Miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra(speaking tongue)

21. cutie ( 10/01/2007 23:43)
Hoy i Samoana:
Faly izay akamako 1 izay raha mahita ity satria isaky ny misotrosotro(dite) lery miteny @ teny tsy fantatro foana. hihihi

tapaka koa ny tsinaiko @iny =))=))=))=))=))
22. dailynews ( 11/01/2007 00:48)
Azoko ny tianao lazaina.

Fa androany aho mba tena tiako ianao LD hihaino ity fampianarana ity. Fa vao androany maraina vao androany maraina mihitsy io no nohenoiko.
Tadiavo ilay misy soratra hoe television ary midira @ ilay hoe watch now. Ilay daty 10 Janoary jerena.


http://www.bennyhinn.org/


23. dailynews ( 11/01/2007 00:59)
tsara kokoa raha mijery ilay omaly ihany koa ianao aloha ny hijerenao ity 10 janoary ity. Jereo ao @ archive. Midira TV aloha dia jereo ny archive.
24. LazaDaddy ( 11/01/2007 01:10)
DN> Tsy nojereko ilay rohy vao hitako hoe ingahy "Benny Hinn". Tandremo fatratra ary averiko indray fa tsy ho reraka aho ny milaza hoe ampilaharo @ Tenin'Andriamanitra ny fampianarana rehetra.

"fa na ny olom-boafidy aza ho voafitaka ... if that were possible"!
25. dailynews ( 11/01/2007 02:22)
:roll:
26. dailynews ( 11/01/2007 02:27)
Misaotra anao, saingy fantatro izay hinoako ka tsy hiroaroa saina aho raha ny amin izay.
Raha any momba an i Pr Benny indray dia efa folo taona izay no nahafantarako azy, afaka milaza aho hoe fanahin Iza no miasa ao aminy satria ny vokany no hahafantarana ny hazo. Misy ny manenjika azy tahaka anao ihany koa manao asan Atra misy manenjika..fombany izany.
27. LazaDaddy ( 11/01/2007 02:53)
DN> tsy misy antony anenjehako an'ingahy Benny Hinn mihitsy. Izay no tsy nijerevako ilay rohy nomenao fa aleoko mitodika @ Tenin'Andriamanitra na aleoko lavitra aza mipetraka fotsiny @ izao. :)
28. dailynews ( 11/01/2007 03:01)
marina ny anao, ny TA no tys maintsy jerena foana hoe mifanaraka sa tsia. Ary aza matahotra ianao fa mijery ny TA foana aho @ izay rehetra ataoko ihany koa. Io ihany no reference. Tahaka ireo mpino tao Beria, na dia i Paoly aza no nitory dia mbola nijery ny TA foana izy ireo nanadihady hoe marina izany sa tsia. Aza matahotra ianao.
29. niryna ( 12/01/2007 19:34)
Samoana:

niryna:

Isika rehetra dia miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra daholo raha toa ka tena manana finoana an\'Atra.(l)(l)(l)


Faly izay akamako 1 izay raha mahita ity satria isaky ny misotrosotro(dite) lery miteny @ teny tsy fantatro foana. hihihi



Ireny indray olona tsy dia mahavoaka teny firy raha tsy misotro,na ny tena izy sarokenatra ka ny taoka no hanalany vokona hilazany ny ao am-pony:roll:

30. niryna ( 12/01/2007 19:35)
xxx:

zay vao fantatro hoe iza i niryna an ! kay ve i R...hiany e !

XXX a iza izany R.. izany:?:

31. niryna ( 12/01/2007 19:38)
dailynews:

Mila mangataka ny batisa ny Fanahy Masina anefa.
Fiffi> biblika be io ary tena sitrapon Atra. tsy natao ho an ny fiangonana t@ pantekosta voalohany fotsiny ihany fa h@ ny fiangonana h@ izao fotoana izao satria anisan ny teny fampanantenana izany. Ny atao dia mila mangataka ary mino fa handray. Tsy mahazo ianareo ho ny Tompo satria tsy mangataka. Mangataha.
Mampahery be io @ fiarahana @ Tompo. Ilaina io ho an ny tena manokana satria mampandroso, ary ilaina ho an ny fiangonana raha misy ny mpandika io teny io sns....
vakio I Kor 14

Misaotra an'i dailynews nampahafantatra ny namana an'io.Tsy ny olona mianatra na mamaky baiboly isan'andro no tongavan'io fanahy io fa ny olona tsy dia manana finoana firy,marina ve izany?

32. niryna ( 12/01/2007 19:41)
cutie:

Le ao amin'ny Baiboly nge le olona miteny miteny amin'ny teny tsy nianarany fa tsy hoe teny tsy fantatra e! Lay mihaino no mahazo ilay lazainy fa tsy izy miteny angamba

tsy mazava :roll::roll::roll:

Anisany iray io ry cutie a,mandeha miangona ianao,samy manana ny hery hanehoan'Atra antsika tsirairay avy isika mihaino ilay toroteny ary matetika aza toa ianao no eritreretinao hoe teninin'ilay mpitandrina

33. niryna ( 12/01/2007 19:48)
methode:

Reo misanàka vava sy miteny amin'ny sarikely reo zao miteny amin'ny teny sy fantatra daholo! Le ao amin'ny Baiboly nge le olona miteny miteny amin'ny teny tsy nianarany fa tsy hoe teny tsy fantatra e! Lay mihaino no mahazo ilay lazainy fa tsy izy miteny angamba. Ilay lazaina miteny ami'nny teny tsy fantatra amin'izao anefa toa tsy misy mahazo na ny miteny na ny itenenana! Sa tsy izany??:?:

Misy olona miteny mivantana amin'Atra hono ary izy no miteny ny mpitandrina milaza ny tenenin'ny avo ary misy koa mahafantatra ilay teny tsy fantatra ka mandika azy,iny no atao hoe mpandika ilay teny.Izay no mahatonga ny teny hoe mivavaha ianareo mba hisy ny mpandika teny raha omeny fiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ianareo.Izaho aloha efa tena nahita maro e,miteny ilay olona ary tsy miara-mipetraka ary olona tsy mitovy fa samihafa daholo ary misy mandika,misy indray hafa miteny ary misy mahazo ilay teny ary mandika azy.Tamin'ny voalohany aho nanana fisainana adaladala hoe sao dia mampandri-zavatra ary ireto:wink:

34. xxx ( 12/01/2007 19:52)
Mety marina io fa angamba mila alalinin'iza mahafantatra
35. simplex ( 12/01/2007 20:06)
tena vavolombelona ity:

ndraindray za miteny ratsy (teny tsy fantako io), tsy mino aho anefa fa noho ny finoako an'Atra no mahatonga an'io :-w d tia tena tsy haiko e, za anefa mba votom-pinoana ihany.
36. cutie ( 12/01/2007 20:29)
:-D:-D:-D:-D
37. cutie ( 12/01/2007 20:38)
Anisany iray io ry cutie a,mandeha miangona ianao,samy manana ny hery hanehoan'Atra antsika tsirairay avy isika mihaino ilay toroteny ary matetika aza toa ianao no eritreretinao hoe teninin'ilay mpitandrina

vo maika tsy mazava
de aiza le miteny @teny tsy fantatra @zany :lol:
38. methode ( 18/01/2007 12:42)
cutie: Ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe ao ami'nny Baiboly dia ireo tamin'ny Pantekoty niteny tamin'ny teny tsy fantatra: Ny olona nihaino no samy nahazo izay nolazain'izy ireo satria tamin'ny fiteny isan-karazany izy ireo. Tsy nila mpandika teny. Ny tsy fantatra dia hoe nahazo izay nolazainy ve ry Piera sy ny namany sa dia niteny fotsiny.
Raha ny hevitro aloha dia tsy hitako izay ilàna ny teny raha tsy misy mahazo izay lazaina. Matoa Andriamanitra miteny dia misy hafatra ampitainy izay.
Fa raha miteny amin'ny fiteny tsy fantatra fotsiny izao dia be dia be, ohatra ny tanora malagasy mihira teny Jula, Kikongo, Moré, Bambara, Indonésienne, sinoa, japone sy ny sisa nefa tsy misy azony izay teneniny. Ny mozika fotsiny no mahafinaritra azy miaraka amin'ny tononkira.
39. cutie ( 18/01/2007 14:25)
ok:lol:
40. Zina ( 19/01/2007 02:22)
Isika rehetra dia miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra daholo raha toa ka tena manana finoana an\'Atra


Tsy oe isika rehetra fa ny sasany. Amiko ny y miteny @ fiteny tsy fantatra dia ireo :ohatra: mandeha any @ tany izay ohatra tsy mahay teny frantsay ny olona hitorina ka misy manao traduction dia ilay traducteur amiko miteny @ tsy fiteny tsy fantatra mba ho mazava amin;ireo tsy mahay teny frantsay izay lazaina...Izay lazana ao @ baiboly dia hinoko fa mila mampiasa logique koa isika.. ilay olona miteny dia au moins tokony mihy hi-compre izay lazainy fa tsy mibredika @ teny tsy misy mahafantatra. - Bref zany
Fahaizana manazava ny tenin\'Andriamanitra aminy teny hafa ho an\'ny olona izay tsy mahay ilay original fitenenana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314