NY TOAKA

41. naritsimba ( 29/01/2007 05:54)
salanitra e!

Raha mandinika ny resaka mandeha rehetra aloha dia hita fa mahaliana ny rehetra ity resaka ity na ho an'ny mpakafy na ho an'ny mpifady na ho an'ireo mpanao tsindraindray, ny zavatra izay tsapa aloha dia tsy mitera-bokatsoa ho an'ny fahasalamana ny fisotroana raha ny antontan'isa izay navoakan'ny OMS no jerena.
Raha jerena kosa ny eo @ fanomezana asa ny tsy an'asa dia miroborobo izy (famokarana antsokosoko toaka gasy) na eo @ indostria (Dzama), nefa rehefa dinihana ny vola miditra @ hetra sy ny vola lany @ fitsaboana dia be ny elanelany, manatombo ny lany @ fitsaboana noho ny miditra ho an'ny fanjakana ka miteraka fatiantoka. Izay ny ara-toekarena, tsy dia hiditra lalina @ izay aloha fa aleo ho an'ny mpahay toe-karena o resaka io.

Moa ve tsy azo atao ny manao fomban-drazana tsy misy toaka(famadihana, famorana, sns). Rehefa hita fa tsy mety @ fiaraha-monina ilay fisotroana fa miteraka korontana dia inona moa no olana raha tsy asiana zava-pisotro mahamamo ao anatin'ilay lanonana?
Taloha aho dia efa nanatrika lanonana izay tsy nisy Toaka mihitsy na dia nisotro aza tamin'izany, ny zavatra tsapako dia misy fifanajana sy filaminana kokoa ny toy izany raha oharina @ lanonana arahina fisotroana, raha mandinika ianareo fa raha misy olona manasa anareo ka tsy misotro ny tompom-panasana dia milamina ny fizotrany ary mahay mifaly na dia ny mpisotro aza, fa raha vao mahazo alalana ny mpisotro ka mahazo misotro dia hafa ny fandehan-javatra.

izay aloha fa dia miandry ny tohiny indray.



42. prime ( 29/01/2007 15:12)
Ny lanonana tena tsara aza dia ny lanonana tsy misy toaka...
naritsimba:
Moa ve tsy azo atao ny manao fomban-drazana tsy misy toaka(famadihana, famorana, sns).
...:-D:-D

Hay moa ny famadihana no tianao lazaina amin'ity hoe lanonana?... raha izany hafa mihitsy no fandehan'ity resaka ity satria izaho indray mahita hoe ny olona manana an'i Kristy tsy mamadika izany intsony... sa ahoana hoy ianareo?
43. Zina ( 29/01/2007 22:34)
manontany anareo aho: manadonto saina ve ny toaka sa tsia?
44. cutie ( 30/01/2007 00:26)
de tsy haiko fa za tsy misotro:-D
45. naritsimba ( 30/01/2007 05:37)
prime> tsy hoe ny famadihana ihany fa ny fomban-drazana fa ohatra noraisina ihany ny famadihana, fa ao ny famorana, fanateram-bodiondry, ary misy hoe sns eo, mba diniho aloha ilay zavatra voasoratra fa ny an'ise tonga dia ny famadihana no lazain'ise.
Ataovy tahaka ny mandinika soratra masina io ka aza ilay andininy tian'ise sy mahafinaritra an'ise ihany no vakiana fa ny Baiboly manontolo no vakiana na ny toko rehetra ahitana ilay andininy mahafinaritra, @ izay dia mazava tsara ny tiany ho lazaina ary mora ny manakatra ny hevitra tiana hambara.
46. tywa68 ( 30/01/2007 07:51)
prime : fa maninona no tsy manao famadihana intsony raha manana an'i Kristy ?

47. tywa68 ( 30/01/2007 07:54)
naritsimba : :lol::wink:
48. ravatorano ( 30/01/2007 14:30)
tsara ny toaka kah
fa ratsy tena ratsy ny misotro betsaka amin io
za aloha tsy mahazaka fa mba misotro ihany reefa tafaraka e fa na izany aza tsy mahavoa bobaka:-P:-P:-P:-P:-P
za aloah ny hoe tsy hikasika mihitsy tsy sahiko ny hilaza an izay fa raha hoe tsy toy ny taloha tsony fa efa mba manandrakandrana izao d ekeko kle fa zao koa ange ry zalahy e vao hoe tsy misotro tsony lah ka fantatry ry zalahy akama mlay b ireo d tena koafana ndry lerony na d hanao plissy aminy aza na d hampirevy andry zalahy aza d tena hikohafany wa
:-D:-D:-D:-D:-D
na izany aza aleo zalah mikohaka fa tsika ranary tsy hirevy b tsony kle
tsy nanenenana izay vita fa revy nandalovana ireny an
sa aoana bandy akama maly b !
zay e
:wink:
49. Zina ( 30/01/2007 17:13)
cutie [ Valio ] 30-01-2007 01:26:56
Lohateny : Re : NY TOAKA
de tsy haiko fa za tsy misotro


Zany an!:wink:
50. cutie ( 30/01/2007 19:08)
tsy mino nga njy :-D:-D:-D
51. Zina ( 30/01/2007 19:47)
za tsy mahita ny fiainan-njy any ka
52. cutie ( 30/01/2007 19:49)
:lol:
53. prime ( 31/01/2007 15:23)
naritsimba> ialàna tsiny raha nahatohina fa ilay ohatra nalainao mantsy tonga dia famadihana ka somary nanaitra kely ahy...
naritsimba:
Ataovy tahaka ny mandinika soratra masina io ka aza ilay andininy tian'ise sy mahafinaritra an'ise ihany no vakiana fa ny Baiboly manontolo no vakiana na ny toko rehetra ahitana ilay andininy mahafinaritra, @ izay dia mazava tsara ny tiany ho lazaina ary mora ny manakatra ny hevitra tiana hambara.
... marina izany... ekena:)
tywa68:
prime : fa maninona no tsy manao famadihana intsony raha manana an'i Kristy ?
... tena lohahevitra lehibe io fa tsara raha anokafana dinika fa sao mampivily ny hevitra eto... sa ts'izany ry nary?:lol:
ravatorano:
tsara ny toaka kah
fa ratsy tena ratsy ny misotro betsaka amin io
... :-D:-D... raha avadiko io dia hoe, ratsy ny tsy toaka fa tsara tena tsara ny misotro betsaka azy?... oops... hay moa zà efa bedy hoe aza mandray an-tendrony...:-D:-D
54. mbelotavao ( 01/02/2007 18:21)
Tantara kely iray.
Nisy tovolahy iray izay tsy tia misotro zava-pisotro misy alcool mihitsy; Indray andro rehefa niaraka t@ namana maro Choral Kristianina nilanonana dia hoe : Misotroa lesy fa aza manao mamo fotsiny a!
T@ voalohany aloha nahay nandanjalanja fa rehefa afaka taona maro dia lasa mamolava .. Nanomboka narary ary avy eo niafara t@ aretim-po izay nahafaty azy ny farany.
Moa ve ho afa maina eo anatrehan'Atra @ izany ireto namana Kristianina tany amboalohany?
Amiko dia tokony tsy hisotro na ampisotro zava-mahamamo mihitsy ny Kristianina fa voasoratra hoe:
...Ny mpimamo tsy mba handova ny fanjakan'Atra...
55. Zina ( 01/02/2007 18:38)
mbelotavao :wink:
T@ voalohany aloha nahay nandanjalanja fa rehefa afaka taona maro dia lasa mamolava ..

temptation tena mahery io...ary mora lavo mihitsy izay tafiditra ao raha tsy mahay..lasa
"l'habitude est une seconde nature"
56. naritsimba ( 02/02/2007 07:05)





prime> ny nahagaga ahy dia ny famadihana ihany no nanontaninao nefa nisy tohiny io hoe famorana sns... tsy tohina @ izany aho akory fa aza matahotra.
57. prime ( 07/02/2007 07:11)
naritsimba> ekena... ny fomba malagasy mihitsy no tiana resahina... fa lohahevitra hafa angamba no iresahana azy raha mety fa tsy eto..

zina:
dikan'izany dia jus de raisin io fa tsy toaka.
... :-D:-D... aza mamorona hoy aho fa rehefa divay dia divay...
58. Zina ( 08/02/2007 17:44)
ory Prime a,
fa ahona no mehezanao???
Jus naturel no nataon'i Jesosy tsy divay mihitsy izay misy fermentation. Tadidio tsara fa Andriamanitra/Jesosy tsy mba mamorona zavatra simba..
vin= fermenté
Ary tsy Jesosy mihitsy no hanome zavatra fermenté an'ny olona mba hanimba ny saina izay tsy ahafahan-ndry zareo hisaina ara-dalana...
:-P
59. prime ( 12/02/2007 10:29)
Zina:
Jus naturel no nataon\'i Jesosy tsy divay mihitsy izay misy fermentation. Tadidio tsara fa Andriamanitra/Jesosy tsy mba mamorona zavatra simba..
vin= fermenté
Ary tsy Jesosy mihitsy no hanome zavatra fermenté an\'ny olona mba hanimba ny saina izay tsy ahafahan-ndry zareo hisaina ara-dalana...
... Tena diso mihitsy izany fijerinao izany... aiza ho aiza ao amin\'ny soratra masina no miteny hoe \"tsy divay mihitsy izay misy fermentation\"?:lol:... Tena mazava mihitsy ny lazain\'ny soratra masina fa na tao Kàna (fanambadiana), na Kristy nasain\'ny Mpamory hetra iray (Matio), na tamin\'ny fampianarana mikasika ny divay \"tsara\" sy \"vaovao\", na t@ fanasàna farany nataony ho an\'ny mpianany nialoha ny andro paska dia tena divay mihitsy no nosotroina sy nampianarana sy nanaovana fananarana sy nitoriana ny Tenin\'Andriamanitra fa tsy ranom-boaloboka mihitsy... Mba mila mandalina ianao eto fa ny Jiosy tsy mpisotro ranom-boaloboka mihitsy fa mpisotro divay mandrak\'ity ny androany...

Ao amin\'ny Testamenta Taloha no voalaza ny momba ny ranom-boaloboka ary voalaza ny momba ny divay (miavaka tsara mihitsy)... fa raha mamo i Noà dia t@ divay...

Ao amin\'ny Testamenta vaovao dia mazava tsara mihitsy ny fanoharana noraisin\'ny Tompo mikasika ny ràny fa divay no resahina fa tsy ranom-boaloboka...

Fantatro fa tsy hahafaly ny vokovokomanga izao lazaina izao... nefa dia izany no lazain\'ny soratra masina ka aza mamorona... fa rehefa divay no voalaza dia divay izany... Aza adino fa t@ fanasàna tao Kanà dia tena nisotro be ny olona... rehefa nahazo ny divay tsara... fa sady tsy nandrara Kristy no tsy niteny ny tompom-panasàna velively nefa rehefa jerena ny dikan-teny fototra (teny hebreo) dia ny hoe \"nisotro be\" dia \"mamo\" mihitsy ny dikany...

Raha izaho dia efa tsy mankasitraka mihitsy ny fisotroana toaka... fa aza manovanova izay hevitra fototra lazain\'ny soratra masina araka izay faharesen-dahatry ny tena...:)

zina:
Ary tsy Jesosy mihitsy no hanome zavatra fermenté an\'ny olona mba hanimba ny saina izay tsy ahafahan-ndry zareo hisaina ara-dalana...
... ivereno vakiana tsara ny Jaona 2:1-11 fa tena ny voninahitr\'Andriamanitra no naseho t@ nanovàna ny rano ho lasa divay, sady voalohan\'asa fahagagàna nataony no fanehoany ny firaisana amin\'ny fifalian\'ny olona tanteraka ary fifaliana feno no setriny fa tsy hoe rano lasa ranom-boaloboka...

Raha miteny izany aho tsy milaza hoe mankasitraka ny fisotroana toaka sy divay, sanatria fa maneho fotsiny ny herin\'ny Tenin\'Andriamanitra fa lalina ny fahendren\'Andriamanitra fa tsy ilay takatry ny sain\'olombelona...
60. naritsimba ( 20/02/2007 06:00)
prime> tena marina mihitsy ny voalazanao fa tena divay io nataon'i Jesoa tao @ fampakaram-bady tao kana io, fa saingy izy tsy niotrika ela fa teo no ho eo no nanovan'ny Jesoa ny rano ho lasa divay.
Io koa raha dinihana dia fampisehoana fa tsy lavitra antsika olombelona Jesoa Kristy fa miaraka amintsika isan'andro isan'andro, ary nahay nampiseho ny voninahitr'Andriamanitra teo imason'ny vahoaka maro, na an-kafaliana tahaka ny fampakaram-bady na an-karatsiana, izany dia manambara fa olombelona toa antsika ihany Izy nefa dia sahin'Andriamanitra Ray nafoy ny ain'ny zanany hamonjena antsika noho ny fahotantsika.
Tadidio fa ny ran'ny Jesoa Kristy dia oharina @ Divay, noho izany tsy nataotao foana ny fisotroana Divay fa tokony hahalala onony.
« Ny diakona koa toy izany ihany, ho maotona, tsy miroa teny, tsy tia divay be, tsy tia harena maloto, » (1 Timoty 3:8)
Tokony ho ampy ireo Diakona izany ny Divay sotroina eo am-pandraisana ny fanasan'ny Tompo (ho an'ny protestant io)
« Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika. »
(1 Timoty 5:23)
Torohevitra io fa dia antsika no misaina. Tsy mandrara ny fisotroana divay Andriamanitra fa kosa tsy manaiky ny fidorohana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1312