Vavaka nampianarin'ny Tompo: fizarana 1

1. LazaDaddy ( 03/01/2007 12:19)
"Ry Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao."

Inona no sakafom-panahy azo tsoahina avy amin'io fehezan-teny io?
2. ikaretsaka ( 03/01/2007 14:57)
Pater noster, qui es in coelis: sanctificetur nomen tuum:

mbola lery lo no resahina hatreo!:wink:
3. prime ( 03/01/2007 15:35)
Iza no mahasahy miantso ho Ray raha tsy efa zanaka aloha?... fa mba hahatonga ny olona ho zanaka aloha dia efa mila fandinihan-tena lalina... avy eo ny fahamendrehana ho zanaka ka ho sahy hiantso andavanandro an'Andriamanitra ho Ray mbola dingana hafa indray...

Maika moa ny olona afaka hanamasina ny anaran'Andriamanitra, raha tsy manana ilay fahamasinana rahateo moa ve afaka hanatanteraka izany? Inona no fototra mahamasina ny olona mahasahy miantso izany vavaka izany? ary amin'ny fomba ahoana no hanamasinana ny anaran'Andriamanitra?

Hummmmm... fandinihan-tena lalina no atao vao tokony hanonona io an-dalana voalohany io fotsiny...

Sa ahoana hoy nareo?

4. ikaretsaka ( 03/01/2007 15:41)
prime.. izany mihitsy!!! tena mila mandinitena lalina be mihitsy.. maca recul kely mihitsy, dia manao yoga .. concentration. exercice spirituelle, mamaky baiboly sns... izay aloha...
rehefa mahatsapa ny fisiany ao anaty @ zay vao afaka miteny an'io!
namaste!

5. dailynews ( 03/01/2007 17:17)
prime> ary izaho vao saika hanoratra ny tahakahaka an'io tokoa dia kay ny anao no tonga aloha. Mankasitraka e.
6. LazaDaddy ( 03/01/2007 21:27)
hatreto aloha izany dia mavesa-danja be ireto: "Ray" "Masina".

prime> Masina tokoa Izy ary tsy manaiky "fahalotoana" eo anatrehany, ka isaorana ny fandiovany antsika t@ Teniny sy ny ran'i Kristy.

"Ray masina o, manamasina anay @ fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana" Salamo.
Dia i Kristy koa niteny fa "Izy no fahamarinana". :)
7. ikaretsaka ( 03/01/2007 21:57)
NY RAY aloha no resaka eto fa tsy mbola misy Kristy an.
vavaka momba ny rainy ny ato aloha.
sanctificetur nomen tuum

mbola manamasina azy aloha ...

laza.. alefa tsikelikely wa... io maimaika io ihany . isika mety efa mahay fa ny olonna sasany mety mbola alefa tsimoramora.
Follow the pace
8. LazaDaddy ( 03/01/2007 22:52)
i Kristy no ahafahantsika miantso Azy ho Ray :)
9. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:07)
ka tsy afaka miteny hoe ray isika raha tsy ef alasa zanaka koa.
prime:
Iza no mahasahy miantso ho Ray raha tsy efa zanaka aloha?... fa mba hahatonga ny olona ho zanaka aloha dia efa mila fandinihan-tena lalina... avy eo ny fahamendrehana ho zanaka ka ho sahy hiantso andavanandro an'Andriamanitra ho Ray mbola dingana hafa indray...


Mbola eo amin'ilay hoe rainay any an-danitra aloha isika fa tsy Kristy any an-danitra... mbola ho avy any ihany isika fa aza maika
alefa tsikelikely fa tsy atao maika be ohatran'io .. azon'i laza?
10. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:10)
ny mahatonga antsika ho zanaka ahafahantsika miteny hoe Ray: Ny Tompo (i Kristy) no mampianatra antsika eto @ ito vavaka ito hoe "Rainay". :) Sa tsy ilay vavaka nampianarin'i Kristy no maha vavaka nampianarin'ny Tompo azy?
11. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:12)
vavaka nampianarin'i kristy io.. mazava ange izay e

fa vavaka momba "ny ray"

dia aoka ho ny "ray" aloha no hobanjinina fa manjary HS
12. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:15)
ikaretsaka:
vavaka nampianarin'i kristy io.. mazava ange izay e fa vavaka momba "ny ray"
azafady kely ikaretsaka fa tsy vavaka momba ny "Ray" velively ny "Vavaka nampianarin'ny Tompo". Soa ihany isika fa samy mbola mianatra :)
13. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:20)
vavaka nampianarin'ny tompo=nampianatra ny tompo!
... fa @ iza ilay vavaka no asandratra ? =@ ilay rain'ilay nampianatra!
sa tsy iznay indray?
14. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:21)
laza> mandehana ange manao recul de mandana mandinintena kely raha tsy azonao io e
15. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:25)
ikaretsaka> angamba tsimaintsy hoteneniko aminao ihany na dia saika tsy ambarako aza, fa izaho dia tsy mi-reculer manoloana ny zavatra hitako fa tsy mety. :)

Ny fiainam-bavako manokana indray dia tsy ho fantatrao ary tsy ilaiko ho fantatrao hoe adiny firy na firy segondra isan'andro aho no mitafa sy midinika @ ilay Andriamanitro :)
16. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:32)
Tohizana ny fianarana:

"any an-danitra"
Asa na diso hevitra aho fa amiko io dia:
1) mifono fahamboniana (tsitoha). "Ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalako tsy toy ny lalanareo..." Hoy Izy
2) Manamafy ny finoana ny fisian'Andriamanitra io. Hoy ilay sipa bodista niova Kristianina iray izay tamiko: "t@ izaho bodista dia tsaroako rehefa nivavaka dia manao hoe: ho an'ilay andriamanitra tsy fantatro hoe aiza no misy azy"
17. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:35)
karetsaka> angamba tsimaintsy hoteneniko aminao ihany na dia saika tsy ambarako aza, fa izaho dia tsy mi-reculer manoloana ny zavatra hitako fa tsy mety.


dia izay no toa mahavoa anao foana! stubborness!:roll:
18. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:36)
ary tsy za irery no niteny anao an'io razala an...
ka sao dia....

jereo ihany moa fa namana ianao ka atoro e
19. LazaDaddy ( 03/01/2007 23:41)
ikaretsaka> misaotra manoro...:)
20. ikaretsaka ( 03/01/2007 23:42)
miteny fotsiny moa ny namana fa .. miatomboka aminao ny zavatra rehetra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0753