana divay.

Misaotra anao fa tena nankahery ahy. Dia tiako io divay io rehefa misakafo, fa izaho tsy mba mamo izany. Mitsiky lava fotsiny rehefa fenofeno fa tsy mamo.:lol::lol:

Hadinonareo fa ny labiera HONO tena tsara ho an'ny ampela mampinono. Izany hoe iray vera ihany ny an-dRamatoa dia i mose no mamely ny ambiny (tsy azo tehirizina manko ka mila laniana)

28. dailynews ( 26/01/2007 15:59)
ary manampy kely ihany koa aho hoe, ny zavatra tafahoatra dia tsy mety, eny fa na dia misotro divay 8 vera aza ny olona iray ka tsy mety mamo, tsy midika izany fa azo atao ilay izy. mila fahononantena ihany koa ary na tsy mamo aza dia efa manimba ny vavony sy ny aty izany dia misy indray ny TA milaza hoe: tsy fantatrareo ve fa tempolin ny Fanahy Masina ianareo? izay manimba ny tempolin Atra dia mba ho sombain Atra ihany koa( dikanteniko fotsiny io fa tsy ananako eto izao ny andininy misy azy) misy pitsopitsony be e...angamba izay no mahatonga ny kristiana maro tonga dia hanao vokovoko manga fotsiny izao.
29. jefra ( 26/01/2007 16:05)
dailynews:

tsy fantatrareo ve fa tempolin ny Fanahy Masina ianareo? izay manimba ny tempolin Atra dia mba ho sombain Atra ihany koa

Tsy azoko: Atra izany mahazo manimba, fa izaho tsy mahazo mirevy?

30. cutie ( 26/01/2007 16:05)
hihihihihi
31. dailynews ( 26/01/2007 16:11)
jefra> tsy hitako izay havaly anao 8-)
32. Zina ( 26/01/2007 16:11)

tsy fantatrareo ve fa tempolin ny Fanahy Masina ianareo? izay manimba ny tempolin Atra dia mba ho sombain Atra ihany koa[/quote

[quote]ny TA dia nandrara ny fimamoana fa kosa tsy nandrara ny fisotroana divay.


amiko ireo lazainao ireo dia tena contradictoire be

ny fisotrona toaka amiko dia manimba ny tenako....
33. cutie ( 26/01/2007 16:16)
Tsy azoko: Atra izany mahazo manimba, fa izaho tsy mahazo mirevy?

mahazo kambony fa ataovy am-pahemendrehana fa taratry ny eny aminao foana ny maha tempolin'ny FM ny tenanareo :-D rah ao anatinareo ny FM ( zay moa ny filazan-dry zareo azy )
34. dailynews ( 26/01/2007 16:23)
zina> izay no mahabe pitsopitsony azy araka ny nolazaiko fa tsy midika velively hoe contradictoire ka dia aleon ny olona tsotra izao ny tsy mikasika na dia kely aza. Fa raha mandinika ny Rom 14 ianao (izay tsy dia azoazonao loatra satria efa noresahintsika lava be ny tao anatin'io taloha) dia ho fantatrao ny zavatra lazaiko sy hazava tsara aminao.

ary mazava be ihany koa angamba ny lazaiko hoe: Divay KELY dia KElY tsy ampahamamoana.

35. Zina ( 26/01/2007 16:45)
Aleo angamba lazaina oe:
Samy manana ny safidy ny olona.. anjaran'ny tsiray2 mieritreritra.
36. dailynews ( 26/01/2007 16:46)
marina izany.
37. Zina ( 26/01/2007 16:58)
tsy misy afa tsy ao @ saina "brain" "cerveau" ka raha io no hosombatsika @ na drogy isan-karazany dia tsy ahafantatra an'izay tian'Andriamanitra ho lazaina isika...Tsy ho haintsika ny manavaka an'izay tsara sy ny ratsy

fa dia io ihany aloha ny ahy e...
38. jefra ( 26/01/2007 23:27)
Zina:

Tsi i Jesosy mihitsy sanatria no hanome toaka an'ny zanany...

Inona marina aloha no atao hoe toaka e? Ny divay nanaovana fahagagana anisany? Ary ny labiera?

Zina:

Izao ry reto ..
Aiza no ahafahan'Andriamanitra miresaka amintsika? tsy misy afa tsy ao @ saina "brain" "cerveau" ka raha io no hosombatsika @ na drogy isan-karazany dia tsy ahafantatra an'izay tian'Andriamanitra ho lazaina isika...Tsy ho haintsika ny manavaka an'izay tsara sy ny ratsy...

antsika no mieritreritra..:wink:

Ny drogy aloha aleo hatao lohahevitra hafa. Mbola ny toaka izao.
Ny heviNy hono tsy fihevitsika! Ny jamba aza nampihiratany. Azoko antoka fa na potika toy ny inona aza ny "brain"-ko, matoa tanteraka ny fahapotehany dia sitrapoNy. Raha tiaNy hositranina tonga dia sitrana. Na fiteny tsy fantatro no itenenaNy tonga dia azoko rehefa...sitrapoNy.

Raha fantany fa tsy ho haiko ny manavaka ny tsara sy ny ratsy dia azoko antoka fa tsy halainy fanahy aho satria tsy ho tiaNy hanao ratsy.

Fa fisainako ireo fa mety tsy ho ny Azy.:wink:

39. cutie ( 27/01/2007 00:21)
:lol:
40. Zina ( 28/01/2007 01:34)
Ny drogy aloha aleo hatao lohahevitra hafa. Mbola ny toaka izao

jefra ny taoko anie anisan'ny drogy e ...

Azoko antoka fa na potika toy ny inona aza ny "brain"-ko, matoa tanteraka ny fahapotehany dia sitrapoNy. Raha tiaNy hositranina tonga dia sitrana. Na fiteny tsy fantatro no itenenaNy tonga dia azoko rehefa...sitrapoNy

Raha ataon-tsika expret ny manimba ny sain-tsika ataoko fa tsy hanampy antsika izy KANEFA rehefa avy eo raha fantatrao fa tena nanimba ny sainao ianao dia mbola eo foana izy mamela anao.....
Samy hafa mihitsy

Zany no zavatra itako fa tsara indrindra dia ny tsy hanimba ny saiko @ zavatra izay hananjavona ny saiko mba heniko ilay communication izay ataon;Andriamanitra ho antsika...
Io lesy Safidy a antsika tsiray2 no mieritreritra:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1916