Miteny amin\'ny fiteny tsy fantatra(speaking tongue)

61. niryna ( 26/01/2007 23:16)
Achia a Alefako ho anao ity fanazavana ity ary enga anie ka maro ny ho liana.Raha misy fanontaniana dia manorata fa vonona aho hamaly izay kely hananako sy fantatro.
Mbola mitohy ny resaka speaking tongue ihany izy ity.
Somary misy teny anglisy fa na izany aza dia misy fanazavana azy amin'ny teny gasy foana8O8O
SPIRIT GIFT OF BELIEVERS NA FANOMEZAM-PAHASOAVANA HO AN'NY MPINO.
Vakio ny 1kor 12:7-11.Izay mpino rehetra izany dia tokony hanana iray na maro ireto fahasoavana ireto:
-Fanahy teny fahendrena na message of wisdom.
-Teny fahalalana na message of knowledge.
- Finoana araka ny Fanahy na faith by the Spirit.
-Manasitrana na healing power.
-Manao fahagagana na miraculous power.
-Maminany na profecy.
-Mahafantatra ny fanahy samihafa na distinguishing between spirits( io dia olona mahalala na fanahy ratsy ilay izy na fanahy tsara)
-MITENY AMIN'NY FITENY SAMIHAFA TSY FANTATRA NA SPEAKING IN DIFFERENT KINDS OF TONGUES.
-Mandika amin'ny fiteny tsy fantatra na interpretation of tongues.Ireo roa farany ireo dia matetika omen'Atra miaraka satria misy mpiteny ary misy ny mpandika.:roll:
62. niryna ( 27/01/2007 00:45)
Tohiny eo ambony.
Fanamarihana: ny mpino dia nomen'Atra fahasoavana izay mety hifangaro ary tsy an'ireo olona ao am-piangonana ireo fa ho antsika rehetra izay tena mino an'i Jesosy Kristy.Manontania tena ianao hoe iza amin'ireo no zavatra hananako ary dia misaora Azy nanome anao izany.Ary zarao ny fahasoavana nomeny anao.
Lavabe ny fanazavana an'ireo fa ezahako hafohezina.
1-Message of wisdom: Ny fanahy masina no manome an'io ka fahendrena izay mamaha ny olana na zavatra mitranga.Mila mianatra, mandalina ny tenin'Atra ary mivavaka. AA 6:10;15:13-22.
2-Message of knowledge:Ny Fanahy masina no manome fahalalana hamantatra ny marina ao amin'ny Teny ary matetika dia mifanakaiky ny mpaminany.AA 5:1-10
3-Faith: Tsy finoana isan'andro io fa io ilay mamindra ny tendrombohitra miaraka ny fahagagana sy ny fanasitranana Matio 17:20,Mk 11:22-24,Lk 17:6
4-Gift of healing:omena ao am-piangonana io hanasitrana ara-batana sy ara-tsaina.Mt4:23 na dia tsy natao ho an'ny rehetra io dia anjarantsika no mivavaka ilay marary.Mety ho sitrana ny marary noho ny fanarahiny ny tenin'Atra( result of obedience of God.Jk 5:14-15.
5-Miraculous power:Ny fanahy masina miady ny herin'ny satana sy ny herin'ny devoly.Jn 6:2
6-Prophecy: Io faminaniana io izany dia mety omen'Atra ny mpino AA 2:17-18,(mety ahalala ny dikan'ny nofy ianao,mety haminany ianao na izay mino)ary tsy ampitovizan-tsika ny mpaminany ao
am-piangonana izay olona vitsivitsy voatokana ihany.
Misy teny hampitain'Atra mivantana ho an'ny fiangonana ka ny mpaminany no maheno ny teny 1Kr 14:24-25.Vokatry ny mpaminany sandoka dia vitsy no fotoana omen'Atra io mpaminany io .1Kr14:29,32.
7-Distinguishing between spirits:Mahay manavaka ny mpampianatra sandoka ( false teachers)Mt 24:5 sy mampianatra zavatra hafa izay tena ilaina ao am-piangonana 1Tim 4:1.
8-Speaking in tongues:Jereo ny fanazavana manaraka ity fa lavabe.
a) mety teny fantatra no hiresahana na ny anjely 1Kr 13:1.
b)mety fanahin'ny olombelona miresaka ny fanahin'Atra ary mifandray mivantana Aminy.1Kr 14:2,14.
d)miteny ao am-piangonana ary misy mandika ny teneniny ary mety fanambarana ,fahalalana,mpaminany na fampianarana ho an'ny mpiangona 1Kr 14:6.
e)miteny amin'ny teny tsy fantatra ao am-piangonana dia mety mitranga matetika saingy tsy miteniteny fahatany ilay olona satria misy koa milaza miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ka ny satana no mampiasa azy.1Kr 14:27.Teny hafahafa fa averimberiny hi,hi8O
9-Interpretation of tongues.fanahy masina manome fahalalana sy fifampiresahina ilay miteny sy ilay mpihaino(hearers).Mety olon-kafa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra no omeny handika azy na olon-kafa mihitsy.1Kr 14:13.

Farany:Vavolombelona: Ireny olona misionera mitety ny firenena mahantra ireny.Afrika no tena alehany.Misy omen'Atra "speaking tongues"Tsy mahay teny afrikanina kanefa tonga any mitorin-teny amin'ny teny afrikana.8O:o:o8)8)
Espagnol vavy tonga taty amerika rehefa tonga ny fanasitranana sy fotoana handraisan-tanana ny olona dia nanantona izy ka teo noho eo izy dia nampita afatra amin'ny teny anglisy kanefa tsy nianatra anglisy mihitsy.:roll::roll:
Jiosy sendra namadika fandaharana fivavahana niantso ny radio satria tamin'ny fotoana notorian'ilay pasitera teny tao amin'ny radio no navadik'Atra ny toronteny ka lasa teny hebreo no nahenony azy.Nony tapitra ny fandaharana dia niteny ilay pasitera hoe izay rehetra mangataka hivavahana dia antsoy ity telefonina ity.Teo ilay pasitera vao zendana satria tsy miteny teny hebreo izany izy.8)8)
Maro fa na ho alina eto aza ny andro dia tsy ho tapitra^:^^:^^:^HO AZY IRERY ANIE NY VONINAHITRA ,MINO FOTSINY IHANY FA VELONA SY MAHERY NY TENINY.
IREO FAHASOAVANA REHETRA IREO DIA MBOLA MISY,NISY ARY HISY MANDRA-PAHATONGAVAN'ILAY MAHERY INDRINDRA.IZY ILAY ANDRIAMANITSIKA"JESUS IS OUR GOD.^:^
63. niryna ( 27/01/2007 00:55)
Zina:

o hisy mihitsy io fa tsy io irery akory satria rehefa tsy vitan'ny ra-olombelona intsony ny fanaparitahana ny tenin'Andrimanitra/filanza-tsara dia jereo anie ity e:
Joel 2; 28
Après cela, je répandrai mon esprit sur toute chair; Vos fils et vos filles prophétiseront, Vos vieillards auront des songes, Et vos jeunes gens des visions.
2.29
Même sur les serviteurs et sur les servantes, Dans ces jours-là, je répandrai mon esprit

Mitovy ny ao amin'ny AA 2:17-18 koa io teneninao io.
Jereo ny fanazavana nalefako eo ambony

64. niryna ( 27/01/2007 00:56)
xxx:

Mody fanina foana an!

Efa novaliako io ry XX a

65. Achia ( 27/01/2007 07:31)
Za aloha ry niryna raha misy ol milaza fa nahita an'i Jesosy izany de hanontaniako tsara aloha . Efa maro ny olona efa nilaza nahita an'i Jesosy , ireo olona ireo dia samy mahavita fahagagana daholo ary tena fahagagana tokoa moa izany . Ka izaho de tsy mino hoe ilay tena Kristy izany hitany izany . Jereo fotsiny ao anaty baiboly fa olona 2 ihany no nahita ny endrik'i Jesosy eo @ voninahiny , ka izay no hanontaniako anao hoe nanao ahoana izany Jesosy hitany izany ?
66. methode ( 27/01/2007 10:45)
Raha azo atao dia aza atao lava loatra ny fanazavana fa reraka le olona mamaky dia tsy voavaky hatramin'ny farany! Betsaka no tsy dia afaka mijanona maharitra loatra mamaky nefa mba te-hamaly! Misaotra!
67. Zina ( 28/01/2007 02:09)
Amiko dia efa manomboka tsikelikely sy ho avy izy fa izao tsy dia mbola hita betsaka:

o hisy mihitsy io fa tsy io irery akory satria rehefa tsy vitan'ny ra-olombelona intsony ny fanaparitahana ny tenin'Andrimanitra/filanza-tsara dia jereo anie ity e:
Joel 2; 28
Après cela, je répandrai mon esprit sur toute chair; Vos fils et vos filles prophétiseront, Vos vieillards auront des songes, Et vos jeunes gens des visions.
2.29
Même sur les serviteurs et sur les servantes, Dans ces jours-là, je répandrai mon esprit
68. niryna ( 29/01/2007 06:32)
Achia:

Za aloha ry niryna raha misy ol milaza fa nahita an'i Jesosy izany de hanontaniako tsara aloha . Efa maro ny olona efa nilaza nahita an'i Jesosy , ireo olona ireo dia samy mahavita fahagagana daholo ary tena fahagagana tokoa moa izany . Ka izaho de tsy mino hoe ilay tena Kristy izany hitany izany . Jereo fotsiny ao anaty baiboly fa olona 2 ihany no nahita ny endrik'i Jesosy eo @ voninahiny , ka izay no hanontaniako anao hoe nanao ahoana izany Jesosy hitany izany ?

Miresaka tamin'ny razambe sy ny olona taloha Atra ( tamin'ny alalan'ny anjely,fahitana,nofy ,mpaminany izy ary Atra dia niresaka nivantana tamin'ireo olona maro.Omeko fanazavana fotsiny ianao fa anjaranao no mijery azy ao anaty baiboly.Genesisy 1:26,2:25,3:1-24
Izay tadidiko fa maro izy no nisehoan'Atra mivantana.
Abrahama.Adama, Mosesy,Esao,Noah.
Izay mba matadidy omeo eto.
Amin'izao fotoana izao dia ny zanany Jesosy no miresaka mivanta amintsika.Ny herin'ny fanahy masina ,ny anjely ,mbola hita ao anaty nofy(in-efatra aho no nahita izany fa samy hafa ilay izy,mino aho fa anjely io) fa ny teny nomeny dia teny tao anaty baiboly izay tsy fantako tao raha tsy efa ela, afaka hitantara anao izany aho raha tianao.
69. Achia ( 29/01/2007 08:56)
ka mbo tantarao aza e! ary diniho ireo olona nolazainao ireo fa anjely angamba no hitany fa jereo anie i Jaona ao @ apokalipsy e ! hoe nanahoana izy izany nahita an'ATRA izany e ! toy izany koa i Daniel
70. Zina ( 29/01/2007 22:53)
Za aloha ry niryna raha misy ol milaza fa nahita an'i Jesosy izany de hanontaniako tsara aloha . Efa maro ny olona efa nilaza nahita an'i Jesosy , ireo olona ireo dia samy mahavita fahagagana daholo ary tena fahagagana tokoa moa izany . Ka izaho de tsy mino hoe ilay tena Kristy izany hitany izany .

Achia za ko dia otran-ndry... ary marina mihitsy io...
Ny ahafantarana azy ry reto dia izao a rehefa tsy mifanaraka @ ny baiboly izay lazainy dia tsy izy...
Ny sabata indrindra indrindra...:wink:
71. niryna ( 30/01/2007 05:41)

Zina asa aloha ny amin'io sabata io fa afaka manome andro Azy isika amin'ny fotoana izay ahafahantsika satria raha hilaza hoe sabotsy isika ,misy olona miangona Alahady.Misy koa anefa vokatry ny asa dia tsy maitsy miasa ny Alahady.Atao hoe tsy manaja ny andro sabata ve izy?
72. niryna ( 30/01/2007 05:45)
Achia:

ka mbo tantarao aza e! ary diniho ireo olona nolazainao ireo fa anjely angamba no hitany fa jereo anie i Jaona ao @ apokalipsy e ! hoe nanahoana izy izany nahita an'ATRA izany e ! toy izany koa i Daniel

Adama niresaka mivantana tamin'Atra ary nolazainy hoe azonao hohanina daholo ny voankazo rehetra afatsy ny voankazo voarara.
Abrahama mihoatra ny telo no efa noresahiny mivantana esory ny kapanao fa tany masina no itsahinao.
Paoly,Jesosy kritsy no niseho taminy mivantana, miaraka ny hazavana tsy hay jerena.

73. niryna ( 30/01/2007 05:54)
Achia asa ianao na efa teto tamin'izaho nanome ny size omeo an'Atra ny 10% ny fananao.
Ireto ary ny ohatra telo omeko anao dia omeko anao ny tantarako.
J.C& Penny mino aho fa mety misy olona mipetraka ao Amerika mahafantatra io fivarotana ngezabe eto USA.
Ny tantarana dia nanao ny 10% sy ny rakitra izy ary tamin'ny fony tanteraka ka vokatr'izany dia nanome hery azy Atra tao anaty fahitana na vision ka nanokatra varotra izy Jesus Christ vola santima(vola faran'izay kely eto amerika).
Lord and Taylor.Tranom-barotry ny mpanan-karena be eto USA koa io ary malaza ve mihitsy.Lord=Jesosy .Taylor ilay olona nanao 10%.
Samy nanana fahatokisana an"Atra ireo ary dia nomeny vision na fahitana na azo atao ihany koa hoe Atra no namome azy herin-tsaina hamorona ireo varotra ireo.
74. Achia ( 30/01/2007 10:44)
Ka ny ahy aloha raha vao misy ol milaza fa nanana fahitana izany dia ny baiboly ihany ny ahy no hijereko ny fahamarinany hoe tena avy @ ATRA marina ve izany sa tsia ; fa ato @ Apokalipsy 13/4: mantsy dia milaza toy izao @ resaka fanomezana hery sy fahefana ; Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo , satria izy no nanome fahefana an'ilay bibidia ; ary niankohoka teo anatrehan'ilay bibidia koa ireo ka nanao hoe iza no tahaka ny bibidia iza no mahay miady aminy , eo zao ny devoly dia tena nanome fahefana ary ampanankarena an'i bibidia mihitsy aza koa diniho ihany e!
75. methode ( 30/01/2007 11:26)
Mila dinihina ihany koa ny Apokalipsa fa tsy izay voalaza ao dia zavatra mbola ho avy daholo! Mila fantatra tsara hoe inona no antony nanoratan'i Joany na Jaona an'io boky io! Izany hoe tokony ho fantatra zany ny tantaran'io Boky io vao azo ny zavatra tiany lazaina!
76. Zina ( 30/01/2007 18:28)
Zina asa aloha ny amin'io sabata io fa afaka manome andro Azy isika amin'ny fotoana izay ahafahantsika satria raha hilaza hoe sabotsy isika ,misy olona miangona Alahady.Misy koa anefa vokatry ny asa dia tsy maitsy miasa ny Alahady.Atao hoe tsy manaja ny andro sabata ve izy?

Nyrina misaota namaly...misy size sabata ao @ fivavahana ao afaka mamaly tsara an'io lazainao io raha liana ianao:wink:
77. Zina ( 30/01/2007 18:36)
marina mihitsy ny an' i Achia, rehefa tsy mifanaraka amin'ny baiboly dia zavatra hafa izay..

methode a
ny apokalypsa dia boky izay betsaka mihitsy no tsy mahalala tsara ny ao anatiny na dia ny scholars ary ireo theologiens be...ary marina fa ny zavatra ao dia misy ny ho avy ary ny sasany efa lasa...mila mianatra tsara mihitsy....ary misy relation ny bokin'i apokalipsa sy Daniela...
Ny bokin'ny apokalipsa (dia azafady fa tsy aiko izy @ tenin'gasy miala tsiny mihitsy)...

"The revelation of Jesus Christ"
78. Zina ( 30/01/2007 19:28)
nyrina ity ilay size..
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45ad9db7d39f3
79. cutie ( 30/01/2007 20:57)
methode [ Valio ] 30-01-2007 12:26:03
Lohateny : Re : Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra(speaking tongue)
Mila dinihina ihany koa ny Apokalipsa fa tsy izay voalaza ao dia zavatra mbola ho avy daholo! Mila fantatra tsara hoe inona no antony nanoratan'i Joany na Jaona an'io boky io! Izany hoe tokony ho fantatra zany ny tantaran'io Boky io vao azo ny zavatra tiany lazaina!

:wink:
80. Achia ( 31/01/2007 16:28)
tena marina izany lazainao izany methode a! fa ny bokin'ny apokalipsy dia manambara ny zavatra efa lasa izay tsy hitantsika sy ny zavatra ankehitriny ary ny ho avy ary ny farany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1631