Mahatsiarova ny andro Sabata ........

61. prime ( 01/02/2007 09:09)
naritsimba> misaotra...
62. naritsimba ( 01/02/2007 10:51)
prime> tsy misy isaorana e!

Achia> Azo raisina ihany koa ange ny tahaka izao hoe: Rehefa teraka Jesoa Kristy dia izay no fanombohan\'ny fomba fanisana ny TAONA(talohan\'ny Jesoa Kristy sy taorian\'ny Jesoa Kristy), noho izany rehefa nitsangana t@ maty Jesoa Kristy dia manambara fiainana vaovao koa izany ka tanteraka hoe andro voalohany ihany koa izay fanombohan\'ny Jesoa Kristy ny asany taorian\'ny nahafatesany ka nitsanganany indray.
Rehefa tanteraka ny voalazan\'ny :
Apokalypsy 21:1 « [Ny amin\'i Jerosalema vaovao] Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. » (dia tsy maintsy misy ny fanombohana ka asa na ahoana ny hevitrao.
63. Zina ( 01/02/2007 18:53)
ny Sabata dia an'i Kristy, ary tsy ny fanajàna andro na ny Sabata no mahavoavonjy...


ary ahona ny didy folo zany ry Prime ahavonjy antsika ve sa tsia?

Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy." Romana 14:5-6


amiko ity dia i Paolo dia miteny momban'ny fetin'ny jiosy (ceremonialy etc...) fa tsy misy idiran'ny Sabata izay ao @ didy foly mihitsy...
Tadidio tsara fa i Paolo ao Romana io dia mihezaka ny hanavotra ny jentilisa mba hanaraka an'Andriamanitra... asa raha misy dikany aminao ihany ilay teneniko...:wink:
64. Zina ( 01/02/2007 18:59)
Prima a,
mahafinaritra zany rehefa nanao recherche ianao... ireny dia mampihezaka antsika ahalala bebekokoa ny Baiboly mihitsy tohizo fa tsara :wink:

Betsaka mihitsy ny zavatra hainao, mangataha ny fanahin'Andtra foana a chaque fois...fa ho azavainy foana ny sain-tsika rehefa tena mino azy isika :-*

ity misy zavatra tiko ampisehona anao fa miala tsiny @ teny hafa ilay izy...
http://www.sabbathtruth.com/sabbath_in_prophecy.asp
65. mbelotavao ( 02/02/2007 04:43)
Efa mazava izany izao fa ny Andro Sabata dia natsangan'Atra ary ny andro alahady dia natsangan'olombelona araka ny fandraisany azy .

Mafy tokoa izany mitandrina ny andro Sabata izany @ izao fotoana izao satria tsy maintsy ho hafoy daholo izay rehetra nahazoana tombotsoa kanefa .....
Apôk 14:7
Vonoy ny izaho fa apetraho aminy tanteraka ny fiainanao dia izy no hanampy anao @ javatra rehetra .
Andramo moa e!
66. naritsimba ( 02/02/2007 07:08)
mbelotavao> tena tsy mijery ny voasoratra ao @ Testamenta vaovao sy Taloha mihitsy ise izany an, efa hoe tsy sabotsy na Alahady fa Andro voalohany sy Andro fahafito no voalaza ao @ Soratra Masina.
67. mbelotavao ( 02/02/2007 10:55)
Naritsimba a! >
Ny fiangonana Kristianina rehetra eran-tany anie na Katolika na protestante sns dia samy manaiky daholo fa ny andro voalohany dia ny andro Alahady e ! Mandeha ho azy ny Sabata....
Sa fampianarana vaovao indray ny anao?
68. niryna ( 02/02/2007 21:53)
Zina:

asa retsy ko tsy hita intsony izy...
i nyrina ko mba tiko manao commentaira eto...

Msaotra zina fa tena tsy mbola namaky an'ity aho.
Lavabe daholo ny fanazavana ka misaotra antsika rehetra nanao ny fanazana teto.Raha ny hevitro araka ny fahalalako azy ao anaty baiboly dia izao.Taloha namono biby tsy manankilemana natoa fanatitra ho an'Atra.Zanak'ondry io.Nisy ny sabata ary navoaka ny didy ny fanajana azy.Ny jiosy dia tena tsy manao na inona na inona mihitsy hatramin'izao fa na dia mamono jiro sy manampotsitra ny bouttton-ny ascenseur aza dia hiandrasany olona.Satria izy testamenta taloha ihany no hiainany ary raha tsy hanantona an'i Jesosy izy rehetra dia tsy ho foana ny ady any amin'ny satria kapoka mbola nomen'Atra azy ireo io.Tsy mino an'i Jesosy izy ka tazominy ny sabata sabotsy.Tsy ho voavonjy mihitsy ny teneny raha tsy manaiky an'i jesosy ho zanak'Atra ry zareo.Misaotra ny tompo fa efa maro dia maro izy no nivadika.Jesosy no sabata izy no solon'ny zanak'ondry.Ny rany no solon'ny zanak'ondry,izy no atao hoe SABATA amin'izao fotoana izao.IZY NO FIALANTSASATRY NY MPINO NA SABATA.Tsy ny fandehanana an'ny am-piangonana sabotsy na alahady no ataonao hoe sabata fa rehefa afaka nialasasatra ianaoa,matoky tena fa izy no fialanao sasatra,na manala ny olana eo amin'ny fiainanao aram-panahy dia tsy tokony hiady varotra ny andro intsony isika VITA hoy izy koa ahoana no andany andro hiady hevitra eo.

69. mbelotavao ( 03/02/2007 04:44)
Niryna >>> Misoatra @ fandraisana anjara...
Mba tohany ara-baiboly moa ny hevitra fa aza atao lovan-tsofina fotsiny e!!
Any an-danitra aza anie mbola hisy fitandremana ny andro Sabata ihany e!
Isaîe 66
22-Car, de même que les cieux nouveaux et la terre nouvelle que je fais subsistent devant moi, oracle de Yahvé, ainsi subsistera votre race et votre nom.

23 - De nouvelle lune en nouvelle lune, et de sabbat en sabbat, toute chair viendra se prosterner devant ma face, dit Yahvé.
24 - Et on sortira pour voir les cadavres des hommes révoltés contre moi, car leur ver ne mourra pas et leur feu ne s'éteindra pas, ils seront en horreur à toute chair.
70. Achia ( 03/02/2007 07:15)
Naritsimba hoy i Kristy tsy tonga hanafoana na handrava ny lalana sy ny mùpaminany aho fa hanatanteraka , i Kristy no niteny an'io a! zanak'ATRA izy tsy sahy nanova na iray akory aza izay voasoratry ny lalana , isika @ izao nefa manana fahasahiana be hanao izany tsy efa blasfem ve izany , ary ilay ao @ apokalipsy lazainao isika anie zao mbola eto antany e ! i Jerosalema vaovao mbola tsy tonga e!
71. Zina ( 04/02/2007 01:38)
Nyrina a misaotra nanoratra eto ko...
Marina ny anao momban;'ny jiosy fa arak'ilay lazain'i Mbelo mba tohany kely ara-baiboly oe azafady?
72. naritsimba ( 05/02/2007 07:47)
Achia> tsy manova ny voalaza ao @ Filazantsara aho akory fa manana ny foto-pinoana izay arahiko, ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA.
Aminao izany raha mbola eto an-tany dia tsy tokony hiaina sahady izay voalaza ao @ Apokalipsy? hafa tokoa ny fihevitrao izany.
73. Achia ( 05/02/2007 08:58)
Tena tokony hiainana mihitsy ka , refa sabata any andanitra dia sabata ihany koa ety antany nga hadinona ilay hoe : atao anie ny sitraponao ety antany ho tahaka ny any andanitra
74. prime ( 05/02/2007 13:09)
zina:
ary ahona ny didy folo zany ry Prime ahavonjy antsika ve sa tsia?
... Fa ianao angaha ry zina mieritreritra ny fanajàna didy folo mahavonjy?... fa na voahaja amin\'ny antsipiriany araka ny lalàn\'i Mosesy aza ny Sabata dia inona no nambaran\'i Kristy?...
aho:
Izaho dia manaiky fa anisan\'ny lalàna lehibe ny sabata satria didy fahefatra... fa tsarovy fa mbola lalàna 3 no eo alohany izay anisan\'ny tena mbola mahasaropiaro an\'Andriamanitra ihany koa... no sady rahateo na voahajanao aza ny sabata nefa mandika ny iray @ didy 9 ambiny ianao dia inona no lazain\'i Kristy? meloka amin\'izy rehetra ianao...
... tsy azonao izany ve ny voalazako teo?... fa na marina amin\'ny didy fahefatra aza ny mpino nefa nandika na dia iray aza amin\'ny didy 9 ambiny dia meloka amin\'izy rehetra fa tsy hoe satria nanaja ny andro Sabata dia azo hamarinina amin\'ny didy hafa rehetra na dia meloka amin\'ny iray aminy aza...

zina:
amiko ity dia i Paolo dia miteny momban\'ny fetin\'ny jiosy (ceremonialy etc...) fa tsy misy idiran\'ny Sabata izay ao @ didy foly mihitsy...
Tadidio tsara fa i Paolo ao Romana io dia mihezaka ny hanavotra ny jentilisa mba hanaraka an\'Andriamanitra... asa raha misy dikany aminao ihany ilay teneniko...
... fa hono hoy aho, tsy misy resaka \"ceremonials\" mihitsy no fototry ny Rômana 14 fa resaka \"finoana\" sy fampianaram-pinoana... fananarana nataon\'i Paoly mikasika ny fahasamihafàna teo amin\'ny fiainam-pinoana no voalaza ao... ka nananarany mafy tsy ifampitsaratsaràna ho an\'izay mpifady sy tsy mpifady, mpanaja andro iray mihoatra noho ny hafa sy ny mpampitovy ny andro rehetra...

Fotom-pampianarana nifanena matetika avy tamin\'ny Apostoly no nahatonga izany fa tsy misy hoe iza no mety na tsy mety... ary izany indrindra no nananaran\'i Paoly ny tsy tokony hifampitsaràna satria samy ho an\'ny Tompo avokoa izany...

Ireo jiosy kristiana voalohany no nampiditra lalina ny kolon-tsaina sy ny fitaizàna jiosy tamin\'ny fomba fivavahana ka nahatonga ny fomba maro t@ izany fiangonana izany ho hentitra... sarotiny mihitsy ny ampahany t@ ireo t@ famoràna, fanajàna Sabata, fifadian-kanina, fomba fivavaka, fihaviana (jiosy ihany sy ny firazanana), fanajàna fampianaran\'ny patriarka niaingàna (tao ny mpianatr\'i Petera, tao ny mpianatr\'i Jaona, tao ny mpianatr\'i Matio, tao ny mpianatr\'i Paoly...)

Noho izany dia tsy maintsy nampianatra manokana i Paoly fa tsara izany nefa i Kristy ihany no tokony ho lohalarana... ary nitenenany manokana mikasika ny voafora sy tsy voafora, ny andevo sy ny tompony, ny fifadiana hanina isankarazany sy ny tsy fifadiana, ny fanajàna andro iray mihoatra noho ny hafa sy ny fanajàna ny andro rehetra ho mitovy... ka nilazàny fa i Kristy no tokoby ho lohalaharana ary fototry ny famonjena... ka na jiosy na tsy jiosy dia manana anjara amin\'izany avokoa...

Mbelo, Achia, Zina> Izaho manokana dia manaiky fa lalàna lehibe hoy aho ny fanajàna ny Sabata... fa ny Sabatan\'Andriamanitra anie ka tsy andro no hajaina fa ny fhevitra nanaovan\'Andriamanitra azy e...
Im-piry moa Kristy no tsy efa manaporofo izany ary nitenenany mafy ireo fariseo... ny fitsaharana ao amin\'Andriamanitra dia ilay fandraisana ilay famonjena vitany teo amin\'ny hazo fijaliana ka nanekena Azy ho Tompo sy Mpamonjy fa tsy fanajàna andro...
Im-piry moa Kristy no tsy efa nilaza fa tsy tonga Izy handrava ny lalàna fa hanatanteraka azy?...
Fa ny fariseo raha nasiaka mafy t@ fanajàna ny andro (Sabata) ka nandrara araka ny lalàn\'i Mosesy ny zavatra azo atao sy tsy azo atao amin\'izany andro izany, moa tsy efa nanarin\'i Kristy ny amin\'izany? fa ny fitsaharana ao amin\'Andriamanitra dia tsy andro no resahina, fa fanamasinana Azy Andriamanitra, fandraisana antoka ny famonjena ho tena antom-piainana, fizaràna fitiavana amin\'ny rehetra...

... lava loatra fa dia omeko ny Tenin\'Andriamanitra manambara izany aoriana...
75. Zina ( 05/02/2007 17:19)
Prime a misaotra namaly.

hoy ianao:
Mbelo, Achia, Zina> Izaho manokana dia manaiky fa lalàna lehibe hoy aho ny fanajàna ny Sabata... fa ny Sabatan'Andriamanitra anie ka tsy andro no hajaina fa ny fhevitra nanaovan'Andriamanitra azy e...

aminao dia ny fihevitra ny sabatan'andriamanitra no tokony hajaina....
Raha mamaky tsara ny didy folo ianao dia hoy Andriamanitra oe:
Mahatsiarova ny ANDRO Sataba hanamasina azy...
Misy andro iray natokan'Andriamanitra ho Sabata dia ny andro fahafito.. avy namorona ny tany sy ny lanitra izy dia nitsahatra ary nanamasina ny ANDRO FAHAFITO.

amiko io lazainao dia tsy mitombona mihitsy.

76. Zina ( 05/02/2007 17:30)
Hoy i zina:
ary ahona ny didy folo zany ry Prime ahavonjy antsika ve sa tsia?
... Fa ianao angaha ry zina mieritreritra ny fanajàna didy folo mahavonjy?...


nataoko expret mihitsy io satria fantatro fa hamaly an'io otran'io ianao.

aleo atao oe mety tsy maha voavonjy atsika ny didy folo. Ahona ny fomba ahavovonjy antsika raha tsy misy ny lalana???? Tsy oe juste mino aho dia izay fa misy principe arahina dia ny lalana - FIHEZAHANA manaraka an'io lalana io no ahavovonjy antsika - ny fanarahina an'i Jesosy - ahona oy i Jesosy raha tia ahy ianareo dia tandremo ny didiko....John 14:15 santionany fotsiny io
77. Zina ( 05/02/2007 17:32)
azafady fa lasa tampoka ilay izy nefa mbola tsy vita hihihi
amiko dia izao ny formule: Andriamanitra (3)= fitiavana = lalana = Andriamanitra (3) cercle io....

famaliana ny fahatelo mbola ho avy ...
78. Zina ( 05/02/2007 17:36)
py i Prime ndray @ ity:
Hoy i zina:
amiko ity dia i Paolo dia miteny momban'ny fetin'ny jiosy (ceremonialy etc...) fa tsy misy idiran'ny Sabata izay ao @ didy foly mihitsy...
Tadidio tsara fa i Paolo ao Romana io dia mihezaka ny hanavotra ny jentilisa mba hanaraka an'Andriamanitra... asa raha misy dikany aminao ihany ilay teneniko...
... fa hono hoy aho, tsy misy resaka "ceremonials" mihitsy no fototry ny Rômana 14 fa resaka "finoana" sy fampianaram-pinoana... fananarana nataon'i Paoly mikasika ny fahasamihafàna teo amin'ny fiainam-pinoana no voalaza ao... ka nananarany mafy tsy ifampitsaratsaràna ho an'izay mpifady sy tsy mpifady, mpanaja andro iray mihoatra noho ny hafa sy ny mpampitovy ny andro rehetra...


matoa aho namaly an'io otran'io dia satria ianao niteny oe: ary nataonao en italique mihitsy ilay izy.

5 Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy.6 Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo. Ary ny mihinana dia mihinana ho an'ny Tompo, satria misaotra an'Andriamanitra izy; ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy." Romana 14:5-6


io no namaliko an'ity....satria resaka loi ceremoniales io fa tsy loi morale velively.

79. mbelotavao ( 05/02/2007 18:24)
Prime a! >>>
Sabata = Andro fahafito no voasoratra ao @ didy faha-efatra kooo....
80. mbelotavao ( 05/02/2007 18:28)
Azafady fa hadinoko..
Ny lalàna tsy mahavonjy fa ny fanitsakitsahana azy dia mahavery ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082