Miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra(speaking tongue)

81. Zina ( 02/02/2007 03:48)
Achia, ie zany mihitsy ka:wink:
82. niryna ( 02/02/2007 20:46)
dailynews:

Azoko ny tianao lazaina.

Fa androany aho mba tena tiako ianao LD hihaino ity fampianarana ity. Fa vao androany maraina vao androany maraina mihitsy io no nohenoiko.
Tadiavo ilay misy soratra hoe television ary midira @ ilay hoe watch now. Ilay daty 10 Janoary jerena.


http://www.bennyhinn.org/




Marina ve izany fa Jiosy nanaraka an'i Jesosy izy taty aoriana?


83. niryna ( 02/02/2007 20:55)
simplex:

tena vavolombelona ity:

ndraindray za miteny ratsy (teny tsy fantako io), tsy mino aho anefa fa noho ny finoako an'Atra no mahatonga an'io :-w d tia tena tsy haiko e, za anefa mba votom-pinoana ihany.

Ny fanahy ratsy mahay mangalatahaka,nisy olona nilaza tamin'ilay pasitera fa hoe nilatsahan'ny fanahy hono izy ka asiany hitoriteny ao am-piangonana.Hoy ilay pasitera hoe ka nahoana Izy no tsy niteny izany tamiko?Lasa fotsiny ilay rangahy,nilaza izy fa nisy niteny azy tamin'ny fiteny tsy fantatra.Tena efa nahita olona betsaka aho fa ity ramatoa tao am-piangonana indray rehefa samy nanantona ho sitranina na raisina tanana ny olona dia samy nivavaka daholo,ity ramatoa nivavaka nivazavaza ary feo mikiakiaka hafakely no navoakany.Voatarik'ilay feo ratsikely ny vavako ary dia niteny tao am-po aho hoe raha avy aminao tompo o ity olona mivavaka eto akaikinay ity dia avelao izy hivavaka fa raha avy amin'ny hery ratsy kosa amin'ny anaranao jesosy avy any nazareta aho enga anie izy hangina!Vao tapitra ny amenako dia nijanona ilay ramatoa.

84. niryna ( 02/02/2007 21:02)
cutie:

Anisany iray io ry cutie a,mandeha miangona ianao,samy manana ny hery hanehoan'Atra antsika tsirairay avy isika mihaino ilay toroteny ary matetika aza toa ianao no eritreretinao hoe teninin'ilay mpitandrina

vo maika tsy mazava
de aiza le miteny @teny tsy fantatra @zany :lol:

Tsy tadidiko intsony raha efa nazavaiko teto ilay olona miteny amin'ny fiteny tsy fantatra.Tadidinao t@ andron'ny pentekoty ilay nilatsahan'ny fanahy masina ny mpianatr'i jesosy?Izay olona tonga niangona teo dia samy nahazo ilay torotony izay mitovy no fahalalako azy fa saingy nomen'Atra olona samy hafa ny fandikana azy ary variana izy rehetra.Ataovy hoe nandeha tany Italie ianao dia niditra ny fiangonana ary miteny italiana daholo ilay olona kanefa ianao maheno ilay toroteny amin'ny fiteninao.
85. niryna ( 02/02/2007 21:05)
Achia:

Za aloha ry niryna raha misy ol milaza fa nahita an'i Jesosy izany de hanontaniako tsara aloha . Efa maro ny olona efa nilaza nahita an'i Jesosy , ireo olona ireo dia samy mahavita fahagagana daholo ary tena fahagagana tokoa moa izany . Ka izaho de tsy mino hoe ilay tena Kristy izany hitany izany . Jereo fotsiny ao anaty baiboly fa olona 2 ihany no nahita ny endrik'i Jesosy eo @ voninahiny , ka izay no hanontaniako anao hoe nanao ahoana izany Jesosy hitany izany ?

Efa nolazaiko koa io fa efa in-telo aho no niseho tamin'ny nofy izy tamiko ary ny farany dia taty an-dafy toerana mbola tsy niangonako ary indray andro aho noentin'ity namako ity tao am-piangonany dia ilay tao anaty nofiko no hitako ary dia nitsamboatra be aho ka hoy izy hoe maninona? efa itako tao anaty nofiko ity toerana ity

86. niryna ( 02/02/2007 21:09)
Zina:

Isika rehetra dia miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra daholo raha toa ka tena manana finoana an\'Atra


Tsy oe isika rehetra fa ny sasany. Amiko ny y miteny @ fiteny tsy fantatra dia ireo :ohatra: mandeha any @ tany izay ohatra tsy mahay teny frantsay ny olona hitorina ka misy manao traduction dia ilay traducteur amiko miteny @ tsy fiteny tsy fantatra mba ho mazava amin;ireo tsy mahay teny frantsay izay lazaina...Izay lazana ao @ baiboly dia hinoko fa mila mampiasa logique koa isika.. ilay olona miteny dia au moins tokony mihy hi-compre izay lazainy fa tsy mibredika @ teny tsy misy mahafantatra. - Bref zany
Fahaizana manazava ny tenin\'Andriamanitra aminy teny hafa ho an\'ny olona izay tsy mahay ilay original fitenenana...

Tafiditra ao anaty fiteny hoe miteny amin'ny teny tsy fantatra ihany koa io amiko amin'ny teny anglisy izy teny iray fa amintsika izy toa sarotra koa.Nomen'Atra fahalalana daholo isika ka mety samy manana ny teny fihainony ohatra.Pasitera koreana tsy mahay teny hafa mitoriteny,misy mpandika kanefa tsy misy ttsy ahoana no fomba andikany azy eo noho eo?Herin'ny fanahy masina no nanome azy ilay teny,marina fa na atao hoe nianatra teny hafa aza izy.

87. niryna ( 02/02/2007 21:12)
methode:

Reo misanàka vava sy miteny amin'ny sarikely reo zao miteny amin'ny teny sy fantatra daholo! Le ao amin'ny Baiboly nge le olona miteny miteny amin'ny teny tsy nianarany fa tsy hoe teny tsy fantatra e! Lay mihaino no mahazo ilay lazainy fa tsy izy miteny angamba. Ilay lazaina miteny ami'nny teny tsy fantatra amin'izao anefa toa tsy misy mahazo na ny miteny na ny itenenana! Sa tsy izany??:?:

Marina io ary mitombona.Tadidio ange ilay firenena ao anaty baiboly sainga hanangana fefy dia tsy hisy tafiditra ny olona ao ivelany.Ahoana no nataon'Atra? Nomeny teny samy hafa ilay firenena dia lasa tsy teny iray intsony no hitenenany ka tsy tanteraka izay nokasainy satria tsy nifankahazo ny resaka.

88. niryna ( 02/02/2007 21:15)
methode:

Raha azo atao dia aza atao lava loatra ny fanazavana fa reraka le olona mamaky dia tsy voavaky hatramin'ny farany! Betsaka no tsy dia afaka mijanona maharitra loatra mamaky nefa mba te-hamaly! Misaotra!

Fanazavana no antony nahatonga an'io lava io sao misy olona mba te ahalala azy,ka na manao kopia fotsiny an'ilay izy. Izay ny antony methode fa mialatsiny e

89. niryna ( 02/02/2007 21:28)
Achia:

Ka ny ahy aloha raha vao misy ol milaza fa nanana fahitana izany dia ny baiboly ihany ny ahy no hijereko ny fahamarinany hoe tena avy @ ATRA marina ve izany sa tsia ; fa ato @ Apokalipsy 13/4: mantsy dia milaza toy izao @ resaka fanomezana hery sy fahefana ; Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo , satria izy no nanome fahefana an'ilay bibidia ; ary niankohoka teo anatrehan'ilay bibidia koa ireo ka nanao hoe iza no tahaka ny bibidia iza no mahay miady aminy , eo zao ny devoly dia tena nanome fahefana ary ampanankarena an'i bibidia mihitsy aza koa diniho ihany e!

Marina tanteraka ny fahefana teneninao, ny maizina afaka manome, ny mazava koa mihoatra noho izany.Ny mahasamihafa azy dia ny fiafarany.Raha herin'ny maizina no nahavitanao zavatra marobe,tadidio fa tsy maintsy hisapotina aminao ilay maizina amin'ny andro farany.Ny tiako tenenina dia andao tonga dia ny zavamisy no tenenina.Ireny olona manangona zavatra vokatry ny alatra,na fitaka, na manana manao tsinontsinona ny madinika na manana mirehareha ny arenany ka milalao vehivavy.Isika rehetra mety samy efa nahita ny mitovy an'io.Ny fivavahana anie tsy hoe izay mamaky baiboly irery ihany e ,izay ao anaty baiboly no arahintsika eny fa tsy misy na iray aza mahatandrina lalana.Izany no mahatonga ny fivavahana manohitra ny Temoin satria ry zareo mbola mivelona ny lalana ihany.Folo no isan'ny lalana ka na iray ihany aza no tsy ataonao dia efa mitovy ny olona tsy manaraka ny 9 ao ianao.Izay no nahatonga an'i Jesosy nanome ny rany ho fanatitra ho antsika rehetra.Vita hoy izy.Raha milaza isika fa mahatanteraka ny rehetra dia manao an'Atra ho mpandainga
90. niryna ( 02/02/2007 22:12)
Zina:

nyrina ity ilay size..
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45ad9db7d39f3

Zina voavakiko ilay izy fa misaotra betsaka.Tsy nahita an'io aho raha tsy niteny ianao hoe niryna koa tokony hamaly.Efa novaliako any ilay izy.
Jesosy no SABATA na FITSAHARANA.Izy no solon'ny fanatitra rehetra izay natao taloha zanak'ondry.Izy no zanak'ondry nanafaka ny fahontan'izao tontolo izao.Izay no dikany fitsaharana amin'izao fotoana izao Vita hoy izy.Tapitra hatreo izany ny fanomezana fanatitra.Manana azy isika dia manana fitsaharana.Ny jiosy dia mbola miandry ny mesia ihany hatramin'izao ary mbola manaraka ny lalana ihany hatramin'izao.Tena fiainana ahoana moa izy no manaja ny andro iray ho an'Atra kanefa rahampitso manalika ny mpiasa sy manao tsinotsinona ny madinika.Rehefa nandika ny lalana iray dia namany nandika ny rehetra.Tsy mahatazona ny lalana intsony isika.Koa aza miady hevitra mikasika ilay sabata sabotsy na alahady fa raha mahatandrina ny didy rehetra dia tazomy koa io.Io no fanazavana azoko omena an'i zina mino aho fa hanampy anao io

91. Achia ( 03/02/2007 06:54)
Hoy nyrina ny fivavahana anie tsy hoe izay mamaky baiboly irery ihanay e! tena marina mitsy izany ka fa eny @ vatolampy sy eny antendrombohitra ihany koa fivavahana ka sady ireny mahita fahitana foana
92. Zina ( 04/02/2007 04:34)
Jesosy no SABATA na FITSAHARANA.Izy no solon'ny fanatitra rehetra izay natao taloha zanak'ondry.Izy no zanak'ondry nanafaka ny fahontan'izao tontolo izao.Izay no dikany fitsaharana amin'izao fotoana izao Vita hoy izy.Tapitra hatreo izany ny fanomezana fanatitra.


Ny sabata dia voalaza ao @ ny didy folo ary oy ianao oe tapitra hatreo izany ny fanomezanay fanatitra...
dikan;izany zany dia tapitra atreo ko ny didy folon'Andriamanitra ve?
93. niryna ( 09/02/2007 08:33)
Achia:

Hoy nyrina ny fivavahana anie tsy hoe izay mamaky baiboly irery ihanay e! tena marina mitsy izany ka fa eny @ vatolampy sy eny antendrombohitra ihany koa fivavahana ka sady ireny mahita fahitana foana

Miresaka vatolampy sy tendrombohitra ianao fa misy nilaza fa ireny olona mandeha maka fanafody manao varotra sy ny sns ireny hono any ambadikin'ny tendronbohitra lavitra be no mandeha.koa misy olona izany mitady olona izay ataony a/tra hitadiavany zavatra ary dia izao no nolazainy.
Very omby ny rar ka nisy olona nilaza azy hoe ary misy olona mahalala zavatra ary dia nandeha tany izy ka hoy ilay olona hoe alaivo ary anan...ny ombinareo fa mbola ao ary hoy ity very omby hoe raha marina io dia omeko vola...ianao.hitany tao tokony hono ilay omby ary niverina izy nanatitra ilay vola.Taty aoriana nitombo ny sain'ilay very omby ka nitatra ho zavatra hafa kanjo dia fatiatoka iray lavaka .
Ny tiako ho tenenina dia mahay sy mahavita fahagagana maro koa ny satana fa amin'ny andro farany dia hivoaka ny marina

94. Achia ( 09/02/2007 09:53)
Ka azonao tsara mihitsy ilay zavatra fa na i Jesosy aza hain'i satana ny naka ny endriny hoe Jesosy nefa ny tsy hain'i satana dia ilay tena Jesosy dia tsy mitovy endrika @ ilay ataon'ny olona sary @ izao intsony , mbola maro ny fitaka ataon'i satana fa mila mahalala ny sitrapon'ATRA aloha ny ol mba ahalalany tsara na tikony ho tena marina ireny Jesosy maro mpahita ireny
95. Zina ( 09/02/2007 15:57)
Tsisy mamaly intsony?:cry:
96. niryna ( 10/02/2007 06:55)
Achia:

Ka azonao tsara mihitsy ilay zavatra fa na i Jesosy aza hain'i satana ny naka ny endriny hoe Jesosy nefa ny tsy hain'i satana dia ilay tena Jesosy dia tsy mitovy endrika @ ilay ataon'ny olona sary @ izao intsony , mbola maro ny fitaka ataon'i satana fa mila mahalala ny sitrapon'ATRA aloha ny ol mba ahalalany tsara na tikony ho tena marina ireny Jesosy maro mpahita ireny

Ka izany mihitsy,izay no mahatonga antsika hiambina,hianatra ny soratra masina.Na ny devoly aza anie mahay soratra masina dadany amin'ny tany e.
Efa hitan'i Achia ilay ramatoa mikatringa mangataka mitondra baiboly ao Tana io ?Indray andro izay izaho sy ny vadiko niandry fianakaviana tao anaty fiara
ary dia tonga nanantona ahy izy,nifampijery ny masonay,nangataka vola tamiko izy ary teny masina miraraka no notenenina tamiko.Omeo vola hono izy fa hoy Jesosy hoe aza mody hodiana izay mangataka aminareo.Maro ny zavatra tao anaty baiboly noteneniny ary nampiasainy tamin'ny fangataham-bola ilay izy.Farany hoy izy hoe tsy manome azy hono aho hoy Jesosy.Teo aho vao nandroaka devoly tamin'ny anaran'i Jesosy ilay ramatoa ary dia nivadika nampatahotra ilay masony ary lasa izy.Samy variana izaho sy ny vadiko fa tena mahay tena masina maro izy.
97. Achia ( 12/02/2007 10:42)
Maro anie ny olona mamoaka devoly @ anaran'i Jesosy ry nirina e !
98. niryna ( 13/02/2007 07:40)
Achia:

Maro anie ny olona mamoaka devoly @ anaran'i Jesosy ry nirina e !

Mino an'izany aho ary ianao koa aza dia afaka manao izany.Ny tena fiainana no tenenintsika.Ataoko ohatra fotsiny ity,raha misy olona mila ady aminao ary manao izay mahatezitra anao mafy,mila mivavaka ianao ary mangataka amin'Atra ny herin'ny fanahy masina hiaro anao.Mivavaka ary mangataka ny famelan-keloka ilay manao ratsy aminao.
Satria io fanahy masina io no miaradia antsika,manoro antsika, mitari-dalana antsika,io no mifaly miaraka ny anjely rehefa misy olona iray voavonjy ny fanahiny.
Ny valiny? Omen'Atra hery ianao ,ho maiva ny hatezeranao sns.
99. Achia ( 13/02/2007 10:25)
Fa raha misy olona miady @ ao moa izany dia iza no tokony hamela ny fahadisoana ianao sa ATRA ?
100. xxx ( 13/02/2007 12:13)
ahan!bonne kestiô!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4409