Mahatsiarova ny andro Sabata ........

81. naritsimba ( 06/02/2007 06:06)
Mpandefa : Achia [ Valio ] 03-02-2007 08:15:51
Lohateny : Re : Mahatsiarova ny andro Sabata ........
Naritsimba hoy i Kristy tsy tonga hanafoana na handrava ny lalana sy ny mùpaminany aho fa hanatanteraka , i Kristy no niteny an'io a! zanak'ATRA izy tsy sahy nanova na iray akory aza izay voasoratry ny lalana , isika @ izao nefa manana fahasahiana be hanao izany tsy efa blasfem ve izany , ary ilay ao @ apokalipsy lazainao isika anie zao mbola eto antany e ! i Jerosalema vaovao mbola tsy tonga e!


Achia< ary ianao izany dia malaky miovaova hevitra an, milaza ianao io ambony io fa ilay ao @ Apokalipsy lazaiko mbola eto an-tany fa jerosalema vao² mbola tsy tonga, nefa ekenao fa ety an-tany ho tahaka ny any an-danitra, manana finoana fa aza mety mihozongozona.
82. Achia ( 06/02/2007 10:48)
hihih hiova ty size ty marina fa izany angaha moa no atao hoe finoana , tsy hitako koa izay hevitro miova raha niteny ve aho hoe ety antany ho tahaka ny any andanitra dia mifanohitra @ ilay voalaza ao @ apokalipsy hoe Jerosalema vaovao , eto isika dia efa manomantena @ fanajana ny sabata satria mbola hisy sabata koa any raha araka ny filazany azy , ary ny hoe tokony hiainana ny voalaza ao @ apokalipsy efa maro anie ny zavara hiainantsika voalaza ao e! na ireo tsy mety manaiky ny sabatan'i Jehova io aza efa manatanteraka ny voasoratra ao , mba jereo anie ny apokalipsy 11 e! fa ny fandrefesana ny tempoly no ao e ! dia ampitahao @ tempolin'ATRA ny antsika raha mitovy @ ilay natao t@ andron'i Mosesy e ! izay ny tena originale any andanitra ; apokalipsy 15 / 5 : ary rehefa afaka izany dia nahita aho fa novahana ny tempoly dia ny tabernakelin'ny vavolombelona tany andanitra , de jereo @ izay any @ exodosy fa any no manazava @ nao ny atao hoe taberakely , ary ankehitriny dia ianao io ka asa raha mitovy refy @ ilay tena izy na tsia , zafady fa somary lava
83. prime ( 06/02/2007 11:51)
zina:
Raha mamaky tsara ny didy folo ianao dia hoy Andriamanitra oe:
Mahatsiarova ny ANDRO Sataba hanamasina azy...
Misy andro iray natokan\'Andriamanitra ho Sabata dia ny andro fahafito.. avy namorona ny tany sy ny lanitra izy dia nitsahatra ary nanamasina ny ANDRO FAHAFITO.

amiko io lazainao dia tsy mitombona mihitsy.
... :-D:-D... ka raha tsy mitombina io naninona Kristy niasa ny andro Sabata?...

\"Fa Sabatan\'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin\'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.\" Eksodosy 20:10

...nefa dia izao ny zava-nisy araka ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin\'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.\" Marka 2:23
\"Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin\'ny Sabata?\"Lioka 6:2
\"Ary hoy Izy taminy: Tompon\'ny Sabata ny Zanak\'olona.\" Lioka 6:5
\"Ary ny mpanapaka ny synagoga dia tezitra, satria Jesosy nahasitrana tamin\'ny Sabata, dia namaly ka nanao tamin\'ny vahoaka hoe: Henemana no azo anaovan-draharaha; koa avia hositranina amin\'izany, fa tsy amin\'ny andro Sabata.\" Lioka 13:14
\"Koa ity vehivavy zanak\'i Abrahama ity, izay efa nafatotr\'i Satana izao valo ambin\'ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin\'izany fatorana izany amin\'ny andro Sabata va?\" Lioka 13:16
\"Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin\'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon\'ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.\" Jaona 9:16

aleo atao oe mety tsy maha voavonjy atsika ny didy folo. Ahona ny fomba ahavovonjy antsika raha tsy misy ny lalana???? Tsy oe juste mino aho dia izay fa misy principe arahina dia ny lalana - FIHEZAHANA manaraka an\'io lalana io no ahavovonjy antsika - ny fanarahina an\'i Jesosy - ahona oy i Jesosy raha tia ahy ianareo dia tandremo ny didiko....John 14:15 santionany fotsiny io
... Aza afangaro lehiretsy ny Tenin\'Andriamanitra fa zavatra mifanjohy ny ambranao... Ny Finoana ihany no mahavonjy araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]\" Marka 16:16
\"Fa toy izao no nitiavan\'Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.\" Jaona 3:16

... Ny fanajàna lalàna no fanehoana fitiavana fa tsy hoe fototry ny famonjena... dia io ambaranao io... araka ny vosoratra hoe :
\"satria tsy misy nofo hohamarinina amin\'ny asan\'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin\'ny ota.\" Romana 3:20
\"13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin\'ny finoana, no nahazoan\'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.14 Fa raha izay amin\'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an\'ny taranaka rehetra,- tsy ho an\'izay amin\'ny lalàna ihany, fa ho an\'izay amin\'ny finoan\'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -\" Romana 4:13-16

zina:
io no namaliko an\'ity....satria resaka loi ceremoniales io fa tsy loi morale velively.
... mamakia tsara aloha fa tsy misy resaka \"ceremonial\" io Rômana 14 io na dia kely aza... fa \"finoana\" mihitsy no foto-kevitra ao...
84. Zina ( 06/02/2007 19:34)
ka raha tsy mitombina io naninona Kristy niasa ny andro Sabata?...

Prime a fa angaha ekenao ihany fa oe Andro Sabata? fa angaha tsy lasa hevitra intsony no ekena?
Izaho manokana dia manaiky fa lalàna lehibe hoy aho ny fanajàna ny Sabata... fa ny Sabatan'Andriamanitra anie ka tsy andro no hajaina fa ny fhevitra nanaovan'Andriamanitra azy e...


ilay Sabata dia raisinao amin'izay tianao ilay ziy ka izay no tsy mampety azy...Liberal ndray2 avy zavatra otran'itony nefa tena consservatif rehefa @ sasany... rehefa conservatif dia tokony ho conservatif hatramin'ny farany isika...
raha namaky tsara ianao any ambony any efa nolazaina ny asa (exception) azo ato @ Sabata...
Tsy itako intsony izay ho lazaina fa izay Prime a anao sisa no mieritreritra sy misafidy tsy misy pression mihitsy anie eto....
85. Zina ( 06/02/2007 19:37)
Aza afangaro lehiretsy ny Tenin'Andriamanitra fa zavatra mifanjohy ny ambranao... Ny Finoana ihany no mahavonjy araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Jesosy :

amiko tsy manafangaro mihitsy aho ka rehefa itanao fa mifangaro dia izay zany ko inn moa no azo ataoko?
mamaly ny resakao fotsiny ao etsy ambony...:wink:
86. Zina ( 06/02/2007 19:41)
ny andro sabata no size ato ary ianao mihitsy no nanome an'ity toko sy andininy ity dia izany no namaliko azy oe resaka loi ceremoniales io fa fa tsy loi morale. Satria itako fa hi-insister momban'io andro io ianao....

5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy." Romana 14:5-6


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4808