NY TOAKA

61. niryna ( 21/02/2007 07:40)
Angaha isika rehetra tsy hanao fety rehefa tonga any an-danitra ary dia misotro divay miaraka an'i Jesosy:D.Eo aho vao mety hisotro betsaka satria divay hafakely sady tsy mahamamo no efa voahasina.8)
62. fanantenana2003 ( 21/02/2007 08:55)
raha mbola tsy nisy matin'ny toaka na vokatry ny toaka ny olona manodidina antsika angambany dia mety tsy ho tonga saina isika!
63. fijo ( 21/02/2007 21:35)
ny ahy dia atambatro ny voalazan'i naritsimba sy jefra.misotroa nefa aza manao mamo.
64. xxx ( 21/02/2007 21:51)
Nahoana no dia tia kasokasoka
sy mifamasoka
Ny toaka tsy azonay ialana
fa mampitombo fahasalamana
marina fa raha misy zavatra hodinihana
na Mariazy , na famadihana
na dia tsara aza ny vary sy laoka
dia tsy maintsy misy eo ihany ny toaka
ny tavoahangy aza ny azy de hafa kely
na fisaka ireny na botakely
ka hoya aho milaza aminareo ry vahoaka
ho ela velona anie ny MPISOTRO toaka

Tsy mila rarana ny olona vao mahalala miala fa izay mahatsapa ny voga-dratsiny dia afaka ho azy anie hi ha ha ha ha ....... Alleloia
65. naritsimba ( 22/02/2007 05:36)
Jesoa Kristy raha nanao fahagagana dia rano lasa divay no nataony fa tsy rano lasa toaka.

« Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany), » (Levitikosy 10:9)
« dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina. » (Nomery 6:3)
« Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay! » (Isaia 5:11)


Raha dinihantsika ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mampiseho fa t@ Testamenta Taloha dia nampitoviana ny divay sy ny Toaka, sy ny voka-dratsiny;

Rehefa jerena kosa anefa ireto andinin-tsoratra masina ao @ Testamenta vaovao ireto:
« Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. » (Lioka 21:34)
« Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; » (1 Petera 4:3)
dia ny toaka no tena nampitandremana mafy fa tena ratsy, fa ny divay dia nekena ho sotroina fa kely ihany: « Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika."
(1 Timoty 5:23)

Manambara zava-dehibe ireo fa dinihonareo ange eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1928